Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Revelation 1

Revelation 1:1

Avy amin'iza no nahatongavan'ity fanambarana ity voalohany, ary ho an'iza no nampisehoana ny fanambarana?

Ny fanambaran'i Jesosy Kristy dia tonga avy amin'Andriamanitra, ary naseho an'ireo mpanompony.

Rahoviana no hiseho ny tranga ao amin'ny fanambarana?

Ireo tranga ao amin'ny fanambarana dia hiseho tsy ho ela.

Iza no ho voatahy amin'ny alalan'ity boky ity?

Ireo izay mamaky mafy, mandre, ary mankato ity boky ity no ho voatahy.

Revelation 1:4

Iza no nanoratra ity boky ity, ary iza no nanoratana izany?

Jaona no nanoratra ity boky ity, ary nosoratany ho an'ireo fiangonana fito tao Asia.

Inona ireo fiantsoana telo nomen'i Jaona an'i Jesosy?

Jaona dia nanome an'i Jesosy Kristy ireo fiantsoana hoe: vavolombelona mahatoky, lahimatoa amin'ny maty, ary mpanapaka ireo mpanjakan'ny tany.

Nataon'i Jesosy ho inona ireo mpino?

Jesosy nanao an'ireo mpino ho fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ilay Ray.

Revelation 1:7

Iza no hahita an'i Jesosy rehefa tonga Izy?

Ny maso rehetra no hahita an'i Jesosy rehefa tonga Izy, ao anatin'izany ireo izay nandefona Azy.

Ahoana no hamaritan'ny Tompo Andriamanitra ny tenany?

Ny Tompo Andriamanitra dia mamaritra ny tenany ho Alfa sy Omega, izay nisy, sy misy, ilay ho avy, ilay Tsitoha.

Revelation 1:9

Nahoana i Jaona no teny amin'ny nosin'i Patmo?

Jaona dia teny amin'ny nosin'i Patmo nohon'ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy.

Nasain'ilay feo mafy tao ivohon'i Jaona hanao inona izy?

Ilay feo mafy tao ivohon'i Jaona niteny azy mba hanoratra izay hitany ao amin'ny boky ary handefa izany any amin'ireo fiangonana fito.

Revelation 1:14

Tahaka ny inona ny volo sy mason'ilay lehilahy izay hitan'i Jaona?

Ilay lehilahy izay hitan'i Jaona dia fotsy volo tahaka ny ondry, ary ny masony dia tahaka ny lelan'afo.

Inona no teo amin'ny tanan-kavanan'ilay lehilahy, ary inona no nivoaka avy teo amin'ny vavany?

Nanana kintana fito teo amin'ny tanana ankavanany izy, ary sabatra roa lela maranitra no nivoaka avy tamin'ny vavany.

Revelation 1:17

Inona no nataon'i Jaona rehefa nahita ilay lehilahy izy?

Nianjera tahaka ny olona maty teo amin'ny tongotr'ilay lehilahy izy.

Inona no fanalahidy nolazain'ilay lehilahy fa hananany?

Nilaza izy fa manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita.

Revelation 1:19

Inona no dikan'ireo kintana fito sy ireo fanaovan-jiro volamena fito?

Ireo kintana fito dia ireo anjely fiton'ny fiangonana, ary ireo fanaovan-jiro fito dia ireo fiangonana fito.

Revelation 2

Revelation 2:1

Ho an'ny anjely iza no nanoratana ny ampahany manaraka amin'ilay boky?

Ny ampahany manaraka amin'ilay boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy.

Inona no nataon'ny fiangonana ao Efesosy manoloana ireo izay ratsy sy manoloana ireo mpaminany sandoka?

Ny fiangonana ao Efesosy dia tsy niaritra ireo izay ratsy ary nitsapa ireo mpaminany sandoka.

Revelation 2:3

Inona no olan'i Kristy amin'ny fiangonana ao Efesosy?

Ny nanadinoan'izy ireo ny fitiavan'izy ireo voalohany.

