Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Timothy 1

2 Timothy 1:1

Ahoana ny fomba hahatongavan'i Paoly ho apostolin'i Kristy?

Tonga ho apostolin'i Kristy i Paoly tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra.

Inona no fifandraisana nisy teo amin'ny Paoly sy Timoty?

Timoty dia zanaka ara-panahin'i Paoly.

2 Timothy 1:3

Oviana i Paoly no nahatsiaro ny vavak'i Timoty, inona no nirian'i Paoly hatao?

Naniry ny hahita an'i Timoty i Paoly.

Iza ihany koa no nanana finoana marina tao amin'ny ankohonan'i Timoty talohan'i Timoty?

Ny reniben'i Timoty sy ny reniny no nanana finoana marina.

2 Timothy 1:6

Inona no fanahy nomen'Andriamanitra an'i Timoty?

Nanome fanahin'ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tena tamin'i Timoty Andriamanitra.

2 Timothy 1:8

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony hataon'i Timoty?

Nilaza tamin'i Timoty i Paoly mba tsy ho menatra amin'ny fijorona vavolombelona momba ny Tompo.

Inona kosa no nolazain'i Paoly an'i Timoty fa tokony hatao?

Nilaza tamin'i Timoty i Paoly mba hizara ny fahoriana ho amin'ny filazantsara.

Oviana ny fikasan'Andriamanitra sy ny fahasoavana nomeny antsika?

Ny fikasan'Andriamanitra sy ny fahasoavana dia nomeny antsika talohan'ny nanombohan'ny taona.

Ahoana no fomba nampisehoan'Andriamanitra ny drafitry ny famonjena?

Ny drafitry ny famonjen'Andriamanitra dia naseho tamin'ny alalan'i Kristy Jesosy mpamonjy antsika.

Rehefa niseho Jesosy, dia inona no nataony araka ny fahafatesany sy fiainana?

Nandresy ny fahafatesana i Jesosy, ary nitondra ny fiainana izay tsy misy fiafarany amin'ny alalan'ny filazantsara.

2 Timothy 1:12

Tsy menatra tamin'ny filazantsara i Paoly, satria izy dia mahatoky fa afaka manao inona azy Andriamanitra?

Mahatoky i Paoly fa Andriamanitra dia afaka mitazona izay nankininy tamin'i Paoly mandra-pahatongan'izany andro izany.

Inona no hataon'i Timoty amin'ireo zavatra tsara izay nataon'Andriamanitra taminy?

I Timoty dia miambina ny Fanahy Masina amin'ny zavatra tsara izay nataon'Andriamanitra aminy.

2 Timothy 1:15

Inona no nataon'ireo naman'i Paoly avy any Azia taminy?

Nivadika tamin'i Paoly ireo Azia.

Inona no nangatahan'i Paoly tamin'ny Tompo hanomezana famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo?

Nangataka tamin'ny Tompo i Paoly mba hanome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo satria nanampy an'i Paoly i Onesiforo tamin'ny fomba maro.

2 Timothy 2

2 Timothy 2:1

Inona no fifandraisana eo amin'i Paoly sy Timoty?

Timoty dia zanak'i Paoly ara-panahy.

Tamin'iza no nanankinan'i Timoty ny hafatra izay nampianarin'i Paoly azy?

Nankinin'i Timoty tamin'ireo olona mahatoky izay afaka mampianatra ny hafa ny hafatra.

2 Timothy 2:3

Toy ny fanoharana ho an'i Timoty, inona no antony hilazan'i Paoly fa ny miaramila tsara dia tsy hamandrika ny tenan'izy ireo?

Tsy ho voafandrika amin'ny rahaharan'izao fiainana izao ny tenan'ireo miaramila tsara ireo.

2 Timothy 2:8

Toy ny nanoratany an'i Timoty, dia toe-javatra toy ny ahoana no nampahory an'i Paoly tamin'ny fitoriany ny tenin'Andriamanitra?

Nijaly tamin'ny famatorana toy ny mpamono i Poaly olona.

Inona no nolazain'i Paoly fa tsy vaofatotra?

Ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra.

Nahoana no niaritra ireo zavatra rehetra ireo i Paoly?

Niaritra ireo zavatra rehetra ireo i Paoly ho an'ireo voafidin'Andriamanitra, mba hahafahan'izy ireo mandray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

2 Timothy 2:11

Inona no fampanantenan'i Kristy tamin'ireo izay niaritra?

Hanjaka hiaraka amin'i Kristy ireo izay niaritra.

Inona no fampitandreman'i Kristy tamin'ireo izay nandà azy?

Holavin'i Kristy ireo izay nandà azy.

2 Timothy 2:14

Momba ny inona no tokony ampitandreman'i Timoty ireo olona mba tsy hifamaly?

Tokony ampitandrina ireo olona i Timoty mba tsy hifamaly momba ireo teny, izay tsy misy dikany.

2 Timothy 2:16

Olona roa no nirenireny tamin'ny fahamarinana, inona no fotom-pianarana diso ampianariny?

Nampianatra izy ireo fa efa niseho ny fitsanganana tamin'ny maty.

2 Timothy 2:19

Ahoana ny fomba hampiomanan'ireo mpino ny tenany amin'ny asa tsara rehetra?

Tokony hanadio ny tenan'izy ireo ho afaka amin'ny fahafaham-baraka ireo mpino, manokana ny tenan'izy ireo amin'ny asa-tsara.

2 Timothy 2:22

Nohon'ny inona no nandosiran'i Timoty?

Nandositra ireo filàn'ny tanora i Timoty.

