Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Jeremiah 1

Jeremiah 1:1

Inona no asan'i Jeremia?

Jeremia dia mpisorona.

Iza no mpanjaka tamin'ny tonga voalohany tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh?

Josia no mpanjaka tamin'ny tonga voalohany teo amin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh.

Jeremiah 1:4

Oviana Yaveh no nifidy an'i Jeremia ho lasa mpaminany?

Yaveh dia nifidy an'i Jeremia mialohan'ny naterahany.

Nahoana i Jeremia no nilaza fa mahafeno ny fepetra izy?

Hoy izy hoe mbola tanora loatra izy.

Jeremiah 1:7

Inona no zavatra nodidian'i Yaveh ho lazain'i Jeremia?

Yaveh dia nandidy azy hilaza izay rehetra asain'i Yaveh ho lazainy.

Inona ny antony tsy tokony hatahoran'i Jeremia?

Tsy tokony hatahotra izy satria Yaveh dia momba azy ary manavotra azy.

Jeremiah 1:9

Inona ny zavatra nataon'i Yaveh teo ambavan'i Jeremia?

Nametraka ny teniny teo ambavan'i Jeremia Yaveh.

Jeremiah 1:11

Inona no zavatra hita'i Jeremia?

Nahita rantsan-kazo amygdala izy.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny teniny

Hanatanteraka izany izy.

Jeremiah 1:13

Inona no dikan'ilay vilany izay hitan'i Jeremia

Ilay vilany dia misy sarin'iay loza ho avy

Jeremiah 1:15

Inona no nataon'ny foko rehetra any any avaratra rehefa niantso azy ireo Yaveh?

Ho avy izy ireo ary hametraka ny seza fiandrianany manerana an'i Jerosalema sy Joda.

Nahoana Yaveh no hanonona sazy amin'i Jerosalema sy Joda?

Hanonona sazy amin'izy ireo Yaveh satria tsy nankatò Azy izy ireo.

Jeremiah 1:17

Inona no ho ataon'ireo vahoaka rehefa avy niresaka tamin'izy ireo i Jeremia?

Hiady aminy ireo vahoaka.

Jeremiah 2

Jeremiah 2:1

Inona no zavatra tsaroan'i Yaveh mahakasika ny vahoakan'i Jerosalema?

Tsaroan'i Yaveh fa ny vahoakan'i Jerosalema dia nitia Azy tany aloha.

Inona no hitranga amin'ny vahoakan'Israely?

Ho avy amin'izy ireo ny ratsy.

Jeremiah 2:4

Inona no tian'i Yaveh ho ambaran'ny ankohonan'Israely Aminy?

Tian'i Yaveh hilaza izay tsy nety nataony ny ankohonan'Israely.

Jeremiah 2:7

Inona no nataon'ireo olona rehefa nentin'Andriamanitra teny amin'ny tany Karmela izy ireo?

Nolotoin'izy ireo ilay tany.

Ho an'iza no naminanin'ireo mpaminany?

Naminany ho an'i Bala ireo mpaminany.

Jeremiah 2:9

Natakalon'ireo olon'i Yaveh tamin'ny inona ny voninahitr'izy ireo?

Natakalon'ireo olon'i Yaveh tamin'ny zavatra izay tsy nanampy azy ireo ny voninahitr'izy ireo.

Jeremiah 2:12

Inona ny zava-dratsy roa nataon'ireo olon'i Yaveh?

Ireo olony dia nandao ny loharanon'ny ranovelona ary nandavaka famorian-drano.

Jeremiah 2:14

Inona no nataon'ireo fahavalon'ireo Israelita taminy?

Nandevozin'izy ireo Israely.

Inona no nahazo ireo tanànan'Israely?

Nopotehin'izy ireo tsy misy mponina ireo tananany.

Jeremiah 2:20

Inona no nolazain'ireo olona taorian'ny nanapahan'i Yaveh ny zioggan'izy ireo?

Hoy izy ireo hoe: "tsy hanompo izahay!"

Jeremiah 2:23

Inona no biby nolazain'i Yaveh fa mitovy tamin'ireo olona?

Hoy Izy hoe mitovy amin'ireo rameva sy ampondradia izy ireo.

Jeremiah 2:26

Inona no ota hahamenatra ny ankohonan'Israely?

Ho menatra izy ireo hidera ireo hazo sy ireo vato.

Jeremiah 2:29

Inona no fanambaran'i Yaveh?

Ianareo rehetra dia efa nanota tamiko.

Nahoana Yaveh no milaza fa zava-poana ny nanasaziany an'ireo vahoaka?

Nosaziany izy ireo satria tsy nanaiky nahitsy.

Jeremiah 2:32

Inona no nataon'ireo vahoaka tamin'ireo tsy manan-tsiny sy ny mahantra?

Novonoin'izy ireo ny olona tsy manan-tsiny sy ny mahantra.

Jeremiah 2:35

Nahoana ireo olona no mieritreritra fa hivadika amin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh?

Ireo olona dia nihevitra fa tsy nanota izy ireo.

Jeremiah 3

Jeremiah 3:1

Karazam-behivavy toy ny ahoana no nampitahain'ilay mpisorona ireo vahoaka?

Nampitahainy tamin'ny vehivavy nandao ny vadiny izy ireo.

Jeremiah 3:3

Naninona no tsy avy ny orana?

Tsy avy ny orana satria menatra tamin'ny otan'izy ireo.

Jeremiah 3:6

Inona no nataon'Israely teny amin'ireo tendrombohitra sy tao ambanin'ireo hazo?

Israely dia nanao toy ny vehivavy mpijangajanga tamin'ny fanompona ireo sampy.

Jeremiah 3:8

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'Israely?

Nisaraka taminy Izy.

Inona no nataon'i Joda rehefa nisaraka taminy Yaveh?

Nanao toy ny nataon'Israely i Joda.

Jeremiah 3:11

Inona no nanasan'i Yaveh ho ataon'Israely?

Nanasa azy ireo hiverina Izy.

Jeremiah 3:13

Inona no tsy maintsy ataon'ireo olona rehefa hiverina izy ireo?

Tsy maintsy miaiky ny helony izy ireo.

Inona no homen'i Yaveh azy ireo raha miverina izy ireo?

Hanome mpiandry ondry izay safidin'ny fony izy ireo.

Jeremiah 3:16

Ahoana ny ho fieritreretan'izy ireo mahakasika ny fiaran'ny fifanekena?

Tsy hieritreritra ny momba izany intsony izy ireo.

Jeremiah 3:17

Inona no hitranga ao Jerosalema?

Ny firenena hafa rehetra dia hiangona ao Jerosalema.

Ho mbola mpifahavalo foana ve i Joda sy Israely?

Tsia, ho tonga miaraka izy ireo.

Jeremiah 3:19

Amin'ny fomba ahoana nohanomezan'i Yaveh voninahitra ny olona?

Hanome voninahitra azy ireo tahaka ny ray sy ny zanany lahy Izy.

Jeremiah 3:21

Feo toy ny ahoana no re avy teny amin'ireo lemaka?

Tomany sy fitarainan'ny vahoakan'Israely no re teny amin'ireo lemaka.

Jeremiah 3:23

Inona no nitranga tamin'ireo zavatra izay niasan'ireo razambe?

Natelin'ireo sampy ireo zavatra izay nisasaran'ireo razambe.

Inona no nataon'ireo olona sy ny razamben'izy ireo?

Tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izy ireo.

Jeremiah 4

Jeremiah 4:1

Inona no hitranga raha toa ka miverina amin'i Yaveh Israely?

Hangataka fitahiana amin'i Yaveh ilay firenena.

Jeremiah 4:4

Inona no hitranga noho ny faharatsian'ireo olona?

Ho tezitra amin'izy ireo Yaveh ary hitondra loza avy any avaratra.

Jeremiah 4:7

Ho ataon'ilay inona ireo vahoaka.

Ho ravainy ireo tanànany.

Inona no antony handrakon'izy ireo ny tenany amin'ny lamba fisaoana.

Ho ataon'izy ireo izany mba ampisehoana fa miala-tsiny tamin'ny otany izy ireo

Jeremiah 4:9

Nahoana i Jeremia no mieritreritra fa Yaveh dia efa namitaka ny vahoaka.

Yaveh dia nampanatena fiadanana tamin'ireo olona, saingy nisy nanafika azy ireo.

Jeremiah 4:13

Ahoana ny fomba hahavonjy an'i Jerosalema?

Tokony hanadio ny fon'izy ireo feno faharatsiany izy ireo.

Jeremiah 4:16

Inona no nahatongavan'ireo mpiambina avy any tany lavitra?

Tonga izy ireo satria nikomy hanohitra an'i Yaveh i Joda.

Jeremiah 4:19

Nahoana i Jeremia no ory?

Nandre ny fanairana ho amin'ny ady izy.

Jeremiah 4:21

Inona ny adala nataon'ireo olona?

Tsy nahafantatra an'i Yaveh izy ireo.

Jeremiah 4:23

Nahoana no tsy nisy na inona na inona ilay tany izay tazan'i Jeremia?

tsy nisy na inona na inona ilay tany satria tezitra Yaveh.

Jeremiah 4:27

Inona no ho ataon'ny olona any isaky ny tanana rehetra?

Hitsoaka ireo mpanafika izy ireo ary hamela ireo tanàna ho lao.

Jeremiah 4:30

Inona no hahazo an'ireo izay mpanankarena?

Ho vonoina izy ireo.

Jeremiah 5

Jeremiah 5:1

Hatraiza no hamelan'Andriamanitra heloka an'i Jerosalema?

Hamela heloka an'i Jerosalema Andriamanitra raha toa ka afaka mitady olona manao ny marina ny mpaminany.

Na dia efa resin'Andriamanitra tanteraka aza ireo olona, inona no mbola ataon'izy ireo?

Mbola nandà ny handray fananarana izy ireo.

Jeremiah 5:4

Nahoana ireo mpaminany no milaza fa ireo olona ireo dia mahantra sy adala fotsiny ihany?

Tsy fantatr'izy ireo ny lalan'i Yaveh.

Moa ve ireo olona manan-danja mahafantatra ny lalan'i Yaveh?

Tsia, nikomy hanohitra azy izy ireo.

Inona no nolazain'i Jeremia mahakasika ny fandikan-dalàna sy tsy fananam-pinoanan'ireo vahoaka?

Jeremia dia milaza fa ny fandikan-dalànan'izy ireo dia mitombo ary ny tsy manam-petra ny tsy finoan'izy ireo.

Jeremiah 5:10

Inona no nolazain'ireo olona mahakasika an'Andriamanitra?

Nilaza izy ireo fa tsy tena misy izany.

Jeremiah 5:14

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny ankohonan'Israely?

Hitondra firenena avy any amin'ny tany lavitra hanohitra azy ireo Izy.

Jeremiah 5:16

Inona no ataon'ireo fahavalo amin'ireo Israelita?

Hamono ny zanak'ireo Israelita ireo fahavalo ary hinana ny vokatr'izy ireo.

Jeremiah 5:18

Nahoana Andriamanitra no hanafay an'Israely sy Joda?

Hanafay azy ireo Izy satria nandao an'i Yaveh ary nanompo andriamanitra hafa.

Jeremiah 5:20

Inona no ataon'ny maso sy sofin'ireo sampy?

Tsy manao na inona na inona izy ireo.

Jeremiah 5:23

Inona no tian'i Yaveh atao amin'ireo izay matahotra Azy?

Hitondra orana amin'ny fotoana ilaivana azy Izy mba ho tsara ny vokatra amin'ny fotoam-pijinjana.

Jeremiah 5:26

Manan-karena ve sa ory ireo olona ratsy fanahy eo amin'ireo vahoakan'Andriamanitra?

Nanan-karena izy ireo.

Ho ataon'i Yaveh inona ireo ratsy fanahy?

Ho saziany izy ireo.

Jeremiah 5:30

Ahoana no fahitan'ny olona ny zavatra ataon'ireo mpaminany sy mpisorona?

Tian'izy ireo ny fanaony.

Jeremiah 6

Jeremiah 6:1

Nahoana ny vahoakan'i Benjamina no ho avotra raha mandao an'i Jerosalema?

Yaveh dia handrava an'i Jerosalema.

Jeremiah 6:4

Amin'ny fotoana inona ireo fahavalo no hanafika?

Amin'ny mitataovovonana sy amin'ny alina izy ireo no hanafika.

Jeremiah 6:6

Nahoana no tian'i Yaveh hanafika an'i Jerosalema ireo fahavalo?

Tiany izy ireo hanafika any satria io tanàna io dia feno fampaoriana sy faharatsiana.

Inona no hitranga raha toa ka mandà ny fananarana i Jerosalema?

Hamotika an'i Jerosalema Yaveh.

Jeremiah 6:9

Nahoana Yaveh no tsy nampitandrina ireo Israelita?

Izy ireo dia tsy afaka ny hihaino.

Jeremiah 6:11

Inona no hitranga amin'ireo trano, saha, ary ireo vehivavy?

Homena ireo hafa izy ireo.

Jeremiah 6:13

Inona ny zavatra tsapan'ireo olona rehefa manatanteraka fahavetavetana izy ireo?

Tsy mahatsiaro menatra izy ireo.

Jeremiah 6:16

Nahoana Yaveh no hitondra loza amin'ireo vahoaka ireo?

Tsy nihaino ny teniny sy ny lalàny izy ireo.

Jeremiah 6:20

Midika inona amin'i Yaveh ny dinti-kazo manitra sy hanitra manim-pofona?

Tsy midika na inona na inona Aminy ireo. Tsy tian'ireny Izy.

Inona ny ataon'ilay sakana amin'ireo olona?

Hamotika azy ireo izany.

Karazan'olona toy ny ahoana no ho avy?

Ireo olon-dratsy, lehilahy mpiady no ho avy.

Jeremiah 6:25

Nahoana ny zanaka vavin'ireo olona no tokony hisaona ho an'ny tenany?

Tokony hanao izany izy ireo satria ny fahavalo dia hamotika ny olony.

Jeremiah 6:27

Inona no ho ataon'i Jeremia amin'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny maha mpandredrika azy?

Hizaha sy hitsapa ny fomban'izy ireo izy.

Toy ny ahoana ireo olona?

Mafy loha toy ny varahina sy vy mafy izy ireo.

Jeremiah 7

Jeremiah 7:3

Inona no nampanantenain'i Yaveh an'ireo olona raha toa ka manao ny tsara izy ireo?

Ho avelany hipetraka eo amin'izany toerana izany izy ireo.

Jeremiah 7:5

Inona no tokony ataon'ireo olona ireo mba ahafahan'i Yaveh mamela azy ireo hipetraka eo amin'izany tany izany ihany?

Tokony hanova ny fanaony sy fombany ho tsara izy ireo amin'ny fanaovana ny marina.

Inona no tsy tokony ataon'ireo olona ireo mba ahafahan'i Yaveh mamela azy ireo hipetraka eo amin'izany tany izany ihany?

Tsy tokony hanararoatra ireo osa na hamono ireo tsy manan-tsiny na koa hanompo andriamanitra sandoka izy ireo.

Jeremiah 7:8

Inona no lazain'ireo olona aorian'ny fanaovana ireo zavatra izay fantatr'izy ireo fa halan'Andriamanitra ireo.

Nankeny amin'ny tempoly izy ireo ary milaza fa voavonjy.

Jeremiah 7:12

Nahoana no nasain'i Yaveh hisaina ny momban'i Silo ireo olona?

Tiany hahatsiaro izy ireo fa Izy dia hanao izay efa nataony tamin'i Silo amin'izy ireo satria meloka mitovy tamin'ny vahoakan'i Silo izy ireo.

Jeremiah 7:16

Inona no antony tsy hihainon'i Yaveh ny vavak'i Jeremia?

Tsy hihaino Izy satria efa nanapa-kevitra ny hamotika ireo Israelita Izy.

Inona no antony hamotehany ireo olona?

Satria izy ireo dia manompo andriamani-kafa.

Jeremiah 7:21

Inona no baiko nomen'i Yaveh ireo olona rehefa nandao an'i Egypta izy ireo?

Nandidy azy ireo hihaino ny feony Izy.

Jeremiah 7:24

Inona no nataon'ireo olona rehefa naniraka ireo mpaminany Yaveh?

Tsy nihaino na nifantoka tamin'izany izy ireo. Nanohy nanao ratsy izy ireo.

Jeremiah 7:27

Inona no ho lazain'ny mpaminany amin'izy ireo?

Hilaza amin'izy ireo izy fa ity ilay firenena izay tsy nihaino ny feon'i Yaveh.

Jeremiah 7:29

Nahoana Yaveh no miteny an'i Jeremia mba hanasola ny lohany manontolo?

Jeremia dia tokony hampiseho fa Yaveh dia efa nandà ireo Israelita.

Jeremiah 7:31

Inona no antony nanorenan'ireo olona ny toerana avon'ny Tofeta eny amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema

Nanorina izany izy ireo mba ahafan'izy ireo mandoro ny zanaka lahy sy vavin'izy ireo any.

Jeremiah 7:33

Inona no ahazo ireo vata-mangatsiakan'ireo olona?

Hoanin'ireo vorona sy bibidia izy ireo.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo tanan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema?

Ho tanterahiny izany mba tsy hisy olona ho faly any.

Jeremiah 8

Jeremiah 8:1

Inona no hitranga amin'ny taolan'ireo olona?

Hoaparitaky ny olona eny amin'ny tany ireo taolana.

Maniry ny hiaina sa ho faty ireo izay sisa velona?

Haniry ho faty izy ireo.

Jeremiah 8:4

Inona no hiezahan'ireo olona very atao?

Niezaka nitady fomba hiverenan'izy ireo.

Jeremiah 8:6

Inona no tsapan'ireo olona mahakasika ny haratsiam-panahin'izy ireo?

Tsy nisy na iray aza nahatsapa-tena ho diso.

Nahoana no tsy mitovy amin'ireo vorona ny vahoakan'i Yaveh?

Ireo vorona dia mahafantatra izay tokony ho ataony, nefa ny vahoakany dia tsy nahafantatra ny didin'i Yaveh.