Inona no nolazain'i Kristy hoe ho ataony raha tsy mibebaka izy ireo?

Kristy dia nilaza fa ho tonga Izy ary hanala ny fanaovan-jiron'izy ireo amin'ny toerany raha tsy mibebaka izy ireo.

Revelation 2:6

Inona no nampanantenain'i Kristy ho an'ireo izay mandresy?

Kristy dia nampanantena ireo izay mandresy fa hihinana amin'ny hazon'ny fiainana any amin'ny paradisan'Andriamanitra izy ireo.

Revelation 2:8

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany manaraka amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Smyrna.

Inona no niainan'ny fiangonana ao Smyrna?

Ny fiangonana ao Smyrna dia niaina fijaliana, fahantrana, ary fitenenan-dratsy.

Revelation 2:10

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay matoky mandra-pahafaty sy izay mandresy?

Kristy dia nampanantena fa ireo izay matoky mandra-pahafaty sy izay mandresy dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana ary tsy haratran'ny fahafatesana faharoa.

Revelation 2:12

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany manaraka amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Pergamosy.

Taiza no niainan'ny fiangonana ao Pergamosy?

Ny fiangonana tao Pergamosy dia niaina tany amin'izay nisy ny seza fiandrianan'i Satana.

Inona no nataon'ny fiangonana tao Pergamosy tamin'ireo andro namonoana an'i Antipasy?

Ny fiangonana tao Pergamosy dia nitana mafy ny anaran'i Kristy ary tsy nandà ny finoana tamin'ireo andro namonoana an'i Antipasy.

Revelation 2:14

Inona no fampianarana roa notanan'ny sasany tamin'ny fiangonana tao Pergamosy?

Ny sasany tamin'ny fiangonana tao Pergamosy dia nitàna ireo fampianaran'i Balama sy ireo fampianaran'i Nikolaitana.

Revelation 2:16

Inona no nampitandreman'i Kristy ho ataony raha tsy mibebaka ireo izay mitana ireo fampianarana diso ireo?

Kristy dia nampitandrina fa ho tonga Izy ary hifanandrina amin'ireo izay mitàna ireo fampianarana diso ireo.

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay mandresy?

Kristy dia nampanantena fa ireo izay mandresy dia hihinana ny mana miafina ary handray vato fotsy miaraka amin'ny anaram-baovao.

Revelation 2:18

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany manaraka amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira.

Inona no zavatra tsara vitan'ny fiangonana ao Tyatira fantatr'i Kristy?

Kristy dia mahafantatra fa ny fiangonana ao Tyatira dia nampiseho fitiavana, finoana, asa, ary fiaretana am-paharetana.

Revelation 2:20

Inona no olan'i Kristy amin'ny fiangonana ao Tyatira?

Ny nandeferan'izy ireo ny fijangajangan'i Zezebela ilay mpaminany vavy.

Revelation 2:22

Inona no nampitandreman'i Kristy ho atao amin'i Zezebela raha tsy mibebaka izy?

Kristy dia nampitandrina fa ho ataony marary eo ampandriana izy ary ho vonoiny ho faty ireo zanany raha tsy mibebaka izy.

Revelation 2:24

Inona no nasain'i Kristy ataon'ireo izay tsy mitàna ny fampianarana momba an'i Zezebela?

Kristy niteny azy ireo mba hitàna izany mafy mandra-pahatongany.

Revelation 2:26

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay mandresy?

Kristy nampanantena fahefana amin'ny firenena rehetra sy kintana maraina ho an'ireo izay mandresy.

Inona no tokony hohenoin'ireo izay mpamaky ity boky ity hoy Kristy?

Kristy nilaza fa ny mpamaky dia tokony hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.

Revelation 3

Revelation 3:1

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany manaraka amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Sardisy.

Inona no lazan'ny fiangonana ao Sardisy, kanefa inona no marina momba azy ireo?

