Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Ezekiel 1

Ezekiel 1:1

Nonina niaraka tamin'iza i Ezekiela raha nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra izy?

Ezekiela dia niara-nipetraka niaraka tamin'ireo babo tany amin'ny tanin'ireo Kaldeana rehefa nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra izy.

Ezekiel 1:4

Inona no hitan'i Ezekiela avy any avaratra teo afovoan'ny rahona ?

Teo afovoan'ny rahona dia nisy zavatra niendrika zava-manan'aina efatra, ieo zava-manan'aina ireo dia samy manana elatra efatra.

Ezekiel 1:7

Ahoana no fihisak'ireo zava-manan'aina ireo

Ireo zava-manan'aina ireo dia tsy niherika rehefa nandeha; fa kosa samy nandeha mahitsy

Ezekiel 1:10

Inona no endrika nisy tamin'ny tavan'ireo zava-manan'aina ireo?

Ny endriky ny tavan'izy ireo dia tahaka ny endrik'olombelona, liona, omby, ary voromahery.

Inona no nibaiko ny famindran'ireo zava-manan'aina efatra ireo?

Ny Fanahy no nibaiko ny famindran'ireo zava-manan'aina efatra ireo.

Ezekiel 1:13

Tahaka ny inona ireo zava-manan'aina efatra ireo rehefa nikisaka mandroso mihemotra?

Rehefa nikisaka mandroso mihemotra izy ireo, dia tahaka ny tselatra.

Ezekiel 1:19

Nahoana ireo kodia no nandeha tamin'izay nalehan'ireo zava-manan'aina?

Ireo kodia dia nanaraka izay nalehan'ny ireo zava-manan'aina ireo satria tao amin'ireo kodia ny fanahin'ireo zava-manan'aina.

Ezekiel 1:22

Inona no teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina ireo?

Nisy eloelo midadasika teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina ireo.

Inona no naton'ireo zava-manan'aina ireo tamin'ny elany?

Ny elatr'ireo zava-manan'aina tsirairay dia nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa ary ireo zava-manan'aina dia samy nanana elatra roa nandrakotra ny tenany.

Ezekiel 1:24

Inona no nilazan'i Ezekiela ny feon'ny fikopakopaky ny elat'ireo zava-manan'aina ireo?

Ny feon'ny fikopakopaky ny elatr'ireo zava-manan'aina ireo dia tahaka ny firaondraon'ny rano mandeha, tahaka ny feon'ilay Tsitoha isak'izay nihetsika, tahaka ny feon'ny kotrok'orana, ary tahaka ny feon-tafika

Ezekiel 1:26

Inona no teo ambonin'ilay eloelo, izay teo ambony lohan'ireo zava-manan'aina ireo?

Nisy seza fiandrianana teo ambony lohan'izy ireo, ary teo ambonin'ilay seza fiandrianana dia nisy zavatra toy ny olona.

Ezekiel 1:27

Tahaka ny inona no fisehon'ilay sary mamirapiratra tamin'i Ezekiela?

Toy ny voninahitr'i Yaveh no fisehon'ilay sary mamirapiratra.

Inona no nataon'i Ezekiela rehefa nahita ilay sary mamirapiratra?

Nikarapoka niankohoka i Ezekiela rehefa nahita ilay sary mamirapiratra.

Ezekiel 2

Ezekiel 2:1

Inona no naton'ilay Fanahy tamin'i Ezekiela rehefa niresaka taminy ilay Fanahy ?

Nampitsangana azy ilay Fanahy rehefa niteny tamin'i Ezekiela.

Ho any amin'iza no nandefasan'ilay Fanahy an'i Ezekiela?

Ilay Fanahy dia nandefa an'i Ezekiela ho any amin'ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 2:4

Araka ilay Fanahy, vahoaka inona ireo taranak'Israely?

Ireo taranaka ireo dia mafy hatoka, mafy loha, ary vahoaka mpikomy.

Inona no tsy maintsy nolazain'i Ezekiela tamin'ny vahoakan'Israely?

Ezekiela dia tsy maintsy nilaza hoe: "Izao no lazain'nyTompo Yaveh," amin'ny vahoakan'Israely.

Inona no ho fantatry ny vahoakan'Isarely nohon'ny fitenenan'i Ezekiela tamin'izy ireo?

Ny vahoakan'Israely dia hahafantatra fa misy mpaminany eo amin'izy ireo.

Ezekiel 2:6

Inona no nolazain'ilay Fanahy tamin'i Ezekiela mba tsy ho atao rehefa niresaka tamin'ny vahoakan'Israely izy?

Ilay Fanahy dia niteny tamin'i Ezekiela ny mba tsy hatahorany ny vahoakan'Israely rehefa niresaka tamin'izy ireo izy.

Ezekiel 2:7

Inona no tsy maintsy niavahan'i Ezekiela tamin'ny vahoakan'Israely?

Ezekiela dia tsy nikomy tahaka ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 2:9

Inona no novelarina teo anoloan'i Ezekiela?

Nisy horonan-taratasy nisy soratra novelarina teo anatrehan'i Ezekiela.

Inona no voasoratra tao amin'ilay horonan-taratasy?

Ny voasoratra tao amin'ilay horonan-taratasy dia fitarainana, fisaonana, ary loza.

Ezekiel 3

Ezekiel 3:1

Inona no nomen'ilay Fanahy an'i Ezekiela ary naton'i Ezekiela inona izany?

Nomen'ilay Fanahy horonan-taratasy i Ezekiela ary Ezekiela nihinana izany.

Ezekiel 3:4

Nasain'ilay Fanahy nankaiza sy nanao inona i Ezekiela?

Ilay Fanahy dia naniraka an'i Ezekiela mba handeha ary hiteny amin'ireo ankohonan'Israely ny tenin'ny Fanahy.

Araka ny hevitr'ilay Fanahy, raha toa ka nalefa tany amin'ireo vahoaka hafa firenena i Ezekiela, dia inona no ho namalian'izy ireo an'i Ezekiela?

Raha toa ka nalefa tany amin'ireo vahoaka hafa firenena i Ezekiela, dia ho nihaino ny tenin'i Ezekiela izy ireo.

Araka ny hevitr'ilay Fanahy, ahoana no hamalian'ny ankohonan'Israely an'ireo tenin'Ezekiela?

Ny ankohonan'Israely dia tsy ho vonona ny hiaino ny tenin'i Ezekiela.

Ezekiel 3:8

Ahoana no nanaovan'ilay Fanahy an'i Ezekiela mba tsy hatahotra na ho kivy izy?

Nanamafy hatoka an'i Ezekiela izy ary nanao ny handriny toy ny diamondra.

Ezekiel 3:12

Inona no nolazain'ilay feo mafy tao aorian'i Ezekiela taminy?

Hoy ilay feo mafy hoe: "Hisaorana anie ny voninahitr'i Yaveh avy eo amin'ny fitoerany!'

Ezekiel 3:14

Inona no nataon'i Ezekiela nandritry ny fito andro, ary inona no niainany?

Ezekiela dia niaraka nipetraka tamin'ireo babo nandritry ny fito andro, heniky ny fahatalanjonana.

Ezekiel 3:16

Inona no nolazain'i Yaveh fa hanaovany an'i Ezekiela ao ho an'ny ankohonanan'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hanao an'i Ezekiela ho mpiambina ny Israely Izy.

Inona no lazain'i Yaveh fa hiseho raha toa ka mampitandrina ireo ratsy fanahy ny amin'ireo asa ratsiny izy?

Raha mampitandrina azy ireo i Ezekiela, dia hahavonjy azy izy.

Ezekiel 3:20

Inona no lazain'i Yaveh fa hitranga tamin'i Ezelieka raha toa koa tsy nampitandrina ireo ratsy fanahy ny amin'ny asa ratsin'izy ireo izy?

Raha toa ka tsy mapitandrina ireo ratsy fanahy i Ezekiela, dia hitaky ny ràn'izy ireo avy amin'ny tanan'i Ezekiela i Yaveh.

Inona no nolazain'io Yaveh fa hitranga tamin'i Ezekiela raha toa ka tsy nampitandrina ireo olo-marina izay miodina sy manao zavatra tsy ara-drariny izy?

Raha toa ka tsy nampitandrina ny olo-marina izay mihodina izy, dia ho takian'i Yaveh amin'ny alalan'ny tanan'i Ezekiela ny ràny .

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo an'ilay olo-marina izay mihodina sy manao ny tsy rariny?

Yaveh dia nilaza fa ho faty ao amin'ny fahotany ilay olo-marina izay mihodina sy manao ny tsy rariny.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo an'i Ezekiela raha toa ka nampitandrina ilay olo-marina izay mihodina sy manao ny tsy rariny izy?

Raha toa Ezekiela ka nampitandrina an'ilay olo-marina izay mihodina, dia hahavonjy ny tenany i Ezekiela.

Ezekiel 3:22

Inona no nataon'i Ezekiela rehefa nahita ny voninahitr'i Yaveh teo amin'ilay lohasaha izy?

Rehefa nahita ny voninahitr'i Yaveh i Ezekiela, dia nanondrika ny tavany.

Ezekiel 3:24

Inona no nasain'ny Fanahy ataon'i Ezekiela

Nasain'ilay Fanahy nandeha sy hanidy ny tenany ao an-tranony i Ezekiela.

Ezekiel 3:26

Inona no nolazain'ny Fanahy fa tsy ho afaka ataon'i Ezekiela amin'ny teniny manokana?

Ilay Fanahy dia nilaza fa tsy afaka ny hiteny mafy ny ankohonan'Israely amin'ireo teniny manokana i Ezekiela.

Inona no nolazain'ny Fanahy fa afaka nataon'i Ezekiela rehefa niresaka taminy ilay Fanahy?

Nilaza ilay Fanahy fa Ezekiela dia afaka nanokatra ny vavany sy nilaza hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh," rehefa niresaka taminy ny Fanahy.

Ezekiel 4

Ezekiel 4:1

Inona no nasain'i Yaveh ataon'i Ezekiela amin'ny biriky?

Nasain'i Yaveh nanao sikotra ny tanànan'i Jerosalema tamin'ny biriky i Ezekiela ary avy eo hanao fahirano izany.

Nahoana no nasan'i Yaveh ataon'i Ezekiela amin'ny biriky izany?

Nasain'i Yaveh ataon'i Ezekeila izany mba ho famantarana amin'ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 4:4

Nahoana no nasain'i Yaveh handry amin'ny ilany ankaviany i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh handry amin'ny ilany ankaviany i Ezekiela mba hitondra ny fahotan'ny ankohonan'Israely.

Nahoana Ezekiela no nila nandry tamin'ny ilany ankaviany nandritry ny 390 andro?

Nila nandry tamin'ny ilany ankaviany nandritry ny 390 andro i Ezekiela mba hanehoana ny 390 taona famaizana ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 4:6

Nahoana Ezekiela no nila nandry tamin'ny ilany an-kavanany?

Nila nandry tamin'ny ilany an-kavanany i Ezekiela mba hitondra ny fahotan'ny ankohonan'Israely.

Nahoana Ezekiela no nila nandry tamin'ny ilany an-kavanany nandritry ny 40 taona?

Nila nandry tamin'ny ilany an-kavanany Ezekiela mba hanehoana ny 40 taona famaizana ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 4:9

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Ezekiela mba hohanina sy ho sotroina rehefa mandry amin'ny ilany izy?

Nasain'i Yaveh nihinana varim-bazaha sy nisotro rano i Ezekiela.

Ezekiel 4:12

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Ezekiela mba ho hanina sy sotroina rehefa mandry amin'ny ilany izy?

Nasain'i Yaveh nihinana varim-bazaha sy nisotro rano i Ezekiela.

Nahoana Yaveh no nilaza an'i Ezekiela mba hanendy amin'ny kitay dikin'olombelona eo imason'ny ankohonan'Israely?

Ezekiela dia nila nanendy tamin'ny fampiasana kitay dikin'olombelona mba ho famantarana fa ny sakafo hohanin'ny vahoakan'Israely eo amin'ireo firenena dia maloto.

Ezekiel 4:14

Nahoana Yaveh avy eo no namela an'i Ezekiela hampiasa tain'omby fa tsy dikin'olombelona mba hanendasana?

Yaveh dia namela ny fampiasana tain'omby satria Ezekiela tsy mbola nihinana zavatra maloto mihitsy teo amin'ny fiainany.

Ezekiel 4:16

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'i Jerosalema momban'ny sakafo sy zava-pisotro?

Nilaza Yaveh fa ho zaraina ny mofo sy ny rano.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny vahoakan'i Jerosalema mandritr'ity fotoana ity?

Yaveh dia nilaza fa hihorohoro sy hihalevona ny vahoakan'i Jerosalema.

Ezekiel 5

Ezekiel 5:1

Inona no nataon'i Ezekiela tamin'ny ampahatelo tsirairain'ny volony?

Nila nanodro ampahatelony iray teo amin'ny tanàna i Ezekiela, nanapaka ampahatelony iray nanodidina ny tanàna, nanaparitaka ampahatelony iray teny amin'ny rivotra.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony rehefa vita ny ataon'i Ezekiela?

Nilaza Yaveh fa hamoaka sabatra hanenjehana ny vahoaka Izy.

Ezekiel 5:5

Araka an'i Yaveh, aiza no misy an'i Jerosalema?

Jerosalema dia eo afovoan'ireo firenena.

Nahoana Yaveh no milaza fa nanodidina an'i Jerosalema tamin'ny tany hafa Izy?

Nandà ireo didin'i Yaveh i Jerosalema ary tsy nandeha tamin'ireo lalàny (fitsipika)

Ezekiel 5:7

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony nohon'ny fitondra-tenan'ny firenen'Israely?

Yaveh dia milaza fa hiasa hanohitra ny firenen'Israely Izy ary hanao fitsarana eo fovoany.

Ezekiel 5:9

Zavatra mahatsiravina inona no ho ataon'ny vahoakan'Israely nohon'ny fitsaran'i Yaveh eo amin'izy ireo?

Ireo ray dia hihinana ny zanany, ary ireo zanaka hihinana ny rain'izy ireo.

Ezekiel 5:11

Nahoana Yaveh no milaza fa tsy hitsitsy ny vahokan'Israely Izy?

Yaveh dia milaza fa tsy hitsitsy azy ireo Izy satria izy ireo nandoto ny fitoerana masin'i Yaveh.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny ampahatelo tsirairain'ny vahoaka?

Ny ampahatelony iray dia ho fatin'ny areti-mandringana, ny ampahatelony iray ho lavon-tsabatra, ary ny ampahatelony iray aparitaka.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony aorian'ny fitsarana an'ireo ampahatelon'ny vahoaka?

Yaveh dia nilaza fa hamoaka sabatra Izy hanenjehana ny olona.

Ezekiel 5:13

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny hatezerany aorian'io fitsaràna io?

Yaveh dia milaza fa ho tanteraka ny fahatezerany aorian'io fitsaràna io

Ezekiel 5:15

Inona no ho lazain'ny oloha hafa momban'i Jerosalema aorian'ny fitsaràn'i Yaveh?

Ny olona hafa dia hanameloka sy haniratsira an'i Jerosalema aorian'ny fitsaràn'i Yaveh.

Ezekiel 6

Ezekiel 6:1

Naminany inona manohitra an'ireo toerana avon'Israely i Ezekiela?

Ezekiela dia naminany fa ny Tompo Yaveh dia handrava an'ireo toerana masin'Israely amin'ny sabatra.

Ezekiel 6:4

Inona no hitranga eo anoloan'ny alitaran-tsampin'Israely?

Ny Tompo Yaveh dia hampandry ny fatin'ny vahoakan'Israely eo anoloan'ireo alitara.

Ezekiel 6:6

Inona no hitranga amin'ireo tanànan'Israely?

Ho foana ireo tanànan'Israely.

Vokatry ny fahapotehana rehetra, inona no ho fantatry ny vahoakan'Israely?

Ny vahoakan'Israely dia hahafantatra fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 6:8

Inona no ho ataon'ny sisa izay nitsoaka aorian'ny hanaparitahana azy ireo?

Hahatsiaro an'i Yaveh ireo sisa ary hampiseho rikoriko eny amin'ny tavan'izy tamin'ny faharatisan'izy ireo.

Ezekiel 6:11

Nahoana Yaveh no mitondra sabatra, mosary, ary areti-mandringana eo amin'ny ankohonan' Israely?

Nohon'ny faharatsian'ny ankohonan'Israely, dia mitondra sabatra, mosary, ary areti-mandringana i Yaveh.

Ezekiel 6:13

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely teny amin'ny tendron'ny tendrombohitra sy teny ambanin'ireo hazo?

Nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo sampin'izy ireo rehetra ny vahoakan'Israely.

Inona no hitranga amin'ilay tany rehefa mamely Yaveh?

Ho lao sy ho foana ilay tany rehefa mamely Yaveh.

Ezekiel 7

Ezekiel 7:1

Araka ny tenin'i Yaveh, inona no tonga tamin'ny tanin'Israely?

Araka ny tenin'i Yaveh, dia nisy fiafarana tonga tamin'ny tanin'Israely.

Ezekiel 7:3

Araka ny inona no hitsaran'i Yaveh an'Israely?

Yaveh dia hitsara an'Israely araka ny fomban'izany.

Ezekiel 7:5

Inona no fotoana tonga tamin'Israely?

Ny fotoan'ny fiafaran'Israely sy ny faharavany no tonga.

Ezekiel 7:8

Inona no ararak'i Yaveh sy fenoiny manohitra an'Israely?

Yaveh dia mandraraka ny hatezerany sy mameno ny havinirany manohitra an'Israely.

Ezekiel 7:10

Inona no tsy haharitra ao Israely?

Tsy misy amin'ny vahoakan'izy ireo, tsy misy amin'ireo hareny, ary tsy misy amin'ireo manan-danjan'izy ireo haharitra

Ezekiel 7:12

Nahoana ny mpividy no tsy tokony hifaly ary ny mpivarotra tsy hisaona an'Israely?