Jeremiah 8:8

Inona no nataon'ireo mpanora-dalàna?

Nanoratra zavatra izay namitaka ny olona izy ireo.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny vady sy ireo sahan'izy ireo?

Homeny olon-kafa ny vady sy sahan'izy ireo.

Jeremiah 8:11

Menatra noho ny otany ve ireo olona?

Tsia, tsy menatra izy ireo.

Inona no ho ataon'i Yaveh satria tsy menatra izy ireo?

Ho avelany ho vonoin'ireo fahavalony izy ireo.

Jeremiah 8:14

Inona no fanapahan--kevitra noraisin'ireo olona fa ho ataony?

Nanapa-kevitra ny ho any amin'ireo tanàna izy ireo ary ho faty.

Jeremiah 8:16

Inona no ho ataon'ireo soavaly maherin' i Yaveh?

Ho avy hamotika ilay tany sy ireo harenany izy ireo, ary ireo izay miaina ao anatiny.

Inona no nalefan'i Yaveh hampijaliana azy ireo?

Handefa bibilava hampijaly azy ireo Izy.

Jeremiah 8:18

Taiza ireo olona nikiakiaka?

Teny amin'ny tany lavitra izy ireo.

Aiza Yaveh?

Tany Ziona Yaveh.

Jeremiah 9

Jeremiah 9:1

Nahoana no te hitomany ilay mpaminany?

Te hitomany izy satria maro tamin'ireo olony no maty.

Nahoana no te handao ny vahoakany izy?

Te handao azy ireo izy satria izy ireo dia mpamadika sy mpijangajanga.

Inona no nolazain'ireo olona mpanota?

Nilaza zavatra lainga izy ireo.

Jeremiah 9:4

Nahoana izy ireo no miambina ireo mpiara-monina sy ireo rahalahin'izy ireo?

Tsy maintsy niambina azy ireo izy ireo satria ny rahalahy sy mpiara-monina rehetra dia mpamitaka avokoa.

Nahoana no reraka ireo olona?

Reraky ny manota izy ireo.

Nahoana Yaveh no manasazy ireo Israelita?

Hanasazy ireo Israelita Izy satria namora ny vatany fosiny ihany izy ireo fa tsy ny fony.

Jeremiah 9:7

Nahoana Yaveh no naniry hitsapa ny olony?

Naniry ny hitsapa azy ireo Izy satria nandainga tamin'ireo mpiara-belona taminy.

Jeremiah 9:10

Inona no hira ho hirain'ilay mpaminany?

Hihira hiram-pandevenana sy hira fisaonana ho an'ny ireo tendrombohitra sy ireo tanin'ahitra.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Jerosalema sy Joda?

Ho ataony lasa toerana rava ireo.

Ho toy ny ahoana ilay tany aorian'ny nahalevona azy?

Ho toy ny tany efitra , ary tsy hisy afaka handalo eo amin'izany.

Jeremiah 9:13

Inona no nataon'ireo olona tsy nahafaly an'i Yaveh?

Nandao ny lalàny izy ireo ary tsy nihaino Azy.

Jeremiah 9:15

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo Israelita?

Ho ataony toy ny olona izay tsy mihinana sy misotro afa-tsy zavatra mangidy izy ireo. Ary ho rohasiny eny amin'ny tranon'izy ireo ary ho vonoina.

Jeremiah 9:17

Inona no tokony ataon'ireo vehivavy manana traikefa amin'ny fitomaniana?

Tokony hihira hira malahelo izy ireo mba hitomanin'ireo olona.

Jeremiah 9:19

Inona no tsapan'ireo olona midradradra tao Ziona?

Nahatsiaro fahamenarana lehibe izy ireo.

Inona no zavatra tokony ampîanarin'ireo vehivavy amin'ny zanak'izy ireo vavy.

Tokony hampianatra hira fisaonana ny zanany vavy izy ireo.

Jeremiah 9:21

Iza no nolazain'ireo mpaminany fa ho faty?

Ireo zaza sy ireo tanora dia ho faty.

Amin'ny fomba ahoana no hatonga ireo vata-mangatsiakan'izy ireo ho toy ny zezika sy amboaram-bary?

Tsy hisy olona handevina azy ireo.

Jeremiah 9:23

Inona no tokony hireharehan'ireo olona?

Tokony hirehareha ireo olona fa mahafantatra an'i Yaveh.

Amin'ny inona no nolazain'i Yaveh fa hiasany?

Miasa amin'ny fanekena tsy mivadika, hitsiny ary fahamarinana Izy.

Jeremiah 9:25

Inona no antony hanasazian'i Yaveh ireo Israelita?

Hanasazy ireo Israelita Izy satria namora ny vatany fotsiny ihany izy ireo fa tsy ny fon'izy ireo.

Inona no antony hanasazian'i Yaveh ireo olona hafa?

Hanasazy azy ireo Izy satria na ny vatan'izy ireo aza dia tsy nifora.

Jeremiah 10

Jeremiah 10:1

Inona ny zavatra tsy tian'i Yaveh ho ataon'ireo vahoakan'Israely?

Tsy tiany hianatra ny fomban'ireo firenena hafa izy ireo.

Jeremiah 10:3

Inona no fomba tsy misy ilaivana azy?

Ny fanaovana sampy dia tsy misy ilaivana azy.

Nahoana no tsy tokony hataotra ireo sampy ny olona?

Ireo sampy dia tsy afaka manao ny tsara na ny ratsy.

Jeremiah 10:6

Iza no tahaka an'i Yaveh?

Tsy misy toa an'i Yaveh.

Jeremiah 10:11

Inona no hitranga amin'ireo andriamanitra izay tsy nanao ny tany?

Ho levona izy ireo.

Inona no nataon'ilay Andriamanitra tena izy?

Nametraka tany maina sy nanaparitaka ny lanitra Izy.

Jeremiah 10:14

Inona no maha samihafa ireo sampy sy ny Andriamanitra tena izy?

Ireo sampy dia tsy miaina, fa Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra.

Jeremiah 10:17

Inona no tokony ataon'ireo olona niaina fahirano?

Tokony hanangona ny entany izy ireo ka hiala ao amin'ilay tany.

Jeremiah 10:19

Nahoana no tsy misy olona Mamelatra ny lain'ireo mpaminany intsony?

Nesoriny lavitra azy ireo zanany.

Jeremiah 10:21

Nahoana ireo mpiandry ondry no lasa vendrana?

Tsy nitady an'i Yaveh izy ireo.

Inona no hitranga rehefa ho avy ny horohoron-tany?

Ho lasa lao ireo tanànan'i Joda.

Jeremiah 10:23

Amin'ny fomba ahoana no nangatahan'ilay mpaminany hananarana azy tamin'i Yaveh?

Nangataka tamin'i Yaveh Izy mba ho hanarina amin'ny fahamarinana fa tsy amin'ny hatezerana.

Amin'iza no nangatahan'ilay mpaminany handrarahan'i Yaveh ny hatezerany.

Nangataka ny handrarahan'i Yaveh ny hatezerany amin'ireo firenena izay tsy mahafantatra Azy izy.

Nahoana izy ireo no tokony handray ny fahatezeran'i Yaveh?

Izy ireo dia handray ny fahatezeran'i Yaveh satria namotika an'i Jakoba sy ny taniny izy ireo.

Jeremiah 11

Jeremiah 11:1

Amin'iza no nasain'i Yaveh hanambaran'i Jeremia ilay tenin'io fanekena?

Yaveh dia nilaza fa ho ambara ny olon'i Joda rehetra izany ary amin'ny mponin'i Jerosalema.

Jeremiah 11:3

Nahoana ireo olona no ho voaozona?

Voaozona izy ireo raha tsy mihaino ny tenin'ilay fanekena.

Iza no nanolorana ity fanekena ity?

Ilay fanekena dia nomena an'ireo razamben'Israely.

Oviana ilay fanekena no natolotra?

Natolotra izany rehefa nentin'i Yaveh nivoaka tao Egypta ireo Israelita.

Inona ilay fianianana nianianan'Andriamanitra tamin'ireo razambe?

Nianiana Izy fa hanome azy ireo tany tondra-dronono sy tantely.

Jeremiah 11:6

Nahoana Andriamanitra no nitondra ny ozona rehetra tao amin'ilay fanekena teo amin'ireo olona?

Nentiny teo amin'izy ireo izany satria ireo olona dia tsy nankatò ilay fanekena.

Jeremiah 11:9

Inona ilay tetika teo amin'ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema?

Nandà tsy hihaino an'i Yaveh izy ireo ary nanompo andriamani-kafa.

Jeremiah 11:11

Rehefa nitondra loza teo amin'ireo vahoaka Yaveh ka niantso Azy izy ireo, ahoana ny fomba hamaliany azy

Tsy hihaino azy ireo Izy.

Dinti-kazon'Alitara manitra firy no natao Jeroselama?

Ireo olona dia nanamboatra altara ho an'i Bala teny amin'ny lalana rehetra.

Jeremiah 11:14

Nahoana Yaveh no nandidy an'i Jeremia tsy hivavaka ho an'ireo ololna

Tsy navela nivavaka izy satria tsy hihaino Yaveh.

Nahoana no tsy hanampy ireo olona ny soron'izy ireo?

Ny soron'izy ireo dia tsy afaka ny hanavotra azy ireo satria izy ireo dia nanao ratsy ary avy eo nifaly tamin'izany.

Jeremiah 11:17

Inona no asa ratsy nataon'ireo olona?

Nanome fanatitra ho an'i Bala izy ireo.

Jeremiah 11:18

Faritra taiza teny amin'ny vatana no nozahan'i Yaveh?

Nizaha ny fo sy ny saina izy ireo.

Jeremiah 11:21

Inona no nolazain'ny vahoakan'i Anatota tamin'i Jeremia fa ho ataony raha toa ka manohy maminany amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo?

Niteny izy ireo fa hamono azy.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga ami'ny olona izay nikasa hamono an'i Jeremia?

Niteny izy fa ho vonoin'ireo karana zandriny sy mosary.

Jeremiah 12

Jeremiah 12:1

Inona no fitrain'i Jeremia mahakasika ireo olon-dratsy?

Andeha tsara ny zava-drehetra eo amin'izy ireo;

Jeremiah 12:3

Inona no tian'i Jeremia ho ataon'i Yaveh amin'ireo olona?

Tiany raha entina miala lavitra ireo vahoaka.

Nahoana no malazo ireo hazo?

Malazo ireo hazo noho ny faharatsian'ireo olona.

Jeremiah 12:5

Iza no namadika an'i Jeremia?

Ireo rahalahiny sy ny rain'ny fianakaviany no namadika azy.

Jeremiah 12:7

Nahoana no halan'Andriamaitra?

Izy ireo dia nametraka ny tenan'izy ireo ho mpanoratra.

Jeremiah 12:10

Nataon'imay mpiandry ondry inona ilay ampahany tsara?

Navadik'izy ireo ho tany lao.

Jeremiah 12:12

Aiza teo amin'ilay tany no nisy toerana fialofana ho an'ireo biby manan'aina?

Tsy nisy toerana azo antoka teo amin'ilay tany.

Nahoana ireo mpiasa no tokony ho menatra amin'ny vokany?

tokony ho menatra izy ireo noho ny fahatezeran'i Yaveh.

Jeremiah 12:14

Inona no hitranga amin'ny ankohonan'i Joda rehefa hanana famindram-po amin'izy ireo Yaveh?

Hitondra azy ireo hiverina eo amin'ny tanin'izy ireo Izy?

Jeremiah 12:16

Inona no fampanantenan'i Yaveh tamin'ireo firenena izay nianatra nianiana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh"?

Hoarenina eo ampivoan'ireo vahoakan'i Yaveh izy ireo.

Inona no hitranga raha tsy mihaino ireo firenena ireo?

Hanongotra azy ireo Yaveh.

Jeremiah 13

Jeremiah 13:1

Inona no nasain'i Yaveh hanaovan'i Jeremia ilay atin'akanjo rongony fotsy?

Nasainy nanaovan'i Jeremia ilay atin'akanjo ary hitondra izany any Eofrata ka hanafina izany.

Jeremiah 13:8

Ahoana no mampitovy ireo olona ratsy fanahy amin'ilay atin'akanjo?

Samy tsy misy ilavana azy izy ireo satria nandà tsy hihaino ny tenin'i Yaveh.

Inona ireo zavatra telo tian'i Yaveh ho entin'ireo olony eo Aaminy?

Tiany izy ireo hitondra dera sy laza ary voninahitra ho Azy.

Jeremiah 13:12

Ho fenoin'i Yaveh inona ireo vahoaka?

Ho fenoiny hamamoana izy ireo.

Inona no ho ataon'i Yaveh rehefa feno hamamoana ireo vahoaka?

Ho potehiny izy ireo.

Jeremiah 13:15

Inona no hitranga raha toa ka tsy manome voninahitra an'i Yaveh ireo olona?

Hitondra aizina Izy.

Jeremiah 13:18

Nahoana no tokony hanetry ny tenany ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny?

Nianjera ny satro-boninahitr'izy ireo.

Jeremiah 13:20

Iza no hapetrak'Andriamanitra eo amin'ireo vahoaka?

Hametraka ireo izay nampanarina ho naman'izy ireo Izy.

Jeremiah 13:22

Nahoanano zava-dratsy no mitranga amin'ireo olona?

Zava-dratsy no mitranga amin'ireo olona satria ireo olona dia nanao fahotana maro.

Jeremiah 13:25

Inona no ho ataon'i Yaveh mahakasika ireo zava-dratsy nataon'ireo olona miafina?

Ho asehony an'ny rehetra izany.

Jeremiah 14

Jeremiah 14:1

Inona no nitranga rehefa nitady rano ireo mpanompo?

Tsy nahita izy ireo?

Jeremiah 14:4

Inona no niranga rehefa tsy nisy ny orana?

Tsy nisy ny ahitra na zava-maniry.

Jeremiah 14:7

Oviana Yaveh no hanavotan'i Yaveh an'Israely?

Amin'ny fotoanan'ny fahoriana Izy no hanavotra an'Israely.

Jeremiah 14:10

Inona no nasain'i Yaveh tsy ho ataon'i Jeremia amin'ireo vahoaka?

Niteny tamini Jeremia Yaveh mba tsy hivavaka tsara ho an'ireo vahoaka.

Jeremiah 14:13

Avy aiza ireo teny fitak'ireo mpaminany sandoka?

Avy ao am-pon'ireo mpaminany sandoka.

Jeremiah 14:15

Inona no hahazo an'ireo mpaminany sandoka?

Ho fatin'ny ady sy mosary izy ireo.

Jeremiah 14:17

Aiza ireo olona no ho faty an'ady?

Ho faty an'ady eny an-tsaha izy ireo.

Aiza ireo olona no ho fatin'ny mosary?

ho fatin'ny mosary eny an-tanàna izy ireo.

Jeremiah 14:19

Inona no neken'i Jeremia tamin'i Yaveh fa helok'ireo razambe?

Nanota tamin'i Yaveh izy ireo.

Jeremiah 14:21

Inona no tokony hanantenan'ireo olona an'i Yaveh?

Yaveh no nanao ny lanitra ary nanome ny oram-panala.

Jeremiah 15

Jeremiah 15:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy hovainy na dia hitalao ho an'ireo vahoaka aza i Mosesy na Samoela?

Mbola tsy hankasitraka an'io vahoaka io Izy.

Inona no hitranga amin'ireo vahoakan'i Joda sy Jerosalema?

Misy ny ho faty, misy ny ho vonoina, misy ireo ho fatin'ny hanoanana, ary misy ireo ho esorina lavitra ny tranony.

Jeremiah 15:3

Inona ireo zavatra efatra hitranga amin'ireo vahoaka?

Misy ny ho faty an'ady, misy ho tarihin'ireo alika, hoanin'ireo vorona ny sasany, ary hoanin'ireo bibidia ny sasany.

Jeremiah 15:5

Iza no hiahy an'i Jerosalema

Tsy hisy hiraharaha ny momban'i Jerosalema.

Inona no mandreraka an'i Yaveh amin'i Jerosalema?

Reraky ny mamindra fo amin'i Jerosalema Izy.

Jeremiah 15:8

Inona no hahamenatra hahafa-baraka ilay renin'ireo zaza fito?

Ho avelan'i Yaveh ho vonoin'ireo fahavalo ireo zanany.

Jeremiah 15:10

Rahoviana Yaveh no hampiantso vonjy an'ireo fahavalon'i Jeremia?

Amin'ny fotoanan'ny loza sy fahoriana dia hampiantso vonjy azy ireo Izy.

Jeremiah 15:13

Nahoana no omen'i Yaveh an'ny fahavalon'izy ireo ny harenan'ireo vahoaka?

Homeny izany noho ny otan'ireo vahoaka rehetra.

Jeremiah 15:15

Nataon'i Jeremia inona ny tenin'i Yaveh?

Notsakotsakony ireo.

Jeremiah 15:19

Inona no tokony nataon'i Jeremia mba ho averina indray?

Mila mibebaka izy.

Karazana olona toy ny ahoana no hanavotan'i Yaveh an'i Jeremia?

Hanavotra azy amin'ireo ratsy fanahy sy mpanao jadona Izy.

Jeremiah 16

Jeremiah 16:1

Inona no didy nomen'i Yaveh an'i Jeremia?

Nandidy an'i Jeremia tsy haka vady Yaveh.

Inona no hitranga amin'ireo zaza vao teraka ao amin'izany toerana izany?

Ho faty daholo izy rehetra.

Inona no hahazo ny vata-mangatsiaka an'izy ireo?

Ny vata-mangatsiaka an'izy ireo dia ho lasa zezika amin'ny tany ary ho sakafon'ireo vorona sy bibidia.

Jeremiah 16:5

Inona no antony nandidian'i Yaveh an'i Jeremia tsy hiditra ao an-tranon'ireo olona misaona?

Yaveh dia nandidy an'i Jeremia tsy hiditra tao satria na ny olona ambony na ny olona ambany dia samy ho faty, nefa tsy hisy hisaona azy ireo.