Ny hoe velona izy ireo no lazan'ny fiangonana ao Sardisy, kanefa ny marina dia hoe maty izy ireo.

Inona no nampitandreman'i Kristy ho ataon'ny fiangonana ao Sardisy?

Kristy dia nampitandrina azy ireo mba hifoha sy hampatanjaka izay tavela.

Revelation 3:5

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay mandresy?

Ireo izay mandresy dia ho ampiakanjoana fotsy, hijanona ao amin'ny bokin'ny fiainana, ary hanana ny anaran'izy ireo eo anatrehan'Andriamanitra ilay Ray.

Revelation 3:7

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany manaraka amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Filadelfia.

Inona no vitan'ny fiangonana tao Filadelfia na dia kely aza ny tanjak'izy ireo?

Ny fiangonana ao Filadelfia dia nankato ireo tenin'i Kristy ary tsy nandà ny anarany.

Revelation 3:9

Ho ataon'i Kristy hanao inona ireo izay an'ny synagogan'i Satana?

Kristy dia hampiankohoka ireo izay an'ny synagogan'i Satana eo an-tongotr'ireo olomasina.

Inona no nasain'i Kristy hataon'ny fiangonan'i Filadelfia satria ho avy tsy ho ela Izy?

Kristy nilaza azy ireo mba hitàna mafy izay hananan'izy ireo mba tsy hisy na iza na iza hanala ny satro-boninahitr'izy ireo.

Revelation 3:12

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay mandresy?

Ireo izay mandresy dia ho lasa andry ao amin'ny tempolin'Andriamanitra, hanana ny anaran'Andriamanitra, ny anaran'ny tanànan'Andriamanitra, ary ny anarana vaovaon'i Kristy misoratra amin'izy ireo.

Revelation 3:14

Nosoratana ho an'ny anjely iza ny ampahany manaraka amin'ny boky?

Ny ampahany amin'ny boky dia nosoratana ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Laokidia.

Inona no fanirian'i Kristy amin'ny fiangonana any Laokidia?

Kristy dia maniry ny fiangonana ao Laokidia mba ho mangatsiaka na mafana.

Eo andalam-panaovana inona amin'ny fiangonana ao Laokidia i Kristy, ary inona no antony?

Eo am-pandoavana amin'ny vava ny fiangonana ao Laokidia Izy satria matimaty izy ireo.

Revelation 3:17

Inona no nolazain'ny fiangonana ao Laokidia momba azy tenany?

Ny fiangonana ao Laokidia dia milaza fa manan-karena sy tsy mila na inona na inona izany.

Inona no nolazain'i Kristy momba ny fiangonana ao Laokidia?

Kristy nilaza fa ny fiangonana ao Laokidia dia tena ory, mampahonena, mahantra, jamba, ary mitanjaka.

Revelation 3:19

Inona no ataon'i Kristy amin'izay rehetra tiany?

Kristy dia mampiofana sy mampianatra izay rehetra tiany.

Revelation 3:21

Inona no nampanantenain'i Kristy an'ireo izay mandresy?

Ireo izay mandresy dia hipetraka hiaraka amin'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany.

Iza no nolazain'i Jesosy hoe tokony henoin'ireo mpamaky ny boky?

Kristy dia nilaza fa ireo mpamaky dia tokony mihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.

Revelation 4

Revelation 4:1

Inona no hitan'i Jaona nisokatra?

Nahita varavarana misokatra teny amin'ny lanitra i Jaona.

Inona no nolazain'ilay feo hoe ho asehony an'i Jaona?

Ilay feo nilaza fa hampiseho amin'i Jaona izay tsy maintsy hiseho aorian'ireo zavatra ireo izy.

Inona no nipetrahan'ilay olona iray teny amin'ny lanitra?

Ilay olona iray dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianana teny amin'ny lanitra.

Revelation 4:4

Inona no nanodidina ilay seza fiandrianana teny amin'ny lanitra?