Tsy tokony hifaly ny mpividy ary tsy hisaona ny mpivarotra satria eo amin'ny vahoaka manontolo ny hatezeran'i Yaveh.

Ezekiel 7:14

Ahoana no fomba hafatesan'ireo ao amin'ilay tanàna?

Ireo ao amin'ilay tanàna dia ho fatin'ny mosary sy areti-mandringana.

Aiza no hitsoahan'ireo sisa velona?

Ireo sisa velona dia hitsoaka any amin'ireo tendrombohitra.

Ezekiel 7:17

Inona no tsy ho afaka hamonjy ny vahoakan'Israely?

Ny volafotsy sy volamenan'izy ireo dia tsy ho afaka ny hamonjy ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 7:20

Inona no hitranga amin'ireo firavaka rehetran'ny vahoakan'Israely?

Ireo firavaka dia hatolotra ho babo eo an-tanan'ireo vahiny sy ny ratsy fanahy.

Inona no hitranga amin'ilay toerana sarobidin'i Yaveh?

Hiditra ao amin'ilay toerana sarobidin'i Yaveh ireo jiolahy ary handoto izany.

Ezekiel 7:23

Inona no tadiavin'ny vahoakan'Israely, kanefa tsy hita?

Ny vahoakan'Israely dia hitady fiadanana, nefa tsy hisy.

Ezekiel 7:26

Inona no hitranga rehefa mitady fahitana avy amin'ny mpaminany ny vahoaka?

Rehefa mitady fahitana ny vahoaka, dia ho levona ny Lalàna sy ny torohevitra.

Ahoana no hamalian'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehefa tonga ny fitsaràn'i Yaveh?

Rehefa tonga ny fitsaràna, dia hisaona ny mpanjaka ary hangovitry ny tahotra ny vahoaka.

Ezekiel 8

Ezekiel 8:1

Taiza Ezekiela rehefa nilatsaka teo aminy ny tanan'ny Tompo Yaveh?

Nipetraka tao an-tranony i Ezekiela, niaraka tamin'ireo loholon'i Joda nipetraka teo anoloany.

Ezekiel 8:3

Taiza no nitondran'ilay Fanahy an'i Ezekiela, ary inona no hitany tany?

Nentin'ilay Fanahy tao amin'ny Vavahady Avaratra anatiny ao Jerosalema i Ezekiela, izay nahitany ilay sampy izay mihantsy asarotapiaro.

Ezekiel 8:5

Inona no nolazain'ilay Fanahy fa noterena nataony noho ireo fahavetavetana (faharatsiana) lehiben'ny ankohonan'Israely?

Ilay Fanahy dia milaza fa noterena hiala lavitra ny fitoerany masina Izy.

Ezekiel 8:7

Rehefa avy nandavaka an'ilay rindrina i Ezekiela ary nahita varavarana, dia inona nasain'ilay Fanahy ataony?

Hoy ilay Fanahy tamin'i Ezekiela hoe: "Mandehana ary jereo ireo fahavetavetana ratsy izay ataon'izy ireo eto."

Ezekiel 8:12

Inona no nolazain'ireo loholona momban'i Yaveh raha nanompo ny sampiny izy ireo?

Ireo loholona dia nilaza fa tsy mahita azy ireo Yaveh ary nahafoy ilay tany.

Ezekiel 8:14

Inona no hitan'i Ezekiela nataon'ilay vehivavy teo amin'ny vavahady teo amin'ny ilany avaratry ny tranon'i Yaveh?

Nipetraka teo nisaona an'i Tamoza ilay vehivavy.

Ezekiel 8:16

Inona no hitan'i Ezekiela tao amin'ilay kianja anatiny tao an-tranon'i Yaveh?

Nisy lehilahy dimy amby roapolo nampitodika ny tavan'izy ireo niatsinanana nanompo ny masoandro.

Ezekiel 8:17

Nohon'ny fahavetavetan'ny ankohonan'Israely, dia inona no nolazain'ilay Fanahy fa ho ataony?

Nilaza ilay Fanahy fa hiasa sy tsy hitsitsy, na hanana famindram-po amin'izy ireo Izy na dia mitomany amin'ny feo mafy aza izy ireo.

Ezekiel 9

Ezekiel 9:1

Iza no nantsoin'ilay Fanahy mba hiakatra ao amin'ilay tanàna?

Niantso lehilahy enina miaraka amin'ny fitaovana fandravana ilay Fanahy, ary lehilahy iray miaraka amin'ny fitaovan'ny mpanora-dalàna.

Ezekiel 9:3

Avy aiza no nialan'ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely, ary taiza no nalehan'izany?

Ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely dia niala avy teo amin'ilay kerobima izay teo an-tokonam- baravaran'ny trano.

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ilay mpanora-dalàna?

Nasain'i Yaveh nanisy marika ny handrin'ireo lehilahy izay nitaraina sy nisento ny amin'ireo fahavetavetana natao teo amin'ilay tanàna ilay mpanora-dalàna.

Ezekiel 9:5

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ireo lehilahy enina izay niaraka tamin'ny fitaovana fandravana?

Yaveh dia nilaza an'ireo lehilahy enina mba hamono ny olona rehetra ankoatran'ireo izay misy marika eo amin'ny handrin'izy ireo.

Ezekiel 9:7

Inona no fanontaniana napetrak'i Ezekiela an'i Yaveh raha nahita ireo lehilahy enina namely ny tanàna izy?

Nanontany an'i Yaveh i Ezekiela raha ho ravaina amin'ny hatezeran'i Yaveh ireo sisa tavelan'Israely.

Ezekiel 9:9

Inona no valin-tenin'i Yaveh tamin'ny fanontanian'i Ezekiela?

Namaly Yaveh fa ny heloky ny ankohonan'Israely sy Joda dia lehibe, ka tsy hitsitsy azy ireo Izy.

Inona no notaterin'ilay mpanora-dalàna?

Notaterin'ilay mpanora-dalàna fa efa vitany izay rehetra nandidian'i Yaveh azy.

Ezekiel 10

Ezekiel 10:1

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy?

Yaveh dia nilaza an'ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy mba hameno ny tanany roa amin'ny vain'afo mirehitra sy mba hanaparitaka ireo eo amin'ilay tanàna.

Ezekiel 10:3

Inona no nataon'ny voninahitr'i Yaveh avy eo?

Avy eo ny voninahitr'i Yaveh nisandratra sy nijoro teo an-tokonam-baravaran'ilay trano, nameno ilay trano tamin'ny rahona ary ny kianja tamin'ny famirapiratana.

Ezekiel 10:6

Ahoana ny nandraisan'ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy ny afo izay teo amin'ny kerobima?

Niditra tao ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy, ary nisy kerobima nanandratra ilay afo sy nametraka izany teo an-tanan'ireo lehilahy.

Ezekiel 10:9

Inona no nitovy tamin'ireo kodia izay teo akaikin'ilay kerobima?

Ireo kodia izay teo akaikin'ilay kerobima dia tahaka ny kodia mihaona amin'ny kodia hafa.

Ezekiel 10:12

Inona no nandrakotra an'ilay kerobima sy ireo kodia efatra?

Maso no nandrakotra an'ilay kerobima sy ireo kodia efatra.

Inona no anarana nomena an'ireo kodia efatra?

"mikodiadia" no niantsoana an'ireo kodia efatra.

Ezekiel 10:15

Inona no nataon'ireo kodia rehefa nietsika ilay kerobima?

Nandeha teo anilan'ilay kerobima ireo kodia isaky ny nietsika ilay kerobima.

Ezekiel 10:18

Ho aiza ny voninahitr'i Yaveh, ilay kerobima, ary ireo kodia?

Ny voninahitr'i Yaveh, ilay kerobima, ary ireo kodia dia nietsika nankany amin'ny fidirana atsinanan'ny mankao amin'ny tranon'i Yaveh.

Ezekiel 10:20

Taiza no efa nahitan'i Ezekiela zava-manan'aina tahaka an'io teo aloha?

Ezekiela dia efa nahita zava-manan'aina tahaka an'io teo aloha tany amin'ny Lakan-drano Kebara.

Ezekiel 11

Ezekiel 11:1

Inona no hitan'i Ezekiela rehefa nentin'ny Fanahy tany amin'ny vavahady atsinanan'ny tranon'i Yaveh izy?

Ezekiela dia nahita olona dimy amby roapolo, niaraka tamin'ireo mpiatarika ny vahoaka teo amin'izy ireo.

Ezekiel 11:2

Amin'ny inona no nilazan'Andriamanitra fa maha-meloka an'ireo lehilahy dimy amby roapolo?

Andriamanitra dia nilaza fa meloka amin'ny fiheveran-dratsy sy fanapahan-kevitra hiteti-dratsy amin'ilay tanàna ireo lehilahy.

Ezekiel 11:5

Tamin'ny inona no namenoan'ireo lehilahy dimy amby roapolo ny lalana?

Ireo lehilahy dimy amby roapolo dia nameno ny lalana tamin'ny olona izay novonoin'izy ireo.

Ezekiel 11:8

Inona no natahoran'ireo lehilahy dimy amby roapolo, ary inona no nolazain'i Yaveh fa ho entiny?

Natahotra ny sabatra ireo lehilahy dimy amby roapolo, ary Yaveh dia nilaza fa hitondra sabatra ho amin'izy ireo Izy.

Eo an-tanan'iza no hametrahan'i Yaveh an'ireo lehilahy dimy amby roapolo?

Yaveh dia hametraka an'ireo lehilahy dimy amby roapolo ho eo an-tanan'ireo vahiny.

Aiza no hitsarana an'ireo lehilahy dimy amby roapolo ary nohon'ny fitsaran'i Yaveh eo amin'izy ireo, dia inona no ho fantatr'ireo lehilahy dimy amby roapolo?

Ireo lehilahy dimy amby roapolo dia ho tsaraina ao amin'ireo fari-tanin'Israely ary nohon'ny fitsaran'i Yaveh manohitra azy ireo, dia hahafantatra ireo lehilahy fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 11:11

Inona ireo didy izay notanterahan'ireo lehilahy dimy amby roapolo?

Ireo didin'ireo firenena manodidina azy ireo no notanterahan'ireo lehilahy dimy amby roapolo.

Ezekiel 11:13

Inona no natahoran'i Ezekiela fa ho ataon'i Yaveh amin'Israely?

Ezekiela dia natahotra hoe ho haringan'i Yaveh tanteraka ireo sisa amin'Israely.

Ezekiel 11:16

Fampanantenana inona no nomen'i Yaveh an'Israely na dia teo aza ny fitsarany teo amin'izy ireo?

Yaveh dia nampanantena ny hamory an'Israely avy amin'ireo vahoaka, sy hanangona azy ireo any amin'ny tanin'Israely.

Ezekiel 11:19

Inona no nampanantenain'i Yaveh ho alaina amin'ny vahoakan'Israely, sy homena azy ireo kosa?

Yaveh dia nampanantena ny haka ny fo vaton'izy ireo amin'izy ireo, sy hanome azy ireo fo nofo.

Ahoana no fomba handehanan'ny vahoakan'Israely avy eo?

Ny vahoakan'Israely dia hanaraka ny lalàna sy didin'i Yaveh avy eo.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony ho an'ireo izay mandeha am-pitiavana mankany amin'ireo zava-maharikorikony?

Yaveh dia nilaza fa hitondra ny fitondrantenan'izy ireo ho eo an-dohan'izy ireo ihany Izy.

Ezekiel 11:22

Avy aiza no nialan'ny voninahitr'Andriamanitra ary nandeha nankaiza izany?

Ny voninahitr'Andriamanitra dia niala avy eo teo afovoan'ny tanàna ary nitsangana teo an-tendrombohitra teo atsinanan'ny tanàna.

Ezekiel 11:24

Inona no nataon'i Ezekiela rehefa nentin'ny Fanahy tany Kaldea izy?

Nambaran'i Ezekiela tamin'ireo voasesitany ny zavatr'i Yaveh rehetra izay hitany.

Ezekiel 12

Ezekiel 12:1

Taiza no nolazain'i Yaveh fa nipetrahan'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa nipetraka teo afovoan'ny taranaka mpikomy i Ezekiela.

Ezekiel 12:3

Inona no mila nataon'i Ezekiela teo imason'ny vahoakan'Israely?

Ezekiela dia nila niomana ho amin'ny sesitany, mivoaka imason'izy ireo ho amin'ny toerana hafa.

Ezekiel 12:4

Ahoana no fomba nasain'i Yaveh hivoahan'i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh nandavaka lavaka eo amin'ny rindrina ary handeha eo amin'izany i Ezekiela.

Araka an'i Yaveh, inona no tanjona amin'ny fanaovana sesitany an'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa ny fanaovana sesitany an'i Ezekiela dia famantarana ho an'ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 12:8

Inona no fanontaniana napetraky ny ankohonan'Israely tamin'i Ezekiela raha nandeha nivoaky ny tranony izy?

Ny ankohonan'Israely dia nanontany hoe: "Inona ity ataonao?"

Mahakasika an'iza ny asa faminanian'i Ezekiela?

Ny asa faminanian'i Ezekiela dia mahakasika ny andriandahy ao Jerosalema sy ny ankohonan' Israely rehetra.

Ezekiel 12:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ilay andriandahy ao Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa handeha hivoaka eo amin'ny rindrina ilay andriandahy, saingy ho tratra sy ho entina any Babylona izay hahafaty azy izy.

Ezekiel 12:14

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny tafiky ny andriandahin'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa ho aparitaka ilay tafika, ary handefa sabatra hanenjika azy ireo Izy.

Inona ireo antony roa nomen'i Yaveh tamin'ny famindrana fo olona vitsy?

Yaveh dia nilaza fa hamindra fo olona vitsy Izy mba hahafahan'izy ireo mitahiry ny fahavetavetan'Israely, ary ho fantatr'izy ireo fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 12:19

Ahoana no nolazain'i Yaveh ny amin'ny fomba hihinanana sy hisotroan'ny vahoaka ao amin'ny tanin'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hihinana ny mofon'izy ireo am-pangovitana ny vahoaka ary hisotro ny ranon'izy ireo eo am-pangovitana.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo tanàna sy ilay tany?

Yaveh dia nilaza fa ho lao ireo tanàna ary ho ngazana ilay tany.

Ezekiel 12:21

Ahoana ny hevitry ny vahoakan'Israely momban'ny fahitana ara-paminaniana?

Ny vahoaka dia nihevitra fa ny fahitana ara-paminaniana rehetra dia mihalava ary tsy mahomby.

Ezekiel 12:24

Inona no nolazin'i Yaveh fa tsy ho ao amin'ny ankohonan'Israely intsony?

Yaveh dia nilaza fa tsy hisy fahitana diso na sikidy tsara intsony ao amin'ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 12:26

Rahoviana no nolazain'ny ankohonan'Israely fa hahatanteraka an'ilay fahitana ara-paminanian'i Ezekiela?

Hoy ny ankohonan'Israely hoe: 'Ny fahitana izay hitany dia ho amin'ny andro maro manomboka ankehitriny, ary maminany ny amin'ny fotoana mbola lavitra izy.'

Inona no nolazain'i Yaveh momban'ny fahatanterahan'ny fahitan'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa ny teniny dia tsy ho tara intsony fa ny teny izay nolazain'i Yaveh dia ho atao.

Ezekiel 13

Ezekiel 13:1

Avy aiza no nahazoan'ireo mpaminany dison'Israely ny faminanian'izy ireo?

Ireo mpaminany dison'Israely dia nahazo ny faminanian'izy ireo avy amin'ny eritreritra sy fanahin'izy ireo ihany.

Ezekiel 13:5

Inona no tsy vitan'ireo mpaminany sandoka ny nanao azy?

Ireo mpaminany sandoka dia tsy nahavita nanamboatra ilay simba teo amin'ny rindrina nanodidina ny ankohonan'Israely.

Inona no nolazain'ireo mpaminany sandoka, na dia tsy nirahan'i Yaveh aza izy ireo?

Hoy ireo mpaminany sandoka hoe: "Izao sy izao no fanambaran'i Yaveh," na dia tsy naniraka azy ireo aza Yaveh.

Ezekiel 13:8

Inona no fanambarana nataon'i Yaveh nanohitra an'ireo mpaminany sandok'Israely?

Nanambara Yaveh fa ny tanany dia nanohitra an'ireo mpaminany sandoka, ary tsy ho soratana anarana ao amin'ny firaketan'ny ankohonan'Israely izy ireo.

Ezekiel 13:13

Inona no ho fantatry ny olona rehefa mandringana an'ireo mpaminany sandoka i Yaveh?

Ho fantatry ny olona fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 13:15

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ilay rindrina sy ireo izay nandalotra izay?

Nilaza Yaveh fa handringana ny rindrina sy ireo izay nandalotra izany Izy.

Inona no faminaniana nataon'ireo mpaminany sandoka tamin'ny vahoaka mahakasika an'i Jerosalema?

Ireo mpaminany sandoka dia naminany fiadanana ho an'i Jerosalema.

Ezekiel 13:17

Inona no nasaina nataon'ilay "zanak'olona" momban'ireo zanaka vavin'ny vahoakany izay maminany araka ny eritreritr'izy ireo ihany?

Nasaina naminany manohitra azy ireo ilay "zanak'olona."

Inona no nampiasana an'ireo ody mahatsara vintana sy ireo voaly nataon'ireo vehivavy?

Ireo ody mahatsara vintana sy ireo voaly nataon'ireo vehivavy dia nampiasaina hihazàna ny olona.

Ezekiel 13:20

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny vahoakany izay voafandrika?

Yaveh dia nilaza fa hamela ny olona izay voafandrika mba handeha malalaka Izy.

Ezekiel 13:22

Inona no nataon'ireo mpaminany sandoka tamin'ireo olo-marina sy ireo ratsy fanahy?

Ireo mpaminany sandoka dia nanakivy ny fon'ny olo-marina ary nampahery ny olona ratsy fanahy.

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy ho hananan'ireo mpaminany sandoka intsony?