Jeremiah 16:7

Inona no antony nandidian'i Yaveh an'i Jeremia tsy hiditra ao an-tranon'ireo olona manao fankalazana?

Yaveh dia nandidy an'i Jeremia tsy hiditra tao satria hanatsahatra ilay fankalazana Izy.

Jeremiah 16:10

Inona no ho fanontanian'ireo olona rehefa hitatitra ny teniny amin'izy ireo i Jeremia.

Hanontany an'i Jeremia ireo olon hoe nahoana Yaveh no nanambara loza amin'izy ireo?

Jeremiah 16:12

Iza no ratsy fanahy kokoa, ireo vahoaka sa ireo razamben'izy ireo?

Ireo olona dia ratsy fanahy kokoa noho ireo razamben'izy ireo.

Jeremiah 16:16

Nahoana Yaveh no hanonotra avo roa heny ny heloka sy ny otan'izy ireo?

Hanao izany Izy satria izy ireo dia nandoto ny tany tamin'ireo sampiny.

Jeremiah 16:19

Inona no ho lazain'ireo firenena mahakasika ireo razambeny rehefa ho any amin'i Yaveh izy ireo?

Hilaza izy ireo fa ireo razamben'izy ireo dia nandova fitaka.

Jeremiah 17

Jeremiah 17:1

Aiza no voasokitra ny otan'i Joda?

Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo izany.

Aiza no misy ny vahoakan'ny baon'Aseraha?

Ny baon'Aseraha dia eny amoron'ireo hazo be raviny eny amin'ireo havoana avo.

Jeremiah 17:3

Aiza no hanandevozana an'i Joda?

Ho andevozona any amin'ny tany izay tsy fantany izy ireo.

Jeremiah 17:5

Iza no lazain'i Yaveh fa voaozona?

Yaveh dia nilaza fa ny olona izay mahatoky olombelona dia voaozona.

Jeremiah 17:9

Toy ny ahoana ny fo?

Ny fo dia mamitaka kokoa noho ny zavatra hafa, marary izany, ary tsy misy afaka ny hatakatra izany.

Jeremiah 17:12

Inona no hitranga amin'ireo izay mandao an'i Yaveh?

Ho menatra ireo rehetra izay mandao Anao ary ho fongorina.

Jeremiah 17:15

Inona no asa tsy nampandositra an'i Jeremia?

Jeremia dia tsy nandositra amin'ny maha mpiandry ondry mpanara-dia an'i Yaveh azy.

Jeremiah 17:19

Inona no nasain'i Yaveh nataon'i Jeremia rehefa nijoro teo amin'ny vavahady izy?

Nasainy niteny ireo olona i Jeremia mba hihaino ny tenin'i Yaveh.

Jeremiah 17:21

Inona no tian'i Yaveh hatsahatr'ireo olona?

Tiany hitsahatra tsy hitondra entan-mavesatra amin'ny andro Sabata izy ireo.

Jeremiah 17:24

Inona no hitranga amin'ilay tanàna raha mihaino ary tsy miasa ami'ny andro Sabata ireo olona?

Raha mihaino sy mankatò izy ireo dia hitoetra mandrakizay ilay tanàna.

Jeremiah 17:26

Inona no hitranga raha tsy mihaino ireo olona?

Raha tsy mihaino ireo olona dia ho doran'i Yaveh i Jerosalema.

Jeremiah 18

Jeremiah 18:1

Taiza no nasain'i Yaveh nalehan'i Jeremia mba hihaino ny teniny?

Nasain'i Yaveh nankany an-tranon'ny mpanefy tanimanga i Jeremia.

Inona no nitranga tamin'ilay zavatra vita amin'ny tanimanga izay novolavolain'ilay mpanefa tanimanga raha nijery iny Jeremia?

Potika teny an-tananany ilay izy.

Jeremiah 18:5

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny firenena izay niala tamin'ny ratsy rehefa nandre ny fanambarany?

Hihazona ilay loza izay nokasainy ho entina teo amin'izany Izy.

Jeremiah 18:9

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny firenena izay tsy nihaino ny teniny?

Tsy hanao ny soa izay efa nolazainy fa ho ataony amin'izy ireo.

Jeremiah 18:11

Nahoana Yaveh no mamorona loza ho an'ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema?

Izy ireo dia manao zavatra ratsy.

Inona no ho ataon'ireo olon'i Joda sy Jerosalema taorian'ny nampitandreman'i Jeremia azy ireo?

Tsy hihaino izy ireo na hitsahatra amin'ny asa ratsiny.

Jeremiah 18:15

Nahoana Israely no ho lasa horohoro?

Ireo Israelita dia nanadino an'i Yaveh ary nanao fanatitra ho an'ireo sampy.

Nahoana ny olona rehetra izay mandalo no hangovitra sy hanifikifi-doha?

Hanao izany izy ireo satria efa nataon'i Yaveh ho horohoro ilay tany.

Jeremiah 18:18

Inona no teti-dratsin'ireo olona amin'i Jeremia?

Nikasa ny hanafika azy niaraka tamin'ny tenin'izy ireo ka tsy hihainon intsony izay zavatra nolazainy.

Inona no nangatahan'i Jeremia mba ho tsaroan'i Yaveh?

Jeremia dia nangataka tamin'i Yaveh mba hahatsiarovany ny fomba niresahany taminireo izay mahasoa olona .

Jeremiah 18:21

Inona no nangatahan'i Jeremia tamin'Yaveh ho atao amin'ireo fahavalony?

Nangataka tamin'i Yaveh izy ny mba hamonoana ireo lehilahy ary tsy hamela heloka azy ireo.

Jeremiah 19

Jeremiah 19:1

Inona no nasain'i Yaveh novidian'i Jeremia?

Nasainy nandeha nividy tavoara tanimangan'ny mpanefy tanimanga izy.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Jeremia fa ho entiny eo amin'ny mpanjakan'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema?

Yaveh dia nilaza fa hitondra loza eo amin'izany toerana izany, ary hampangotsokotsoka ny sofin'izy ireo."

Jeremiah 19:4

Inona ny antony hitondran'Andriamanitra loza eo amin'i Jerosalema?

Hitondra loza izy satria ireo olona dia nandao an'Andriamanitra ary nanao zavatra tsy masina teo amin'ilay toerana, ka nanatona ireo andriamanitra hafa, ary nameno ràn'ny tsy manan-tsiny teo amin'ilay toerana.

Inona ny antony nananganan'ireo olona fitoerana masina ho an'i Bala?

Nanangana fitoerana masina ho an'i Bala izy ireo mba handorana ireo zanany lahy ao anaty afo ho fanatitra dorana ho azy.

Jeremiah 19:6

Iza no hiantsoina ilay Lohasahan'i Ben-Hinoma?

Ho antsoina hoe Lohasahan'ny Famonoana izany.

Jeremiah 19:10

Nataon'i Jeremia inona ilay tavoara tanimanga?

Natao ho potehina eo imason'ireo lehilahy izay niaraka taminy ilay tavoara tanimanga.

Jeremiah 19:12

Inona no nataon'ireo olona maloto eny amin'ny tafon-trano?

Ireo olona maloto dia nanompo ireo kintana eny amin'ny tafon-trano ary mandraraka fanatitra sotroina amin'ireo andriamanin-kafa.

Jeremiah 19:14

Inona no antony nitondran'i Yaveh loza teo amin'ilay tanàna sy ny renivohiny rehetra?

Nitondra loza teo amin'izy ireo Izy satria nanamafy ny hatony izy ireo ary nandà ny hihaino ny tenin'Andriamanitra.

Jeremiah 20

Jeremiah 20:1

Inona no antony nivelesan'i Pasora an'i Jeremia ary nametrahany azy tao amin'ny trano fitehirizana?

Nosaziany i Jeremia satria naminany ireo teny ireo teo anoloan'ny tranon'i Yaveh.

Jeremiah 20:3

Inona no homen'i Yaveh an'ny mpanjakan'i Babylona?

Yaveh dia hanome ny harenan'io tanàna io rehetra sy ny fananana rehetra ao; ireo zava-tsarobidy rehetra ary ny tahiry rehetra an'ireo mpanjakan'i Joda ho azy.

Jeremiah 20:5

Inona no hahazo an'i Pasora sy ny mponina rehetra an'ilay trano?

Ho any Babylona izy ireo ary ho faty any.

Jeremiah 20:7

Inona no nitranga rehefa niezaka tsy nanonona ny anaran'i Yaveh intsony i Jeremia?

Lasa toy ny afo tao am-pon'i Jeremia ny teniny, afo mandoro ny taolany, ary tsy voatanany izany.

Inona no hafatra nambaran'i Jeremia?

Niantso mafy sy nanambara izy hoe: "Herisetra sy faharavanana."

Jeremiah 20:10

Inona no hitranga amin'ireo izay miandry ny fianjeran'i Jeremia?

Hivembena izy ireo, tsy haresy azy izy ireo, ary hanana henatra tsy manam-pahataperana izy ireo.

Jeremiah 20:12

Inona no nolazain'i Jeremia mba ho hiraina sy hiderana an'i Yaveh?

Ny rehetra dia tokony hihira sy hidera an'i Yaveh satria mitsapa ireo marina Izy, mahita ny ao an-tsaina sy ao am-po, mamaly faty, ary manavora ireo olona nampahoriana.

Jeremiah 20:14

Inona no nolazain'i Jeremia momban'i ny andro nahaterahany?

Nanozona ny andro nahaterahany izy ary nangataka mba tsy hitahiana izany.

Jeremiah 21

Jeremiah 21:1

Inona no nangatahan'i Pasora sy Zefania tamin'i Jeremia?

Nangataka azy mba hitady hevitra avy amin'i Yaveh izy ireo?

Inona no nilan'izy ireo an'i Jeremia hitady soson-kevitra avy amin'i Yaveh,

Izy ireo dia nanantena an'i Yaveh hanao fahagagana ho azy ireo.

Jeremiah 21:3

Inona ilay hafatra izay nomen'i Jeremia an'i Zedekia?

Ilay hafatra dia hiady hanohitra an'i Zedekia Yaveh.

Jeremiah 21:6

Ahoana no fomba hiadian'i Yaveh amin'i Zedekia mpanjaka?

Hiady amin'i Zedekia mpanjaka amin'ny aretina, ady ary hanoanana Yaveh.

Jeremiah 21:8

Inona no tokony nataon'ireo olona izay naniry ny ho velona?

Nila nivoaka an'ilay tanàna sy manodidina an'ireo Kalideana izy ireo.

Inona no nitranga tamin'ireo olona izay nijanona tao amin'ilay tanàna?

Maty izy ireo.

Jeremiah 21:11

Inona no tian'i Yaveh ho ataon'ny mpanjakan'ny Joda?

Tiany hihainon ny tenin'i Yaveh izy, mba hitondrana fahamarinana, ary hamonjena ireo nampahoriana.

Jeremiah 21:13

Iza no toherin'i Yaveh?

Yaveh dia nanohitra ireo olona izay niaina teny amin'ny lohasaha sy teny amin'ny lemaka.

Inona no ho ataon'i Yaveh nohon'ny nataon'ireo vahoaka ireo?

Handrehitra afo eny amin'ny kirihitra izay handoro ny zavatra rehetra Izy.

Jeremiah 22

Jeremiah 22:1

Inona no nasain'i Yaveh ataon'ny mpanjakan'i Joda, ireo mpanompony, sy ireo vahoakany?

Tokony hihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo, hanao ny marina, hanampy ireo izay voaroba, ary hamonjy ireo izay nampahoriana. Tsy tokony hampijaly ireo hafa firenena izy ireo, ireo kamboty, na ireo mpitondran-tena, ary tsy tokony haherisetra na hamono olona tsy manan-tsiny izy ireo.

Jeremiah 22:4

Inona no hitranga raha toa ka tsy mihaino ny tenin'ny fanambaran'i Yaveh izy ireo?

Ho foana ny lapam-panjakana.

Jeremiah 22:6

Amin'ny fomba ahoana no hahalasa efitra tany ilay lapa?

Hifidy olona ho avy ary hamotika izany Yaveh.

Jeremiah 22:8

Nahoana Yaveh no nanao ireo zavatra ireo tamin'ity tanàna lehibe ity?

Nataony ireo satria ireo olona dia tsy nanaja ilay fanekena ary nanompo ireo andriamanin-kafa.

Jeremiah 22:10

Nahoana ireo olona no tokony hitomany an'ireo izay mandeha ho babo?

Tokony hitomany izy ireo satria ireo tratra babo dia tsy hiverina intsony na ahita ilay tany.

Jeremiah 22:15

Inona no tokony ataon'ny mpanjaka tsara?

Tokony hampiatra ny fahamarinana izy na dia amin'ireo mahantra sy ory, manao ny marina, ary mahalala an'i Yaveh.

Jeremiah 22:17

Nahoana ireo olona no tsy nitomany an'i Joiakima mpanjaka?

Tsy nitomany izy ireo satria izy dia nangalatra, namono olona tsy manan-tsiny izy, ary nampahory vahoaka.

Karazana fandevenana toy ny ahoana no ho ataon'izy ireo an'i Joiakima?

Ho alevin'izy ireo toy ny mandevona boriky izy.

Jeremiah 22:20

Inona no fomban'ireo olona hatramin'ny naha tanora azy ireo?

Tsy nihaino ny feon'i Yaveh izy ireo.

Jeremiah 22:22

Inona no hitranga amin'izy ireo rehefa tsy mihaino izy ireo?

Ho very ireo mpiandry ondrin'izy ireo, ireo namany dia ho tratra babo, ary izy ireo dia ho menatra sy halaim-baraka.

Jeremiah 22:24

Inona no hahazo an'i Joiakima?

Ho atolotr'i Yaveh an'i ny mpanjakan'i Babylona i Joiakima , ary ho faty lavitra ilay tany izy.

Jeremiah 22:29

Inona no nolazain'i Yaveh mahakasika an'i Joiakima?

Tsy hanan-janaka i Joiakima ary tsy ho ambinina.

Jeremiah 23

Jeremiah 23:1

Inona no nanaovan'ireo mpiandry ondry ireo ondry tamin'ny andron'i Jeremia?

Novonoin'ireo mpiandry ondry ireo ondry ary naparitak'izy ireo, noroasin'izy ireo, ary tsy norarahin'izy ireo.

Jeremiah 23:3

Inona no nambaran'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo ondriny?

Hanangona azy ireo Izy, hanome toerana hiraofana azy ireo, ary hanome azy ireo mpiandry ondry tsara.

Jeremiah 23:5

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo andro ho avy?

Hanandratra mpanjaka marina Izy.

Jeremiah 23:7

Inona no ho lazain'ireo olona fa nataon'i Yaveh azy ireo?

Hiteny izy ireo fa Yaveh dia nitondra azy ireo niverina avy any amin'ireo tanàna hafa mba hiaina eo amin'ny tena tanin'izy ireo.

Jeremiah 23:9

Nahoana no vaky ny fon'i Jeremia?

Vaky ny fony satria masina ny tenin'i Yaveh, fa ireo mpaminany no mpandainga ary ny tany dia feno mpijangajanga.

Jeremiah 23:11

Inona no hitranga amin'ireo mpaminany sy ireo mpanora-dalàna?

Hanindry azy ireo Yaveh ary ho avy amin'izy ireo ny loza.

Jeremiah 23:13

Inona no nanafintohina tamin'ireo mpaminany?

Naminany tamin'ny alalan'i Bala izy ireo, nampivily lalana an'ireo vahoakan'i Yaveh, nanatanteraka fijangajangana, namitaka olona, ary namporisika ireo olona hanao ny ratsy.

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ireo mpaminany ireo?

Nasainy nihinana zava-mahafaty sy hampisotro rano misy poizina izy ireo.

Jeremiah 23:16

Nahoana Yaveh no milaza hoe: "Aza mihaino an'ireo mpaminany"?

Nandainga tamin'ireo vahoaka izy ireo.

Jeremiah 23:19

Toy ny ahoana ny fahatezeran'i Yaveh?

Toy ny oram-baratra ny fahatezeran'i Yaveh.

Jeremiah 23:21

Inona no olana tamin'ireo mpaminany?

Tsy naniraka azy ireo Yaveh.

Jeremiah 23:23

Aiza no afaka andehanan'ny olona mba hialana amin'i Yaveh?

Tsy misy toerana ahafahan'ny olona miala lavitra Aminy. Izy dia sady akaiky no alavitra, afaka mahita ny toerana miafina rehetra izy, ary eny amin'ny lanitra sy ny tany rehetra eny Izy.

Jeremiah 23:25

Inona no kasain'ireo mpaminany ireo ataon'ny olona?

Tian'izy ireo hitsahatra tsy hanompo an'i Yaveh ireo olona.

Jeremiah 23:28

Ahoana no fomba hanambaran'ny mpaminanin'i Yaveh izay zavatra henony tamin'i Yaveh?

Izy dia tsy maintsy manambara ny tenin'i Yaveh ampahamarinana ary tsy mangalatra teny avy amin'ny olon-kafa.

Jeremiah 23:31

Inona no antony hanoheran'i Yaveh ireo mpaminany?

Satria izy ireo dia namitaka ireo olona tamin'ny filazana fa ny eritreritr'izy ireo manokana tenin'i Yaveh.

Jeremiah 23:33

Inona no nasain'i Yaveh lazain'i Jeremia an'i ireo izay mangataka teny avy any Aminy?

Hilaza izy fa tsy misy teny avy amin'i Yaveh satria Izy dia efa nadao ireo olona ireo.

Iza no ho sazian'i Yaveh?

Hanasazy ireo izay milaza fa manana hafatra avy amin'i Yaveh Izy.

Jeremiah 23:35

Nahoana no tsy mahazo mifampiresaka momban'ny fanambaran'i Yaveh ireo olona?

Tsy mahazo manao izany izy ireo satria ny olona tsirairay avy dia mampiasa ny teniny manokana, ary izy ireo dia nametaveta ny tenin'i Yaveh.

