Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Hosea 1

Hosea 1:1

Vady toy ny ahoana no nasain'i Yaveh nalain'i Hosea ho azy?

Nasain'i Yaveh naka vady mpijangajanga ho an'i Hosea izy.

Hosea 1:3

Nahoana i Hosea no tokony hiantso ny anaran-janany voalohany hoe Jezirela?

Tokony hataony hoe Jezirela ny anarany. Fa ao anatin'ny fotoana fohy Yaveh dia hanasazy ny ankohonan'i Jeho nohon'ny fandatsahan-drà tany Jezirela.

Hosea 1:6

Iza no hamindran'i fo Yaveh?

Hamindra fo amin'ny ankohonan'i Joda i Yaveh.

Hosea 1:8

Nahoana no tokony Lò-amy no ataon'i Hosea anaran'ny zanany faharoa?

Lò-amy no tokony hataony anarany, fa tsy olony intsony ireo Israelita.

Hosea 1:10

Inona no ho lazaina amin'ireo izay tsy olon'i Yaveh teo aloha?

Ho ambara amin'izy ireo fa olon'ny Andriamanitra velona izy ireo.

Hosea 2

Hosea 2:2

Inona no hataon'i Yaveh raha tsy manala ny fijangajangany Israely?

Raha tsy manala ny fijangajangany Israely, dia haboridan'i Yaveh izy ke hasehony ny fitanjahany tahaka ny tamin'ny andro nahaterahany.

Hosea 2:4

Nahoana Yaveh no tsy hamindra fo amin'ny zanak'Israely?

Tsy hamindra fo amin'ny zanak'Israely i Yaveh, satria zanaky ny fijangajangana izy ireo.

Hosea 2:6

Nahoana Israely no hiverina amin'ny vadiny voalohany?

Hiverina amin'ny vadiny voalohany Israely, fa tsara ho azy kokoa ny tamin'izany noho ny ankehitriny.

Hosea 2:8

Iza no nanafotafo volafotsy sy volamena an'Israely?

Yaveh no nanafotafo volafotsy sy volamena azy.

Hosea 2:10

Inona no hataon'i Yaveh amin'Israely eo imason'ireo olon-tiany?

Havelan'i Yaveh hitanjaka eo imason'ireo olon-tiany izy.

Hosea 2:12

Inona no tamby nomen'ireo olon-tian'Israely azy?

Nomen'ny olon-tian'Israely voaloboka sy aviavy izy.

Hosea 2:14

Ahoana no hamalian'ilay mpijangajanga an'i Yaveh aorian'ny hambaboany azy indray?

Hamaly Azy tahaka ny nataony tamin'ireo androm-pahatanorany, tahaka ny tamin'ireo andro izay nivoahany ny tany Egypta izy.

Hosea 2:16

Amin'izany andro izany, ahoana no hiantsoan'Israely an'i Yaveh.

Hiantso Azy izy hoe: 'Vadiko,' ary tsy hiantso Azy intsony hoe: 'Balako.'

Hosea 2:18

Inona no asain'i Yaveh hataon'ny olony?

Hampandry azy fahizay Izy.

Hosea 2:19

Mandra-pahoviana ampanantenain'i Yaveh ho vadin'ny vahoakany?

Hampanantena ny ho vadiny mandrakizay Yaveh.

Hosea 2:21

Inona no ho valian'ny divay sy ny diloilo vaovao?

Hamaly an'i Jezirela y divay sy ny diloilo vaovao.

Hosea 2:23

Inona no lazain'i Yaveh amin'ireo izay tsy olony?

Hilaza amin'ireo izay tsy olony Yaveh hoe: "Ianao no oloko."

Hosea 3

Hosea 3:1

Amin'ny fomba ahoana no tokony hitiavan'i Hosea ny vadiny?

Tsy maintsy tiavin'i Hosea tahaka ny hitiavan'i Yaveh ny olony Israely izy.

Ohatrinona no nividianan'i Yaveh an'Israely?