Yaveh dia nilaza fa tsy hanana fahitana diso intsony ireo mpaminany sandoka na hanohy hanao faminaniana diso.

Ezekiel 14

Ezekiel 14:1

Iza no tonga tany amin'i Ezekiela mba hanontany azy?

Ireo loholon'Israely dia tonga tany amin'i Ezekiela mba hanontany azy.

Nahoana Yaveh no nanontany raha tokony ho anontanian'ireo lehilahy ireo Izy?

Nanontany Yaveh satria ireo loholona dia nandray ny sampin'izy ireo tao am-pon'izy ireo.

Ezekiel 14:4

Ahoana no nolazain'i Yaveh fa fomba hamaliany an'ireo izay mandray sampy ao am-pon'izy ireo?

Yaveh dia nilaza fa hamaly an'ireo izay mandray sampy ao am-pon'izy ireo araka ny isan'ny sampin'izy ireo Izy.

Ezekiel 14:6

Niantso ny ankohonan'Israely mba hanao inona i Yaveh?

Yaveh dia niantso ny ankohonan'Israely mba hibebaka sy hiala amin'ny sampin'izy ireo.

Ezekiel 14:7

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny olona rehetra izay manompo sampy sy mitady mpaminany mba hitadiavana an'i Yaveh avy eo?

Yaveh dia nilaza fa ho ataony famantarana sy ohabolana izany olona izany amin'ny alalan'ny fanafongorana azy tsy ho amin'ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 14:9

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny mpaminany voafitaka rehetra?

Yaveh dia nilaza fa hamitaka izany mpaminany izany Izy ary hamotika azy.

Inona no fifandraisana nolazain'i Yaveh fa tadiaviny amin'ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia nilaza fa tiany ho vahoakany ireo vahoaka, ary Izy ho Andriamanitr'izy ireo.

Ezekiel 14:12

Iza no nampiasain'i Yaveh ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo lehilahy marina indrindra ao amin'ny tantara?

Yaveh dia nampiasa an'i Noa, Daniela, ary Joba ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo masina indrindra ao amin'ny tantara.

Ezekiel 14:15

Iza no nampiasain'i Yaveh ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo lehilahy masina indrindra ao amin'ny tantara?

Yaveh dia nampiasa an'i Noa, Daniela, ary Joba ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo masina indrindra ao amin'ny tantara.

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, iza no tsy afaka ho havotan'izay masina indrindra ao amin'ilay tany?

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, dia tsy ho afaka ny hanavotra ny zanany lahy na ny zanany vaviny ireo masina indrindra ao amin'ilay tany.

Ezekiel 14:17

Iza no nampiasain'i Yaveh ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo lehilahy masina indrindra ao amin'ny tantara?

Yaveh dia nampiasa an'i Noa, Daniela, ary Joba ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo masina indrindra ao amin'ny tantara.

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, iza no tsy afaka ho havotan'izay masina indrindra ao amin'ilay tany?

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, dia tsy ho afaka ny hanavotra ny zanany lahy na ny zanany vaviny ireo masina indrindra ao amin'ilay tany.

Ezekiel 14:19

Iza no nampiasain'i Yaveh ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo lehilahy masina indrindra ao amin'ny tantara?

Yaveh dia nampiasa an'i Noa, Daniela, ary Joba ho ohatra amin'ny sasany amin'ireo masina indrindra ao amin'ny tantara.

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, iza no tsy afaka ho havotan'izay masina indrindra ao amin'ilay tany?

Rehefa mitondra fitsarana i Yaveh, dia tsy ho afaka ny hanavotra ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo masina indrindra ao amin'ilay tany.

Ezekiel 14:21

Inona avy ireo famaizana efatra nolazain'i Yaveh fa ho alefany amin'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa handefa ny sazy efatry ny mosary, sabatra, bibidia, ary areti-mandringana Izy.

Ezekiel 14:22

Aorian'ny fitsaran'i Yaveh, iza no ho tavela?

Aorian'ny fitsaran'i Yaveh, dia hisy sisa tavela izay handeha hivoaka miaraka amin'ireo zanaka lahy sy ireo zanaka vavy.

Inona no nahatonga an'i Ezekiela nionona?

Rehefa nahita an'ireo fomba sy fihetsik'ireo sisa velona i Ezekiela, dia nionona izy.

Ezekiel 15

Ezekiel 15:1

Zavatra roa inona ao an'ala no ampitahain'i Yaveh?

Yaveh dia mampitaha ny tahom-boaloboka amin'ny hazo rehetra misy rantsana.

Ezekiel 15:5

Inona no nolazain'ny Tompo Yaveh fa nomeny an'ireo tahom-boaloboka?

Ny Tompo Yaveh dia nilaza fa nomeny ho kitay ho an'ny afo ireo tahom-boaloboka.

Ahoana no ilazan'i Yaveh an'ireo mponin'i Jerosalema fa tahaka ny tahom-boaloboka?

Yaveh dia milaza fa tahaka ny tahom-boaloboka izay omena atao kitay ho an'ny afo ireo mponin'i Jerosalema.

Ezekiel 15:7

Inona no ho fantatry ny rehetra rehefa mamotika an'ireo mponin'i Jerosalema amin'ny afo i Yaveh?

Ho fantatry ny rehetra fa ny Tompo dia Yaveh.

Nahoana Yaveh no hanao ilay tany ho tany foana?

Yaveh dia hanao ilay tany ho tany foana satria nanota ireo mponin'i Jerosalema.

Ezekiel 16

Ezekiel 16:1

Aiza no nolazain'i Yaveh fa niandohana sy nahaterahan'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa tany amin'ny tany Kanana no niandohana sy nahaterahan'i Jerosalema.

Ezekiel 16:4

Inona no natao tamin'i Jerosalema tamin'ny andro nahaterahan'izany?

Natsipy teo amin'ny saha malalaka i Jerosalema tamin'ny andro nahaterahan'izany.

Ezekiel 16:6

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Jerosalema taorian'ny nahaterahany?

Nataon'i Yaveh nitombo tahaka ny zava-maniry eny amin'ny saha i Jerosalema taorian'ny nahaterahany.

Ezekiel 16:8

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Jerosalema rehefa nahatratra ny fotoan'ny fitiavana izany?

Namelatra ny akanjony tamin'i Jerosalema i Yaveh, ary nitondra izany ho amin'ny fanekena taminy.

Ezekiel 16:13

Nahoana ny lazan'i Jerosalema no niely teo amin'ireo firenena?

Niely teo amin'ireo firenena ny lazan'i Jerosalema nohon'ny hatsarany.

Ezekiel 16:15

Ahoana ny fihetsik'i Jerosalema rehefa avy niely teo amin'ireo firenena ny lazany?

Nanao toy ny mpivaro-tena Jerosalema rehefa niely teo amin'ireo firenena ny lazany.

Ezekiel 16:20

Inona no nataon'i Jerosalema tamin'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho an'i Yaveh?

Nataon'i Jerosalema sorona ho an'ireo sary ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy.

Ezekiel 16:23

Inona no nataon'i Jerosalema eraky ny toerana kalamanjana?

Nanorina efitrano avo eraky ny toerana kalamanjana i Jerosalema.

Ezekiel 16:27

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ajanony nohon'ny fivarotan-tenan'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa hanajanona ny sakafon'i Jerosalema Izy nohon'ny fivarota-tenany.

Ezekiel 16:32

Inona no nolazain'i Yaveh fa maha-samihafa an'i Jerosalema sy ny mpivaro-tena rehetra?

Yaveh dia nilaza fa ny maha-samihafa azy dia ny hoe voakarama ho an'ny asany ireo mpivaro-tena, fa Jerosalema kosa mandoa vola amin'ireo olo-tiany sy manao kolikoly amin'izy ireo.

Ezekiel 16:35

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho hangoniny hanohitra an'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa hanangona ireo olo-tian'i Jerosalema rehetra hanohitra azy amin'ny lafiny rehetra Izy.

Ezekiel 16:40

Ahoana no ho fiovan'ny fihetsik'i Yaveh amin'i Jerosalema rehefa voasazy izany?

Rehefa voasazy Jerosalema, dia tsy ho tezitra amin'i Jerosalema intsony Yaveh.

Ezekiel 16:47

Yaveh dia nilaza fa nanao ratsy betsaka mihoatra noho ny firenena roa iza i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa nanao ratsy betsaka kokoa noho Sodoma sy Samaria i Jerosalema.

Ezekiel 16:49

Iza no nolavin'i Sodoma tsy ho ampiana?

Sodoma dia tsy nety nanampy ny mahantra sy ny olona mila fanampiana.

Ezekiel 16:56

Ahoana ny eritreritry ny vahoaka manodidina an'i Jerosalema momban'ilay tanàna?

Nanao tsinontsinona izany ny vahoaka manodidina an'i Jerosalema ary nanao izany ho ambentina fahafaham-baraka.

Ezekiel 16:59

Yaveh dia nilaza fa hitondra an'i Jerosalema tahaka ny hitondrany ny rehetra izay nanao inona?

Yaveh dia nilaza fa hitondra an'i Jerosalema tahaka ny hitondrany an'izay rehetra nanao tsinontsinona ny voadin'izy ireo sy nandrava fanekana Izy.

Ezekiel 16:60

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho tsaroany sy ho ataony?

Yaveh dia nilaza fa hahatsiaro ny fanekeny tamin'i Jerosalema Izy ary hanao fanekena tsy manam-pahataperana miaraka aminy.

Ezekiel 16:62

Ahoana no ho fihetsik'i Jerosalema rehefa mamela izany nohon'ny nataony rehetra i Yaveh?

Ho menatra Jerosalema ary tsy hiteny intsony nohon'ny henatrany.

Ezekiel 17

Ezekiel 17:1

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Ezekiela mba hatao sy lazaina amin'ny ankohonan'Israely?

Yaveh dia nilaza an'i Ezekiela mba hanao fampanonona sy hilaza fanoharana amin'ny ankohonan'Israely.

Ao amin'ilay fanoharana, taiza no nambolen'ilay voromahery lehibe ny tendron'ireo rantsan'ny hazo sedera?

Nambolen'ilay voromahery lehibe tany amin'ny tany Kanana tao amin'ny tanànan'ireo mpivarotra ny tendron'ireo rantsan'ny hazo sedera.

Ezekiel 17:5

Ao amin'ilay fanoharana, taiza no nambolen'ilay voromahery lehibe ny voan'ilay tany, ary ahoana ny fomba nitomboan'izany?

Nambolen'ilay voromahery lehibe teo amoron'ny vatan-drano lehibe ilay voa, ary namokatra rantsana sy namoaka sampana izany.

Ezekiel 17:7

Ao amin'ilay fanoharana, inona no nataon'ilay voaloboka rehefa tonga ny voromahery lehibe hafa?

Nampiodina ny fakany tamin'ilay voromahery lehibe hafa ilay voaloboka.

Ezekiel 17:9

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ilay voaloboka ao amin'ilay fanoharana?

Yaveh dia nilaza fa halazo tanteraka amin'ny teti-dratsiny ilay voaloboka.

Ezekiel 17:11

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny mpanjakan'i Jerosalema?

Nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho any Babylona ny mpanjakan'i Jerosalema.

Ezekiel 17:13

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taranak'andriana avy tamin'ny mpanjakan'i Jerosalema?

Nanao fanekena tamin'ny taranak'andriana avy tamin'ny mpanjakan'i Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona.

Ahoana no nilazan'i Yaveh fa hahavelona ny tanin'Israely?

Yaveh dia nilaza fa ny tanin'Israely dia ho velona amin'ny alalan'ny mpanjakan'i Jerosalema mihazona ny fanekeny tamin'ny mpanjakan'i Babylona.

Ezekiel 17:15

Ahoana no fomba nandikan'ny mpanjakan'i Jerosalema an'ilay fanekena nataony tamin'ny mpanjakan'i Babylona?

Ny mpanjakan'i Jerosalema dia nikomy sy nandefa masoivoho tany Egypta mba hahazo soavaly sy tafika.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ilay mpanjakan'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa ho faty eo afovoan'i Babylona ilay mpanjakan'i Jerosalema.

Ezekiel 17:19

Araka an'i Yaveh, faneken'iza raha ny marina no nivadihan'ny mpanjakan'i Jerosalema?

Araka an'i Yaveh, dia nivadika tamin'ny fanekeny tamin'i Yaveh ny mpanjakan'i Jerosalema raha ny marina.

Inono no nambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ireo tafiky ny mpanjakan'i Jerosalema?

Yaveh dia nanambara fa ho lavon-tsabatra ireo tafiky ny mpanjakan'i Jerosalema.

Ezekiel 17:22

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny sampana malefaky ny hazo sedera?

Yaveh dia nilaza fa hamboly ilay sampana malefaka eny amin'ny tendrombohitra avo Izy.

Ho lasa inona ireo sampana malefaka izay nambolen'i Yaveh?

Ho lasa sedera malaza izay honenan'ny vorona manan'elatra rehetra izany.

Ezekiel 18

Ezekiel 18:3

Inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ny olona rehetra izay manota?

Yaveh dia manambara fa ho faty izay rehetra manota.

Ezekiel 18:7

Iza no ampian'ny olo-marina?

Ny olo-marina dia manome ny sakafony ho an'ny noana ary mandrakotra ny mitanjaka amin'ny akanjo.

Inona no handehanan'ny olo-marina sy hazoniny?

Ny olo-marina dia mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh sy mihazona ny didin'i Yaveh.

Inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ny olo-marina?

Yaveh dia manambara fa ho velona ny olo-marina.

Ezekiel 18:12

Raha misy olo-marina manan-janaka lahy izay mampahory ny mahantra sy ny mila fanampiana, dia inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga aminy?

Yaveh dia manambara fa tsy ho velona ilay zanaka lahy tsy marina.

Ezekiel 18:16

Raha tsy mandeha amin'ny fahotan'ny rainy ny zanaka lahy iray, dia ho faty nohon'ny fahotan'ny rainy ve ilay zanaka lahy?

Raha manatanteraka ny didin'i Yaveh ny zanaka lahy iray ary mandeha araka ny lalàn'i Yaveh, dia tsy ho faty nohon'ny fahotan'ny rainy izy.

Ezekiel 18:19

Nahoana ilay zanaka lahy marina no tsy mitondra ny heloky ny rainy?

Tsy mitondra ny heloky ny rainy ilay zanaka lahy marina satria izy mitondra fahitsiana sy fahamarinana.

Ezekiel 18:21

Inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ny olona ratsy fanahy izay miala amin'ny fahotany rehetra?

Yaveh dia manambara fa ny olona ratsy fanahy izay miala amin'ny fahotany rehetra dia ho velona tokoa.

Ezekiel 18:24

Inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ny olo-marina izay mivadika sy manota ary manao faharatsiana?

Yaveh dia manambara fa ny olo-marina izay mivadika sy manota dia ho faty amin'ireo fahotana izay ataony.

Ezekiel 18:29

Ahoana no lazain'i Yaveh fa fomba hitsarany ny olona tsirairay?

Yaveh dia milaza fa hitsara ny olona tsirairay araka ireo fombany Izy.

Inona no iantsoan'i Yaveh ny ankohonan'Israely mba atao?

Yaveh dia miantso ny ankohonan'Israely mba hibebaka sy hiala amin'ny fahotany rehetra.

Ezekiel 18:31

Inona no iantsoan'i Yaveh ny ankohonan'Israely mba hatao ho an'ny tenan'izy ireo?

Yaveh dia miantso ny ankohonan'Israely mba hanao fo vaovao sy fanahy vaovao ho an'ny tenan'izy ireo.

Ezekiel 19

Ezekiel 19:1

Inona no nasaina nataon'i Ezekiela?

Nasaina nanao fitomaniana manohitra an'ireo mpitarik'Israely i Ezekiela.

Ao amin'ilay fanoharana an'ireo liona, inona no nianaran'ny iray tamin'ireo zanany?

Ny iray tamin'ireo zanany dia nianatra namiravira ireo hazany sy nihinana olona.

Rehefa nandre momban'io zanaka io ireo firenena, dia inona no nataon'izy ireo?

Namandrika an'ilay zanaka ireo firenena ary nitondra azy tany amin'ny tanin'i Egypta.

Ezekiel 19:5

Rehefa lasa ilay zanaka voalohany, dia inona no nianaran'ilay liona tanora faharoa?

Ilay liona tanora faharoa dia nianatra namiravira ireo hazany sy nihinana olona.

Ezekiel 19:8

Inona no nataon'ireo firenena tamin'ilay liona tanora faharoa?

Nofandrihan'ireo firenena ilay liona tanora ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babylona.

Ezekiel 19:10

Toy ny ahoana ny renin'Israely taloha?

Taloha ny renin'Israely dia toy ny voaloboka maniry eo anilan'ny rano.

Ho amin'ny inona no nampiasaina ny rantsany mafy?

Ny rantsany mafy dia nampiasaina ho tehin'ny mpanapaka.

Ezekiel 19:12

Inona no nitranga tamin'ilay voaloboka?

Nongotana ilay voaloboka, natsipy, ary namainin'ny rivotra avy any atsinanana.

Aiza ilay voaloboka?

Any an-tany efitra ilay voaloboka.

Ezekiel 19:14

Inona no tsy ananan'ilay voaloboka intsony?

Ilay voaloboka dia tsy manana rantsana mafy na tehina hanapaka intsony.

Ezekiel 20

Ezekiel 20:1

Iza no tonga tany amin'i Ezekiela ary nahoana no tonga izy ireo?

Tonga tany amin'i Ezekiela ireo loholon'Israely mba hanontany an'i Yaveh.

Ezekiel 20:2

Inona no valin-tenin'i Yaveh tamin'ireo izay nanatona an'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa tsy ho anontanian'ireo loholon'Israely Izy.

Ezekiel 20:4

Inona no nianianan'i Yaveh fa ho ataony amin'Israely rehefa tany amin'ny tanin'Egypta izy ireo?