Jeremiah 23:37

Fomba toy ny ahoana no nitsapan'i Jeremia ny mpaminany rehetra?

Nametrahany fanontaniana hijerena raha mandaiga izy ireo ka milaza fa nandray ny fanambarana avy amin'i Yaveh izy ireo.

Inona no hitranga amin'ireo mpaminany nanao tatitra diso?

Hanary azy ireo any amin'ny tany lavitra Yaveh ary hanisy henatra maharitra mandrakizay eo amin'izy ireo.

Jeremiah 24

Jeremiah 24:1

Inona ilay fahitana nomen'i Yaveh an'i Jeremia?

Nampiseho azy harona misy aviavy tsara Yaveh ary harona misy aviavy ratsy.

Jeremiah 24:4

Iza ireo olona izay lazain'i Yaveh fa tahaka ny aviavy tsara?

Ireo natao sesitany dia tahaka ny aviavy tsara.

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo olona izay tahaka ny aviavy ratsy?

Hmaerina azy ireo eo amin'ilay tany Izy.

Jeremiah 24:8

Iza ireo olona izay lazain'i Yaveh fa tahaka ny aviavy ratsy?

Zedekia, ireo olona izay mitoetra ao amin'ilay tany, ary ireo olona izay nankany Egypta dia tahaka ny aviavy ratsy

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo olona izay lazainy fa toy ny aviavy ratsy?

Ho ataony tsisy mety izay ataon'izy ireo, ary hamono azy ireo amin'ny ady, mosary, ary aretina Izy.

Jeremiah 25

Jeremiah 25:1

Iza no nanambaran'i Jeremia mpaminany io teny io?

Nanambara ny teny ny olon'i Joda rehetra sy ny mponin'Jerosalema Izy

Jeremiah 25:3

Nandritra ny hafiriana Yaveh no nanambara ny tenin'i Yaveh?

Nanambara izany nandritra ny 23 taona izy.

Ahoana ny nandraisan'ireo olona ny teny izay nambaran'i Jeremia?

Tsy nihaino izy ireo.

Jeremiah 25:5

Inona no nifampilazain'ireo mpaminany?

Niteny tamin'ny olona rehetra izy ireo mba hiala amin'ny fomban-dratsiny, tsy hanompo anndriamani-kafa, ary tsy miantsy an'i Yaveh amin'ny zavatra nataon'izy ireo.

Jeremiah 25:7

Inona no fampijaliana nataon'i Yaveh satria tsy nihaino izy ireo?

Nandefa ny olony avy any avaratra miaraka ami,'i Nebokadnezara hamotika azy ireo Yaveh

Jeremiah 25:10

Feona inona no hanjavona eny amin'ireo firenena ireo

Ny feon'ny fankalazana sy ny feon'ny asa dia hanjavona.

Jeremiah 25:12

Inona no hitranga afaka fitopolo taona?

Hanasazy ny vahoakan'i Babylona noho ireo otany izy ireo.

Jeremiah 25:15

Inona no ho ataon'ireo firenena rehefa hanome azy ireo ny kapoakan'ny fahatezerana Yaveh?

Hisotro izany izy ireo, ho tafintohina, ary hivembena.

Jeremiah 25:17

Inona no hitranga aorian'ny nisotroan'i Jerosalema, ireo tanànan'i Joda, sy ireo mpanjakany ary ireo manamboninahitra ny kapoaka izay nomen'i Jeremia azy ireo?

Ho foana izy ireo.

Jeremiah 25:24

Iza no firenena farany hisotro ny kapoakan'ny fahatezeran'i Yaveh?

Babylona no farany hisotro ilay kapoakan'ny fahatezeran'i Yaveh.

Jeremiah 25:27

Inona no hitrang raha toa ka mandà ny handray izany kapoaka eny an'tanan'i Jeremia izany ireo firenena?

Ho voasazy foana izy ireo na dia izany aza.

Jeremiah 25:32

Izan no ho vonoin'ilay loza avy amin'i Yaveh?

Hamono ny rehetra avy any amin'ny faran'ny tany hatramin'ireo hafa izany

Jeremiah 25:34

Nahoana no misaona ireo mpiandry ondry?

Fotoana hafatesan'izy ireo tamin'io.

Jeremiah 25:37

Inona no antony naharava ireo ahitra?

Tezitra Yaveh.

Jeremiah 26

Jeremiah 26:1

Inona no nasain'i Yaveh ho ambaran'i Jeremia eo amin'ny kianja?

Nasainy nanambara ny tenin'i Yaveh izy.

Inona no azon'ireo olona atao mba tsy hitondran'i Yaveh loza eo amin'izy ireo?

Raha mihaino ka miala amin'ireo fomba ratsiny izy ireo, dia tsy hitondra loza eo amin'izy ireo Yaveh.

Jeremiah 26:4

Raha tsy mihaino ny tenin'i Yaveh ireo olona, ho ataon'i Yaveh inona ireo tanànan'izy ireo?

Ho avadik'i Yaveh ozona ny tanànan'izy ireo.

Jeremiah 26:7

Inona no nahazo an'i Jeremia taorian'ny nanambarany ny tenin'i Yaveh?

Nosamborin'ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo olona izy ary nolazain'izy ireo fa ho faty izy.

Jeremiah 26:10

Taiza no nitondran'ireo olona azy mba ho tsaraina?

Nentin'izy ireo teo amin'ny vavahady teo amin'ny Vavahady Vaovao ny tempoly izy.

Jeremiah 26:13

Inona no hitranga raha toa ka vonoin'ireo manam-pahefana i Jeremia?

Raha vonoin'izy ireo izy dia ho meloka namono olona tsy manan-tsiny izy ireo.

Jeremiah 26:16

Inona no nolazain'ireo manam-pahefana , ireo olona ary ireo loholona mahakasika ny famonoana an'i Jeremia?

Nilaza izy ireo fa tsy mety ny famonoana azy.

Jeremiah 26:18

Inona no naminanin'i Mika?

Mika dia naminany fa i Ziona, Jerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho rava.

Jeremiah 26:20

Inona no niezahan'ny mpanjaka atao amin'i Oria?

Niezaka namono an'i Oria ny mpanjaka.

Inona no nataon'i Oria?

Nankany Egypta izy.

Jeremiah 26:22

Ahoana no namonoan'i Joiakima an'i Oria?

Nandefa lehilahy tany Egypta mba hitondra an'i Oria hiverina i Joiakima, ary novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra i Oria.

Iza no niaro an'i Jeremia tsy ho voavono?

Ahikama zanaka lahin'i Safana no niaro an'i Jeremia tsy ho vonona.

Jeremiah 27

Jeremiah 27:1

Iza no mpanjaka nitondran'i Jeremia hafatra avy amin'i Yaveh?

Nanana hafatra ho an'ny mpanjakan'i Edoma, Moaba, Amona, Tyro, sy Sidona izy.

Jeremiah 27:5

Inona ilay hafatra ho an'ireo mpanjaka?

Ny firenen'izy ireo rehetra dia hanompo an'i Nebokadnezara, mpanjaka an'i Babylona.

Jeremiah 27:8

Inona no hitranga amin'ireo firenena izay tsy hanompo an'i Nebokadnezara?

Hanasazy ireo firenena izay tsy manompo an'i Nebokadnezara amin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana Yaveh.

Jeremiah 27:9

Inona no hahazo an'ireo olona izay mihaino faminaniana lainga?

Ho esorin'i Yaveh lavitra ny taniny izy ireo, ary ho faty.

Inona no ho raisin'ny firenena izay maka ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona?

Hijanona ao amin'ny taniny izy ireo, hamboly eo amion'izany ary hanorina trano.

Jeremiah 27:12

Inona no tokony ataon'i Zedekia mpanjaka raha mbola te ho velona izy,

Mila manompo ny mpanjakan'i Babylona izy.

Jeremiah 27:14

Inona no hitranga amin'i Zedekia raha mihaino ireo mpaminaniny izy?

Handroaka azy Yaveh ary ho faty izy.

Jeremiah 27:16

Inona no nolazain'i Jeremia tamin'ireo mpisorona sy ireo vahoaka?

Tsy tokony hihaino ireo mpaminany izy ireo. Tokony hanompo ny mpanjaka an'i Babylona izy ireo ka ho velona.

Jeremiah 27:19

Inona no nalain'i Nebokadnezara tamin'i Joda sy Jerosalema?

Naka an'i Joiakima sy ny olona manan-kaja rehetra izy.

Jeremiah 27:21

Inona no hitranga amin'ireo zavatra ao amin'ny tempoly?

Ho entin'i Nebokadnezara any Babylona ireo.

Jeremiah 28

Jeremiah 28:1

Raha hafohizina dia inona no nolazain'i Jeremia teo anoloan'ireo mpisorona sy ireo vahoaka?

Nilaza i Hanania fa Yaveh dia efa nanotika ny zioga napetraky ny mpanjakan'i Babylona.

Jeremiah 28:8

Ahoana no hafantarana raha tena mpaminany nalefan'i Yaveh ilay mpaminany?

Ho tanteraka ny tenin'ilay mpaminany.

Jeremiah 28:10

Nahoana i Hanania no namotika ny ziogan'i Jeremia?

Tiany hino ireo olona fa izy ireo dia ho afaka ao Babylona.

Jeremiah 28:12

Marina ve ny tenin'i Hanania?

Tsia, tsy ho afaka ao Babylona ireo olona.

Jeremiah 28:15

Inona no hafatr'i Yaveh ho an'i Hanania tamin'ny alalan'i Jeremia?

Ho vonoin'i Yaveh i Hanania amin'io taona io satria Hanania dia niteny ny olona hikomy hanohitra an'i Yaveh.

Jeremiah 29

Jeremiah 29:1

Iza no nandefasan'i Jeremia ny horonan-taratasiny?

Nalefa ho an'ny olona rehetra sesitany tany Babylona izany.

Jeremiah 29:6

Nahoana Yaveh no milaza amin'ireo tratra babo mba hitady fiadanan'ilay tanàna izay naha sesitany azy ireo ary hifona amin'i Yaveh amin'ny anaran'izany tanàna izany?

Nasainy nanao izany izy ireo satria ireo sesitany dia ho tony raha toa ka misy fitoniana ilay tanàna.

Jeremiah 29:8

Inona no fampitandreman'i Yaveh tamin'ny alalan'i Jeremia ho an'ireo tratra babo.

Nampitandrina azy ireo Izy tsy hihaino ireo nofy na mpaminany izay tsy nirahin'i Yaveh.

Jeremiah 29:10

Inona no drafitr'i Yaveh ho an'ireo babo fitopolo taona taty aoriana?

Hitondra azy ireo hiverina ho any Joda Izy ary hanome fiadanana ho azy ireo.

Jeremiah 29:12

Rahoviana izy ireo no hahita an'i Yaveh?

Hahita an'i Yaveh izy ireo rehefa hiantso Azy, mivavaka Aminy, ary mitady Azy amin'ny fon'izy ireo manontolo.

Jeremiah 29:15

Inona no saika nanaon'i Yaveh ireo olona izay nijanona tao amin'ilay tanàna ary tsy lasa ho babo?

Nilaza Yaveh fa efa saika handefa sabatra, mosary ary aretina eo amin'izy ireo.

Jeremiah 29:20

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataonny amin'i Ahaba sy Zedekia?

Hanolotra azy ireo ho eo amin'i Nebokadnezara, izay hamono azy ireo Izy.

Jeremiah 29:22

Ozona inona no ho resahin'ireo tratra babon'i Joda tao Babylona?

Hiteny izy ireo hoe: "Yaveh anie hanao anareo ho tahaka an'i Ahaba sy Zedekia, izay nodoran'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny afo."

Nahoana Yaveh no hamono an'i Ahaba sy Zedekia?

Hamono azy ireo Izy noho ireo zavatra mahamenatra nataon'izy ireo.

Jeremiah 29:24

Taiza no nisy an'i Semaia rehefa nanoratra ireo taratasy ireo izy?

Tany Babylona izy.

Taiza no nisy ireo olona izay nanoratan'i Semaia ireo taratasy?

Tany Jerosalema izy ireo.

Inona no tian'i Semaia ho ataon'i Zefania?

Tiany ho atao voafonjan'ireo mpaminany izy.

Jeremiah 29:27

Nahoana no tian'i Semaia ho bedesin'i Zefania i Jeremia.

Nilaza Jeremia fa ireo olona dia ho eo Babylona mandritra ny fotoana maro.

Jeremiah 29:30

Nahoana Yaveh no hanasazy an'i Semaia sy ireo taranany?

Hanao izany Izy satria i Semaia dia naminany lainga tamin'ireo olona ka hikomy hanohira an'i Yaveh izy ireo.

Jeremiah 30

Jeremiah 30:1

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo olony?

Hamerina ny harenan'izy ireo ary hitondra azy ireo hiverina ao amin'ny taniny.

Jeremiah 30:4

Iza no nandre ny "feo nangovitry ny horohoro"?

Yaveh dia miresaka ny tenany amin'ny filazana hoe "izahay", Izy no nandre ilay feo.

Jeremiah 30:6

Nahoana ireo tovolahy no mametraka ny tanany eo am-balahany ary fotsy hatsatra avokoa ny tarehin'izy ireo?

Ireo taranak'i Jakoba dia dia hanana fotoam-pitaitainana.

Jeremiah 30:8

Ahoana no hankalazan'ireo Israelita ny fahafahan'izy ireo tamin'ny fanandevozana?

Hidera an'i Yaveh Andriamaniny izy ireo ary hanompo an'i Davida mpanjakany.

Jeremiah 30:10

Nahoana ireo taranak'i Jakoba no tsy tokony ho raiki-tahotra?

Yaveh dia hitondra azy ireo hiverina avy any amin'izay nanaparitahana azy ireo.

Jeremiah 30:12

Ahoana no hanasitranana ny ratran'Israely?

Tsy azo sitranina izany.

Jeremiah 30:14

Nahoana Yaveh no mananatra ireo Israelita?

Mananatra ireo Israelita Yaveh noho ireo heloka sy otan'izy ireo.

Jeremiah 30:16

Ho ataon'i Yaveh inona ireo izay nampijaly an'Israely?

Handevona ny fahavalon'izy ireo Izy ary hisambotra ka hambabo azy ireo.

Inona no ho ataon'i Yaveh an'Israely?

Hanasitrana ny ratran'Israely Yaveh.

Jeremiah 30:18

Inona no ho ataon'ireo olona rehefa tafatsangana indray ilay tanàna?

Hihira hira fiderana izy ireo, hitombo isa izy ireo, ary Yaveh dia hanome voninahitra azy ireo.

Jeremiah 30:20

Inona no ho ataon'i Yaveh rehefa natafapetraka ny fiangonan'Israely Izy?

Hanendry mpitarika ho an'Israely Izy.

Jeremiah 31

Jeremiah 31:1

Andriamanitra toy ny ahoana Yaveh?

Izy dia ho Andriamanitry ny fokon'Israely rehetra.

Ahoana nahazoan'ny vahoakan'Israely fankasitrahana tamin'i Yaveh?

Nahita fankasitrahana tamin'i Yaveh izy ireo satria tia azy ireo amin'ny fitiavana maharitra mandrakizay Yaveh.

Jeremiah 31:4

Inona no ho ataon'Israely virijiny rehefa hanangana azy Yaveh?

Hivoaka amin'ny dihim-pifaliana izy ary hanana vokatra tsara.

Jeremiah 31:7

Iza no navotan'i Yaveh?

Namonjy ireo sisa velona tao Israely Izy.

Jeremiah 31:8

Aiza no hamerenan'i Yaveh ireo sisa velon'Israely?

Hitondra azy ireo hiverina avy any amin'ny tany avaratra ary any amin'ny tapany lavitra indrindra ny tany izy.

Jeremiah 31:10

Iza "ilay nanaparitaka an'Israely?

Yaveh no nanaparitaka an'Israely.

Jeremiah 31:12

Inona avy ireo famantarana ny hatsaran'i Yaveh?

Ireo olona dia hanana sakafo maro be, divay, menaka, ary biby fiompy.

Jeremiah 31:13

Inona no ho ataon'ireo olona rehefa mijanona misaona izy ireo?

Hanao fankalazana izy ireo.

Jeremiah 31:15

Nahoana no misy fidradradradrana sy fitomaniana mafy ao Rama?

Hisy fidradradradrana sy fitomaniana mafy ao Rama satria maty ireo zanak'i Rahely.

Jeremiah 31:16

Nahoana no tokony hitsahatra tsy hitomany ireo olona?

Yaveh dia hitondra ny taranak'izy ireo hiverina avy any amin'ny tanin'ny fahavalo.

Jeremiah 31:18

Nahoana Yaveh no hanana famindram-po amin'i Efraima?

Hanana famindram-po Izy satria Efraima dia menatra amin'ireo otany.

Jeremiah 31:23

Nahoana ireo olona no hilaza: "Hitahy anao anie Yaveh"?

Hilaza izy ireo fa satria ireo olona dia hipetraka any amin'ireo tanan-dehibe ary ireo tantsaha sy mpamboly dia hipetraka any ambanivohitra.

Jeremiah 31:27

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny ankohonan'Israely sy Joda izay nongotany sy noravany?

Hiahy azy ireo Yaveh mba ahafahany manarina azy ireo sy mamboly azy ireo indray.

Jeremiah 31:29

Inona ilay fomba fiteny izay tsy ho ampiasain'ny vahoakan'Israely sy Joda intsony?

Ilay fomba fiteny dia: "Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo."

Nahoana no tsy ampiasa io fiteny io intsony ireo olona?

Ny olona rehetra dia ho fatin'ny otany.

Jeremiah 31:33

Inona ilay fanekena vaovao izay napetrak'i Yaveh niaraka tamin'ny ankohonan'Israely sy Joda?

Ilay fanekena vaovao dia tpy izao: Hanoratra ny lalàny ao am-pon'izy ireo Yaveh.

Jeremiah 31:35

Ho firenena foana Israely mandra-panjavon'ny inona?

Ho firenena foana Israely raha mbola tsy manjavona ny masoandro, volana, kintana, sy ny ranomasina.