Novidiany sekely volafotsy dimy ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.

Hosea 3:4

Hitady inona ny vahoakan'Israely aorian'ny hiainany andro maro tsy misy mpanjaka?

Aorian'ny hiainany andro maro tsy misy mpanjaka, dia hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy Davida mpanjaka izy.

Hosea 4

Hosea 4:1

Nanana ady tamin'iza Yaveh?

Nanana ady tamin'ny mponin'ny tany Yaveh.

Hosea 4:3

Inona no nanjo an'izay rehetra nipetraka tao amin'ny tany?

Ketraka izay rehetra nonina tamin'izany.

Hosea 4:4

Iza no ho voafingana amin'ny alina?

Ireo mpaminany no ho voafingana amin'ny alina.

Hosea 4:6

Nahoana Yaveh no hanadino ny zanaky ny vahoakan'Israely?

Hanadino ny zanaky ny vahoakan'Israely Yaveh satria nanadino ny lalàn'Andriamanitra izy ireo.

Hosea 4:8

Hanao toy ny inona ny olona?

Hanao toy ny mpisorona ny olona.

Hosea 4:11

Inona ny zavatra nanala ny fahazavan-tsain'ny vahoaka?

Fijangajangana mamoa-fady, divay, ary divay vaovao no nanala ny fahazavan-tsain'izy ireo.

Hosea 4:13

Nahoana Yaveh no tsy hanafay ny zanaka vavin'ny vahoaka rehefa misafidy ny hijangajanga izy ireo?

Tsy hanafay ny zanaka vavin'ny vahoaka Yaveh rehefa misafidy ny hijangajanga izy ireo, satria manolotra ny tenany ho amin'ny mpijangajanga ihany koa ireo lehilahy.

Hosea 4:15

Aiza no tsy tokony halehan'ny olona?

Tsy tokony handeha ho any Gilgala na Betavena izy ireo.

Hosea 4:17

Inona no nataon'i Efraima na dia lany aza ny zava-pisotro maheriny?

Nanohy nijangajanga ihany Efraima na dia lany aza ny zava-pisotro maheriny.

Hosea 5

Hosea 5:1

Mikiry fatratra eo amin'ny inona ireo mpikomy?

Ireo mpikomy dia mikiry fatratra amin'ny famonoana.

Hosea 5:3

Inona no tsy hamela an'i Efraima tsy hiverina amin'ny Andriamaniny?

Ny asan'i Efraima no tsy hamela an'i Efraima tsy hiverina amin'ny Andriamaniny.

Hosea 5:5

Nahoana Israely, Efraima, ary Joda no tsy hahita an'i Yaveh?

Tsy hahita an'i Yaveh Israely, Efraima, ary Joda satria nesoriny tamin'izy ireo ny tenany.

Hosea 5:8

Iza no nanambara fa ho tonga lao Efraima?

Yaveh no nanambara fa ho tonga lao Efraima.

Hosea 5:10

Amin'iza no handrarahan'i Yaveh ny hatezerany?

Hararak'i Yaveh amin'ireo mpitarik'i Joda ny hatezerany.

Hosea 5:12

Oviana Efraima no nankany Asyria?

Rehefa nahita ny faharariany Efraima, dia nankany Asyria.

Hosea 5:14

Mandra-pahoviana Yaveh no handeha sy hiverina any amin'ny toerany?

Handeha ary hiverina any amin'ny toerany Yaveh, mandra-piaiken'izy ireo ny helony ka hitady ny tavany, mandra-pitadin'izy ireo Azy fatratra amin'ny fahorian'izy ireo.

Hosea 6

Hosea 6:1

Na dia nanorotoro ny vahoakany aza Yaveh, inona no hataony?

Na dia nanorotoro ny vahoakany aza Izy, dia hanasitrana azy ireo.

Rahoviana Yaveh no hanangana ny olony?

Hanangana ny olony amin'ny andro fahatelo Izy.

Hosea 6:4

Toy ny ahoana ny fahatokian'i Efraima sy Joda?