Nanodidina ilay seza fiandrianana dia nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo miaraka amin'ny loholona efatra amby roapolo nipetraka teo ambonin'izany.

Inona ireo jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana?

Ireo jiro fito ireo no Fanahy fiton'Andriamanitra.

Revelation 4:6

Inona ireo zavatra efatra nanodidina ny seza fiandrianana?

Zava-manan'aina efatra no nanodidina ny seza fiandrianana.

Revelation 4:7

Inona ireo teny telo izay averimberin'ireo zava-manan'aina efatra andro sy alina?

Andro sy alina ireo zava-manan'aina efatra dia tsy mijanona miteny hoe: "Masina, masina, masina."

Revelation 4:9

Inona no ataon'ireo loholona efatra amby roapolo rehefa manome voninahitra an'Andriamanitra ireo zava-manan'aina?

Ireo loholona efatra amby roapolo dia mampiondrika ny tenan'izy ireo eo anoloan'ilay seza fiandrianana ary miankohoka, manipy ny satro-boninahitr'izy ireo.

Inona no lazain'ireo loholona momba ny asan'Andriamanitra amin'ny fahariana?

Ireo loholona milaza fa Andriamanitra nahary ny zava-drehetra ary tamin'ny alalan'ny sitrapony no nisian'ny zavatra rehetra sy nahariana ny zavatra rehetra.

Revelation 5

Revelation 5:1

Inona no hitan'i Jaona tamin'ny tanana ankavanan'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana?

Jaona nahita horonan-taratasy miaraka amin'ny tombon-kase fito.

Revelation 5:3

Iza tety an-tany no mendrika hamaha ny horonan-taratasy na hamaky izany?

Tsy misy na iza na iza mendrika hamaha na hamaky ny horonan-taratasy.

Iza no afaka mamaha ny horonan-taratasy sy ireo tombon-kaseny?

Ny Lion'ny fokon'i Joda, ilay Fototr'i Davida, no afaka mamaha ny horonan-taratasy.

Revelation 5:6

Iza no nitsangana teo amin'ireo loholona teo alohan'ny seza fiandrianana?

Ny Zanak'ondry, toy ny hoe ho vonoina, no nitsangana teo amin'ireo loholona teo alohan'ny seza fiandrianana.

Inona ireo tandroka fito sy maso fito teo amin'ilay Zanak'ondry?

Ireo tandroka fito sy ireo maso fito dia ireo Fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nanerana ny tany rehetra.

Revelation 5:8

Inona ilay lovia volamena feno emboka manitra izay teny amin'ireo loholona?

Ireo vavaky ny olomasina izany.

Revelation 5:9

Nahoana no mendrika hanokatra ilay horonan-taratasy ny Zanak'ondry?

Ny Zanak'ondry dia mendrika satria izy nividy olona ho an'Andriamanitra avy amin'ny foko rehetra, avy amin'ny fiteny, ny olona, ary ny firenena tamin'ny ràny.

Aiza ireo mpisoron'Andriamanitra no hanjaka?

Hanjaka amin'ny tany ireo mpisoron'Andriamanitra.

Revelation 5:11

Inona no nolazain'ireo anjely hoe maha-mendrika ny Zanak'ondry ny handray azy?

Ireo anjely nilaza fa ny Zanak'ondry dia mendrika handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny tanjaka, ny haja, ny voninahitra, ary ny fiderana.

Revelation 5:13

Iza no nilaza fa ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ny Zanak'ondry dia tokony ho deraina mandrakizay doria?

Ny zava-boahary rehetra no milaza fa ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ny Zanak'ondry dia tokony ho deraina mandrakizay doria.

Inona no nataon'ireo loholona rehefa nandre ireo zava-manan'aina efatra niteny hoe: "Amena!" izy ireo?

Niankohoka tamin'ny tany izy ireo ary nidera.

Revelation 6

Revelation 6:1

Inona no nataon'ilay Zanak'ondry tamin'ilay horonan-taratasy?