Jeremiah 31:37

Yaveh dia handà an'ireo taranak'Israely rehefa zavatra roa inona no mitranga?

Izy ireo dia ho firenena raha mbola tsy misy olona nandrefy ny hahavon'ny lanitra na nahita ny fanambanin'ny tany.

Jeremiah 31:38

Rahoviana ilay tanàna no ho hatsangana indray, ho lehibe ve izany sa ho kely no ilay teo aloha?

Ho ngeza izany.

Jeremiah 32

Jeremiah 32:1

Taiza i Jeremia rehefa nanome ilay hafatra ho azy Yaveh?

Jeremia dia voatana tao am-ponja teo amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpanjakan'i Joda.

Inona no nataon'ireo tafika Babyloniana?

Nanafika an'i Jerosalema izy ireo.

Jeremiah 32:3

Nahoana no nogadrain'i Zedekia i Jeremia?

Nogadrai'i Zedekia izy satria i Jeremia dia naminany fa i Jerosalema sy Zedekia dia ho samborin'ireo Babylona.

Jeremiah 32:6

Inona no nambaran'i Yaveh tamin'i Jeremia fa hitranga?

Yaveh dia niteny tamin'i Jeremia fa i Hanamela zanaka lahin'i Saloma dadatoanao dia ho any amin'i Jeremia ary hiteny hoe: "Vidio ho anao ny sahako izay any Anatota, fa ianao no manan-jo hividy izany".

Jeremiah 32:10

Ahoana no nataon'i Jeremia mahakasika ilay fividianana ilay tany?

Nanao sonia ary nanisy tombo-kase ny taratasy famarotana i Jeremia, nadanja ny volafotsy teo amin'ny mizana, ary nanome ilay horonan-taratasy voatombo-kase tamin'i Baroka teo anatrehan'ireo vavolombelona.

Jeremiah 32:13

Inona no nasain'i Jeremia nataon'i Baroka amin'ilay horonan-taratasy voatombo-kase?

Nasain'i Jeremia noraisin'i Baroka ilay horonan-taratasy miaraka tamin'ny rosian'ny fividianana ka hoarotsany ao anaty siny vaovao.

Hafatra fanantenana inona no tian'i Yaveh omena tamin'ny alalan'ilay fividianana tany?

Tian'i Yaveh ho fantatry ny olona rehetra fa ireo olona dia te hividy trano indray, hiviy saha, ary ireo tanim-boaloboka tao amin'ilay tany.

Jeremiah 32:16

Ahoana no nanamboaran'i Yaveh ny tany sy ny lanitra?

Nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny alalan'heriny lehibe sy ny tanany nisandratra.

Jeremiah 32:19

Ahoana nampalazan'i Yaveh ny anarany?

Nitondra ny vahoakan'Israely hivoaka ny tany Egypta Izy.

Jeremiah 32:22

Inona no nataon'ireo vahoakan'Israely taorian'ny nanomezan'i Yaveh azy ireo ny tany?

Tsy nankatò Azy ireo.

Jeremiah 32:24

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'i Jeremia rehefa ho atolotra ho eo an-tanan'ireo Babyloniana ny tanànan'i Jerosalema?

Nasainy nividy saha izy.

Jeremiah 32:26

Ahoana no fomba hisamboran'i Nebokadnezara?

Ho toloran' Yaveh azy ilay tanàna.

Jeremiah 32:31

Hatramin'ny oviana i Jerosalema no fihantsiana ho an'i Yaveh?

Jerosalema dia fihantsiana ny hatezeran'i Yaveh hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo azy.

Jeremiah 32:33

Inona no natao 'ireo vahoakan'Israely mba hiantsiana an'i Yaveh?

Nanome lamosina an'i Yaveh izy ireo, nametraka ireo zavatra ratsy tao amin'ny tempoly , nanamboatra fitoerana masina ho an'i Bala, ary nanao sorona ny zanak'izy ireo ho an'i Moleka.

Jeremiah 32:36

Inona no fampanantenan'i Yaveh ho an'ire vahoakan'i Joda na dia ratsy fanahy aza izy ireo?

Nampanantena ny hanangona azy ireo any amin'ny tany izay misy azy ireo any Izy ary hamerina azy ireo any amin'ilay tany.

Jeremiah 32:38

Ahoana no hamatsian'i Yaveh ny vahoakan'i Joda?

Hanome azy ireo fo iray sy fomba iray hafa hanomezana voninahitra Azy Izy, ary hametraka fanekena mandra-pahafaty niaraka tamin'izy ireo.

Jeremiah 32:41

Tahaka ny nitondran'i Yaveh ny loza teo amin'ireo olona, inona ihany koa no ho ataony amin'izy ireo amin'ny fotoana ho avy?

Yaveh dia nilaza fa hitondra zavatra tsara ho azy ireo araka ny efa nambarany.

Jeremiah 33

Jeremiah 33:1

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Jeremia?

Yaveh dia niteny tamin'i Jeremia mba hiantso azy.

Jeremiah 33:4

Inona no saika ho ataon'ireo Kalideana (Babyloniana) tamin'ireo trano tao amin'ny tanàna?

Saika ho fenoin'izy ireo vata-mangatsiaka ireo trano.

Jeremiah 33:6

Inona no vaovao mahafaly nozarain'i Jeremia tamin'ny vahoakan'i Joda?

Yaveh dia hamela ny helok'ireo vahoaka, hanasitrana azy ireo, ary hanome fiadanana azy ireo.

Ho lasa inona ho an'i Yaveh ilay tanana?

Lasa ho antom-pifalian'i Yaveh i Jerosalema.

Jeremiah 33:12

Toy ny ahoana ny fiovan'ny tanànan'i Joda?

Lasa lao ireo tanànany ankehitriny, saingy ireo mpiandro ondry dia hitondra ireo ondriny eny amin'ireo.

Jeremiah 33:14

Inona no nampanantenain'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo vahoakan'i Joda sy Jerosalema?

Yaveh dia nampanantena fa hanao ny taranak'i Davida ho mpanjakan'izy ireo mba ahafahany rariny sy ny fahamarinana ao amin'ilay tany.

Jeremiah 33:17

Inona no nampanantenain'i Yaveh an'i Jeremia?

Nampanantena izy fa hisy lehilahy avy amin'ny tarank'i Davida hanapaka an'Israely ary mpisorona Levitikosy iray hanatitra ireo sorona.

Jeremiah 33:19

Rahoviana Yaveh no hampitsahatra ny fanekeny amin'i Davida?

Tsy hanatsahatra izany Izy.

Firy ny taranaka hoananan'i Davida?

Davida dia hanana taranaka maro tsy tambo isaina.

Jeremiah 33:23

Inona no nambaran'ny olona mahakasika ny famaizan'i Yaveh an'i Joda?

Nanambara ireo olona fa Yaveh dia efa nandà ireo foko roa izay nofidiany, koa tsy firenena intsony izy ireo.

Jeremiah 33:25

Rahoviana Yaveh no hampitsahatra ny fanekeny amin'i Jakoba?

Tsy hanatsahatra izany Izy.

Jeremiah 34

Jeremiah 34:1

Oviana i Jeremi no nandray ilay teny avy amin'i Yaveh?

Nandray ny tenin'i Yaveh i Jeremia rehefa niantsy ady tamin'i Jerosalema sy ireo tanànany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny tafiny rehetra.

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Jeremia?

Nilaza Izy fa hanolotra ilay tanàna ho an'i Nebokadnezara.

Jeremiah 34:4

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda.

Niteny tamin'i Zedekia Izy fa ho faty ampiadanana izy.

Jeremiah 34:10

Inona no nitranga taorian'ny nanafahan'ireo mpitarika sy ny vahoakan'i Jerosalema ireo mpanompony Israelita?

Ireo olona dia nanafaka ny mpanompony rehetra saingy taty aoriana dia niova hevitra izy ireo ary nanandevo ireo mpanompony indray.

Jeremiah 34:12

Inona no nodidian'i Yaveh ireo razamben'Israely ho ataon'izy ireo isaky ny fito taona?

Nodidiany hanafaka ny andevony izy ireo isaky ny fito taona.

Jeremiah 34:15

Inona no faharatsiana nataon'ireo vahoakan'i Joda?

Nafahan'izy ireo ny andevony, saingy avy eo dia noteren'izy ireo hiverina ho andevo indray.

Jeremiah 34:17

Ahoana no hamaizan'i Yaveh azy ireo?

Ho fatin'ny sabatra, aretin-mandringana, ary mosary izy ireo.

Toy ny ahoana no nanehon'ireo olona ny fankatoavan'izy ireo ilay fanekena?

Notapahin'izy ireo roa ny ombilahy ary nandeha teo anelanelan'izany izy ireo.

Jeremiah 34:20

Ahoana no hamoahan'i Yaveh ny hatezerany amin'ny vahoakan'i Joda?

Ho atolony eo amin'ireo fahavalony izay hamono azy ireo izy ireo.

Inona no hitranga amin'ny tanànan'i Jerosalema?

Yaveh dia hitondra ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona hiverina hiantsy ady amin'i Jerosalema ary handoro izany mba tsy hisy mponina intsony ao amin'izany.

Jeremiah 35

Jeremiah 35:1

Inona no nangatahan'i Yaveh an'i Jeremia mba ho ataony?

Yaveh dia nangataka an'i Jeremia mba hitondra Rekabita ho ao amin'tempoly ary hanome azy ireo divay ho sotroina.

Jeremiah 35:5

Ahoana no namalian'ireo foko Rekabita rehefa notolorana divay ho sotroina izy ireo?

Rehefa notolorana ilay divay ho sotroina ireo Rekabita dia nandà tsy hisotro izany izy ireo.

Inona no antony nandàvan'ireo Rekabita tsy hisotro ilay divay?

Ireo Rekabita dia nandà tsy hisotro rehefa divay, satria ireo razamben'izy ireo, Jonabada zanaka lahin'i Rekaba, dia nandidy azy ireo hoe: "aza misotro rehefa divay mandrakizay, ianareo sy ny taranakareo.

Nahoana i Jonabada no nandidy ireo Rekabita tsy hanorina trano, tsy hamafy voa, na hamboly tanimboaloboka?

Nanome azy io didy io i Jonabada satria izy ireo dia natao hiaina ao anaty lay izy ireo.

Jeremiah 35:8

Ahoana no namalian'ireo Rekabita ny didin'i Jonabada?

Ireo Rekabita dia tsy mbola nisotro divay na manambotra trano.

Nahoana ireo Rekabita no mipetraka tao Jerosalema?

Izy ireo dia nandositra ireo Kaldena sy ireo tafika Syriana.

Jeremiah 35:12

Ahoana no nanaovan'i Yaveh ohatra ho an'ireo olon'i Joda ireo Rekabita?

Tian'i Yaveh hankatoa Azy toy ny nankatoavan'ireo Rekabita an'i Jonabada ireo lehilahin'i Joda.

Jeremiah 35:15

Inona no nolazain'ireo mpaminany tamin'ireo lehilahin'i Joda?

Ireo mpaminany dia niteny tamin'izy ireo mba hanatsahatra ny fanaovana ratsy, ary hanao ny tsara, hijanona amin'ny fanompoana ireo andriamanin-kafa, ary hiverina ao amin'ilay tany.

Jeremiah 35:17

Inona no ho ataon'i Yaveh satria tsy nankatò Azy ireo lehilahin'i Joda?

Hitondra ny loza rehetra izay efa nambarany eo amin'izy ireo Yaveh.

Jeremiah 35:18

Inona no fampanantenana nomen'i Yaveh an'ireo fianakavian'ireo Rekabita tamin'ny alalan'i Jeremia?

Nampanantena Yaveh fa hisy olona avy amin'ny fianakavian'izy ireo hanompo Azy.

Jeremiah 36

Jeremiah 36:1

Nahoana i Jeremia no tian'i Yaveh hanoratra ny teniny eo amin'ny horonan-taratasy?

Nasainy Yaveh nosoratan'i Jeremia teo amin'ny horonan-taratasy ny teniny mba ahafahan'ny vahoakan'i Joda mihaino an'i Yaveh ary afaka hamela ny helok'izy ireo Yaveh.

Jeremiah 36:4

Inona no nasain'i Jeremia nataon'i Baroka?

Nasain'i Jeremi naka ilay horonan-taratasy misy ny teniny i Baroka ary novakiany tamin'ny fianakavian' i Baroka sy ny vahoakan'i Joda izany.

Jeremiah 36:7

Nahoana no tian'i Jeremia novakian'i Baroka ilay horonan-taratasy?

Jeremia dia nanantena fa hihaino ireo olona ary hiala amin'ny fomba ratsiny.

Jeremiah 36:9

Inona no nitranga nandritra ny fifandian-kanina izay nambara ho voninahitr'i Yaveh?

Novakian'i Baroka ny tenin'i Yaveh tao amin'ny Tempoly koa mba afaka nandre izany ny olona rehetra.

Jeremiah 36:11

Inona no nataon'i Mikaia rehefa nandre an'i Baroka namaky ilay horonan-taratasy?

Nankany amin'ny biraon'ny mpitan-tsoratra tao amin'ny lapa izy.

Jeremiah 36:13

Inona no nataon'ireo manam-pahefana rehefa nandre ny tatitr'i Mikaia izy ireo?

Naniraka an'i Jehody hitondra an'i Baroka eo aminy izy ireo, ary nasaina novakian'i Baroka teo amin'izy ireo ilay horonan-taratasy.

Jeremiah 36:16

Inona no nitranga rehefa avy namaky ilay horonan-taratasy i Baroka?

Natahotra ireo lehilahy rehefa avy nandre an'i Baroka namaky izany ary nanapa-kevitra fa tsy maintsy mitatitra io teniny io any amin'ny mpanjaka.

Inona no soso-kevitra natolotr'ireo manam-pahefana an'i Baroka rehefa avy niteny azy ireo izy fa nanoratra ny tenin'i Jeremia teo amin'ilay horonan-taratasy fotsiny izy.

Hoy izy ireo taminy fa izy sy Jeremia dia mila miafina ary miteny amin'iza na amin'iza izay misy azy ireo.

Jeremiah 36:23

Ahoana no namalian'ilay mpanjaka ilay vakin-tenin'ilay horonan-taratasy novakian'i Jehody?

Notapahan'ny mpanjaka ilay ampahany novakian'i Jehody ary natsipiny tany anaty afo izany mandra-pahalevon'ilay horonan-taratasy manontolo.

Ahoana no nampisehoan' ny mpanjaka sy ireo mpanompony fa izy ireo dia tsy nankatò ny teny tao amin'ilay horonan-taratasy?

Tsy natahotra izy ireo, na nandrovitra ny akanjony izy ireo.

Jeremiah 36:25

Inona no nataon'ilay mpanjaka rehefa nisy lehilahy maromaro no nandrisika azy handoro ilay horonan-taratasy?

Tsy nihaino azy ireo izy.

Jeremiah 36:27

Inona no nasain'i Yaveh ataon'i Jeremia rehefa nodoran'ilay mpanjaka ilay horonan-taratasy?

Niteny tamin'i Jeremia Izy mba hanoratra ny teny rehetra tao amin'ilay horonan-taratasy voaloahany eo amin'ilay horonan-taratasy vaovao indray i Baroka.

Jeremiah 36:30

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'i Joiakima?

Nilaza Izy fa tsy hamela ny taranak'i Joiakima ho lasa mpanjaka ary ho ataony azo antoka fa tsy hisy handevona ny vata-mangatsiaka an'i Joiakima.

Jeremiah 37

Jeremiah 37:1

Iza no nametraka an'i Zedekia ho mpanjaka?

Nebokadnezara no nanao azy ho lasa mpanjaka.

Ahoana no namalian'i Zedekia mpanjaka an'i Jeremia rehefa nanambara ny tenin'i Yaveh izy?

Zedekia dia tsy nihaino ny tenin'i Yaveh.

Jeremiah 37:3

Inona no nasain'i Zedekia mpanjaka sy Zefania ho ataon'i Jeremia?

Nangataka taminny izy ireo mba hivavaka amin'i Yaveh ho azy ireo.

Inona no antony nandaozan'ireo Kaldeana (ireo Babyloniana"?

Te hiala lavitra an'i Farao izay nivoakan'i Egypta izy ireo.

Jeremiah 37:6

Inona nolazain'i Yaveh amin'i Jeremiah fa htranga rehefa miverina ao Egypt

Nilaza izy fa ireo Kaldeana dia hiverina ireo Kalideana, hiady hanohitra ilay tanàna, hisambotra izanr

Inona no nasain'i Yaveh tamin'i Jeremi fa hitranga aorian'ny iverenan'iy .

Nilaza Izy fa ireo fa hiverina ireo Kaldeana, hiady amin'ilay tanàna, hisambotra izany, ary hiverina

Jeremiah 37:11

Nahoana i Jeremia no nandao an'i Jerosalema?

Nandeha izy mba haka tany hafa.

Ahoana ny eritreritr'i Jeria amin'izay ho ataon'iJeremia?

Nieritreritra i Jeriah fa i Jeremia dia nitsoaka ireo Kalideana.

Jeremiah 37:14

Inona no nataon'i Jeria rehefa nilaza taminy i Jeremia fa tsy nitsoaka ireo Kalideana izy?

Nentin'i Jeria nankany amin'ireo manam-pahefana i Jeremia, izay novelesina sy natao tao am-ponja.

Jeremiah 37:16

Ahoana no namalian'i Jeremia an'i Zedekia mpanjaka rehefa nanontany azy i Zedekia raha manana teny avy amin'i Yaveh izy?

Nolazain'i Jeremia tamin'i Zedekia fa Yaveh dia hanolotra an'i Zedekia ho eo amin'ny mpanjakan'i Babylona.

Jeremiah 37:18

Nahoana i Jeremia no tsy te hiverina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpisorona?

Natahotra ny ho faty tany izy.

Jeremiah 37:21

Ahoana no namalian'i Zedekia ny fangatahan'i Jeremia?

Nasainy nentin'ireo mpanompony teo amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia.