Tahaka ny rahon'ny maraina, tahaka ny ando izay vetivety dia lasa ny fahatokian'izy ireo.

Hosea 6:6

Inona no nirian'Andriamanitra?

Fahatokiana no niriany fa tsy sorona, ary fahafantarana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.

Hosea 6:8

Tamin'ny fomba ahoana no nikambanan'ireo mpisorona hamono olona teo amin'ny lalana amkany Sekema?

Toy ny fiandrasan'ny andian-jiolahy olona, no nikambanan'ireo andiana mpisorona hamono olona tany amin'ny lalana mankany Sekema.

Hosea 6:10

Inona no voatendry ho an'i Joda rehefa hamerina ny haren'ny olony Yaveh?

Voatondro ny fotoam-pijinjana, rehefa hamerina ny haren'ny olony Yaveh.

Hosea 7

Hosea 7:1

Inona no tsaroan'i Yaveh?

Tsaroan'i Yaveh avokoa ny asa ratsin'izy ireo.

Hosea 7:3

Ahoana no nampifalian'ireo vahoaka ny manam-pahefan'izy ireo?

Tamin'ny laingany no nampifalian'izy ireo ny manam-pahefana.

Hosea 7:6

Toy ny ahoana ny fon'ireo vahoaka?

Toy ny lafaoro ny fon'izy ireo.

Hosea 7:8

Inona no tsy fantatr'i Efraima?

Tsy fantatr'i Efraima fa efa nandevona ny heriny ireo firenena hafa na nifafy teo aminy ny volo fotsy.

Hosea 7:10

Toy ny ahoana no fitovian'i Efraima amin'ny voromailala?

Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana sady tsy misy saina.

Hosea 7:12

Nahoana Yaveh no tsy namonjy ny olony?

Tsy namonjy ny olony Yaveh satria niteny lainga hanohitra Azy izy ireo.

Hosea 7:14

Inona no nataon'ny vahoaka mba hahazoana vary sy divay vaovao?

Nanety ny tenany izy ireo mba hahazoana vary sy divay vaovao.

Hosea 7:16

Nahoana ireo manam-pahefana no ho lavo?

Ho lavo ireo manam-pahefana nohon'ny lela ratsiny.

Hosea 8

Hosea 8:1

Nahoana no nisy voromahery tonga teo amin'i Yaveh?

Nisy voromahery tonga eo amin'ny tranon'i Yaveh satria nandika ny fanekeny sy nikomy nanohitra ny lalàny ny olona.

Hosea 8:4

Nanao sampy ho azy ireo tamin'ny inona ny olona?

Tamin'ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovan'izy ireo sampy ho azy ireo.

Hosea 8:6

Inona no nitranga rehefa namafy rivotra ny olona?

Namafy rivotra ny olona dia nijinja tadio.

Hosea 8:8

Inona no hataon'i Yaveh na dia nanakarama olon-tiana teo amin'ireo firenena aza ny vahoaka?

Na dia nanakarama olon-tiana teo amin'ireo firenena aza ny vahoaka, dia hanangona azy ireo miaraka Yaveh.

Hosea 8:11

Raha nanoratra ny lalàny indray alina ho azy ireo Yaveh, ahoana no handraisan'izy ireo izany?

Raha nanoratra ny lalàny indray alina ho azy ireo Yaveh dia ho raisin'izy ireo tahaka ny zavatra hafahafa aminy izany.

Hosea 8:13

Ahoana no hamaizan'i Yaveh ny fahotan'ny olona?

Hanafay ny fahotan'izy ireo amin'ny famerenana azy ireo any Egypta Izy.

Hosea 9

Hosea 9:1

Tia mandoa inona Israely?

Tian'Israely ny mandoa ny karama angatahin'ny mpivaro-tena amin'ny famoloana rehetra.

Hosea 9:3

Ho tahaka ny inona amin'izy ireo ny soron'i Efraima?

Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo: izay rehetra mihinana izany dia ho voaloto.