Nosokafan'ilay Zanak'Ondry ny iray tamin'ireo tombo-kase fito teo amin'ilay horonan-taratasy.

Inona no hitan'i Jaona rehefa voasokatra ny tombon-kase voalohany?

Nahita soavaly fotsy i Jaona, niaraka tamin'ny mpitaingina nivoaka ho mpandresy.

Revelation 6:3

Inona no hitan'i Jaona rehefa nisokatra ny tombon-kase faharoa?

Nahita soavaly mirehitra mena i Jaona, izay ny mpitaingina azy no nomena alalana hanala ny fiadanana amin'ny tany.

Revelation 6:5

Inona no hitan'i Paoly rehefa nisokatra ny tombon-kase fahatelo?

Nahita soavaly mainty i Jaona, izay ny mpitaingina azy dia mitàna mizana eny amin'ny tanany.

Revelation 6:7

Inona no hitan'i Paoly rehefa nisokatra ny tombon-kase fahaefatra?

Nahita soavaly hatsatra i Jaona, izay Fahafatesana no anaran'ilay mpitaingina azy.

Revelation 6:9

Inona no hitan'i Paoly rehefa nisokatra ny tombon-kase fahadimy?

Jaona nahita ny fanahin'ireo izay novonoina nohon'ny tenin'Andriamanitra.

Inona no tian'ireo fanahy eo ambany alitara ho fantatra avy amin'Andriamanitra?

Ireo fanahy dia te-hahafantatra hoe hafiriana Andriamanitra no namaly faty ny ràn'izy ireo.

Hafiriana ireo fanahy no nolazaina fa tokony hiandry?

Ireo fanahy dia nolazaina fa tokony hiandry mandra-pahafeno ny isan'ireo namana mpanompo izay novonoina.

Revelation 6:12

Inona no hitan'i Paoly rehefa nisokatra ny tombon-kase fahaenina?

Jaona nahita horohoron-tany, ny masoandro lasa mainty, ny volana lasa rà, ary ireo kintana nianjera tamin'ny tany.

Revelation 6:15

Inona no hitan'i Jaona nataon'ireo mpanjaka, ireo jeneraly, ireo mpanan-karena, ireo mahery, ary ny hafa rehetra?

Jaona nahita azy ireo niafina tao anatin'ireo lava-bato ary niteny tamin'ireo vatolampy mba hilatsaka amin'izy ireo sy hanafina azy ireo.

Nohon'ny inona no niafenan'ireo mpanjaka, ireo jeneraly, ireo mpanan-karena, ireo mahery, ary ny hafa rehetra?

Te-hiafina an'ilay iray izay mipetraka eo ambony seza fiandrianana sy ny hatezeran'ilay Zanak'ondry izy ireo.

Inona ilay andro izay ho avy?

Ny andro lehiben'ny fahatezeran'ilay iray izay eo ambony seza fiandrianana sy ilay Zanak'ondry no ho avy.

Revelation 7

Revelation 7:1

Inona no nataon'ireo anjely efatra nitsangana teo amin'ny zoro efatry ny tany rehefa hitan'i Jaona izy ireo?

Nanohitra ny rivotry ny tany ireo anjely efatra.

Inona no nolazain'ilay anjely avy antsinanana fa tsy maintsy vita mialohan'ny faharavan'ny tany?

Ilay anjely nilaza fa ny tombon-kase dia tsy maintsy apetraka amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika mialohan'ny faharavan'ny tany.

Revelation 7:4

Olona firy avy amin'y foko inona no voatombon-kase?

Olona miisa 144.000 avy amin'ny fokon'ny olon'Israely rehetra no voatombon-kase.

Revelation 7:9

Inona noho ny avy eo no hitan'i Jaona teo alohan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy nanoloana ny Zanak'ondry?

Jaona nahita olona maro be avy amin'ny firenena, ny foko, ny olona, ary ny fiteny rehetra nanoloana ny seza fiandrianana.