Nianiana Yaveh fa hitondra azy ireo ho any amin'ny tany tondra-dronona sy tantely Izy.

Ezekiel 20:7

Inona no didy nomen'i Yaveh ny vahoakan'Israely tany amin'ny tanin'i Egypta?

Yaveh dia nandidy ny vahoaka ny mba hanarian'izy ireo ny sampin'i Egypta.

Ezekiel 20:8

Ahoana no namalian'ny vahoakan'Israely an'izay nandidian'i Yaveh?

Nikomy nanohitra an'i Yaveh sy tsy vonona ny hihaino ny vahoaka.

Nahoana Yaveh no nilaza fa nitondra ny vahoakan'Israely hivoaka ny tany Egypta Izy?

Yaveh dia nilaza fa niasa ho an'ny anarany Izy mba tsy ho voazimbazimba eo imason'ireo firenena izany.

Ezekiel 20:10

Inona no nomen'i Yaveh ny vahoakan'Israely tany an'efitra?

Yaveh dia nanome ny vahoaka ny lalàny, didiny, ary ny Sabatany.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho afaka nataon'izy ireo raha nankato ireo didiny izy ireo?

Yaveh dia nilaza ny vahoaka fa afaka niaina izy ireo raha nankato ny didiny.

Ezekiel 20:13

Ahoana no namalian'ny vahoakan'Israely an'izay nomen'i Yaveh azy ireo tany an'efitra?

Nikomy nanohitra an'i Yaveh izy ireo ary nandà ireo didiny.

Inona no nolazain'i Yaveh ny vahoaka fa afaka nataon'izy ireo raha nankato ireo didiny izy ireo?

Yaveh dia nilaza ny vahoaka fa ho afaka ny niaina izy ireo raha nankato ireo didiny.

Ezekiel 20:15

Inona no nianianan'i Yaveh avy eo fa tsy ho ataony ho an'ny vahoakan'Israely satria nandà ireo didiny izy ireo?

Avy eo Yaveh dia nianiana fa tsy hitondra azy ireo ho any amin'ilay tany izay homeny azy ireo Izy.

Ezekiel 20:21

Ahoana ny fomba namalian'ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'Israely rehefa nandidy azy ireo mba handeha amin'ireo didiny izy ireo?

Nikomy nanohitra an'i Yaveh ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'Israely ary tsy nitandrina ireo didiny.

Inona no nolazain'i Yaveh ny vahoaka fa ho afaka nataon'izy ireo raha nankato ireo didiny izy ireo?

Yaveh dia nilaza ny vahoaka fa ho afaka ny niaina izy ireo raha nankato ireo didiny.

Ezekiel 20:23

Inona no nianianan'i Yaveh avy eo fa ho ataony amin'ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'Israely?

Avy eo Yaveh nianiana fa hanaparitaka azy ireo eo amin'ireo firenena.

Ezekiel 20:27

Ahoana no nitenenan'ny razamben'Israely ratsy sy namitahan'izy ireo an'i Yaveh?

Ny razamben'Israely dia niteny ratsy sy namitaka an'i Yaveh tamin'ny fanolorana sorona tamin'ireo sampy teny amin'ireo toerana avo.

Ezekiel 20:30

Inona no nataon'ireo vahoakan'Israely tamin'ireo zanaka lahin'izy ireo?

Nampandeha ny zanaka lahin'izy ireo teo amin'ny afo ny vahoakan'Israely.

Inona no eritreritra tao an-tsain'ny vahoakan'Israely?

Ny vahoakan'Israely dia nieritreritra hoe te-hitovy amin'ireo firenena hafa, manompo hazo sy vato izy ireo.

Ezekiel 20:33

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny vahoakan'Israely mba hitsarana azy ireo mivantana?

Yaveh dia nilaza fa hanangona ny vahoakan'Israely avy any amin'ireo firenena izay niparitahan'izy ireo mba ho any an-tany efitry ny vahoaka Izy.

Ezekiel 20:36

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho dioviny hiala eo amin'ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hanadio ireo mpikomy sy ireo mpanohitra hiala eo amin'ny vahoakan'Israely Izy.

Ezekiel 20:40

Rehefa voahangon'i Yaveh eo amin'ny tendrombohiny masina ny ankohonan'Israely, dia ahona no fomba hitondran'Israely an'i Yaveh?

Rehefa voahangon'i Yaveh eny amin'ny tendrombohiny masina ny ankohonan'Israely, dia hanaiky an'i Yaveh ho masina eo imason'ireo firenena i Israely.

Ezekiel 20:42

Inona no ho eritreretin'ny ankohonan'Israely amin'ny tenan'izy ireo raha mahatsiaro ny lasa ratsiny izy ireo?

Hankahala ny tenan'izy ireo ny ankohonan'Israely nohon'ny asa ratsy rehetra nataon'izy ireo.

Ezekiel 20:45

Inona no fanambarana nataon'i Yaveh manohitra ny alan'i Negeva?

Yaveh dia nanambara fa handrehitra afo handoro ny rehetra avy any atsimo ka hatrany avaratra Izy.

Ezekiel 20:48

Inona no nolazain'ny vahoakan'Israely momban'i Ezekiela?

Ny vahoakan'Israely dia nilaza fa mpiteny fanoharana fotsiny i Ezekiela.

Ezekiel 21

Ezekiel 21:1

Nasain'i Yaveh miteny manohitra an'iza i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh miteny manohitra an'ireo fitoerana masina; manohitra ny tanin'Israely i Ezekiela.

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho tapahiny hiala amin'ny tanin'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hanapaka ny olo-marina sy ny ratsy fanahy hiala amin'ny tanin'Israely Izy?

Ezekiel 21:6

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Ezekiela mba hatao eo imason'ny vahoaka?

Yaveh dia nilaza an'i Ezekiela mba hisento eo imason'ny vahoaka.

Nahoana Yaveh no nilaza an'i Ezekiela mba hanao tahaka izany fomba izany eo imason'ny vahoaka?

Yaveh dia nilaza an'i Ezekiela mba hanao tahaka izany mba hampisehoana hoe ho toy ny inona amin'izy ireo izany rehefa entin'i Yaveh manohitra azy ireo ny sabatra.

Ezekiel 21:10

Omena an'iza ilay sabatra noranitina sy natao mangirana?

Homena eo an-tanan'ny mpamono olona ilay sabatra noranitina sy natao mangirana.

Ezekiel 21:12

Ho tonga eo amin'iza izany sabatra izany?

Izany sabatra izany dia ho tonga amin'ny vahoaka sy ireo mpitarik'Israely.

Ezekiel 21:15

Inona no ho tonga ho amin'ny fitsaharana aorian'ilay famonoana?

Aorian'ilay famonoana, dia ho tonga amin'ny fitsaharana ny fahaviniran'i Yaveh.

Ezekiel 21:18

Mankaiza ireo lalana roa voatendry ho an'ny mpanjakan'i Babylona?

Ireo lalana roa dia Raban'ireo Amonita, ary Joda sy Jerosalema.

Ezekiel 21:21

Ahoana no hahafantaran'ny mpanjakan'i Babylona an'izay lalana tokony haleha?

Hahazo hafatra faminaniana avy amin'ny sikidy ny mpanjakan'i Babylona mba hahafantarana an'izay lalana tokony haleha.

Inona no hiampangan'ny mpanjakan'i Babylona an'Israely mba hanafihana azy ireo?

Ny mpanjakan'i Babylona dia hiapanga an'Israely amin'ny fandikana ny dina mba hanafihana azy ireo.

Ezekiel 21:25

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ny mpanapaka ratsy fanahin'Israely, ary nahoana?

Nasain'i Yaveh nanala ny hamamany sy ny satro-boninahiny ilay mpanapaka, satria tsy hisy intsony ny satro-boninahitra..

Rahoviana no nolazain'i Yaveh fa hamerenany ny satro-boninahitr'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hamerina ilay satro-boninahitra any Israely Izy rehefa tonga ilay iray manana ny zo amin'izany.

Ezekiel 21:28

Inona no ataon'ireo mpaminanin'i Amona ho an'ny vahoakan'i Amona?

Ireo mpaminanin'i Amona dia mahita fahitam-poana ho an'ny vahoakan'i Amona, raha manao fombafomba izay hiafara amin'ny lainga ho an'ny vahoakan'i Amona izy ireo.

Ezekiel 21:30

Iza no hanoloran'ny Tompo Yaveh ny vahoakan'i Amona?

Ny Tompo Yaveh dia hanolotra an'ireo Amonita eo an-tanan'ny olon-dozabe, lehilahy kinga amin'ny fandringanana.

Ezekiel 22

Ezekiel 22:1

Inona no anarana nomen'i Yaveh ny tanànan'i Jerosalema izay tsarainy?

Antsoin'i Yaveh hoe tanànan'ny rà ny tanànan'i Jerosalema.

Ezekiel 22:4

Inona ireo fahotana roa nolazain'i Yaveh fa nampameloka an'ilay tanàna?

Ilay tanàna dia meloka amin'ny rà izay efa nalatsak'izany, ary naloto tamin'ireo sampy nataon'izany.

Inona no ho laza hananan'ilay tanàna rehefa avy mitsara izay Yaveh?

Ny laza fantatra na aiza na aiza dia ny hoe tanàn'ny fifanjevona izany.

Ezekiel 22:6

Vondron'olona telo iza no nataon'ireo mpanapak'Israely ratsy fitondra?

Nalaina baraka ireo ray sy reny, nampijaliana ireo vahiny, ary natao ratsy fitondra ireo kamboty sy mpitondratena.

Ezekiel 22:10

Inona avy ireo fahotana ara-nofo telo nataon'ireo lehilahy tao amin'ny tanàna?

Ireo lehilahy dia manota miaraka amin'ny vadin'ny mpiara-belona amin'izy ireo, mandoto ny vinanto vavin'izy ireo, ary manararaotra ny anabavin'izy ireo.

Ezekiel 22:13

Inona no ambaran'i Yaveh fa ho ataony amin'ny vahoaka nohon'ny fahotan'izy ireo?

Yaveh dia manambara fa hanaparitaka ny vahoaka eo amin'ireo firenena Izy.

Inona no ho fantatry ny olona rehefa mamely azy ireo Yaveh?

Ho fantatry ny vahoaka fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 22:17

Ao amin'ny fanoharany, ampitahain'i Yaveh amin'ny inona ny ankohonan'Israely?

Ao amin'ny fanoharany dia ampitahain'i Yaveh amin'ny tain-drendrika ny ankohonan'Israely.

Aiza no lazain'i Yaveh fa hanangonany ny tain-drendrika?

Yaveh dia milaza fa hanangona ny tain-drendrika eo afovoan'i Jerosalema Izy.

Ezekiel 22:20

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny tain-drendrika raha mandraraka ny fahatezerany Izy?

Handraraka ny tain-drendrika i Yaveh ary handrendrika izany raha mandraraka ny hatezerany Izy?

Ezekiel 22:26

Inona no tsy voaavaka sy tsy ampianarin'ireo mpisoron'ny tany?

Ireo mpisorona dia tsy manavaka ny zava-masina sy ny zavatra voazimbazimba, ary tsy mampianatra ny fahasamihafana eo amin'ny maloto sy madio.

Inona no ataon'ireo mpaminanin'ny tany?

Ireo mpaminanin'ny tany dia mandoko amin'ny lalotra fotsy, mahita fahitana diso ary maminany lainga.

Ezekiel 22:30

Inona no notadiavin'i Yaveh ary tsy hitany?

Yaveh dia nitady lehilahy iray izay hanangana manda sy hitsangana eo anatrehany eo anelanelan'izany ho an'ny tany, fa tsy nahita Izy.

Ezekiel 23

Ezekiel 23:1

Ao amin'ny fanoharan'i Yaveh, inona no ataon'ireo zanaka vavy roa any Egypta?

Ireo zanaka vavy roa dia manao toy ny mpivaro-tena any Egypta.

Maneho inona ilay zanaka vavy zokiny ary maneho inona ilay zanaka vavy zandriny?

Ilay zanaka vavy zokiny dia maneho an'i Samaria ary ilay zanaka vavy zandriny maneho an'i Jerosalema.

Ezekiel 23:5

Inona no nataon'ilay zanaka vavy zokiny na dia an'i Yaveh aza izy?

Nanolotra ny tenany ho mpivaro-tena tamin'ireo lehilahin'i Asyria ilay zanaka vavy zokiny.

Ezekiel 23:8

Inona no nataon'ireo malalan'ilay zanaka vavy zokiny taminy rehefa natolotr'i Yaveh tamin'izy ireo izy?

Nampitanjaka azy ireo malalan'ilay zanaka vavy zokiny, naka ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy, ary manomo azy.

Ezekiel 23:11

Inona no nataon'ilay zanaka vavy zandriny rehefa nahita izay nitranga tamin'ilay zanaka vavy zokiny izy?

Nanao toy ny mpivaro-tena mihoatra bebe kokoa noho ny rahavaviny ilay zanaka vavy zandriny.

Ezekiel 23:18

Nohon'ny fivarota-tenan'izy ireo, ahoana ny fiovan'ny fihetsik'i Yaveh tamin'ireo mpirahavavy roa?

Nohon'ny fivarota-tenan'izy ireo, dia nanala ny fanahiny tamin'ireo mpirahavavy roa i Yaveh.

Ezekiel 23:22

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ilay rahavavy zandry nohon'ny fivarota-tenany?

Yaveh dia nilaza fa hampivadika an'ireo malalany aminy Izy.

Ezekiel 23:24

Inona no lazain'i Yaveh fa hitranga amin'ilay rahavavy zandry sy ireo taranany?

Ho tapaka ny orona sy sofin'ilay rahavavy zandry, ary ho levon'ny afo ny taranany.

Ezekiel 23:28

Inona no haharihary rehefa homena eo an-tanan'ireo izay ankahalainy ilay rahavavy zandry?

Haharihary ny fahamenaran'ny fitanjahan'ny fivarotan-tenan'ilay rahavavy zandry.

Ezekiel 23:30

Nohon'ny fivarota-tenan'izy ireo, inona no apetrak'i Yaveh eo an-tanan'ilay mpirahavavy zandriny sy zokiny?

Nohon'ny fivarota-tenan'izy ireo, dia mametraka kapoakan'ny famaizana eo an-tanan'ireo mpirahavavy zandry sy zokiny i Yaveh.

Ezekiel 23:32

Ho lasa inona amin'ny manodidina azy ireo ilay rahavavy zandriny?

Ilay rahavavy zandriny dia ho lasa fihomehezana sy foto-pihomehezana amin'ireo manodidina azy.

Ezekiel 23:36

Inona no nataon'ireo mpirahavavy roa tamin'ny zanaka lahin'izy ireo teraka ho an'i Yaveh?

Ireo mpirahavavy roa dia nandefa ny zanaka lahin'izy ireo tao anaty afo mba ho levona.

Ezekiel 23:38

Inona no nataon'ireo mpirahavavy roa tamin'ny andro namonoan'izy ireo ny zanak'izy ireo?

Tamin'ny andro namonoan'izy ireo ny zanak'izy ireo, dia nankany amin'ny fitoerana masin'i Yaveh ireo mpirahavavy roa mba handoto izany.

Ezekiel 23:43

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataon'ny olo-marina amin'ireo mpivaro-tena?

Yaveh dia nilaza fa hanameloka an'ireo mpivaro-tena ho amin'ny famaizana nohon'ny fijangajangana ireo olo-marina.

Ezekiel 23:46

Inona no ho ataon'ilay vahoaka maro izay natsangan'i Yaveh manohitra an'ireo mpivaro-tena?

Ilay vahoaka maro izay natsangan'i Yaveh dia hitora-bato an'ireo mpivaro-tena sy hanapaka azy ireo amin'ny sabatra.

Ezekiel 23:48

Inona no ho fantatr'ireo mpivaro-tena rehefa mizaka ny heloky ny fahotan'izy ireo tamin'ireo sampiny izy ireo?

Rehefa mizaka ny heloky ny fahotan'izy ireo tamin'ireo sampiny izy ireo, dia ho fantatr'ireo mpivaro-tena fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 24

Ezekiel 24:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa nitranga tamin'ny andro niresahany tamin'i Ezekiela mihitsy?

Yaveh dia nilaza fa nanafika an'i Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona tamin'izany andro izany mihitsy.

Ezekiel 24:3

Ao amin'ny fanoharan'i Yaveh, inona no asain'i Yaveh ataon'ny vahoakan'i Jerosalema?

Yaveh dia milaza azy ireo mba handraraka rano ao anatin'ny vilany fandrahoana, hameno izany amin'ireo taolana tsara indrindra, ary hampangotraka tsara izany.

Ezekiel 24:6

Inona no tsy mety amin'ilay vilany fandrahoan'i Jerosalema izay tsy ho afaka ao amin'izany?

Ilay vilany fandrahoan'i Jerosalema dia misy harafesina ao anatiny izay tsy ho afaka ao amin'izany.

Ezekiel 24:7

Inona no nataon'i Jerosalema tamin'ny vailafty marin'i Yaveh?

Tsy nanarona ny rà izay teo afovoany i Jerosalema.

Ezekiel 24:11

Nahoana no atao tsy misy na inona na inona eo ambony afo ilay vilany?

Atao tsy misy na inona na inona eo ambony afo ilay vilany mba hampafana sy handoro ny varahiny, dia hifangaro ny loto ao aminy, ho levona ny harafesiny!

Inona no tsy niala teo amin'i Jerosalema tamin'ny afo?

Ny harafesin'i Jerosalema dia tsy niala tamin'ny afo.

Ezekiel 24:14

Araka an'i Yaveh, amin'ny inona no hitsarana ny vahoakan'i Jerosalema?

Ny vahoakan'i Jerosalema dia ho tsaraina araka ny lalana sy asan'izy ireo.

Ezekiel 24:15

Inona no nolazain'i Yaveh fa halainy amin'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa ho esoriny amin'i Ezekiela ny vadiny.

Inona no tsy nasain'i Yaveh nataon'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza an'i Ezekiela mba tsy hisaona na hitomany amin'ny fahaverezana ny vadiny.