Jeremiah 38

Jeremiah 38:1

Inona no hahazo ireo izay mijanona tao amin'ilay tanàna?

Ho fatin'ny sabatra, mosary ary aretin-mandringana izy ireo.

Ahoana no fomba hijanonan'ireo olona ho velona?

Afaka mijanona ho velona izy ireo raha toa ka mivoka ao amin'ireo Kaldeana.

Inona no hitranga amin'ilay tanàna?

Hisambotra izany ireo Kaldeana (Babyloniana).

Jeremiah 38:4

Nahoana no irian'ireo manam-pahefana ho faty i Jeremia?

Tian'izy ireo ho faty i Jeremia satria niteny an'ireo miaramila mba hitsoaka an'ireo Kaldeana.

Jeremiah 38:6

Inona no nataon'ireo manam-pahefana an'i Jeremia?

Nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano izy.

Jeremiah 38:7

Inona no nolazain'i Ebeda-Meleka tamin'ny mpanjaka mahakasika an'i Jeremia?

Nolazainy tamin'ny mpanjaka fa ireo manam-pahefana dia nanao ratsy tamin'ny fomba nanaovan'izy ireo an'i Jeremia mpaminany. Natsipin'izy ireo tao anaty famorian-drano mba ho fatin'ny hanoanana ao amin'izany izy.

Jeremiah 38:10

Inona no nandidian'i Zedekia mpanjaka an'i Ebeda-Meleka mahakasika an'i Jeremia?

Zedekia mpanjaka dia nandidy an'i Ebeda-Meleka mba haka lehilahy telopolo ary hamoaka an'i Jeremia ao anatin'ilay famorian-drano mialohan'ny hafatesany ao amin'izany.

Jeremiah 38:14

Ahoana no eritreritr'i Jeremia mahakasika ny ho ataon'i Zedekia raha toa ka milaza ny marina aminy izy?

Nieritreritra izy hoe ho vonoin'i Zedekia.

Ahoana no nandresen'i Zedekia lahatra an'i Jeremia mba hanomezany valinteny ho azy?

Nianiana tamin'i Yaveh i Zedekia fa tsy hamono azy.

Jeremiah 38:17

Inona no nolazain'i Jeremia an'i Zedekia?

Niteny tamin'i Zedekia i Jeremia fa raha toa ka nivoaka tao amin'ireo Kaldeana izy dia hihaina, saingy raha toa ka tsy mivoka dia ho ravaina izy sy ilay tanàna.

Jeremiah 38:19

Nahoana no natahotra ny vahoakan'i Joda izay nitsaoka an'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjaka?

Natahotra izy fa i Nebokadnezara dia hamela azy ireo ho ampijaly mafy azy.

Jeremiah 38:20

Inona no antoka nomen'i Jeremia an'i Zedekia mpanjaka?

Nolazainy tamin'i Zedekia mpanjaka fa raha mankatò ny hafatra avy amin'i Yaveh i Zedekia dia hamela ireo olona hampijaly mafy an'i Zedekia i Nebokadnezara.

Jeremiah 38:22

Inona no ho ataon'ireo vehivavy raha toa ka mandà ny hiala i Zedekia?

Hibedy azy izy ireo ary hiteny ratsy aminy.

Jeremiah 38:24

Inona no nolazain'i Zedekia an'i Jeremia mba ho lazainy ami'izay irehetra manontany azy momban'izay noresahany izy sy Zedekia?

Nolazain'i Jeremia mba hiteny azy ireo fa izy dia lasa nanao fangatahana niaraka taminy mba tsy hiverenan'i Jeremia ao amin'ny tranon'i Jonatana mba ho faty.

Jeremiah 38:27

Inona no nitranga rehefa nanontanian'ireo manam-pahefana tao amin'ny ankohonan'i Joda i Jeremia?

Notenenin'i Jeremia tamin'izy ireo izay nasain'i Zedekia ho ambarany.

Jeremiah 39

Jeremiah 39:1

Iza no tonga niaraka tamin'ny tafiny hanohitra an'i Jerosalema ary hanafika izany?

Nebokadnezara izany.

Iza ilay tanàna noravaina?

Ny tanànan'i Jerosalema no noravaina.

Iza no tonga ary nipetraka teo afivoan'ny vavahady?

Ireo manam-pahefana ny mpanjaka rehetra dia tonga ary nipetraka teo afivoan'ny vavahady.

Jeremiah 39:4

Inona no nataon'i Zedekia sy ireo lehilahy mpiadiny rehetra rehefa nahita ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona teo afivoan'ny vavahady?

Nitsoaka an'ilay tanàna izy ireo.

Inona no nataon'ny tafik'ireo Kaldeana (Babyloniana) rehefa navoasambotra an'i Zedekia izy ireo?

Nisambotra azy izy ireo ary nitondra azy tany amin'i Nebokadnezara.

Jeremiah 39:6

Inona no nataon'i Nebokadnezara rehefa nentina teo anoloan'i Zedekia?

Novonoiny ireo zanaka lahin'i Zedekia ary ireo lehilahy manan-kajan'i Joda.

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Babylona an'i Zedekia?

Nesoriny ny mason'i Zedekia ary nofatorany mba ahafahany mitondra an'i Zedekia any Babylona.

Jeremiah 39:8

Inona no natraon'ireo Kaldeana (Babyloniana) tamin'ireo ankohonana sy mandan'i Jerosalema?

Nodoran'izy ireo.

Iza no nentin'i Nebokadnezara natao sesitany?

Nentiny natao sesitany ireo olona ambony izay tavela tao amin'ilay tanàna sy ireo vahoaka izay nitsoaka an'ireo Kaldeana.

Olona inona no navelan'i Nebokadnezara hipetraka teo amin'ilay tanànan'i Joda?

Navelany hipetraka teo ireo olona faran'izay mahantra.

Inona no nomen'i Nebokadnezara ho an'ireo olona izay nijanona?

Nanome tanim-boaloboka sy saha ho an'ireo olona izay tavela tao i Nebokadnezara.

Jeremiah 39:11

Inona no nasain'i Nebokadnezara nataon'i Nebozaradana mahakasika an'i Jeremia?

Nebokadnezara dia niteny tamin'i Nebozaradana mba hikarakara an'i Jeremia ary hanao izay asain'i Jeremia ataony.

Inona no nataon'i Nebozaradana, Nergala Sarezera, ary ny manam-pahefana farany ambony tamin'i Jeremia?

Nentin'izy ireo avy tao amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia ary nanankina azy tamin'i Gedalia mba haka ny tranon'i Jeremia.

Jeremiah 39:15

Inona no nasain'i Yaveh lazain'i Jeremia amin'i Ebeda-Maleka ilay Kosita?

Yaveh dia niteny tamin'i Jeremia ny mba hilazainy amin'i Ebeda-Maleka ilay Kosita fa Yaveh dia efa hitondra loza.

Jeremiah 39:17

Inona no ho lazain'i Yaveh fa hitranga amin'i Ebeda-Maleka amin'ny andro hanatanterahan'i Yaveh

Niteny izy fa hamonjy an'i Ebeba-Maleka.

Inona no antony hqmonjen'i Yaveh an'i Ebeda-Maleka amin'ny sabatra?

Hamonjy an'i Ebeda-Maleka izy satria nahatoky an'i Yaveh.

Jeremiah 40

Jeremiah 40:1

Inona no tonga tamin'i Jeremia taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana azy lavitra an'i Rama?

Ny tenin'i Yaveh no tonga teo amin'i Jeremia taorian'ny nandefasan'i Nebozardana azy hanalavitra an'i Rama.

Inona no ho ataon'i Nebozaradana amin'ireo vahoakan'i Jerosalema sy Joda?

Efa nikasa ny andefa azy ireo ho any Babylona izy.

Nahoana ny lehiben'i ny mpiambina no mitantara an'i Jeremia mahakasina an'i Yaveh sy Jerosalema.

Nilaza ilay lehiben'ny mpiambin fa Yaveh dia efa namoaka loza amin'izany toerana izany

Jeremiah 40:3

Aiza no afaka alehan'i Jeremia hoy ilay lehiben'ny mpiambina?

Nilaza izy fa i Jeremia dia afaka miaraka aminy mankany Babylona na mandeha any amin'izay tany tiany.

Jeremiah 40:5

Tany amin'iza no nolazain'ilay lehiben'ny mpiambina fa tokony alehan'i Jeremia?

Nilaza izy fa i Jeremia dia tokony ho any Gedalia izay mpiandraikitra ireo tanànan'i Joda.

Taiza no nandehanan'i Jeremia sy nipitrehany?

Nankany Gedalia i Jeremia ary nipetraka teo amin'ireo olona izay nahilika teo amin'ilay tany.

Jeremiah 40:7

Inona no nataon'ireo mpifehin'ireo miaramila Jodeana sy ireo lehilahiny rehefa nandre izy ireo fa Gedalia no nampiandraiketina ireo rehetra izay natao sesitany tany Babylona.

Nankany Gedalia tao Mizpa izy ireo.

Jeremiah 40:9

Inona no nolazain'i Gedalia tamin'ireo mpifehin'ireo miaramila Jodeana sy ireo lehilahiny fa ho ataon'izy ireo?

Nilaza izy fa raha manompo ireo manam-pahefana Kaldeana sy ny mpanjakan'i Babylona izy ireo ka hiaina indray ao amin'ilay tany dia ho hilamina izy ireo.

Jeremiah 40:11

Inona no nataon'ireo Jodeana rehefa nandre izy ireo fa ny mpanjakan'i Babylona dia efa namela ny sisan'i Joda hipetraka?

Niverina tao Joda ireo Jodeana avy any amin'ny toerana rehetra izay nanaparitahana azy ireo, ary nioty voaloboka sy voakazom-pahavaratra maro be izy ireo.

Jeremiah 40:13

Inona no nanontanian'i Johanana sy ny tafika mpifehy rehetra an'i Gedalia tany Mizpa?

Nanontany azy izy ireo raha fantany fa i Balisa mpanjakan'i Amona dia efa nandefa an'Ismaely hamono azy.

Ahoana no eritreritr'i Gedalia momban'ny zavatra izay nolazain'i Jonatana sy ireo tafika mpifehy taminy

Tsy nino azy ireo izy.

Jeremiah 40:15

Inona no nolazain'i Johanana tamin'i Gedalia fa tiany ho atao?

Te hamono an'i Ismaela izy.

Ahoana ny eritreritr'i Gedalia mahakasika ny tenin'i Jonatana mahakasika an'i Ismaela?

Gedalia dia nieritreritra fa niteny lainga momban'i Ismaela i Jonatana.

Jeremiah 41

Jeremiah 41:1

Nahoana Ismaela sy ireo lehilahy folo niaraka taminy no tonga nisakafo niaraka tamin'i Gedalia?

Te hamono an'i Gedalia izy ireo.

Iza no no novonoin'Ismaela sy ireo lehilahiny folo?

Novonoin'izy ireo i Gedalia, ny Jodeana rehetra izay niaraka taminy, ary ny miaramila Kaldeana izay teo.

Jeremiah 41:4

Iza no tonga tamin'ny andro faharoa taorian'ny namonoan'Ismaela an'i Gedalia?

Nisy lehilahy valopolo tonga avy any Sekema, Silo, ary Samaria.

Taiza no nalehan'izy ireo?

Nankany amin'ny Tempoly izy ireo.

Jeremiah 41:6

Inona no nolazain'Ismaela tamin'ireo lehilahy valopolo?

Nasainy hitsidika an'i Gedalia izy ireo.

Nataon'Ismaela sy ireo lehilahiny inona ireo lehilahy valopolo rehefa tonga tao amin'ilay tanàna izy ireo.

Novonoin'izy ireo ireo lehilahy ary nariany tany anaty lavaka.

Jeremiah 41:8

Naninona no tsy novonoin'izy ireo ny lehilahy folo tamin'reo valopolo?

Nilaza tamin'izy ireo ireo lehilahy folo fa izy ireo dia manana vatsy.

Taiza no nanarian'Ismaela ireo vata-mangatsiaka ny olona rehetra izay novonoiny?

Natsipiny tany anaty lavaka izay nangadian'i Asa mpanjaka izy ireo.

Jeremiah 41:10

Nataon'Ismaela inona ireo olona hafa rehetra izay tao Mizpa?

Nosamborin'Ismaela ireo olona hafa rehetra izay tao Mizpa ary nentiny tany Amona.

Jeremiah 41:11

Inona no nataon'i Johanana sy ireo mpifehin'ny tafika niaraka taminy rehefa nandre ny zavatra vitan'Ismaela izy ireo?

Nalain'izy ireo ny lehilahy rehetra ary nentiny hiady amin'Ismaela.

Jeremiah 41:13

Inona no nataon'ireo olona izay niaraka tamin'Ismaela rehefa nahita an'i Johanana sy ny mpifehin'ny tafika rehetra niaraka taminy izy ireo?

Faly izy ireo ary nankany amin'i Johanana.

Jeremiah 41:15

Taiza no nalehan'Ismaela sy ireo lehilahiny rehefa niala lavitra an'i Johanana?

Nankany amin'ny vahoakan'i Amona izy ireo.

Jeremiah 41:17

Taiza no nalehan'i Johanana sy ireo vahoaka taorian'ny nandaozan'izy ireo an'i Mizpa?

Nankany Gerota Kimama izy ireo, izay teny akaikin'i Betlehema.

Taiza no tian'i Johanana sy ireo olona ho aleha?

Naniry ny ho any Egypta izy ireo.

Inona no antony nanirian'izy ireo andeha ho any Egypta?

Natahotra ireo Kaldeana izy ireo.

Inona no natahoran'i Johanana sy ireo olona an'ireo Kaldeana?

Natahotra izy ireo satria Ismaela dia namono an'i Gedalia.

Jeremiah 42

Jeremiah 42:1

Inona no nolazain'ny mpifehin'ny tafika rehetra sy ny olona rehetra tamin'i Jeremia?

Izy ireo dia nangataka azy mba hivavaka ho azy ireo ary hilaza amin'izy ireo ny lalana tokony ho alehany sy izay tokony ataon'izy ireo.

Jeremiah 42:4

Ahoana no namalian'i Jeremia azy ireo?

Nilaza izy fa hivavaka ho azy ireo ary hiteny amin'izy ireo izay valintenin'i Yaveh rehetra.

Inona no nolazain'ireo olona tamin'i Jeremia?

Nilaza izy ireo fa hanao izay rehetra asain'i Yaveh ataon'izy ireo.

Jeremiah 42:7

Inona no nitranga folo andro taty aoriana?

Taorian'ny folo andro dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh.

Jeremiah 42:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony satria efa momban'izy ireo Izy?

Nilaza izy fa hamonjy azy ireo, hanome famindram-po sy hangoraka azy ireo, ary hitondra azy ireo hiverina eo amin'ilay tany.

Jeremiah 42:15

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga raha toa ka mankany Egypta ireo olona mba hipetraka any?

Raha mandeha miaina any Egypta izy ireo dia niteny Yaveh fa ho fatin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana any izy ireo.

Jeremiah 42:18

Ho lasa inona izy ireo raha toa ka mankany Egypta?

Ho lasa antom-panozonana izy ireo ary tsy hiverina intsony.

Maninona ireo olona no tsy hahita ilay tany intsony?

Yaveh dia efa nilaza tamin'izy ireo mba tsy ho any Egypta, ka ho tezitra amin'izy ireo Izy raha mankany izy ireo.

Jeremiah 42:20

Nahoana ireo olona no hivarotra ny ain'izy ireo raha mankany Egypta?

Hivarotra ny ainy izy ireo satria izy ireo dia nangataka tamin'i Jeremia ny mba hanomezana ny hafatr'i Yaveh, saingy izy ireo dia tsy nanao izay nasain'i Yaveh nataon'izy ireo.

Jeremiah 43

Jeremiah 43:1

Inona no avy nambaran'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra?

Namarana ny fanambarana ny teny rehetra izay nasainy Yaveh nolazainy izy.

Jeremiah 43:4

Inona no nataon'i Johanana sy ireo hafa raha toa ka tsy nanao izay nasain'i Yaveh nataony izy ireo?

Nankany Egypta izy rehetra.

Jeremiah 43:8

Nasain'i Yaveh nataon'i Jeremia inona ireo vato?

Nasainy nalevina teo akaikin'ny tranon'i Farao tany Tapanesa ireo mba ampisehoana fa i Nebokadnezara dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any.

Jeremiah 43:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo olona rehefa ho avy hanafika ny tany Egypta i Nebokadnezara?

Yaveh dia nilaza fa i Nebokadnezara dia hamono ny sasany amin'ireo olona ary hitondra ireo sasany hafa ho babo.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hoanaovan'i Nebokadnezara ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta?

Yaveh dia nilaza fa ho dorany izy ireo na ho samboriny.

Jeremiah 44

Jeremiah 44:1

Nahoana i Jeremia no milaza fa hitondra loza eo amin'i Jerosalema sy ireo tanànan'i Joda Yaveh?

Nilaza izany i Jeremia satria ireo olona dia nanompo ireo andriamanin-kafa.

Jeremiah 44:4

Inona no nolazain'ireo mpaminan'i Yaveh tamin'ireo olona?

Ireo mpaminany dia nilaza tamin'ireo vahoaka mba hanatsahatra ireo zavatra izay hankahalain'i Yaveh?

Inona no nataon'ireo olona rehefa avy niteny tamin'izy ireo mpaminany?

Tsy nihaino izy ireo.

Inona no nataon'i Yaveh rehefa tsy nihaino ireo mpaminany ireo Jodeana?

Nandraraka ny hatezerany sy ny fahavinirany Yaveh , ary nandrava an'i Joda sy Jerosalema.

Jeremiah 44:7

Firy tamin'ireo olona no nankany Egypta no ho avelan'i Yaveh hiaina?

Tsy hisy avelany ho velona amin'izy ireo.

Toy ny ahoana no nanafitohanan'izy ireo an'i Yaveh?