Hosea 9:5

Raha tafandositra amin'ny fandringanana ny olona, dia inona no hitranfa?

Raha tafandositra amin'ny fandringanana ny olona, dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa.

Hosea 9:7

Inona ny andro ho tonga?

Tonga ny andron'ny famaizana. Tonga ny andro famaliana.

Hosea 9:8

Inona no eo amin'ny lalan'ny mpaminany?

Misy fandri-borona amin'ny lalan'ny mpaminany.

Hosea 9:10

Taorian'ny nandehanan'ireo razambe tany Bala-peora, lasa toy ny ahoana izy ireo?

Taorian'ny nandehanan'ireo razambe tany Bala-peora, dia lasa maharikoriko toy ilay sampy notiaviny izy ireo.

Hosea 9:11

Inona no hanjo ny voninahitr'i Efraima?

Hanidina toy ny vorona ny voninahitr'i Efraima.

Hosea 9:13

Homen'i Yaveh inona i Efraima?

Homen'i Yaveh kibo tsy mahazo zaza sy nono izay tsy manome ronono izy ireo.

Hosea 9:15

Nahoana Yaveh no handroaka an'i Efraima tsy ho ao an-tranony?

Nohon'ny asany feno fahotana dia ho roahin'i Yaveh tsy ho ao an-tranony izy ireo.

Hosea 9:16

Na dia manan-janaka aza Efraima dia inona no hitranga?

Na dia manan-janaka aza izy ireo dia ho vonoin'i Yaveh ny zanaka malalan'izy ireo.

Hosea 10

Hosea 10:1

Inona no nitranga raha nitombo ny vokatr'Israely?

Raha nitombo ny vokatr'Israely, dia vao mainka nanorina alitara izy.

Hosea 10:3

Ahoana no nanaovan'Israely fanekena?

Nanao fanekena tamin'ny fianiananan-tsy to Israely.

Hosea 10:5

Nahoana ireo mponin'i Samaria no ho entina any Asyria?

Ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'ny mpanjaka lehibe izy ireo.

Hosea 10:7

Inona no haniry eo amin'ny alitara?

Haniry tsilo sy ahitra eo amin'ny alitara.

Hosea 10:10

Nahoana Yaveh no hanisy zioga eo amin'ny vozon'i Efraima tsara tarehy?

Satria Efraima dia omby vavy kely voafolaka izay tia mively vary, dia hanisy zioga eo amin'ny vozony tsara tarehy Yaveh.

Hosea 10:12

Ho mandra-pahoviana no hitadiavan'ny vahoaka an'i Yaveh?

Hitady an'i Yaveh mandra-piaviny sy handatsahany fahamarinana eo amin'izy ireo.

Hosea 10:14

Inona no nanjo ireo reny niaraka tamin'ny zanany rehefa nandrava an'i Salamana i Bet-arbela?

Rehefa nandrava an'i Salamana i Bet-arbela dia torotoro niaraka tamin'ny zanany ireo reny.

Hosea 11

Hosea 11:1

Avy aiza no niantsoan'i Yaveh an'Israely fony mbola tovolahy izy?

Fony mbola tovolahy Israely, dia niantso azy hivoaka an'i Egypta Izy.

Hosea 11:3

Iza no nitrotro an'i Efraima teny an-tsandriny?

Yaveh no nitrotro an'i Efraima teny an-tsandriny.

Hosea 11:5

Tapa-kevitra ny hanao inona ny vahoakan'i Yaveh?

Tapa-kevitra ny hiala taminy ny vahoakan'i Yaveh.

Hosea 11:8

Nahoana Yaveh no tsy handringana an'i Efraima indray?

Tsy handringana an'i Efraima indray Yaveh satria Andriamanitra Izy fa tsy olona.

Hosea 11:10

Ahoana no ahatongavan'ny olona?

Ho avy am-pangovitana tahaka ny vorona avy any Egypta ny olona, tahaka ny voromailala avy any amin'ny tanin'i Asyria.