Ezekiel 24:19

Inona no nolazain'i Yaveh fa dikan'ireo hetsika izay nitranga tamin'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa ny fanirian'ny mason'ny olona dia nandoto an'ilay fitoerana masina, ka ho lavon-tsabatra ireo zanaka lahy sy ireo zanaka vavin'izy ireo.

Ezekiel 24:22

Inona no ho ataon'ny vahoakan'i Jerosalema rehefa mijaly amin'ny veriny izy ireo?

Hanao araka izay nataon'i Ezekiela mihitsy ny vahoaka, ary tsy hisaona na hitomany.

Ho inon'ny vahoakan'i Jerosalema i Ezekiela?

Ezekiela dia ho famantarana ho an'ny vahoakan'i Jerosalema.

Ezekiel 24:25

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny andro hahazoana ny tempoly?

Yaveh dia nilaza fa amin'ny andro hahazoana ny tempoly, dia hisy mpitsoa-ponenana ho tonga eo amin'i Ezekiela mba hanome azy ny vaovao.

Amin'ny andro hahazoana ny tempoly, inona no ho fantatry ny vahoakan'i Jerosalema?

Amin'ny andro hahazoana ny tempoly, dia ho fantatry ny vahoakan'i Jerosalema fa ny Tompo no Yaveh.

Ezekiel 25

Ezekiel 25:1

Haminany hanohitra an'iza no nanirahan'i Yaveh an'i Ezekiela?

Yaveh dia naniraka an'i Ezekiela mba hanohitra ny vahoakan'i Amona.

Ezekiel 25:3

Inona no nataon'ny vahoakan'i Amona rehefa voazimbazimba ilay fitoerana masina ary natao sesitany ny ankohonan'i Joda?

Rehefa voazimbazimba ilay fitoerana masina ary natao sesitany ny ankohonan'i Joda, dia nanao hoe "Hia!" ny vahoakan'i Amona.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Amona nohon'ny zavatra notenenin'izy ireo rehefa natao sesitany ny ankohonan'i Joda?

Yaveh dia hanome ny vahoakan'i Amona ho an'ny vahoaka any atsinanana.

Ezekiel 25:6

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Amona mba hahafantaran'izy ireo fa Yaveh no Tompo?

Yaveh dia hanaisotra an'i Amona hiala amin'ireo vahoaka hafa ary hamotika azy ireo.

Ezekiel 25:8

Inona no nolazain'i Moaba sy Seira rehefa natao sesitany i Joda?

Rehefa natao sesitany ny ankohonan'i Joda, dia nilaza Moaba sy Seira fa tahaka ny firenena hafa rehetra ny ankohonan'i Joda .

Inona no tsy ho tsaroina eo amin'ireo firenena ireo intsony?

Ireo vahoakan'i Amona dia tsy ho tsaroina eo amin'ireo firenena ireo intsony.

Ezekiel 25:12

Inona no nataon'i Edoma manohitra ny ankohonan'i Joda?

Edoma dia nanao valifaty manohitra ny ankohonan'i Joda.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Edoma nohon'ny amin'ny zavatra nataony tamin'ny ankohonan'i Joda?

Yaveh dia handrava ny olona sy ny biby rehetra ao Edoma.

Ezekiel 25:15

Inona no nataon'ireo Filistina manohitra ny ankohonan'i Joda?

Ireo Filistina dia namaly faty tsotra izao manohitra ny ankohonan'i Joda.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo Filistina noho izay nataon'ireo Filistina tamin'ny ankohonan'i Joda?

Yaveh dia handrava an'ireo Filistina.

Ezekiel 26

Ezekiel 26:1

Inona no nolazain'ny vahoakan'i Tyro manohitra an'i Jerosalema?

Ny vahoakan'i Tyro dia nilaza fa ho feno izy ireo satria rava Jerosalema.

Ezekiel 26:3

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa hanandratra firenena maro hanohitra an'i Tyro, izay handrava ny mandany sy ireo tilikambony Izy.

Ezekiel 26:5

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho atao any amin'ny toerana izay nijoroan'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa hanazana harato eo amin'ny toerana izay nijoroan'i Tyro taloha.

Ezekiel 26:7

Iza no nolazain'i Yveh fa ho entiny manohitra an'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa hitondra an'i Nebokadnezara, ilay mpanjakan'i Babylona, hanohitra an'i Tyro Izy.

Ezekiel 26:9

Ahoana no nilazan'i Yaveh fa fomba haharodana an'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa hirodana amin'ny andry vy fandrodanan'i Nebokadnezara ny mandan'i Tyro.

Ezekiel 26:12

Aiza no nolazain'i Yaveh fa hametrahana ny vato sy hazon'ireo lapan'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa ho ariana any afovoan'ny rano ny vato sy hazon'ireo lapan'i Tyro.

Ezekiel 26:15

Inona no ho ataon'ireo lehiben'ny ranomasina rehefa mitranga ao Tyro ny famonoana mahatsiravina?

Ireo lehiben'ny ranomasina dia hiala amin'ireo seza fiandrianan'izy ireo, hanala ny akanjon'izy ireo, hamela ny akanjo milokolokon'izy ireo. ary hipetraka am-pangovitana eo amin'ny tany.

Ezekiel 26:17

Aiza no hitomanian'ireo lehiben'ny ranomasina fa misy an'ilay tanàna malazan'i Tyro ankehitriny?

Ireo lehiben'ny ranomasina dia mitomany fa ao an-dranomasina ankehitriny ilay tanàna malazan'i Tyro.

Ezekiel 26:19

Aiza no nolazain'i Yaveh fa hitondrana ny vahoakan'i Tyro?

Yaveh dia nilaza fa ho entina midina any an-davaka ny vahoakan'i Tyro.

Araka an'i Yaveh, rahoviana no hahitana an'i Tyro indray?

Araka an'i Yaveh, dia tsy ho hita intsony i Tyro.

Ezekiel 27

Ezekiel 27:1

Varotra inona no mampalaza ny vahoakan'i Tyro?

Ny vahoakan'i Tyro dia nalaza tamin'ny fivarotana ho an'ny vahoaka any amin'ny nosy maro

Inona no nolazain'i Tyro momban'ny tenany?

Tyro dia nilaza momban'ny tenany fa tanteraka amin'ny hatsaran-tarehy izany.

Ezekiel 27:6

Inona no nanaovan'izy ireo ny tokotanin-tsambon'i Tyro?

Ny tokotanin-tsambon'i Tyro dia vita tamin'ny hazo kipreso nopetahana ivoara.

Ezekiel 27:8

Iza no mpitondra ny sambon'i Tyro?

Ireo olo-kendrin'i Tyro no mpitondra ny sambo.

Inona no nentin'ireo sambon'i Tyro?

Ireo sambon'i Tyro dia nitondra entam-barotra.

Ezekiel 27:12

Nahoana Tarsisy no mjanjifan'i Tyro?

Tarsisy dia mpanjifan'i Tyro nohon'ny habetsak'ireo karazana harena rehetra.

Inona no fifanarahan'i Tyro tamin'i Javana, Tobala, ary Meseka?

Tyro dia nanakalo ain'olona sy fitaovana vita amin'ny varahina.

Ezekiel 27:16

Inona no entana nifanakalozan'i Joda sy ny tanin'Israely tamin'i Tyro?

Joda sy ny tanin'Israely dia nifanakalo vary, apemby, tantely, menka, ary balsama.

Ezekiel 27:22

Inona no entana nifanakalozan'i Tyro tamin'i Seba?

Seba dia nivarotra zavamanitra, vatosoa sarobidy, ary volamena.

Ezekiel 27:26

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny haren'i Tyro amin'ny andron'ny faharavany?

Yaveh dia nilaza fa hilentika any amin'ny lalin'ny ranomasina ny haren'i Tyro amin'ny andron'ny faharavany.

Ezekiel 27:28

Inona no ho ataon'ireo tanàna ao an-dranomasina rehefa mandre ny feon'ny tomanin'ny mpitondrany izy ireo?

Hangovitra amin'ny feon-tomanin'ireo mpitondrany ireo tanàna ao an-dranomasina

Ezekiel 27:34

Inona no nataon'ireo mpanjakan'ny morontsiraka rehefa nahita ny faharavan'i Tyro izy ireo?

Tora-kovitry ny horohoro ireo mpanjakan'ny morontsiraka ary nagovitra rehefa nahita ny faharavan'i Tyro izy ireo.

Rahoviana no nolazain'i Yaveh fa hisian'i Tyro indray?

Yaveh dia nilaza fa tsy hisy intsony i Tyro.

Ezekiel 28

Ezekiel 28:1

Inona no nolazain'ny mpanapak'i Tyro momban'ny tenany?

Ny mpanapak'i Tyro dia nilaza momban'ny tenany hoe: "andriamanitra aho!"

Ezekiel 28:4

Nahoana ny fon'ny mpanapak'i Tyro no niavonavona?

Niavonavona ny fon'ny mpanapak'i Tyro nohon'ny hareny.

Ezekiel 28:6

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny mpanapak'i Tyro nohon'ny avonavony?

Yaveh dia nilaza fa hitondra vahiny hanohitra ny mpanapak'i Tyro Izy.

Ezekiel 28:8

Ahoana no nolazain'i Yaveh fa fomba hafatesan'i Tyro?

Ny mpanapak'i Tyro dia ho faty tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora amin'ny alalan'ny tanan'ireo vahiny.

Ezekiel 28:11

Inona ny mpanjakan'i Tyro taloha araka ny nolazain'i Yaveh?

Yaveh dia nilaza fa modelin'ny fahatanterahana ny mpanjakan'i Tyro taloha, feno fahendrena, ary lafatra amin'ny hatsaran-tarehy.

Araka an'i Yaveh, taiza ny mpanjakan'i Tyro tamin'izy nohariana?

Tao Edena, ilay sahan'Andriamanitra ny mpanjakan'i Tyro.

Ezekiel 28:14

Taiza no nametrahan'i Yaveh ny mpanjakan'i Tyro, ary inona ny andraikitra nananan'ny mpanjakan'i Tyro?

Ny mpanjakan'i Tyro dia teny amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra tahaka ilay kerobima voahosotra hiambina ny olombelona.

Inona no hita tao amin'ilay mpanjakan'i Tyro taty aorina?

Nahitana ny tsy rariny tao amin'ilay mpanjakan'i Tyro.

Ezekiel 28:16

Nohon'ny fahotan'ilay mpanjakan'i Tyro, dia inona no nataon'i Yaveh taminy?

Narian'i Yaveh ilay mpanjakan'i Tyro ary noravainy satria nandoto ny tendrombohitr'Andriamanitra.

Ezekiel 28:18

Inona no ho ataon'ireo izay nahalala ny mpanjakan'i Tyro rehefa mahita ny faharavany izy ireo?

Hangovitra aminy ary hihorohoro ireo izay nahalala ny mpanjakan'i Tyro.

Ezekiel 28:23

Inona no nolazain'i Yaveh fa nalefany tany Sidona?

Yaveh dia nilaza fa nandefa areti-mandringana sy rà teny amin'ireo lalan'i Sidona Izy.

Araka an'i Yaveh, toy ny inona ho an'ny ankohonan'Israely ireo vahoaka manodidina an'Israely?

Ireo vahoaka manodidina an'Israely dia tahaka ny roy mampahory sy tsilo mampanaintaina

Ezekiel 28:25

Rehefa avy manatanteraka fitsarana amin'ireo izay manao tsinotsinona an'Israely i Yaveh, dia inona no hitranga amin'Israely?

Israely dia hiaina am-pilaminana, hanangana trano, ary hanao tanim-boaloboka any amin'ny tany izay homen'i Yaveh an'i Jakoba mpanompony.

Ezekiel 29

Ezekiel 29:1

Nasain'i Yaveh haminany manohitra an'iza i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh haminany manohitra an'i Farao, mpanjakan'i Egypta i Ezekiela.

Biby inona no lazain'i Yaveh fa tahaka ny mpanjakan'i Egypta?

Yaveh dia milaza fa tahaka ny biby masiaka any an-dranomasina izay mandry eo afovoan'ny renirano ny mpanjakan'i Egypta.

Ezekiel 29:4

Aiza no lazain'i Yaveh fa hanipazany an'ilay mpanjakan'i Egypta?

Yaveh dia milaza fa hanipy ny mpanjakan'i Egypta any an-tany efitra Izy.

Ezekiel 29:6

Zava-maniry inona no lazain'i Yaveh fa tahaka an'i Egypta ho an'ny ankohonan'Israely?

Yaveh dia milaza fa tahaka ny tahona volotara ho an'ny ankohonan'Israely i Egypta.

Inona no nataon'i Egypta rehefa niantehitra tamin'i Egypta ny ankohonan'Israely?

Nampangovitra ny tongotr'Israely sy nampihozongozona ny valahan'izy ireo i Egypta rehefa niantehitra tamin'i Egypta i Israely.

Ezekiel 29:8

Inona no lazain'i Yaveh fa hatao amin'ny tanin'i Egypta?

Yaveh dia milaza fa hatao rava sy foana ny tanin'i Egypta.

Ezekiel 29:11

Hafiriana no lazain'i Yaveh fa tsy hisy mponina ao Egypta?

Yaveh dia milaza fa tsy hisy mponina mandritry ny efa-taona ao Egypta.

Ezekiel 29:13

Ho lasa inona Egypta rehefa tafaverina avy amin'ny fiparitahan'izy ireo hoy Yaveh?

Yaveh dia milaza fa ho lasa fanjakana ambany Egypta rehefa miverina avy any amin'izay niparitahany izy ireo.

Ezekiel 29:17

Inona no karama azon'i Nebokadnezara ilay mpanjakan'i Babylona tamin'ny asa mafy izay nataony manohitra an'i Tyro?

Nebokadnezara dia tsy nandray karama tamin'ny asa mafy irehetra izay nataony manohitra an'i Tyro.

Ezekiel 29:19

Inona no ho omen'i Yaveh an'i Nebokadnezara valin'ny asa mafy rehetra izay nataony manohitra an'i Tyro?

Yaveh dia hanome ny tanin'i Egypta an'i Nebokadnezara ho karama nohon'ny asa mafy rehetra izay nataony manohitra an'i Tyro.

Ezekiel 29:21

Amin'izany andro izany, inona no ho ampanaovin'i Yaveh an'i Ezekiela?

Amin'izany andro izany dia hampiteny an'i Ezekiela eo afovoan'ny ankohonan'Israely i Yaveh.

Amin'izany andro izany, inona no ho fantatry ny ankohonan'Israely?

Amin'izany andro izany dia hahafantatra ny ankohonan'Israely fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 30

Ezekiel 30:1

Araka an'i Yaveh, karazana andro sy fotoana inona ny andro ho avin'i Yaveh?

Ilay andron'i Yaveh ho avy dia andro mandrahona, fotoanan'ny fiafarana ho an'ireo firenena.

Ezekiel 30:4

Amin'ny andron'i Yaveh, inona no hitranga amin'i Egypta, Kosy, Lybia, Lydia, ary ny vahoaka an'ny fanekena?

Amin'ny andron'i Yaveh, dia ho lavon-tsabatra avokoa izy rehetra.

Ezekiel 30:8

Inona no ho fantatry ny vahoaka rehefa rava Egypta sy ireo mpanampy azy?

Ho fantatry ny vahoaka fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 30:10

Tanan'iza no ho ampiasain'i Yaveh hamotehana ny tanin'i Egypta?

Yaveh dia hampiasa ny tanan'i Nebokadnezara, ilay mpanjakan'i Babylona mba hamotehana ny tanin'i Egypta.

Ezekiel 30:13

Amin'iza no hitondran'i Yaveh fiafarana any Memfisa?

Yaveh dia hamotika sy hitondra fiafarana amin'ireo sampy tsy mendrik'i Memfisa.

Ezekiel 30:17

Inona no hitranga amin'ireo sisa velona any amin'ireo tanàna Egyptiana rehefa mitondra faharavana Yaveh?

Ho lasan-ko babo ireo sisa velona rehefa mitondra faharavana i Yaveh.

Ezekiel 30:20

Inona no nolazain'i Yaveh fa nataony tamin'ny sandrin'i Farao, ary inona no tsy ho afaka ataon'i Farao izao?

Yaveh dia nilaza fa nanapaka ny sandrin'i Farao Izy, ka tsy dia matanjaka tsara izany mba hitan-tsabatra.

Ezekiel 30:22

Rehefa rava Egypta, inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Egypta eo amin'ireo firenena?

Yaveh dia hanaparitaka sy hampiely an'i Egypta eo amin'ireo firenena.

Ezekiel 30:25

Sandrin'iza no ho atanjahan'i Yaveh?

Yaveh dia hampatanjaka ny sandrin'ilay mpanjakan'i Babylona.

Inona no hitranga amin'ny sandrin'i Farao?

Hiraviravy ny sandrin'i Farao.

Ezekiel 31

Ezekiel 31:1

Tamin'iza no nasain'i Yaveh haminanian'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza an'i Ezekiela mba haminany amin'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta.

Ezekiel 31:3

Karazana zava-maniry inona no nampitovian'i Yaveh tamin'i Asyria?

Yaveh dia nampitovy an'i Asyria tamin'ny sedera lehibe any Libanona.

Ezekiel 31:5

Ao amin'ny fanoharan'i Yaveh an'i Asyria toy ny hazo, dia inona no nitoetra tao sy nanodidina an'ilay sedera lehibe?

Ny voron'ny lanitra rehetra dia nanorina akany teo amin'ireo sampan'ny sedera, ary ireo zava-manan'aina rehetra tao an-tsaha dia niteraka ny zanany teo ambanin'ny raviny.

Ezekiel 31:8

Lehibe noho ny inona ilay hazo sedera lehiben'i Asyria?

Ilay hazo lehiben'i Asyria dia lehibe noho ny hazo rehetra tao amin'ny sahan'Andriamanitra.