Nanafitohina an'i Yaveh izy ireo tamin'reo asan'ny tanan'izy ireo, tamin'ny fandorana dinti-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tao amin'ny tany Egypta.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo azy ireo any Egypta?

Nilaza Izy fa ho ravainy izy ireo.

Jeremiah 44:9

Iza no nolazain'i Yaveh fa nanao faharatsiam-panahy?

Nilaza Izy fa ireo olona sy ny razamben'izy ireo no nanao faharatsiana.

Jeremiah 44:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo ireo olona izay mankany Egypta?

Nilaza Yaveh fa hanandrina ny tavako amin'izy ireo Aho ary hitondra loza eo amin'izy ireo ary hamotika ny tsirairay avy amin'izy ireo toy ny namaizako an'i Jerosalema tamin'ny sabatra, mosary ary aretin-mandringana.

Jeremiah 44:13

Inona no nolazain'i Yaveh mahakasika ireo sisa tavela an'i Joda?

Nilaza izy fa tsy misy amin'ireo izay maniry hiverina any Joda no ho tafaverina, na izany aza dia vitsy ireo ho tafatsoaka an'i Egypta.

Jeremiah 44:15

Inona no noeritreretin'ireo olona fa hitranga rehefa manohy mandoro dinti-kazo manitra sy mandraraka fanatitra sotroina amin'ny mpanjaka vavin'ny lanitra izy ireo?

Ireo olona dia nihevitra fa izy ireo dia ho voky sakafo ary ho ambinina, ary tsy hiaina loza raha mandoro emboka manitra sy mandraraka fanatitra sotroina amin'ny mpanjaka vavin'ny lanitra.

Jeremiah 44:22

Inona no tsy zakan'i Yaveh intsony?

Tsy nazaka ny nataon'ireo olona intsony Izy.

Inona no nahazo ny tanin'izy ireo taorian'ny tsy nahazakan'i Yaveh ny zavatra nataon'ireo olona?

Lasa tany lao ny tanin'izy ireo, horohoro, ary ozona.

Nahoana no tonga tamin'izy ireo ny loza?

Satria izy ireo dia nandoro dinti-kazo manitra mba hanompona ireo sampy ary hanotana amin'i Yaveh, ary koa satria izy ireo dia tsy nihaino a

Jeremiah 44:24

Inona no nolazain'i Jeremia ireo izay te hanatanteraka ny voadiny tamin'ny mpanjaka vavin'ny lanitra?

Nasainy notanterahan'izy ireo voadiny.

Jeremiah 44:26

Inona no nolazain'i Jeremia an'ireo olona izay efa nanatanteraka ny voadiny?

Nolazainy tamin' izy ireo fa tsy hanompo an'i Yaveh intsony izy ireo, fa ho fatin'ny sabatra sy mosary.

Inona no hitranga amin'ireo izay tsy matin'ny sabatra?

Hiverina avy any Egypta ho any Joda izy ireo.

Jeremiah 44:29

Inona no zavatra takatr'ireo olna rehefa maty i Hofra?

Ho takatr'izy ireo fa Yaveh dia hanao ny zavatra rehetra izay efa nolazainy fa ho ataony.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'i Farao-Hofra?

Nilaza izy fa ho atolony ireo fahavalony i Farao-Hofra.

Jeremiah 45

Jeremiah 45:1

Nahoana Yaveh no nanome hafatra tamin'i Jeremia ho an'i Baroka?

Nanao izany Izy satria i Baroka dia niteny fa nanao izay nampalahelo azy Yaveh.

Jeremiah 45:4

Inona no nokasain'i Yaveh ho atao amin'ny firenen'i Baroka?

Nikasa ny hamotika izany Izy.

Inona no tsy tokony irian'i Baroka?

Tsy tokony haniry olona mba hanome voninahitra azy amin'ny fomba miavaka izy.

Inona no nampanantenain'i Yaveh fa ho ataony ho an'i Baroka.

Nampanantena Yaveh fa hiaro an'i Baroka na aiza na aiza alehany.

Jeremiah 46

Jeremiah 46:1

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'ny tafik'i Egypta?

Niteny azy ireo Izy mba haka ireo ampingany, ireo soavaliny, ireo lefony, ary ny akanjo fiarovana ka handeha hiady.

Iza ireo mpanjaka roa izay nandeha hiady?

Nandeha ho any an'ady i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy i Neko mpanjakan'i Egypta.

Jeremiah 46:5

Inona no hitan'i Yaveh nataon'ireo tafika Egyptiana?

Nahita ireo miaramila Egyptiana nitsoaka saingy resy teny amin'ny onin'i Eofrata.

Jeremiah 46:7

Nampitahain'i Yaveh tamin'ny inona ny tafika Egyptiana?

Ilay tafika dia tahaka ny reniranon'i Neily rehefa manasafotra sy manimba ireo tanàna sy ireo mponina.

Jeremiah 46:10

Ahoana no hamalian'i Yaveh faty?

Hahazo ny vali-fatiny Yaveh rehefa handevona ny sabatra ary ho afa-po. Izany dia ho toy ny sorona ho an'i Yaveh.

Jeremiah 46:11

Inona no nasain'i Yaveh ho atoany i Egypta?

Tokony hijery fanafody any Gileada izy ireo, saingy tsy hahasitrana azy ireo izany.

Jeremiah 46:13

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ny olon'i Migdola sy Memfisa?

Nasainy nandeha tany Tapanesa izy ireo ka hiady any.

Jeremiah 46:15

Inona no nitranga tamin'ireo andriamanitr'i Egypta?

Nitsoaka i Apisy ilay andriamanitra-omby ary nazeran'i Yaveh izy.

Inona no tian'ireo miaramila ho atao?

Te hody any amin'ny tranony izy ireo.

Jeremiah 46:18

Inona no nasain'i Yaveh homanin'i Egypta?

Nilaza Izy fa mila mihomana ho samborina i Egypta.

Jeremiah 46:20

Inona avy ireo biby nampitahain'ny mpanoratra an'i Egypta talohan'ny ady?

Egypta dia tahaka ny omby tanora, ary ireo miaramila nokaramaina dia tahaka ny omby matavy.

Inona no biby nampitahain'ny mpanoratra an'i Egypta taorian'ny ady?

Nilaza izy fa i Egypta dia tahaka ny bibilava.

Jeremiah 46:23

Iza no hamono ireo miaramilan'i Egypta?

Ireo olona avy any avaratra dia hamongotra azy ireo.

Jeremiah 46:25

Ho ataolotr'i Yaveh ho an'iza i Egypta?

Ho atolony an'i Nebokadnezara i Egypta.

Jeremiah 46:27

Inona nolazain'i Yaveh fa ho ataony ho an'ny vahoakany Israely?

Hanala azy ireo amin'ny fahababoana Izy, ary hamerina azy ireo eo amin'ny tany izay hahitan'izy ireo fiadanana sy filaminana, hitondra faharavana eo amin'ireo firenena izay nanaparitahana azy ireo Izy, hananatra azy ireo amin'ny rariny Izy, saingy tsy handrava tanteraka azy ireo.

Jeremiah 47

Jeremiah 47:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo an'ireo vahoakan'i Filistina.

Ho voatafika avy any avaratra izy ireo ary hitomany daholo.

Jeremiah 47:3

Amin'ny fomba ahoana no hafantaran'ny vahoakan'i Filistina fa ho avy hamotika azy ireo ny fahavalo?

Handre ny feon'ny fikatrokatrokin'ny kitron'ny soavaly matanjak'izy ireo, tamin'ny fieron'ireo kalesin'izy ireo sy ny tabataban'iny kodian'izy ireo. Hitsoaka ireo lehilahy, tsy hitsahatra ny hanampy an'ireo zaza izy ireo, ary ho osa sy tanam-polo izy ireo.

Jeremiah 47:5

Inona no nangatahan'ireo vahoakan'ny Filistina ho ataon'i Yaveh?

Izy ireo dia hangataka ny hanatsaharan'i Yaveh ny famonoana azy ireo.

Nahoana Yaveh no tsy hanatsahatra ny famonoana?

Satria Izy dia nanam-pikasana ny hanafika ny olona rehetra niaina tao Askelona sy ireo tanàna rehetra manaraka ny sisin-tany.

Jeremiah 48

Jeremiah 48:1

Inona no nolazain'i Yaveh mahakasika an'i Moaba?

Ho avy eo amiin'ireo tanàna ny fandravana, tsy hisy hanome voninahitra an'i Moaba, ary ireo fahavalony dia hiezaka ny hamotika azy toy ny firenena.

Jeremiah 48:3

Nahoana ireo olona no mihika, mitomany?

Nanao izany izy ireo satria efa potika i Moaba.

Jeremiah 48:6

Nahoana i Kemosy sy ireo mpisorony ary ireo mpitarika no ho lasa ho babo?

Izy ireo dia nametraka ny fitokinany tamin'ireo fombany sy ny harenan'izy ireo.

Jeremiah 48:8

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo tanànan'i Moaba?

Ho ravaina daholo izy ireo, tsy misy ho tafatsoaka amin'izy ireo.

Inona no tsy maintsy hitranga amin'ireo tanànan'izy ireo?

Ho lasa tanàna lao izay tsy hisy honina.

Ho ataon'i Yaveh inona ireo izay tsy mamono ireo Moabita ho Azy.

Hanozona azy ireo Yaveh.

Jeremiah 48:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo Moabita?

Nilaza izy fa handefa ireo fahavalo hanafika azy ireo ary hamongotra azy ireo.

Jeremiah 48:15

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ireo tanin'i Moaba?

Ho rava tsy ho ela izany.

Inona no tokony ataon'ireo olona izay mipetraka teny akaikin'i Moaba aorian'ny naharavany?

Tokony hanao fidradradradrana ho an'i Moaba izy ireo satria rava ny fahefan'izy ireo.

Jeremiah 48:18

Inona no tokony ataon'ny olona ao amin'ny tanànan'i Dibona sy Aroera?

Tokony hahatsikaritra izy ireo fa voatafika sy hahita ireo olona izay mitsoaka. Tokony hidradradradra, hitomany, ary hihikam-pamonjena izy ireo satria efa foana i Moaba.

Jeremiah 48:21

Inona no famaizana tonga teo amin'ny tanàna rehetra tao amin'ny tanin'i Moaba?

Nanafay tanàna maro Yaveh. Voajirika ny tandrok'i Moaba; notapahina ny sandriny.

Jeremiah 48:26

Nihevitra ireo Moabita fa izy ireo dia mahery raha mifanehitra amin'i Yaveh, saingy inona no ho ataon'i Yaveh amin'izy ireo?

Hitsara an'i Moaba Yaveh ary ireo fahavalony dia hiomehy azy ireo.

Jeremiah 48:28

Inona no tokony ataon'ireo mponina noho ireo fireharehan'izy ireo?

Tokony handao ireo tanàna izy ireo ary hitoby eny amoron'ireo hantsana eny amin'ireo vato.

Jeremiah 48:30

Nahoana no mitaraina Yaveh, hihikan'alahelo, hitomany an'ireo vahoakan'i Moaba?

Nitomany Yaveh satria fantany ilay teny miantsy nataon'i Moaba.

Jeremiah 48:33

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Moaba?

Nesoriny ny fankalazana sy ny fifalian'izy ireo.

Jeremiah 48:34

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny vahoakan'i Moaba izay nanolotra sorona ary nandoro dinti-kazo manitra tamin'ireo andriamanitr'izy ireo?

Hamongotra ireo olona ireo Izy.

Jeremiah 48:36

Toy ny ahoana no namoahan'ireo vahoakan'i Kira-haresa ny fahorian'izy ireo noho ny fahalasan'ireo harenany?

Nanaratra ny lohany sy ny volombavany izy ireo, nanapaka ny tanany, ary nanao akanjo fisaonana nanodidina ny valahan'izy ireo.

Jeremiah 48:38

Nahoana no misy fisaonana na taiza na taiza teny amin'ny tapela-tafotrano sy eny amin'ireo toerana malalaka?

Satria Yaveh dia efa nandrava an'i Moaba toy ny olona mamaky fitoeram-boninkazo izay tsy misy mpitia.

Jeremiah 48:40

Ho toy ny ahoana ny fisamborana an'i Keriota hoy Yaveh?

Vetivety ny fitrangan'izany, toy ny voromahery manenjika ny hazany. Ireo fahavalo dia dia hisambotra ireo fiarovana mafy, ary ireo miaramila dia hatahotra.

Jeremiah 48:42

Toy ny ahoana no hamotehan'i Yaveh an'i Moaba?

Hanisy horohoro eo amin'ireo olna Yaveh ka ho latsaka an-davaka sy ho voafandrika izy ireo.

Jeremiah 48:45

Nahoana ireo olona hiala alavitra ny tanànan'i Hesbona?

Satria handoro an'i Hesbona ny afo, ary handoro ny olona rehetra izay nirehareha tao Moaba izany.

Jeremiah 48:46

Inona no nolazain'i Jeremia fa hitranga amin'ireo Moabita?

Ireo Moabita dia ho potehina ary ny zanak'izy ireo lahy sy vavy dia ho samborina ary ho entina any amin'ireo firenena hafa, fa indray andro any Yaveh dia hamela azy ireo hiverina eo amin'ny tanin'izy ireo.

Jeremiah 49

Jeremiah 49:1

Nahoana i Malkana no tsy tokony honina ny tanin'i Gada?

Tsy tokony honina ny tanin'i Gada i Malkana satria an'ny zanak'Israely izany.

Inona no hahazo an'i Raba?

ho tonga atontan-paharavana izany.

Jeremiah 49:3

Inona no hanjo an'i Malkana?

Ho rava ireo tanàna ary ireo mponina dia ho lasa babo.

Inona no nahatokisan'ireo zanaka vavy kely finoana?

Nihantehatra tamin'ny harenany izy.

Jeremiah 49:5

Nahoana no hihorohoro ireo vahoaka?

Hatahotra izy ireo satria ho teren'ny fahavalo izay manodidina azy izy ireo hiparitaka any amin'ireo firenena hafa.

Inona no ho ataon'i Yaveh ho an'ny vahoakan'i Amona?

Hamerina ny harenan'izy ireo Izy.

Jeremiah 49:7

Inona no nahazo ireo olon-kendrin'i Edoma?

Nitsoaka lavitra ny olon-kendrin'i Edoma.

Inona no tokony ataon'ny vahoakan'i Edoma ankehitriny fa lasa ny olon-kendrin'izy ireo?

Tokony hitsoaka izy ireo ary hipetraka eny amin'ireo lavaka eny amin'ny tany.

Ho ataon'i Yaveh inona i Esao?

Hitondra loza ho an'i Esao Izy.

Jeremiah 49:9

Inona no nolazain'i Yaveh mahakasika an'ireo kamboty sy mpitondra-tena tao Edoma?

Nilaza Izy fa hiahy an'ireo kamboty sy mpitondra-tena.

Jeremiah 49:12

Nahoana ireo Edomita no efa nahafantatra Yaveh dia hanasazy azy ireo?

Hitan'izy ireo fa na ireo izay tsy nofaizin'i Yaveh aza dia nijaly.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'i Bozra?

Hamotika izany Izy.

Jeremiah 49:14

Inona no ho lazain'ny mpitondra hafar'i Yaveh fa ho ataon'ireo firenena?

Ilay mpitondra hafatra dia nandeha teny amin'ireo firenena mba hilaza azy ireo mba ho vonona ho amin'ny ady ary hanafika an'i Edoma.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Edoma?

Nilaza Izy fa nataony firenena kely i Edoma raha ampitahaina amin'ireo firenena hafa ary ny olona tao dia nanao tsinotsinona Azy.

Jeremiah 49:16

Satria ireo Edomita dia namitaka ny tenan'izy ireo ary nihevitra fa mimalina izy ireo eny amin'ny hantsana, inona no ho ataon'i Yaveh amin'izy ireo?

Hanjera azy ireo Izy.

Jeremiah 49:17

Ampitahain'i Yaveh amin'iza i Edoma?

Nampitahainy amin'i Sodoma sy Gomorasy ireo mpiara-belona amin'izy ireo izany, izay tsy misy miaina intsony.

Jeremiah 49:19

Ho ataon'i Yaveh inona ireo Edomita rehefa nentiny avy amin'ny tanini'izy ireo?

Hifidy olona ho mpisahana azy ireo Izy.

Jeremiah 49:20

Inona drafitr'an'I Yaveh amin'i Edoma?

Nanana tetika ny hitarika ireo mponina tao Temana Izy ary hamadika ireo tanin'ahitr'izy ireo ho toerana lao.

Jeremiah 49:21

Ho toy ny ahoana i Edoma rehefa rava?

Hihorohoro ny tany, ary ireo olona alavitra dia handre ny hiakam-pahoriana. Na ny lehilahy mpiady mahery indrindra aza dia hatahotra.

Jeremiah 49:23

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny vahoakan'i Damaskosy?

Ho menatr'izy ireo ary ho osa. Hitodika izy ireo ary hitsoaka ao anaty fahoriana.

Jeremiah 49:26

Inona no hitranga rehefa handrehitra afo eo amin'ny rindrin'i Damaskosy Yaveh?

Handevona an'ireo fiarovana mafin'i Beni-hadada ny afo, ary ireo tovolahy sy ny lehilahy mpiady rehetra dia ho faty.

Jeremiah 49:28

Inonan no nasain'i Yaveh ataon'i Nebokadnezara amin'i Kedara?

Nasainy nanafika ireo olona i Nebokadnezara, hamotika azy ireo, ary haka ny fananan'izy ireo.

Jeremiah 49:30

Nahoana no mora ho an'i Nebokadnezara izany fanafihana izany?

Ho mora ho azy izany satria ireo olonadia tsy hanana vavahady na bara, ary izy ireo dia hiainaamin'ny alalan'ny tenan'izy ireo ihany.

Aiza no hipetrahan'ireo vahoakan'i Kedara aorian'ny nanafihgan'i Nebokadnezara azy ireo?

Hiaina eny amin'ireo lavaky ny tany izy ireo.

Jeremiah 49:32

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Hazora rehefa ho alain'i Nebokadnezara ny ramevan'izy ireo sy ny taniny?