Araka ireo izay nanoloana ny seza fiandrianana, an'iza ny famonjena?

Ireo izay nanoloana ny seza fiandrianana niantso tamin'ny feo mahery fa ny famonjena dia an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Revelation 7:11

Ahoana ny endriky ny vatan'ireo anjely, ireo loholona, ireo zava-manan'aina raha nidera an'Andriamanitra izy ireo?

Nandry tamin'ny tany izy ireo ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany rehefa nidera an'Andriamanitra.

Revelation 7:13

Iza no nolazain'ireo loholona ho ilay iray izay miakanjo fotsy lava nanoloana ny seza fiandrianana?

Ny loholona nilaza fa ireo izay nivoaka avy tao amin'ny Fahoriana Lehibe izany.

Ahoana no namotsian'ireo izay nanoloana ny seza fiandrianana ny akanjo lavan'izy ireo?

Nofotsian'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanasana izany tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry ny akanjo lavan'izy ireo.

Revelation 7:15

Inona no nolazain'ny loholona fa ho ataon'Andriamanitra ho an'ireo izay miakanjo lava fotsy?

Andriamanitra hamelatra ny lainy eo amin'izy ireo mba tsy hijaly intsony izy ireo.

Inona no nolazain'ilay loholona fa ho ataon'ilay Zanak'ondry ho an'ireo izay miakanjo lava fotsy?

Ny Zanak'ondry dia hiandry azy ireo ary hanoro lalana azy ireo amin'ny loharanon'ny rano velona.

Revelation 8

Revelation 8:1

Inona no nampisy fahanginana tany an-danitra?

Ny fanokafan'ny Zanak'ondry ny tombon-kase fahafito no nampisy ny fahanginana tany an-danitra.

Inona no nomena an'ireo anjely fito izay nitsangana nanoloana an'Andriamanitra?

Trompetra fito no nomena ireo anjely izay nitsangana nanoloana an'Andriamanitra.

Revelation 8:3

Inona no nitsangana nanoloana an'Andriamanitra?

Ny setrok'ilay ditin-kazo manitra mbamin'ny vavak'ireo olomasina no nitsangana teo anatrehan'Andriamanitra.

Inona no niseho rehefa nanipy ny afo avy amin'ny alitara tety an-tany ny anjely?

Rehefa nanipy ny afo ny anjely, dia nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.

Revelation 8:6

Inona no niseho rehefa notsofina ny trompetra voalohany?

Rehefa notsofina ny trompetra voalohany, dia may ny ampahatelon'ny tany, ny ampahatelon'ny hazo, ary ny ahitra maitso rehetra.

Revelation 8:8

Inona no niseho rehefa notsofina ny trompetra faharoa?

Rehefa notsofina ny trompetra faharoa, dia lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasina, maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ireo sambo.

Revelation 8:10

Inona no niseho rehefa notsofina ny trompetra fahatelo?

Rehefa notsofina ny trompetra fahatelo, dia lasa nangidy ny ampahatelon'ny rano, ary olona maro no maty.

Revelation 8:12

Inona no niseho rehefa notsofina ny trompetra fahaefatra?

Rehefa notsofina ny trompetra fahaefatra, dia lasa tsy nisy hazavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny alina.

Revelation 8:13

Nahoana ilay voro-mahery no nilaza hoe: "Loza, loza, loza" ho an'ireo izay monina eny amin'ny tany?

Ilay voro-mahery nilaza hoe: "Loza, loza, loza" ho an'ireo izay monina eny amin'ny tany nohon'ny feon'ireo trompetra telo sisa tavela.

Revelation 9

Revelation 9:1

Karazana kintana inona no hitan'i Jaona rehefa notsofina ny trompetra fahadimy?

Rehefa notsofina ny trompetra fahadimy, dia nahita kintana avy any an-danitra izay nianjera teny amin'ny tany i Jaona .

Inona no nataon'ilay kintana?