Ezekiel 31:10

Nahoana Yaveh no nihazona an'i Asyria sy nandroaka izany?

Nihazona sy nandroaka an'i Asyria i Yaveh satria nisandratra (nireharehsa) ny fony ary ratsy fanahy izany.

Ezekiel 31:13

Rehefa navela ilay sederan'i Asyria, dia inona no nolazain'i Yaveh fa tsy hitranga intsony?

Yaveh dia nilaza fa tsy hisy hazo hafa haniry avo intsony.

Ezekiel 31:15

Inona no nentin'i Yaveh teto an-tany tamin'ny andro nidinan'ilay sedera tany amin'ny Fiainan-tsy hita?

Tamin'izany andro izany dia nitondra fisaonana teto an-tany Yaveh.

Ezekiel 31:16

Taiza no naninpazan'i Yaveh an'ilay sedera lehiben'i Asyria?

Yaveh dia nanipy an'ilay sedera lehiben'i Asyria tany amin'ny Fiainan-tsy hita.

Ezekiel 31:17

Inona no nitranga tamin'ireo firenena izay nipetraka teo amin'ny alok'ilay sedera lehiben'i Asyria?

Ireo firenena izay nipetraka teo amin'ny alok'i Asyria dia lasa tany amin'ny Fiainan-tsy hita ihany koa.

Iza no lazain'i Yaveh fa hazera any amin'ny fanambanin'ny tany?

Yaveh dia manambara fa hazera any amin'ny fanambanin'ny tany i Farao sy ireo mpanompony

Ezekiel 32

Ezekiel 32:1

Inona no nasain'i Yaveh hasandratr'i Ezekiela mahakasika an'i Farao?

Nasain'i Yaveh nanandratra fisaonana mahakasika an'i Farao i Ezekiela.

Biby roa inona no nampitovian'i Yaveh an'i Farao?

Yaveh dia nilaza fa tahaka ny liona tanora sy tahaka ny biby masiaka any an-dranomasina i Farao.

Ezekiel 32:3

Rehefa manipy ny biby masiakan'ny ranomasina ho eny an-tsaha i Yaveh, dia inona no hitranga amin'izany?

Rehefa atsipy any an-tsaha ny biby masiakan'ny ranomasina, dia hihinana izany ireo vorona sy ireo biby.

Ezekiel 32:7

Inona no hitranga eny an-danitra rehefa mamono ny jiron'i Egypta i Yaveh?

Ho maizina ireo kintana, handrakotra ny masoandro ny rahona, ary tsy hibaliaka ny volana.

Ezekiel 32:9

Ahoana no ho fihetsiky ny vahoakan'ireo firenena rehefa mahita ny fahalavoan'i Egypta izy ireo?

Ho raiki-tahotra sy hangovitry ny horohoro ny vahoakan'ireo firenena.

Ezekiel 32:11

Iza no ho avy hanohitra an'i Egypta ary handrava izany?

Ny mpanjakan'i Babylona dia ho avy hanohitra an'i Egypta sy handrava izany.

Ezekiel 32:13

Inona no ambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ny olona sy biby any Egypta?

Tsy hisy olona na biby hanakobakobana ny ranon'i Egypta.

Ezekiel 32:15

Inona no ho fantatry ny vahoakan'i Egypta rehefa voatafika sy rava izy ireo?

Ho fantatry ny vahoakan'i Egypta fa ny Tompo dia Yaveh.

Ezekiel 32:17

Aiza no hanipazana an'ireo mpanompon'i Egypta sy ireo zanaka vavin'ireo firenena lehibe?

Ho atsipy any amin'ny fanambanin'ny tany izy ireo miaraka amin'ireo izay nidina ao an-davaka.

Ezekiel 32:19

Inona no ho ambaran'ireo mpiady any amin'ny Fiainan-tsy hita momban'i Egypta sy ireo mpiara-dia aminy?

Hanambara izy ireo fa Egypta sy ireo mpiara-dia aminy dia efa nidina teto ary hiaraka amin'ireo tsy voafora izay matin'ny sabatra.

Ezekiel 32:24

Inona no nentin'i Elama teo amin'ny tanin'ny velona?

Elama dia nitondra ny horohoron'izy ireo teo amin'ny tanin'ny velona.

Ezekiel 32:30

Inona no entin'ireo andriandahin'ny avaratra sy ireo Sidoniana rehetra izay nidina niaraka tamin'ireo maty?

Mitondra ny fahafaham-barakany ihany izy ireo.

Ezekiel 32:31

Any amin'ny Fiainan-tsy hita, inona no hampahery an'i Farao?

Any amin'ny Fiainan-tsy hita, Farao dia ho ampaherezina ny amin'ireo mpanompony izay maty tamin'ny sabatra.

Ezekiel 33

Ezekiel 33:1

Inona no ataon'ny mpiambina ho an'ny vahoakan'ny tany?

Ny mpiambina dia mijery ny sabatra efe tamy eo amin'ny tany, ary mitsoka ny anjomarany mba hampitandrina ny vahoaka.

Inona no mitranga raha toa ny vahoaka ka tsy mitandrina an'ilay mpiambina?

Raha tsy mitandrina ny vahoaka, dia hamono ny vahoaka ny sabatra ary ho eo an-dohan'ny tsirairay ihany ny ràny.

Ezekiel 33:5

Inona no mitranga amin'ilay mpiambina raha tsy mampitandrina ny vahoaka izy?

Raha tsy mampitandrina ny vahoaka ny mpiambina, dia ho takian'i Yaveh ny ràny.

Ezekiel 33:7

Iza no nataon'i Yaveh mpiambina ho an'ny ankohonan'Israely?

Yaveh dia nanao an'i Ezekiela ho mpiambina ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 33:10

Inona no lazain'i Yaveh fa tsy ankasitrahany?

Yaveh dia milaza fa tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny ratsy fanahy Izy.

Hanao inona no hiantsoan'i Yaveh ny ratsy fanahy?

Yaveh dia miantso ny ratsy fanahy mba hibebaka ka ho velona izy ireo.

Ezekiel 33:12

Inona no lazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny olo-marina izay manao ny tsy rariny avy eo?

Yaveh dia milaza fa ny olo-marina izay manao ny tsy rariny avy eo dia ho faty amin'ny faharatsiana izay nataony.

Ezekiel 33:14

Inona no lazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny olona ratsy fanahy izay mibebaka sy manao ny rariny ary ny marina?

Yaveh dia milaza fa ho velona tokoa ny olona ratsy fanahy izay mibebaka sy manao izay rariny sy marina.

Ezekiel 33:17

Araka an'i Yaveh, fomban'iza no tsy rariny?

Araka an'i Yaveh dia tsy rariny ny fomban'ny vahoakan'Israely.

Ahoana no lazain'i Yaveh fa fomba hitsarany ny olona tsirairay ao amin'ny ankohonan'Israely?

Yaveh dia milaza fa hitsara ny olona tsirairay araka ny fombany Izy.

Ezekiel 33:21

Inona no hafatra nentin'ny mpitsoa-ponenana tamin'i Ezekiela?

Nitondra hafatra ilay mpitsoa-ponenana fa babo ny tanànan'i Jerosalema.

Ezekiel 33:23

Inona no nolazain'ny vahoakan'Israely momban'ny tany izay nolovain'i Abrahama?

Ny vahoakan'Israely dia nilaza fa fananan'izy ireo ilay tany izay nolovain'i Abrahama.

Ezekiel 33:25

Nahoana Yaveh no manontany raha tokony hanana an'ilay tany tokoa ny vahoakan'Israely na tsia?

Manontany Yaveh raha tokony hanana an'ilay tany izy ireo na tsia satria niankina tamin'ireo sabatr'izy ireo sy nanao zavatra maharikoriko izy ireo.

Ezekiel 33:27

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ilay tany noho ireo zavatra nataon'ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia milaza fa hamadika an'ilay tany ho lao sy horohoro Izy noho ireo zavatra nataon'ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 33:30

Inona no ho ataon'ny vahoakan'Israely amin'ireo tenin'i Ezekiela?

Hihaino an'ireo tenin'i Ezekiela ny vahoakan'Israely, fa tsy hankato izany izy ireo.

Ezekiel 33:32

Inona no ho fantatry ny vahoakan'Israely rehefa miseho ny zavatra rehetra?

Ny vahoakan'Israely dia hahafantatra fa nisy mpaminany teo amin'izy ireo rehefa miseho ny zavatra rehetra.

Ezekiel 34

Ezekiel 34:1

Inona no fiampangana ataon'i Yaveh manohitra an'ireo mpiandry ondrin'Israely?

Yaveh dia miampanga an'ireo mpiandry ondrin' Israely ho tsy niandry ondry akory, fa namono ny biby tsara indrindra tamin'ireo andian'ondry.

Ezekiel 34:4

Ahoana ny fomba nanapahan'ireo mpiandry ondrin'Israely an'ireo ondry?

Nanapaka tamin'ny alalan'ny hery sy herisetra ireo mpiandry ondrin'Israely.

Inona no nitranga tamin'ny andian'ondry avy eo?

Niparitaka sy lasa sakafo ho an'ireo bibidia velona any an-tsaha avy eo ilay andian'ondry.

Ezekiel 34:7

Iza raha ny marina no nambenan'ireo mpiandry ondrin'Israely?

Ireo mpiandry ondrin'Israely raha ny marina dia miambina ny tenan'izy ireo.

Ezekiel 34:9

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo mpiandry ondrin'Israely?

Yaveh dia milaza fa handroaka an'ireo mpiandry ondrin'Israely Izy ary hanala ireo ondry tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo.

Ezekiel 34:11

Aiza no lazain'i Yaveh fa hanangonany ny ondriny?

Yaveh dia milaza fa hamonjy azy ireo amin'ny toerana rehetra izay nanaparitahana azy ireo Izy amin'ny andron'ny rahona sy fahamaizinana. Avy eo Izy hitondra azy ireo hivoaka avy eo amin'ny vahoaka, ho angoniny avy any amin'ireo tany izy ireo.

Ezekiel 34:14

Ahoana no lazain'i Yaveh fa fomba hiandrasany?

Yaveh dia milaza fa hiandry ondry ara-drariny Izy.

Ezekiel 34:17

Eo amin'ny vondrona telo iza no lazain'i Yaveh fa hitsaràny?

Yaveh dia milaza fa hitsara eo amin'ny ondry, ondry lahy, ary osy lahy Izy.

Ezekiel 34:20

Inona no natao tamin'ny ondry malemy sy mahia?

Ny ondry malemy sy mahia dia natositosika sy notrongisina mandra-piparitak'izy ireo.

Ezekiel 34:22

Iza no lazain'i Yaveh fa ho hasandrany ho mpiandry ny ondry?

Yaveh dia milaza fa hanandratra an'i Davida mpanompony ho mpiandry ny ondry Izy.

Ezekiel 34:25

Rehefa manandratra ny mpiandry ondriny i Yaveh, dia inona no ho ataon'i Yaveh mba hiaina tsy amin'ahiahy ny ondry?

Hanao fanekem-pihavanana amin'ireo ondry i Yaveh ary hanala ireo bibidia masiaka tsy ho eo amin'ilay tany.

Ezekiel 34:28

Inona no tsy ho afaka ataon'ireo firenena amin'ny ondry intsony?

Ireo firenena dia tsy ho afaka hambabo ireo ondry na hitondra faniratsirana manohitra azy ireo intsony.

Ezekiel 34:30

Inona no ho fantatry ny ankohonan'Israely avy eo?

Avy eo ny ankohonan'Israely hahafantatra fa momba azy ireo ny Andriamanitr'izy ireo.

Inona no ambaran'i Yaveh amin'ny ondry, ilay ankohonan'Israely?

Yaveh dia manambara fa Izy ilay Andriamanitry ny ankohonan'Israely, ary vahoakany izy ireo.

Ezekiel 35

Ezekiel 35:1

Nasain'i Yaveh maminany manohitra an'iza i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh maminany manohitra ny Tendrombohitra Seira i Ezekiela.

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny Tendrombohitra Seira?

Yaveh dia milaza fa ho ataony lao sy horohoro ny Tendrombohitra Seira.

Ezekiel 35:4

Inona no nataon'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira izay mitondra ny fitsaran'i Yaveh eo amin'izy ireo?

Niavonavona tamin'ny vahoakan'Israely ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira, ary nandefa azy ireo teo an-tanan'ny sabatra.

Araka an'i Yaveh, inona no hanenjika ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira, ary nahoana?

Hanenjika ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira ny fandatsahan-drà satria tsy nankahala fandatsahan-drà izy ireo.

Ezekiel 35:7

Inona no hameno ireo tendrombohitra any amin'ny faritry ny Tendrombohitra Seira?

Ireo tendrombohitra any amin'ny faritry ny Tendrombohitra Seira dia ho feno ny fatin'izany.

Hafiriana no haharetan'ny faharavan'ny Tendrombohitra Seira?

Ny faharavan'ny Tendrombohitra Seira dia ho mandrakizay.

Ezekiel 35:10

Inona no nolazain'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira momban'ireo firenena roan'ny vahoaka Israelin'i Yaveh?

Ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira dia nilaza fa ho lasany ireo firenena roa.

Ezekiel 35:12

Inona no ren'i Yaveh nolazain'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira manohitra Azy?

Yaveh dia nandre ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira nirehareha nanohitra an'i Yaveh sy nilaza zavatra maro manohitra Azy.

Ezekiel 35:14

Inona no ho ataon'ny tany manontolo rehefa rava ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira?

Hifaly ny tany manontolo rehefa rava ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.

Inona no nataon'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira tamin'ny faharavan'ny Tendrombohitr'Israely?

Nifaly ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira rehefa rava ny vahoakan'Israely.

Yaveh dia nanambara fa faritra rehetran'iza no ho lasa faharavana?

Yaveh dia manambara fa ny Tendrombohitra Seira sy Edoma manontolo dia ho lasa faharavana.

Inona no ho fantatry ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira sy Edoma rehefa mitsara azy ireo Yaveh?

Ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira sy Edoma dia hahafantatra fa ny Tompo dia Yaveh rehefa mitsara azy ireo Yaveh.

Ezekiel 36

Ezekiel 36:1

Nasain'i Yaveh naminany tamin'iza i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh haminany amin'ireo tendrombohitr'Israely i Ezekiela.

Inona no nolazain'ny fahavalo momban'ireo tendrombohitr'Israely?

Ireo fahavalo dia nilaza fa lasa fananany ireo toerana avo taloha.

Ezekiel 36:4

Manohitra an'iza no niresahan'i Yaveh tamin'ny afom-pahatezerany?

Yaveh dia niresaka tamin'ny afom-pahatezerany manohitra an'i Edoma sy izay rehetra naka ny tanin'Israely

Ezekiel 36:7

Inona no nianianan'i Yaveh manohitra an'ireo firenena izay nanodidina an'Israely?

Yaveh dia nianiana fa hitondra ny fahafaham-barakany manokana ireo firenena manodidina an'Israely.

Ezekiel 36:8

Iza no nolazain'i Yaveh fa hiverina tsy ho ela any amin'ireo tendrombohitr'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hiverina tsy ho ela any amin'ireo tendrombohitr'Israely ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 36:10

Inona no hampitomboina eo amin'ireo tendrombohitr'Israely?

Hitombo olona sy bibidia eo amin'ireo tendrombohitr'Israely.

Ezekiel 36:16

Nahoana Yaveh no nandraraka ny hatezerany tamin'Israely?

Nandraraka ny hatezerany tamin'Israely i Yaveh satria Israely nandoto ny tany tamin'ireo sampin'izy ireo.

Ezekiel 36:19

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely rehefa nankany amin'ireo firenena izy ireo?

Rehefa nankany amin'ireo firenena izy ireo, dia nanimbazimba ny anarana masin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 36:22

Nahoana Yaveh no milaza fa hamerina ny ankohonan'Israely any amin'ireo tendrombohitr'Israely Izy?

Yaveh dia milaza fa hamerina ny ankohonan' Israely Izy nohon'ny anarany masina.

Ezekiel 36:26

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny ankohonan'Israely mba hahafahan'izy ireo mandeha araka ireo lalàny sy mitandrina ny didiny?

Yaveh dia nilaza fa hametraka ny fanahiny ao amin'izy ireo Izy ary hahatonga azy ireo hanaraka ny lalàny sy mitandrina ny didiny, dia ho ataon'izy ireo izany.

Ezekiel 36:29

Rehefa avy mamonjy ny ankohonan'Israely i Yaveh, dia inona no ho eritreretin'ny ankohonan'Israely amin'ireo fomban'izy ireo teo aloha?

Hankahala ny tenan'izy ireo ny ankohonan'Israely noho ireo fomba ratsin'izy ireo teo aloha.

Ezekiel 36:32

Inona no lazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo tanàna sy ireo toerana ravan'Israely?

Yaveh dia milaza fa hisy mponina ireo tanàna ary hatsangana indray ireo toerana rava.

Ezekiel 36:35

Ho lasa tahaka ny toerana iza ny tanin'Israely?

Ny tanin'Israely dia ho lasa tahaka ny sahan'i Edena.

Inona no ho fantatr'ireo firenena hafa rehefa mahita ireo tanàna misy mponina sy ravan'Israely natsangana indray izy ireo?

Ho fantatr'ireo firenena fa ny Tompo dia Yaveh ary Yaveh no nanorina indray an'Israely.

Ezekiel 36:37

Yaveh dia milaza fa ho lasa tahaka ny inona ny isan'ny vahoakan'Israely?

Ny isan'ny vahoakan'Israely dia ho lasa tahaka ny andian'ondry any Jerosalema amin'ny fanasany voatondro.

Ezekiel 37

Ezekiel 37:1

Taiza no nametrahan'ny Fanahin'i Yaveh an'i Ezekiela, ary inona no teo?

Ny fanahin'i Yaveh dia nametraka an'i Ezekiela teo afovoan'ny lohasaha feno taolana.

Inona no fanontaniana napetrak'i Yaveh tamin'i Ezekiela?