Hosea 11:12

Iza no mbola nahatoky tamin'Andriamanitra?

Joda no mbola nahatoky tamin'Andriamanitra.

Hosea 12

Hosea 12:1

Nanana inona tamin'i Joda i Yaveh?

Nanana ady tamin'i Joda ihany koa i Yaveh.

Hosea 12:3

Inona no nataon'i Jakoba tao an-kibo?

Tao an-kibo dia nihazona ny vodi-tongotry ny rahalahiny Jakoba.

Hosea 12:5

Tokony hiandry inona ny vahoaka?

Tokony hiandry ny Andriamaniny hatrany izy ireo.

Hosea 12:7

Inona no tsy hisy hahita eo amin'ny asan'i Efraima?

Tsy hisy hahita heloka amin'ny asan'i Efraima rehetra, izay rehetra mety ho ota.

Hosea 12:9

Hatraiza Yaveh no niaraka tamin'ny vahoakany?

Hatrany amin'ny tany Egypta i Yaveh no niaraka tamin'ny vahoakany.

Hosea 12:11

Ho toy ny ahoana ny alitaran'i Gilgala?

Ho toy ny antontam-bato ao anatin'ireo saham-bavasa ny alitaran'i Gilgala.

Hosea 12:13

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny alalan'ny mpaminany?

Nitondra an'Israely nivoaka an'i Egypta tamin'ny alalan'ny mpaminany Yaveh, ary tamin'ny alalan'ny mpaminany no nikarakarany azy ireo.

Hosea 13

Hosea 13:1

Nahoana i Efraima no zary meloka?

Zary meloka izy satria nanompo an'i Bala.

Hosea 13:3

Inona no mahazo ny akofa?

Ny akofa dia entin'ny rivotra lavitry ny famoloana?

Hosea 13:4

Inona no nitranga rehefa voky ny vahoakan'i Yaveh?

Rehefa voky ny vahoakan'i Yaveh, dia zary nisandratra ny fony ary nanadino Azy.

Hosea 13:7

Tahaka ny inona no hamelezan'i Yaveh ny olony?

Hamely azy ireo tahaka ny bera very anaka Izy.

Hosea 13:9

Nahoana no tonga ny fandravana an'Israely?

Tonga ny fandravana an'Israely satria nanohitra an'i Yaveh, mamonjy azy izy.

Hosea 13:12

Rehefa tonga ny fotoana ahaterahan'i Efraima, inona no nitranga?

Rehefa tonga ny fotoana ahaterahan'i Efraima, dia tsy nivoaka avy tao an-kibo izy.

Hosea 13:14

Inona no tian'i Yaveh nalefa taminy?

Tian'i Yaveh halefa taminy ny fahalozan'ny aretina sy ny fandringanan'ny fahafatesana.

Hosea 13:15

Inona no ho robain'ny fahavalon'i Efraima?

Ho robain'ny fahavalony ny trano fitehirizany ny zava-tsarobidy rehetra.

Hosea 13:16

Inona no hanjo ny zanaka tanoran'i Samaria?

Ho torotoro ireo zanany mbola tanora.

Hosea 14

Hosea 14:1

Nahoana Israely no lavo?

Lavo Israely nohon'ny fahotany.

Hosea 14:3

Nahoana Israely no tsy hanao amin'ny asan'ny tanany hoe: "andriamanitra ianao"?

Tsy hanao amin'ny asan'ny tanany hoe: "andriamanitra ianao" Israely, fa ao amin'i Yaveh ny kamboty no mahazo fangoraham-po.

Hosea 14:4

Rahoviana Yaveh no hanasitrana an'Israely?

Hanasitrana an'Israely Yaveh rehefa miverina aminy izy.

Hosea 14:7

Ho tahaka ny ahoana ny lazan'ny vahoaka?

ho tahaka ny divain'i Libanona ny lazan'izy ireo.

Hosea 14:9

Iza no ho tafintohina amin'ny lalan'i Yaveh?

Ireo mpikomy no ho tafintohina amin'ireo.