Ho aparitany izy ireo ary ho avy eo amin'izy ireo ny loza.

Iza no hipetraka eo amin'ilay toerana rehefa avy notafihin'i Nebokdnezra izany?

Ireo amboadia ihany sisa no hihaina eo amin'izany.

Jeremiah 49:34

Oviana i Jeremia no nandray ny faminaniana mahakasika an'i Elama?

Nahazo izany izy rehefa nanapaka an'i Joda i Zedekia mpanjaka.

Aiza no handehanan'ireo olona?

Ireo olona dia handeha eny amin'ny tany rehetra eny.

Jeremiah 49:37

Inona no ho ataon'i Yaveh satria tezitra tamin'ny vahoakan'i Elama Izy?

Handefa ireo fahavalo Izy hanorotoro azy ireo ary hitondra loza eo amin'izy ireo, hamono azy ireo, ary hamongotra tanteraka azy ireo.

Indray andro any aoriana, inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Elama?

Hamela azy ireo hiverina any amin'ny taniny izy ireo.

Jeremiah 50

Jeremiah 50:1

Inona no hitranga amin'i Babylona?

Voaroba i Babylona. Ho alaina baraka i Bela sy ireo sampy.

Jeremiah 50:3

Iza no hitsangana hanohitra an'i Babylona?

Ny firenena avy any avaratra.

Inona no ho ataon'ireo vahoakan'Israely rehefa voatafika i Babylona?

Ho avy miaraka amin'ny tomany ireo vahoaka ary hitady an'i Yaveh. Hanainga ho any Ziona izy ireo hanavao ny fanekena amin'i Yaveh.

Jeremiah 50:6

Nahoana Yaveh no mamaritra ireo olona toy ny ondry very?

Namaritra azy ireo ho toy ny ondry very Yaveh satria ireo mpiandry ondrin'izy ireo dia nitarika azy ireo tany amin'ny lalan-diso ary nanadino ny tany niaviny.

Inona no nolazain'ireo mpifanandrina amin'izy ireo mahakasika ny antony namongoran'izy ireo ny olon'i Yaveh?

Ireo mpifanandrina dia nilaza izany satria ny olon'i Yaveh dia nanota tamin'i Yaveh.

Jeremiah 50:8

Nahoana ireo Israelita no tsy mandao an'i Babylona mialohan'ny hisamborana an'i Babylona?

Tsy maintsy mandao izy ireo satria ho avy hisambotra an'i Babylona ny firenena lehibe avy any avaratra.

Jeremiah 50:11

Inona no hahazo an'i Babylona satria ireo mpandova an'i Yaveh dia efa babo?

Ho kely indrindra amin'ireo firenena i Babylona, tany efitra tsy misy mponina.

Jeremiah 50:14

Inona no hitranga amin'i Babylona satria izy dia nanota tamin'i Yaveh?

Ny olona rehetra dia hitifitra azy, hianjera ireo tilikambony, ho arodana ireo mandany, ary ho ataon'ireo hafa aminy izay nataony tamin'ireo firenena hafa.

Jeremiah 50:16

Inona no tokony ataon'ireo olona avy any amin'ireo firenena hafa rehefa voatafika i Babylona?

Tokony hitsaoka hiverina any amin'ireo fireneny izy ireo.

Jeremiah 50:17

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny firenen'i Asyria sy Babylona?

Nilaza izy fa hanafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny vahpakany mitovy amin'ny fomba nanafaizany ny mpanjakan'i Asyria.

Jeremiah 50:19

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo olona sisa tavela izay namindrany fo?

Hamerina an'Israely any amin'ny tany niaviany Yaveh, ary hamela ny otan'ireo olona.

Jeremiah 50:21

Inona no handrisihan'i Yaveh an'ireo fahavalon'i Babylona ho ataony?

Tian'i Yaveh izy ireo ampaneno ny hiakam-piadiana ary hitondra faharavana lehibe eo amin'ny Babylona.

Jeremiah 50:23

Nahoana no ho samborina ireo miaramila Babyloniana?

Ho samborina izy ireo satria niantsy an'i Yaveh.

Jeremiah 50:25

Inona no asa izay tsy maintsy ataon'i Yaveh?

Nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiny Yaveh, namoaka ireo fitaovam-piadina, namporisihany ireo fahavalo hanafika an'i Babylona, sokafy ny fitoeram-bokany , ary ento any amin'ny faharavana izy. Tsy tokony tsy hisy sisa tavela.

Jeremiah 50:27

Inona no noresahan'ireo tafatsoaka an'i Babylona?

Hiresaka momban'ny namaizana an'i Yaveh an'i Babylona tamin'ny famonoana ireo lehilahy mpiady noho ny zavatra nataon'izy ireo tao amin'ny tempoly tao Ziona.

Jeremiah 50:29

Inona no hitranga satria niantsy an'i Yaveh izy?

Tsy hisy tafatsoaka amin'ny fandravana izay entin'ny fahavalon'i Babylona. Ny fahavalo dia hamonon ny lehilahy mpiady rehetra noho ny zavatra nataon'izy ireo tamin'i Yaveh.

Jeremiah 50:31

Inona no nambaran'i Yaveh fa hahazo an'ireo olona mpirehareha?

Nanambara Izy fa ho tafintohina izy ireo ka hianjera.

Jeremiah 50:33

Iza no namonjy ireo olon'Israely izay nampahoriana?

Yaveh tompon'ny maro no namonjy an'Israely.

Jeremiah 50:35

Inona no ho ataon'ireo miaramila fahavalo amin'i Babylona?

Hamely ireo mponina izy ireo, ireo manam-pahefana, ireo olon-kendry, sy ny olona rehetra. Hamely ireo mpaminany sandoka izy ireo, ireo lehilahy mpiady tena matanjaka, ary ireo soavaly sy kalesy.

Jeremiah 50:38

Ho lasa toy ny ahoana i Babylona?

Ho lasa toy ny Sodoma sy Gomora i Babylona.

Jeremiah 50:41

Inona no henon'ny mpanjakan'i Babylona mahakasika ireo olona avy any avaratra?

Nandre ny mpanjaka fa iey ireo dia fa loza be ary tsy hanana fangoraham-po.

Ahoana ny fihetsem-pon'ny mppanjaka tao rehefa nandre avy tamin'i Jeremia fa ho avy avy any avaratra.

Rehefa avy nandre ilay hafatra ilay mpanjaka dia nahatsiaro tena ho toy ny vehivavy hiteraka.

Jeremiah 50:44

Inona no ho ataon'i Yaveh an'i Babylona?

Hanenjika ireo olona avy any Babylona Izy ary hanendry olona hisahana izany.

Jeremiah 50:45

Inona no ho ataony Yaveh amin'ireo vahoakan'i Babylona?

Mikasa ny hamotika tanteraka ny vahoakan'i Babylona Yaveh.

Jeremiah 51

Jeremiah 51:1

Ho ataon'ireo hafa firenena inona i Babylona?

Ho tongavan'izy ireo ary ho potehiny.

Jeremiah 51:3

Karazana fanafihana toy ny ahoana no ho avy amin'ireo tafik'i Babylona?

Fanafihana tsy ampoizina no ho avy faran'izay haingana ka tsy hanam-potoana hanaovana ny akanjo fiarovany akor ireo miaramilan'i Babylona. Ireo mpanafika dia hamotika ny tafika sy ireo vahoaka.

Jeremiah 51:5

Inona no nampatsiahivin'i Yaveh tamin'ireo vahoakany?

Nampatsiahy azy ireo Yaveh fa na dia nanota aza ny olony dia ho Andriamanitr'izy ireo fona Izy ary tsy nandao azy ireo Izy.

Inona no nasainin'i Yaveh ataon'ireo vahoakan'Israely?

Nilaza tamin'ireo vahoakany Yaveh mba hitsoaka mba ho afaka aminny famaizana ho avy amin'ny Babylona.

Jeremiah 51:7

Inona no antony nampiasain'i Yaveh an'i Babylona mba hanaovana ireo firenena lavitra.?

Nampiasa izany Izy mba hanamamoana azy ireo.

Inona no hitranga amin'i Babylon,

Hianjera izany ary ho vaky.

Jeremiah 51:9

Inona no nataon'ireo Israelita satria Babylona dia tsy ho sitrana?

Ireo Israelita dia handao ary handeha ho any amin'ny taniny izy ireo ary hilaza amin'ireo hafa izay any Ziona izay namelan'i Yaveh ny helok'izy ireo.

Jeremiah 51:11

Iza no hanao diabe ho any an'ady fa hanohitra an'i Babylona satria Babylona dia nandrava ny tempolin'i Yaveh tao erosalema?

Ireo tafik'i Mediana sy Persa dia hamotika an'i Babylona.

Jeremiah 51:13

Inona no nianianan'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo olona manan-karenan'i Babylona?

Hananga adim-pihorahana amin'izy ireo Aho. Tonga ny farany ho azy ireo.

Jeremiah 51:15

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny alalan'ny fahefany, fahendreny, sy fahatakarana?

Nanao ny tany Izy, nametraka izany teo amin'ny toerany, ary nanitatra ny lanitra.

Inona no mitranga rehefa miteny Yaveh?

Mitondra kotroka, orana, tselatra, ary rivotra eo ambonin'ny tany Izy.

Jeremiah 51:17

Mahafa-po ny olona ve ireo sampy?

Tsia, ireo sampy dia tsy afaka manao na inona na inona amin'izy ireo. Tsy misy dikany izy ireny.

Iza no Andriamanitr'Israely?

Izy ilay nahary ny zava-drehetra. Ny anarany dia Yaveh.

Jeremiah 51:20

Nolazain'i Yaveh tahaka ny inona Israely?

Andriamanitra dia niteny fa Israely no tatanako amin'ny ady, fitaovam-piadiko.

Jeremiah 51:24

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Babylona?

Nilaza Yaveh fa hamaly ireo olona tamin'ireo zava-dratsy nataon'izy ireo tao Jerosalema Izy.

Jeremiah 51:25

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Babylona noho ireo olona nobaboiny manerana ny tany?

Hamotika tanterak an'i Babylona Yaveh, ary tsy misy olona hiaina intsony any.

Jeremiah 51:27

Inona no tokony ho lazain'i Jeremia amin'ny firenena Mediana sy Persa?

Ireo tafika ireo dia tokony hampiantso ny tafik'izy ireo ary hanomana fanafihana an'i Babylona.

Jeremiah 51:29

Inona no tetik'i Yaveh mahakasika an'i Babylona?

Ny tetik'i Yaveh dia hamadika ny tanin'i Babylona ho tany lao izay tsy misy mponina.

Jeremiah 51:30

Ahoana no namalian'ireo tafika Babyloniana azy ireo?

Ireo lehilahy mahery dia sahiran-tsaina tao amin'ireo fiarovana mafiny satria ho voatoana ny toerana fitsoahana, ary ny tanàna dia ho dorana.

Jeremiah 51:33

Mitovy amin'inona hoy Yaveh i Babylona?

Babylona dia tahaka ny famoloana amin'ny fotoam-pijinjana.

Jeremiah 51:34

Inona no tian'ireo vahoakan'i Jerosalema ataon'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Babylona?

Tian'izy ireo hijaly tahaka ny nijalian'izy ireo teo ambanin'ny fifehezan'i Nebokadnezara mpanjaka?

Jeremiah 51:36

Inona no novalian'i Yaveh tamin'ireo Israelita?

Hisolo vava anareo Aho ary hitondra valifaty ho anareo eo amin'i Babylona. hanamaina ny loharanony Aho ary hamadika azy ho tany lao izay tsy hisy mipetraka.

Jeremiah 51:38

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Babylona?

Hanomana karazana fety izay hahamamon'ny divay azy ireo Izy ka hamono azy ireo avy eo.

Jeremiah 51:41

Ho lasa karazana toerana toy ny ahoana i Babylona?

Ho lasa toerana lao eo amin'ny firenena rehetra i Babylona.

Jeremiah 51:43

Inona no ho ataon'i Yaveh an'ilay andriamanitra Bela?

Hanafay an'i Bela Yaveh ary hamerina ireo fanatitra izay nomen'ny vahoakan'i Babylona an'i Bela, ary ireo mandan'i Babylona dia hianjera.

Jeremiah 51:45

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoakany izay tao Babylona?

Nilaza tamin'izy ireo mba hitsoaka Izy ary hanavotra ny ain'izy ireo amin'ny herisetra izay hisy ao amin'ilay tany.

Jeremiah 51:47

Inona no nitranga nahatonga ny lanitra sy ny tany hifaly?

Hifaly ny lanitra sy ny tany satria ravan'ny tafika avy any avaratra i Babylona.

Jeremiah 51:50

Inona no nasain'i Jeremia nataon'ireo vahoaka Israelita?

Izy ireo dia tokony hivoakan'i Babylona, hiverina any Jerosalema, ary hitodika amin' Yaveh.

Inona no ren'ireo Israelita mahakasika ny tranon'i Yaveh.

Naheno izy ireo fa ireo niditratao amin'ireo toerana masina tao an-tranon'i Yaveh ireo hafa firenena.

Jeremiah 51:52

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoaka fa ho ataony?

Nilaza tamin'izy ireo Izy fa handefa tafika hamotika an'i Babyona.

Jeremiah 51:54

Inona no ren'ireo olona avy any Babylona?

Naheno hiakam-pahoriana izy ireo raha namotika an'i Babylona iny Yaveh.

Jeremiah 51:57

Inona no hitranga amin'ireo zavatra izay nataon'ireo firenena hafa ho an'i Babylona?

Ho zava-poana avokoa ireny.

Jeremiah 51:59

Iza no lehiben'ny manam-pahefanan'i Zedekia mpanjaka?

Seraia no lehiben'ny manam-pahefanany.

Inona no nosoratan'i Jeremia tao anatin'ilay horonan-taratasy?

Nanoratra ny loza rehetra izay ho avy amin'i Babylona i Jeremia?

Jeremiah 51:61

Inona avy ireo torolalana nomen'i Jeremia an'i Seraia?

Niteny tamin'i Seraia i Jeremia fa rehefa tonga any Babylona izy dia hamaky ny teny rehetra ao amin'ilay horonan-taratasy, hamatotra vato kely eo amin'izany, ary hanipy izany eny amin'ny onin'i Eofrata.

Inona no voasoratra tao amin'ilay horonan-taratasy?

Nanao fanambarana Yaveh fa i Babylona dia ho rava, tsy hisy mponina, ary ho lasa tanàna foana mandritra ny fotoana maharitra.

Jeremiah 51:63

Inona avy ireo torolalana nomen'i Jeremia an'i Seraia?

Niteny tamin'i Seraia i Jeremia fa rehefa tonga any Babylona izy dia hamaky ny teny rehetra ao amin'ilay horonan-taratasy, hamatotra vato kely eo amin'izany, ary hanipy izany eny amin'ny onin'i Eofrata.

Nahoana i Seraia no tokony hanipy ilay horonan-taratasy eny amin'ny renirano?

Rehefa manipy izany eny amin'ny renirano izy, dia ho takatry ny olona fa i Babylona dia ho rendrika tahaka ilay horonan-taratasy noho ny loza nalefan'i Yaveh taminy.

Jeremiah 52

Jeremiah 52:1

Mpanjaka toy ny ahoana i Zedekia?

Zedekia dia mpanjaka ratsy tahaka an'i Joiakima.

Jeremiah 52:4

Inona no nataon'i Nebokadnezara raha nanakaiky an'i Jerosalema iny izy?

Nitoby tandrifin'izany izy ary nanafika ilay tanàna nandritra ny roa toana.

Jeremiah 52:6

Taiza ireo Kaldeana (Babyloniana) no nisambotran'i Zedekia sy ireo lehilahiny?

Nosamborin'izy ireo teny amin'ireo lemaky ny reniranon'i Jordana akaiky an'i Jeriko izy ireo.

Jeremiah 52:9

Nataon'ny mpanjakan'ny Babylonina inona i Zedekia sy ireo zanany lahy?

Novonoin'ny mpanjaka teo imasony ireo zanaka lahin'i Zedekia ary avy eo navoakany ny mason'i Zedekia, nofatorany taminny rojo vy, ary nentiny tany Babylona.

Jeremiah 52:12

Inona no nataon'i Nebokadnezara tany Jerosalema?

Nodorany ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ireo trano sy toerana manan--danja, ary nopotehany ny manda rehetra nanodidina an"i Jerosalema.

Jeremiah 52:15

Nataon' i Nebokadnezara inonairo olona mahantra indrindra tao Jerosalema?

Naka sasany tamin'izy ireo ho atao sesitany izy ary namela ireo sasany hafa hiasa eny amin'ireo tanim-boaloboka sy ireo saha.

Jeremiah 52:17

Ahoana ny momba ireo varahina, volamena, ary volafotsy tao amin'ny tranon'i Yaveh?

Nalain'ireo Kaldeana (Babyloniana) daholo ireo.

Jeremiah 52:24

Nataon'i Nebokadnezara inona i Zefania sy ireo manam-pahefan'ny tanàna hafa?

Nampidiriny am-ponja izy ireo.

Jeremiah 52:26

Nataon'ny mpanjakan'i Babyloniana inona ireo voafonja izay nentin'i Nebokadnezara teo aminy?

Novonoiny izy ireo.

Jeremiah 52:28

Firy ireo olona Jodena no lasa natao sesitany?

4.600 ireo olona natao sesitany avy any Jerosalema.

Jeremiah 52:31

Iza no namoaka an'i Joiakina mpanjakan'ny Joda tao am-ponja?

Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona no namoaka azy.

Jeremiah 52:32

Toy ny ahoana ny fandraisan'i Evila-merodaka an'i Joiakina rehefa nivoaka ny fonja izy?

Niresaka tsara taminy izy ary nanone toerana ambony azy. Nanala ny akanjon'ny voafonjany izy ary niara nisakafo taminy teo amin'ny latabany ary nanome hanina ara-dalàna isan'andro izy tamin'ny andro sisa niainany ambara-pahafatiny.