Yaveh dia nanontany an'i Ezekiela raha toa ka afaka miaina indray ireo taolana maina.

Ezekiel 37:4

Inona no faminanian'i Ezekiela fa hitranga amin'ireo taolana maina?

Ezekiela dia naminany fa hisy nofo ireo taolana maina ary hiaina indray.

Ezekiel 37:7

Inona no nitranga tamin'ireo taolana rehefa naminany tamin'izy ireo voalohany Ezekiela?

Tamin'ny Ezekiela naminany tamin'izy ireo voalohany, dia nifanatona niaraka ireo taolana ary nandrakotra azy ireo ny nofo sy hoditra.

Ezekiel 37:9

Inona no nitranga tamin'ireo taolana tamin'i Ezekeila naminany tamin'izy ireo fanindroany?

Tamin'i Ezekiela naminany tamin'ireo taolana fanindroany, dia tonga tamin'izy ireo ny Fanahy ary velona izy ireo.

Ezekiel 37:11

Araka an'i Yaveh, dia naneho an'iza ny lohasahan'ny taolana maina?

Araka an'i Yaveh dia naneho ny ankohonan'Israely iray manontolo ny lohasahan'ny taolana maina.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'Israely, izay naseho tamin'ny alalan'ireo taolana maina niverina niaina?

Yaveh dia nilaza fa hanandratra ny vahoakan'Israely hivoaka ao amin'ny fasan'izy ireo Izy ary hitondra azy ireo hiverina any amin'ny tanin'Israely.

Ezekiel 37:15

Inona no nasain'i Yaveh ataon'i Ezekiela amin'ireo tapa-kazo roa?

Nasain'i Yaveh hanoratra anarana eo amin'ny tapa-kazo tsirairay izy, Joda sy Josefa, ary avy eo hitondra ireo tapa-kazo roa hiaraka.

Ezekiel 37:18

Inona no nolazain'i Yaveh fa hevitr'ireo tapa-kazo roan'i Ezekiela?

Yaveh dia nilaza fa nampifandray ireo tapa-kazo roan'i Josefa sy Joda Izy mba ho iray ihany ireo eo an-tanany.

Ezekiel 37:21

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony ho an'ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia nilaza fa hanangona ny vahoakan'Israely eny amin'ireo tendrombohitr'Israely ho firenena iray miaraka amin'ny mpanjaka Izy.

Ezekiel 37:24

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho mpanjaka eo amin'ny firenena mikamban'Israely?

Yaveh dia nilaza fa Davida mpanompony no ho mpanjaka eo amin'ny firenena mikamban'Israely.

Araka an'i Yaveh, hafiriana ny mpanjakan'Israely no ho lehiben'izy ireo?

Araka an'i Yaveh, ny mpanjakan'Israely dia ho lehiben'izy ireo mandrakizay.

Ezekiel 37:26

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho apetrany miaraka amin'Israely, ary hafiriana?

Yaveh dia nilaza fa hametraka fanekem-pihavanana miaraka amin'Israely mandrakizay Izy.

Aiza no nolazain'i Yaveh fa honenany mandrakizay?

Yaveh dia nilaza fa honina mandrakizay eo afovoan'ny vahoakan'Israely Izy.

Ezekiel 38

Ezekiel 38:1

Nasain'i Yaveh haminany manohitra an'iza i Ezekiela?

Nasain'i Yaveh maminany manohitra an'i Goga, ilay tanin'i Magoga i Ezekiela.

Ezekiel 38:4

Inona no lazain'i Yaveh fa ho alefany miaraka amin'i Goga?

Yaveh dia milaza fa handefa an'i Goga miaraka amin'ny tafiny, soavaliny, ary mpitaingi-tsoavaliny rehetra Izy.

Ezekiel 38:7

Iza no mpifehy ireo tafika rehetra avy any Persia, Kosa, Lybia, Gomera, ary Beta-togarma?

Goga no mpifehy an'ireo tafika miaraka aminy ireo.

Aiza no tany hiantsoana an'i Goga mba haleha?

Goga dia handeha any amin'ny tany izay sitrana tamin'ny sabatra sy nangonina avy tamin'ireo vahoaka maro mba hiverina amin'ny tendrombohitr'Israely.

Ezekiel 38:10

Inona no ho teti-dratsy izay heverin'i Goga?

Goga dia hihevitra teti-dratsy hisambotra babo sy hangalatra babo amin'ireo vahoaka mangina mitoetra tsy amin'ahiahy.

Any amin'ny faritra aiza amin'ny tany no mipetraka ireo vahoaka izay nangonina avy amin'ireo firenena?

Ireo vahoaka nangonina avy amin'ireo firenena dia mipetraka ao amin'ny ivon'ny tany.

Ezekiel 38:14

Avy aiza no niavian'i Goga sy ny tafiny lehibe?

Goga sy ny tafiny lehibe dia avy any amin'ny toerana lavitra any avaratra.

Ezekiel 38:17

Tamin'ny alalan'iza no niresahan'i Yaveh fa ho avy hanohitra an'Israely i Goga?

Yaveh dia niresaka tamin'ny alalan'ireo mpaminanin'Israely fa ho avy hanohitra an'Israely i Goga.

Ahoana no hamalian'i Yaveh rehefa manafika ny tanin'Israely i Goga?

Rehefa manafika ny tanin'Israely i Goga, dia hamaly amin'ny hatezerany eo am-bavorony i Yaveh.

Ezekiel 38:19

Hetsika lehibe inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny andro hanafihan'i Goga an'Israely?

Yaveh dia milaza fa hisy horohorontany lehibe amin'ny andro hanafihan'i Goga an'Israely.

Ezekiel 38:21

Inona no hitsaran'i Yaveh an'i Goga sy ny tafiny amin'izany andro izany?

Yaveh dia hitsara an'i Goga sy ny tafiny amin'ny areti-mandringana, rà, orana tafahoatra, havandra, ary solifara mirehitra amin'izany andro izany.

Amin'izany andro izany, inona no ho asehon'i Yaveh eo imason'ny firenena maro?

Amin'izany andro izany, Yaveh dia hampiseho ny halehibeny sy ny fahamasinany eo imason'ny firenena maro.

Ezekiel 39

Ezekiel 39:1

Aiza no lazain'i Yaveh fa hitondrany an'i Goga, lehiben'i Meseka sy Tobala?

Yaveh dia milaza fa hitondra an'i Goga any amin'ireo tendrombohitr'Israely Izy.

Ezekiel 39:4

Aiza no hianjeran'i Goga ho faty?

Goga dia hianjera ho faty any amin'ireo tendrombohitr'Israely.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Magoga sy ireo mipetraka tsy amin'ahiahy any amoron-tsiraka?

Yaveh dia handefa afo eo amin'i Magoga sy ireo izay mipetraka tsy amin'ahiahy any amoron-tsiraka.

Ezekiel 39:7

Inona no lazain'i Yaveh fa tsy ho avelany intsony?

Yaveh dia milaza fa tsy hamela ny anarany masina ho voazimbazimba intsony Izy.

Ezekiel 39:9

Nahoana ireo mipetraka any amin'ireo tanànan' Israely no tsy mila manangona kitay mandritry ny fito taona?

Tsy mila manangona kitay mandritry ny fito taona izy ireo satria handoro ireo fitaovam-piadian'i Goga.

Ezekiel 39:11

Aiza no halevina i Goga sy ireo vahoakany maro?

Goga sy ireo vahoakany maro dia ho alevina any amin'ny Lohasahan'i Hamona Goga.

Ezekiel 39:12

Inona no tsy maintsy ataon'ny ankohonan'Israely mba hampadio ilay tany?

Tsy maintsy mandevina an'i Goga sy ny vahoakany maro mandritry ny fito volana ny ankohonan'Israely mba hampadio ilay tany.

Ezekiel 39:17

Inona no sorona lehibe ataon'i Yaveh eo amin'ireo tendrombohitr'Israely?

Yaveh dia manao sorona lehibe ny nofon'ireo mpiady sy ny ràn'ireo andriandahin'ny tany eo an-tendrombohitr'Israely.

Ezekiel 39:21

Inona no ho hitan'ireo firenena rehetra rehefa manao ny sorony lehibe eo an-tendrombohitr' Israely i Yaveh?

Ny firenena rehetra dia hahita ny fitsaran'i Yaveh sy ny tanany.

Ezekiel 39:23

Nahoana ny ankohonan'Israely no lasan-ko babo?

Ny ankohonan'Israely dia lasan-ko babo nohon'ny fahotan'izy ireo.

Ezekiel 39:25

Inona no ho ataon'i Yaveh ho an'ny ankohonan' Israely rehefa miasa amin-jotom-po nohon'ny anarany masina Izy?

Yaveh dia hamerina ny haren'i Jakoba ary hangoraka ny ankohonan'Israely.

Inona no ho adinoin'ny ankohonan'Israely rehefa miala sasatra any amin'ny tanin'izy ireo tsy amin'ahiahy izy ireo?

Ny ankohonan'Israely dia hanadino ny henatr'izy ireo sy ny famadihana izay namadihan'izy ireo an'i Yaveh.

Ezekiel 39:28

Inona no ambaran'i Yaveh fa ho ataony rehefa mandraraka ny Fanahiny eo amin'ny ankohonan' Israely Izy?

Yaveh dia manambara fa rehefa mandraraka ny Fanahiny eo amin'ny ankohonan'Israly Izy dia tsy hanafina ny tavany amin'izy ireo intsony.

Ezekiel 40

Ezekiel 40:1

Firy taona no naha-babon'ireo Babyloniana an'i Ezekiela?

Ezekiela dia babon'ireo Babyloniana nandritry ny dimy amby roapolo taona.

Firy taona lasa no naha-babo ny tanànan'i Jerosalema?

Ny tanànan'i Jerosalema dia lasan-ko babo efa efatra ambin'ny folo taona lasa.

Taiza no nitondran'Andriamanitra an'i Ezekiela tao anaty fahitana?

Nentin'Andriamanitra tany amin'ny tanin'Israely tao anaty fahitana i Ezekiela.

Ezekiel 40:3

Inona no nasaina notaterin'i Ezekiela tamin'ny ankohonan'Israely?

Ezekiela dia nasaina nitatitra ny zavatra rehetra izay hitany tamin'ny ankohonan'Israely.

Ezekiel 40:5

Tao amin'ny fahitan'i Ezekiela, inona no nanodidina ny faritry ny tempoly?

Tao amin'ny fahitan'i Ezekiela dia nisy rindrina nanodidina an'ilay faritry ny tempoly.

Ezekiel 40:11

Firy no refy nandrefesan'ilay lehilahy niendrika varahina ny sakan'ny fidirana amin'ilay vavahady?

Folo hakiho no refin'ny sakan'ny fidirana amin'ny vavahady norefesin'ilay lehilahy.

Ezekiel 40:14

Inona no hitan'i Ezekiela natao sikotra teo amin'ilay rindrina?

Ezekiela dia nahita sary sikotra hazo rofia teo amin'ireo rindrina.

Ezekiel 40:17

Taiza no nitondran'ilay lehilahy izay niendrika varahina an'i Ezekiela rehefa avy nandrefy tao amin'ny faritry ny vavahady?

Nentin'ilay lehilahy tany amin'ny kianja ivelan'ny tempoly i Ezekiela.

Ezekiel 40:22

Eo amin'ny inona no mila andehanan'ny olona mba hidirana ao amin'ny kianja anatiny?

Ny olona dia mila mandeha eo amin'ny vavahady mba hidirana ao amin'ny kianja anatiny.

Ezekiel 40:28

Ahoana ny haben'ireo vavahady mankao amin'ny kianja anatiny?

Ireo vavahadin'ny kianja anatiny dia nanana refy mitovy avokoa.

Ezekiel 40:38

Ho an'ny inona no nampiasana an'ireo efitra misy varavarava isaky ny vavahady anatiny?

Ireo efitra misy varavarana isaky ny vavahady anatiny dia nampiasaina hanasana an'ireo fanatitra dorana.

Ezekiel 40:46

Zanaka lahin'iza no nanompo ho mpisorona tao amin'ny tempoly?

Ireo zanaka lahin'i Zadoka no nanompo ho mpisorona tao amin'ny tempoly.

Ohatry ny ahoana ny haben'ilay kianja anatiny?

Ilay kianja anatiny dia zato hakiho ny halavany sy sakany amina efa-joro.

Ezekiel 40:48

Inona no nitsangana teny amin'ny andaniny rehetran'ny lavarangan'ilay fitoerana masina?

Nisy tsanganana nijoro teny amin'ny andaniny rehetran'ny lavarangan'ilay fitoerana masina.

Ezekiel 41

Ezekiel 41:1

Taiza no nitondran'ilay lehilahy an'i Ezekiela?

Nentin'ilay lehilahy tao amin'ny toerana masin'ny tempoly i Ezekiela.

Ezekiel 41:3

Taiza no nalehan'ilay lehilahy avy eo?

Nankao amin'ilay toerana masina indrindra ilay lehilahy.

Ezekiel 41:5

Ahoana no atongavan'ny olona any amin'ny ambaratonga ambony indrindra ao amin'ilay trano?

Mba hatongavana any amin'ny ambaratonga ambony indrindra ao amin'ilay trano, dia nisy tohatra miakatra amin'ny alalan'ny ambaratonga afovoany.

Ezekiel 41:12

Ohatry ny ahoana ny haben'ilay fitoerana masina sy ny sakan'ny teo anoloan'ny kianja teo anoloan'ilay fitoerana masina?

Ilay fitoerana masina sy ny teo anoloan'ny kianja dia samy zato hakiho.

Ezekiel 41:15

Inona no teo ambonin'ny lalantsara mankao amin'ilay kianja anatiny?

Teo ambonin'ilay lalantsara mankao amin'ny fitoerana masina anatiny dia nisy hazo rofia natao sary sokitra.

Ezekiel 41:18

Inona no endrika roa nananan'ny kerobima tsirairay?

Ny kerobima tsirairay dia nanana endrik'olona sy endrikana liona tanora.

Ezekiel 41:21

Inona no nolazain'ilay lehilahy momban'ilay alitara vita amin'ny hazo teo anoloan'ny toerana masina?

Ilay lehilahy dia nilaza fa ilay latabatra nijoro teo anoloan'i Yaveh ilay alitara vita amin'ny hazo.

Ezekiel 41:25

Inona no natao sikotra teo amin'ireo varavaran'ilay toerana masina?

Kerobima sy hazo rofia no natao sokitra teo amin'ireo varavaran'ilay toerana masina.

Ezekiel 42

Ezekiel 42:1

Faritra aiza amin'ilay tempoly no nandefasan'ilay lehilahy an'i Ezekiela?

Nalefan'ilay lehilahy tany amin'ny kianja ivelany any amin'ny lafiny avaratra i Ezekiela.

Ezekiel 42:13

Inona no nolazain'ilay lehilahy fa nampiasana an'ireo efitra avaratra sy atsimo eo anoloan'ilay kianja ivelany?

Tao amin'ireo efitra ireo ny mpisorona no nihinana ny sakafo masina indrindra, ary nametraka ireo zavatra masina indrindra.

Inona ireo zavatra masina indrindran'ireo mpisorona?

Ireo zavatra masina indrindran'ireo mpisorona dia fanatitra sakafo, ny fanatitra nohon'ny ota, ary ny fanatitra nohon'ny heloka.

Karazana toerana inona ireo efitra avaratra sy atsimo hoy ilay lehilahy?

Ilay lehilahy dia nilaza fa toerana masina ireo efitra avaratra sy atsimo.

Inona no mila ataon'ireo mpisorona mialohan'ny anatonana olona?

Mila manao akanjo hafa ireo mpisorona mialohan'ny fanatonana olona.

Ezekiel 42:16

Firy ny halavan'ny andaniny tsirairay; avaratra, atsimo atsinanana sy andrefana?

Diman-jato hakiho ny halavan'ny andaniny tsirairay.

Ezekiel 42:20

Zavatra roa inona no nosarahan'ilay vavahady atsinanana?

Ilay vavahady atsinanana dia nanasaraka teo anelanelan'ny masina sy tsy masina.

Ezekiel 43

Ezekiel 43:1

Taiza no nitondran'ilay lehilahy an'i Ezekiela avy eo?

Nentin'ilay lehilahy tany amin'ny vavahady izay nisokatra niatsinanana i Ezekiela avy eo.

Inona no hitan'i Ezekiela ary avy aiza no niavian'izany?

Ezekiela dia nahita ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely izay tonga avy any atsinanana.

Ezekiel 43:3

Ahoana no fomba nidiran'i Ezekiela tao amin'ny kianja anatiny?

Nanandratra an'i Ezekiela ilay Fanahy ary nitondra azy tao amin'ilay kianja anatiny.

Ezekiel 43:6

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony ao amin'ilay kianja anatiny?

Yaveh dia nilaza fa hametraka ny seza fiandrianany Izy ary hipetraka eo afovoan'ny vahoakan'Israely ao mandrakizay.

Amin'ny fomba inona no tsy hanimbazimban'ny vahoakan'Israely ny anarana masin'i Yaveh intsony?

Ny vahoakan'Israely dia tsy hanimbazimba ny anarana masin'i Yaveh amin'ny fametrahana ny tokonam-baravaran'ny toerana masin'izy ireo akaikin'ny an'i Yaveh intsony.

Ezekiel 43:10

Inona no nasain'i Yaveh ataon'i Ezekiela momban'ilay trano izay hitany tao anaty fahitana?

Yaveh dia niteny an'i Ezekiela mba hilaza amin'ny ankohonan'Israely momban'ilay trano izay hitany tao anaty nofy.

Inona no mila ataon'Israely mba hanehoan'i Ezekiela azy ireo ny sarin'ilay trano?

Mila menatra amin'ny fahotan'izy ireo Israely mba hanehoan'i Ezekiela azy ireo ny sarin'ilay trano.

Ezekiel 43:12

Inona no nolazain'i Yaveh fa fitsipika ho an'ny trano?

