Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Joel 1

Joel 1:1

Tenin'iza no tonga tamin'i Joela?

Ny tenin'i Yaveh no tonga tamin'i Joela.

Tamin'iza ireo loholona no nilaza ny tenin'i Yaveh?

Izy ireo dia nilaza tamin'ireo zanany, ary ny zanak'izy ireo dia hilaza ny taranak'izy ireo.

Joel 1:4

Inona no nitranga tamin'ireo sisan-kijeja?

Ireo andiam-balala dia nihinana ireo sisan'andiam-balala.

Joel 1:5

Nahoana ireo mpimamon'ny divay no hidradradradra?

Hidradradra izy ireo satria efa nesorina ny divay mamy.

Tamin'inona no nanaovan'ny fahavalo ny tanim-boaloboka?

Izy dia nanao ny tanim-boaloboka ho toerana fampihorohoroana.

Joel 1:8

Fa inona no antony hisaonan'ny virjiny?

Hisaona amin'ny fahafatesan'ny vadiny ny virjiny.

Inona no nitranga tamin'ny vary?

Simba ny vary.

Joel 1:13

Inona no nazonina avy ao an-tranon'Andriamanitra?

Ny fanatitra vary sy ny fanatitra sotroina dia efa nazonina avy ao an-tranon'Andriamanitra.

Joel 1:15

Rahoviana no ho eto ny andron'i Yaveh?

Ny andron'i Yaveh dia efa akaiky.

Inona no potika?

Ireo sompoitra no potika.

Joel 1:18

Nahoana no mijaly ireo biby fiompy?

Ireo biby fiompy dia mijaly satria tsy manana tanim-bilona izy ireo.

Amin'iza i Joela no hianstso?

Joela dia hiantso an'i Yaveh.

Amin'iza no hidradradran'ireo biby any an-tsaha?

Amin'i Yaveh no hidradradran'ireo biby any an-tsaha.

Joel 2

Joel 2:1

Nahoana ireo mponin'ny tany rehetra no hangovitra amin'ny tahotra?

Tokony hangovitra amin'ny tahotra izy ireo, fa ho avy ny andron'i Yaveh.

Oviana tany no nisy tafika tahaka ity?

Tsy mbola nisy tafika tahaka ity, ary mbola tsy hisy koa.

Joel 2:3

Inona ilay tany tahaka ny tao ambadik'ireo tafika?

Ny tany tao ambadikin'ny tafika dia efatra rava.

Joel 2:4

Manao ahoana ireo tafika sy ny fihetsiny?

Ireo tafika dia toy ireo soavaly ary mihazakazaka tahaka mpitaingin-tsoavaly.

Joel 2:8

Ahoana no nidiran'ny tafika tao an-tanàna?

Mirohitra eny amin'ny tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny amin'ny manda, mihanika amin'ireo trano izy ireo, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.

Joel 2:10

Tafik'iza izany?

Izany dia tafik'i Yaveh.

Joel 2:12

Inona ireo zavatra roa tokony viraviran'ny olona?

Izy ireo dia tokony hamiravira ny fony sy ny fitafiany.

Nahoana ireo olona no tokony hiverina amin'i Yaveh?

Izy dia mamindra fo sy miantra, tsy mora tezitra ary be fitiavana, ary hiala amin'ny fampitondrana famaizana Izy.

Joel 2:15

Nahoana ireo olona no tokony hitsoka trompetra any Ziona?

Tokony hitsoka trompetra izy ireo hanamasinana ny fifadian-kanina, ary hiantso ny fivoriana masina.

Joel 2:18

Inona no efa nananan'ny olon'i Yaveh teo amin'ny firenena?

Efa nanana fahafaham-baraka teo amin'ireo firenena ny olon'i Yaveh.

Joel 2:21

Nahoana ny tany no tsy tokony hatahotra?

Ny tany dia tsy tokony hatahotra satria Yaveh efa nanao ireo zavatra lehibe.

Joel 2:24

Iza no nandefa ny tafika lehiba?

Yaveh no nandefa ny tafika lehibe.

Joel 2:26

Mbola nitondra fahamenarana tamin'ny olony indray ve Yaveh?

Tsia, tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny olony intsony i Yaveh.

Joel 2:28

Inona no hitranga rehefa handraraka ny fanahy masiny i Yaveh?

Ireo zananaka lahin'izy ireo sy ireo zanakareo vavy dia haminany, ny anti-dahin'izy ireo dia hanonofy, ary ny tovolahin'i zay ireo dia hahita fahitana.

Joel 2:30

Inona no hasehon'i Yaveh eny an-danitra sy ety ambonin'ny tany?

Hampiseho fahagagana eny amin'ny lanitra sy ety ambonin'ny tany i Yaveh.

Amin'inona no hivadihan'ny masoandro?

Ny masoandro dia hivadika hiazina.

Joel 2:32

Iza no ho voavonjy amin'izany fotoana izany?

Ny olona rehetra izay miantso ny anaran'i Yaveh no ho voavonjy.

Joel 3

Joel 3:1

Iza no hoentin'i Yaveh any an-dohasahan'i Josafata?

Yaveh dia hitondra ireo firenena any an-dohasahin'i Josafata.

Iza no nahelin'ireo firenena?

Ny olon'i Yaveh no nahelin'ireo firenena.

Joel 3:4

Tamin'iza i Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra no teiztra?

Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra dia tezitra tamin'i Yaveh.

Inona no nataon'i Tyro, Sidona, ary Filistina tamin'ny haren'i Yaveh?

Nentin'izy ireo tao amin'ny tempolin'izy ireo ny hareny.

Inona no nataon'i Tyro, sy Sidona, ary ireo Filistina tamin'ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema?

Namidin'izy ireo tamin'ny vahoakan'ny Grika mba hanesorana azy ireo hiala lavitra ny faritaniny.

Joel 3:7

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'i Tyro, sy Sidona, ary Filistina?

Yaveh dia hivarotra ny zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo amin'i Sabeanina eo an-tanan'ny vahoakan'i Joda.

Joel 3:9

Amin'inona no tokony hanefena ny angadin'izy ireo?

Tokony ho tefen'izy ireo ho sabatra ny angadin'izy ireo.

Joel 3:12

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo rehetra manodidina ny firenena?

Yaveh dia hitoetra hitsara ireo rehetra manodidina ny firenena.

Joel 3:14

Inona no hitranga amin'ny masoanadro, sy ny volana, ary ny kitana?

Ny masoandro sy volana ho lasa maizina, ary ireo kintana dia hihazona ny famirapiratany.

Joel 3:16

Inona avy ireo zavatra roa an'i Yaveh ho an'ny olony?

Yaveh dia ilay fialofana sy fiarovana mafy ho an'ny olony.

Iza no mitoetra any Ziona?

Yaveh Andriamanitr'izy ireo no mitoetra any Ziona.

Joel 3:18

Hikoriana inona ireo havoana?

Ireo havoana dia hikoriana ronono.

Iza no handao noho ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny vahoakan'ny Joda?

Egypta sy Edoma no handao.