2 Timothy 2:24

Inona no toetra tokony hananan'ny mpanompon'ny Tompo?

Ny mpanompon'ny Tompo dia tokony malemy fanahy , mahay mampianatra, maharitra, ao amin'ny fahalemem-panahy no ampianarany ireo izay manohitra.

Inona no nataon'ny devoly tamin'ireo mpino?

Nofandrihana sy nosamborin'ireo mpino ireo devoly ho an'ny sitrapony.

2 Timothy 3

2 Timothy 3:1

Inona no nolazain'i Paoly fa ho avy amin'ny farany?

Nilaza i Paoly fa amin'ny andro farany dia ho avy ny fotoana.

Amin'ny andro farany, dia inona ireo zavatra telo ho tian'i olona mihoatra noho Andriamanitra?

Amin'ny andro farany, ho tia ny tenan'izy ireo ny olona, ho tia vola, ary ho tia ny fahafinaretana mihoatra noho Andriamanitra.

2 Timothy 3:5

Inona no nolazain'i Paoly an'i Timoty fa hatao amin'ireo izay manana ny toetran'Andriamanitra fotsiny?

Nilaza tamin'i Timoty i Paoly mba hivadika amin'ny ireo izay manana ny toetran'Andriamanitra fotsiny.

Inona no ataon'ireo olona tsy araka an'Andriamanittra?

Ny sasany tamin'ireo olona tsy arak'Andriamanitra dia niditra tao amin'ireo tokatrano ary nambabo ireo vehivavy izay voatarika amin'ireo filàna samihafa.

2 Timothy 3:8

Ohatra ny ahoana ireo olona tsy araka an'Andriamanitra toy i Jana sy i Jambra tao amin'ny Testamenta taloha?

Mpampianatra diso ireo olona tsy araka an'Andriamanitra izay mijoro manohitra ny fahamarinana toa an'i Jana sy i Jambra.

2 Timothy 3:10

Ankoatran'ireo mpampianatra diso, dia iza koa no narahan'i Timoty?

Nanaraka an'i Paoly i Timoty.

Inona no namonjen'i Paoly?

Namonjy an'i Paoly tamin'ny fanenjehana ny Tompo.

Inona no nolazain'i Paoly fa hiseho amin'ireo izay maniry ny hiaina amin'ny fomba araka an'Andriamanitra?

Nilaza i Paoly fa ho henjehina ireo izay maniry ny hiaina amin'ny fomba araka an'Andrimanitra.

Inona ho lasa ratsy any amin'ny andro farany?

Ireo olon-dratsy sy mpisandoka no ho any amin'ny ratsy kokoa amin'ny andro farany.

2 Timothy 3:14

Amin'ny fotoana inona ao amin'ny fiainan'i Timoty no nahalalana ireo asa soratra masina?

Hatramin'ny fahazazana no nahalalan'i Timoty ireo asa soratra masina.

2 Timothy 3:16

Ahoana ny fomba nanomezana ny olona ny Soratra Masina rehetra?

Avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ny Soratra Masina.

Amin'ny inona no tombon'ny Soratra Masina?

Ho an'ny fotom-pampianarana, ho an'ny fanondroana ireo diso, ho an'ny fanitsiana, ary ho an'ny fampiofanana amin'ny fahamarinana no tombon'ny Soratra Masina.

Inona no tanjona amin'ny fampiofanana ny olona ao amin'ny Soratra Masina?

Nofanina ny olona tao amin'ny Soratra Masina mba hahay tsara, sy ho voaomana tanteraka amin'ny asa tsara rehetra.

2 Timothy 4

2 Timothy 4:1

Mpitsara an'iza Jesosy Kristy?

Hitsara ny velona sy ny maty i Jesosy Kristy.

Inona no didy hentitra nomen'i Paoly hataon'i Timoty?

Hentitra tamin'ny fandidiana an'i Timoty amin'ny Fitoriana ny teny i Paoly.

2 Timothy 4:3

Nampitandrina i Paoly fa ho avy ny fotoana izay anaovan'ny olona inona?

Tsy hiaritra ny feon'ny fampianarana ny olona, fa hihaino ny fampianarana izay manaiky ny filan-dratsin'izy ireo.

Inona no asa sy ny asa fanompoana izay nomen'i Timoty hatao?

Nomena asa sy ny asan'ny evanjelista i Timoty.

2 Timothy 4:6

Fotoana inona amin'ny fiainany no nolazain'i Paoly fa ho tonga ankehitriny?

Nilaza i Paoly fa efa tonga ny fotoana hialany.

Inona no fanomezana nolazain'i Paoly ho raisin'ireo rehetra izay tia ny fisehoan'i Kristy?

Nillaza i Paoly fa ireo izay tia ny fisehoan'i Kristy dia handray ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

2 Timothy 4:9

Inona no antony nandaozan'i Demasy an'i Paoly?

Nandao an'i Paoly i Demasy satria tiany ny fanomezan'izao tontolo izao.

2 Timothy 4:11

Iza ilay namana tokan'i Paoly izay mbola miaraka aminy hatrany?

Lioka irery ihany no miaraka amin'i Paoly.

2 Timothy 4:14

Inona no valisoa nolazain'i Paoly fa ho raisan'ilay olona manohitra azy?

Nilaza i Paoly fa ilay olona manohitra azy dia handray valisoa amin'ny asany.

Iza no olona nitsangana niaraka tamin'i Paoly amin'ny fiarovan-tenany voalohany?

Amin'ny fiarovan-tenany voalohany, dia tsy misy olona hijoro hiaraka amin'i Paoly.