Yaveh dia nilaza fa ny fitsipika ho an'ny trano dia ny hoe ho masina indrindra izany.

Ezekiel 43:15

Inona no hampiasana an'ilay fatana eo amin'ny alitara?

Ny fatana eo amin'ny alitara dia ampiasaina ho an'ireo fanatitra dorana.

Zavatra inona no nanondro niakatra teo amin'ny fatana?

Nisy tandroka efatra nanondro niakatra teo amin'ny fatana.

Ezekiel 43:18

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita amin'ny andro voalohany?

Yaveh dia nilaza fa ny omby lahy avy amin'ny biby fiompy dia ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita amin'ny andro voalohany.

Taranak'iza no hanompo ho mpisorona Levita eny amin'ny alitara?

Ireo taranak'i Zadoka no hanompo ho mpisorona Levita eny amin'ny alitara.

Ezekiel 43:20

Inona no ho ataon'ny fametrahana rà eny amin'ny alitara ho an'izany?

Ny fametrahana rà eny amin'ny alitara dia hanadio izany sy hanao fanavotana ho an'izany.

Ezekiel 43:22

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita amin'ny andro faharoa?

Yaveh dia nilaza fa osy lahy tsy misy kilema no ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita amin'ny andro faharoa.

Ezekiel 43:25

Inona no mila ataon'ireo mpisorona mandritry ny fito andro mba hanonerana ny alitara?

Ireo mpisorona dia mila manomana omby lahy tsy misy kilema sy ondry lahy tsy misy kilema ho fanatitra dorana mba hanonerana ny alitara.

Tamin'ny andro fahavalo sy nanaraka izany, dia inona no nambaran'i Yaveh fa ho ataony?

Tamin'ny andro fahavalo sy nanaraka izany dia nanambara Yaveh fa hanaiky azy ireo Izy.

Ezekiel 44

Ezekiel 44:1

Taiza no nitondran'ilay lehilahy an'i Ezekiela?

Nentin'ilay lehilahy niverina tany amin'ny vavahady ivelan'ny fitoerana masina izay nanatrika miatsinanana i Ezekiela.

Inona no vita tamin'ny vavahady atsinanana, ary nahoana?

Voatombo-kase ilay vavahady atsinanana, satria nandalo teo amin'izany Yaveh ilay Andriamanitr'Israely.

Ezekiel 44:4

Momban'ny inona amin'ny tranon'i Yaveh no nasaina noeritreretin'i Ezekiela?

Nasaina nieritreritra momban'ny fidirana sy fivoahana amin'ny tranon'i Yaveh i Ezekiela.

Ezekiel 44:6

Asa maharikoriko inona no nataon'ny ankohonan'Israely mba handotoana ny fitoerana masin'i Yaveh?

Ny ankohonan'Israely dia nitondra vahiny tsy mifora fo sy nofo tao amin'ilay fitoerana masina.

Ezekiel 44:8

Nahoana ny ankohonan'Israely no namela an'ireo vahiny niditra tao amin'ny fitoerana masin'i Yaveh?

Ny ankohonan'Israely dia namela ireo vahiny hiditra ao amin'ny fitoerana masina satria nomen' Israely azy ireo ny andraikitra fikarakarana an'ilay fitoerana masina.

Ezekiel 44:10

Inona no nataon'ireo Levita izay niala tamin'i Yaveh?

Ireo Levita izay niala tamin'i Yaveh dia nanatanteraka sorona nanoloana ny sampin'izy ireo.

Ezekiel 44:13

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy azon'ireo Levita izay niala taminy atao?

Yaveh dia nanambara fa ireo Levita izay niala taminy dia tsy hanakaiky azy mba hiasa toy ny mpisorony na hanatona an'ireo zava-masiny, ireo zavatra masina indrindra.

Aiza no ametrahan'i Yaveh an'ireo Levita izay niala taminy?

Yaveh dia nilaza fa hametraka azy ireo ho mpiambina ny asa ao amin'ilay trano Izy, ny amin'ny adidy sy zavatra rehetra izay atao anatin'izany.

Ezekiel 44:15

Nahoana Yaveh no nanambara fa hanatona Azy akaiky ireo zanaka lahin'i Zadoka ary hijoro eo anoloany?

Hanatona akaiky sy hijoro eo anoloan'i Yaveh ireo zanaka lahin'i Zadoka satria nahatanteraka ireo adidin'ny fitoerana masin'i Yaveh izy ireo rehefa nirenireny niala ny vahoakan'Israely.

Ezekiel 44:17

Karazan'akanjo inona no mila nanaovan'ireo mpisorona rehefa nankeo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy ireo, ary nahoana?

Mila manao akanjo rongony fotsy madinika izy ireo rehefa manatona ireo vavahadin'ny kianja anatiny mba tsy hampatsemboka azy ireo.

Ezekiel 44:20

Iza no azon'ny mpisorona vadiana?

Ny mpisorona dia mahazo manambady virijiny avy amin'ny ankohonan'Israely, na mpitondratena izay nanambady mpisorona.

Ezekiel 44:23

Fahasamihafana amin'ny inona no ho ampianarin'ireo mpisorona ny vahoaka?

Ireo mpisorona dia hampianatra ny vahoaka ny fahasamihafana eo amin'ny masina sy ny tsy masina, ny maloto sy ny madio.

Inona no andraikitry ny mpisorona amin'ny fifandirana eo amin'ireo Israelita?

Ny mpisorona dia mitsanga mitsara eo amin'ny vahoaka miaraka amin'ny lalàn'i Yaveh, ary mila marina.

Ezekiel 44:28

Nahoana ireo mpisorona no tsy nahazo fananana na lova tamin'ny tanin'Israely?

Tsy nahazo fananana na lova tamin'ny tanin'Israly ny mpisorona satria Yaveh no lova sy fananan'izy ireo.

Inona no hohanin'ny mpisorona?

Ireo mpisorona dia mihinana ny fanatitra dorana.

Ezekiel 44:30

Inona no tsy azon'ireo mpisorona hohanina?

Ireo mpisorona dia tsy mihinana fatim-biby na biby voaviraviran'ny bibidia, na vorona na bibidia.

Ezekiel 45

Ezekiel 45:1

Inona no fanatitra mila ataon'ny vahoaka amin'i Yaveh rehefa miloka mba hizarana ny tany izy ireo?

Ny vahoaka dia mila manao fanatitra ny ampahany masina amin'ilay tany rehefa miloka mba hizarana ilay tany izy ireo.

Ezekiel 45:3

Ho toerana ho an'ny inona ny ampahany masina amin'ilay tany?

Ny ampahany masina amin'ilay tany dia ho toerana ho an'ireo trano sy tanànan'ireo mpisorona.

Ezekiel 45:6

Ho an'iza ilay faritry ny tanàna?

Ilay faritry ny tanàna dia ho an'ny ankohonan' Israely rehetra.

Tanin'iza no ho amin'ny andaniny roan'ilay toerana masina sy ilay tanàna?

Ny tanin'ireo andriandahin'Israely dia ho amin'ny andaniny roan'ilay toerana masina sy ilay tanàna.

Ezekiel 45:9

Inona no lazain'i Yaveh an'ireo andriandahin'Israely mba hatsahatra?

Yaveh dia milaza an'ireo andriandahin'Israely mba hanatsahatra ny fandroahana ny vahoakan'i Yaveh, ary mba hanala ny herisetra sy ny fifandirana.

Inona no lazain'i Yaveh fa tsy maintsy atao marina?

Yaveh dia milaza fa tsy maintsy atao marina ireo mizana, efaha, ary ireo bata.

Ezekiel 45:13

Menaka firy amin'ny bata folo no ho lalàn'ny fanatitra diloilo?

Ampahafolon'ny bata iray isaky ny bata folo no lalàn'ny fanatitra diloilo.

Ezekiel 45:16

Iza no omen'ny vahoakan'ilay tany ny fandraisan'izy ireo anjara?

Ny vahoakan'ilay tany dia hanome ny fandraisan'izy ireo anjara ho an'ny andriandahin'Israely.

Iza no ho tompon'andraikitra amin'ny famatsiana biby ho amin'ny fanatitra any amin'ny firavoravoan'ny ankohonan'Israely?

Ny andriandahin'Israely no ho tompon'andraikitra amin'ny famatsiana biby ho amin'ny fanatitra.

Ezekiel 45:18

Rahoviana ireo mpisorona no mila manolotra omby lahy tsy misy kilema ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fitoerana masina?

Ireo mpisorona dia mila manolotra omby lahy tsy misy kilema ho fanatitra nohon'ny ota amin'ny andro voalohan'ny volana voalohany.

Ezekiel 45:21

Rehefa inona no misy fito andro firavoravoana amin'ny mofo tsy misy lalivay?

Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany dia misy fito andro firavoravoana amin'ny mofo tsy misy lalivay.

Ezekiel 45:25

Fanatitra inona no omena amin'ny andro faha-dimy ambin'ny folon'ny volana fahafito?

Amin'ny andro faha-dimy ambin'ny folon'ny volana fahafito dia manolotra fanatitra nohon'ny ota, fanatitra dorana, fanatitra hohanina, ary fanatitry ny diloilo.

Ezekiel 46

Ezekiel 46:1

Rahoviana no nolazain'i Yaveh fa hisokafan'ny vavahady atsinanan'ny kianja anatiny?

Yaveh dia nilaza fa ilay vavahady atsinanan'ny kianja anatiny dia hisokatra amin'ny Sabata sy amin'ny andron'ny volana vaovao.

Aiza ny andriandahin'Israely no hanome voninahitra?

Ny andriandahin'Israely dia hanome voninahitra eo an-tokonam-baravaran'ny vavahady anatiny.

Ezekiel 46:3

Inona no ho fanatitra doran'ilay andriandahy amin'ny andro Sabata?

Ilay andriandahy dia hanolotra zanak'ondry enina tsy misy kilema sy osy lahy tsy misy kilema.

Ezekiel 46:6

Inona no nolazain'i Yaveh fa fitsipika momban'ny fomba tsy maintsy hivoahan'ny andriandahy rehefa avy manompo?

Yaveh dia nilaza fa ilay fitsipika dia hoe tsy maintsy miala amin'ny fomba mitovy tamin'ny nidirany mba hanompo ilay andriandahy.

Ezekiel 46:9

Inona no nolazain'i Yaveh fa fitsipika momban'ny fomba tsy maintsy hivoahan'ny vahoaka rehefa avy manompo izy ireo?

Yaveh dia nilaza fa ilay fitsipika dia hoe tsy maintsy miala amin'ny fivoahana mahitsy amin'izay nidiran'izy ireo ny vahoaka.

Ezekiel 46:11

Inona no tsy maintsy ataon'ny andriandahy any amin'ny firavoravoana rehefa nanome fanatitra an-tsitra-po izy?

Ny andriandahy dia hanokatra ny varavarana atsinanana ho amin'ny fanatitra, ary avy eo mivoaka sy manakatona ny vavahady.

Ezekiel 46:13

Inona no nolazain'i Yaveh fa omena ho fanatitra dorana isa-maraina?

Yaveh dia nilaza fa zanak'ondry tsy misy kilema erintaona no omena ho fanatitra dorana isa-maraina.

Ezekiel 46:16

Araka an'i Yaveh, iza no handray ny lovan'ilay andriandahy?

Ny lovan'ilay andriandahy dia ho azon'ireo zanany lahy.

Nahoana Yaveh no nilaza fa tsy mahazo maka ny lovan'ny olona ny andriandahy?

Ny lovan'ny olona dia tsy azon'ny andriandahy alaina mba tsy hielezan'izy ireo avy amin'ny zara-taniny ihany.

Ezekiel 46:19

Nahoana ireo mpisorona no tsy mahazo mitondra fanati-panonerana, nohon'ny ota, ary voa any amin'ny kianja ivelany?

Tsy nahazo nitondra ireo fanatitra nivoaka ny kianja ivelany ireo mpisorona mba hanamasina ny vahoaka.

Ezekiel 46:21

Inona no atao ao amin'ny fatana fandrahoana eo amin'ny zoron'ny kianja ivelany?

Ao amin'ny fatana fandrahoana eo amin'ny zoron'ny kianja ivelany dia hahandro ny soron'ny vahoaka ireo mpanompon'ny tempoly.

Ezekiel 47

Ezekiel 47:1

Lalana aiza no natrehan'ny tempoly tao amin'ny fahitan'i Ezekiela?

Nanatrika ny atsinanana ny tempoly.

Inona no hitan'i Ezekiela tao amin'ny vavahady manatrika miatsinanana?

Nahita rano nikoriana avy teo amin'ny vavahady miatsinanana, amin'ny ilany atsimo i Ezekiela.

Ezekiel 47:3

Lasa toy ny ahoana ny halalin'ny rano hitan'i Ezekiela?

Lasa renirano izay lalina loatra raha hiampitana tsy milomano ilay rano.

Ezekiel 47:6

Inona no teo amin'ny sisin'ny andaniny roan'ilay renirano?

Teo amin'ny sisin'ny andaniny roan'ilay renirano dia nisy hazo maro.

Nikoriana nankaiza io rano io, ary inona no nataon'izany teo?

Nikoriana nankany amin'ny Ranomasin'ny Sira io rano io ary hampadio izany.

Ezekiel 47:11

Inona no tsy ho voadio eo amin'ny Ranomasin'ny Sira?

Ireo honahona sy heniheny dia tsy ho voadio eo amin'ny Ranomasin'ny Sira.

Karazana hazo inona no haniry eny amin'ny sisin'ny renirano, ary ahoana no fomba hanirian'izany?

Ireo hazo fihinana no haniry eny amin'ny sisin'ny renirano, haniry voa isam-bolana ary tsy halazo mihitsy.

Ezekiel 47:13

Iza no handray ampahan-tany roa eo amin'ireo fokon'Israely?

Josefa no handray ampahan-tany roa amin'ny fokon'Israely.

Ezekiel 47:15

Ny sisin-tany avaratry ny tany dia hahatratra ny sisin'ny tanàna iza?

Ny sisin-tany avaratr'ilay tany dia hahatratra ny sisin'i Damaskosy.

Ezekiel 47:18

Inona no ho sisin-tany atsinanan'ilay tany?

Ny reniranon'i Jordana no ho sisin-tany avaratr'ilay tany.

Inona no lohasahan-driaka ho isan'ny sisin-tany atsimon'ilay tany?

Ny lohasahan-driakan'i Egypta no ho isan'ny sisin-tany atsimon'ilay tany.

Inona no sisin-tany andrefan'ilay tany?

Ny Ranomasim-be no sisin-tany andrefan'ilay tany.

Ezekiel 47:21

Ahoana no fomba hahafantaran'ireo Israelita ny lova ho an'ny olona tsirairay ao amin'ilay tany?

Hiloka ireo Israelita mba hahafantarana ny lova ho an'ny olona tsirairay ao amin'ilay tany.

Iza no entina ara-drariny toy ny olona tera-tanin'Israely?

Ireo vahiny mipetraka eo anivon'ireo Israelita no ho entina ara-drariny toy ny tera-tanin'Israely.

Ezekiel 48

Ezekiel 48:1

Foko iza no omena an'ilay tany any amin'ny sisin-tany avaratr'Israely?

Ny fokon'i Dana no homena an'ilay tany any amin'ny sisin-tany avaratr'Israely.

Fokon'iza no ho any atsimon'ny sisin-tanin'ny fokon'i Dana?

Ny fokon'i Asera no ho any atsimon'ny sisin-tanin'i Dana.

Fokon'iza no ho any atsimon'ny sisin-tanin'ny fokon'i Asera?

Ny fokon'i Naftaly no ho any atsimon'ny sisin-tanin'i Asera.

Ezekiel 48:4

Foko efatra iza no ho any atsimon'ny fokon'i Naftaly?

Ireo foko efatr'i Naftaly dia Manase, Efraima, Robena, ary Joda.

Ezekiel 48:8

Inona no ho eo afovoan'ilay tany manaraka ny fari-tanin'i Joda?

Ilay tempoly no ho eo afovoan'ilay tany manaraka ny fari-tanin'i Joda.

Ezekiel 48:10

Iza no hipetraka ao amin'ilay tany manodidina ny fitoerana masin'i Yaveh?

Ireo mpisoron'ny taranak'i Zadoka dia hipetraka ao amin'ilay tany manodidina ny fitoerana masin'i Yaveh.

Ezekiel 48:13

Iza no hipetraka ao amin'ilay tany manamorona ny fari-tanin'ireo mpisorona?

Ireo Levita no hipetraka eo amin'ny tany manodidina ny tanin'ireo mpisorona.

Ezekiel 48:17

Hampiasaina ho amin'ny inona ny faritra sisa tavela amin'ilay fanatitra masin'ny tany?

Ilay faritra sisa tavela amin'ilay fanatitra masin'ny tany dia hampiasaina hamokarana sakafo ho an'ireo miasa ao amin'ilay tanàna.

Ezekiel 48:21

Ho an'iza ilay tany eo amin'ny fari-tany atsinanana sy andrefan'ilay fanatitra masin'ny tany?

Ilay tany eo amin'ny fari-tany atsinanana sy andrefan'ilay fanatitra masin'ny tany dia ho an'ny andriandahy.

Ezekiel 48:27

Ho inona ilay fari-tany atsimon'i Gada?

Ilay fari-tany atsimon'i Gada dia hihitatra avy eo Tamara ka hatrany amin'ireo ranon'i Meriba-kadesa, ary tonga lavitra hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta, ary avy eo mankany amin'ny Ranomasim-be.

Ezekiel 48:30

Vavahady firy no hisy ao amin'ny ilany avaratr'ilay tanàna, ary inona no hiantsoana azy ireo?

Hisy vavahady telo eo amin'ny ilany avaratr'ilay tanàna, miaraka amin'ny iray ho antsoina ho an'i Robena, iray ho an'i Joda, ary iray ho an'i Levy.

Ezekiel 48:33

Inona no ho anaran'ilay tanàna?

"Yaveh no Ao" no anaran'ilay tanàna.