Ilay kintana nanokatra ny hidin'ilay lavaka tsy hita noanoa.

Revelation 9:3

Inona no nasaina nataon'ireo valala avy ao amin'ny lavaka tsy hita noanoa?

Ireo valala dia nolazaina hanimba ny tany, fa tsy ny olona izay tsy manana ny tombon-kasen'Andriamanitra ihany.

Revelation 9:5

Inona no ho tadiavin'ireo olona izay ampijalian'ny valala nefa tsy hitany?

Ny olona izay ampijalian'ireo valala dia hitady fahafatesana, fa tsy hahita izany izy ireo.

Revelation 9:7

Tahaka ny inona ny feon'ny elatr'ireo valala?

Tahaka ny feon'ny kalesy maro sy soavaly mihazakazaka ho any amin'ny ady ny feon'ny elatr'ireo valala.

Revelation 9:10

Iza no mpanjakan'ireo valala?

Abadona no mpanjakan'ireo valala, na ilay anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa amin'ny teny Grika, sy Apolyona.

Inona no niseho taorian'ny nitsofana ny trompetra fahadimy?

Ny loza voalohany no niseho taorian'ny nitsofana ny trompetra fahadimy.

Revelation 9:13

Inona no feo ren'i Jaona rehefa notsofina ny trompetra fahaenina?

Rehefa notsofina ny trompetra fahaenina, dia nandre feo avy amin'ny alitara volamena izay teo anatrehan'Andriamanitra i Jaona.

Inona no nataon'ireo anjely efatra rehefa nandre ny feo izy ireo?

Rehefa nandre ny feo, dia navotsotra mba hamono ny ampahatelon'ny olombelona ireo anjely efatra .

Revelation 9:16

Hafiriana ireo olona nitaingin-tsoavaly hitan'i Jaona?

Jaona dia nahita miaramila nitaingin-tsoavaly 200.000.000.

Revelation 9:18

Inona ireo loza namono ny ampahatelon'ny olona?

Ny afo, ny setroka, ary ny solifara avy amin'ny vavan'ireo soavaly no namono ny ampahatelon'ny olona.

Revelation 9:20

Inona no nataon'ireo olona izay tsy matin'ireo loza?

Tsy nibebaka tamin'ny asany ireo olona izay tsy matin'ireo loza, ary tsy nijanona nanompo ireo demonia.

Revelation 10

Revelation 10:1

Tahaka ny ahoana ny endrika sy ny tongotr'ilay anjely mahery izay hitan'i Jaona?

Ilay anjely dia nanana endrika tahaka ny masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.

Taiza ilay anjely no nitsangana?

Ilay anjely dia nitsangana teo amin'ny ranomasina tamin'ny tongony havanana ary teo amin'ny tany tamin'ny tongony havia.

Revelation 10:3

Notenenina tsy hanoratra inona i Jaona?

Jaona dia notenenina mba tsy hanoratra izay nolazain'ireo kotroka fito.

Revelation 10:5

Tamin'iza ilay anjely mahery no nianiana?

Ilay anjely mahery dia nianiana tamin'ilay velona mandrakizay doria, ilay nahary ny lanitra, ny tany, ary ny ranomasina.

Inona no nolazain'ilay anjely mahery fa tsy atao ho ela?

Ilay anjely nilaza fa rehefa voatsoka ny trompetra fahafito, dia tsy hisy fiandrasana intsony, ary ny misterin'Andriamanitra dia ho tanteraka.

Revelation 10:8

Inona no nasaina nalain'i Jaona teny amin'ilay anjely mahery?

Jaona dia nolazaina haka ilay horonan-taratasy misokatra eny amin'ilay anjely.

Inona no nolazain'ilay anjely fa hiseho rehefa mihinana ilay horonan-taratasy i Jaona?

Ilay anjely nilaza fa ny horonan-taratasy dia ho mamy ao am-bavan'i Jaona, fa hampangidy ny ao an-kibony.

Revelation 10:10

Rehefa avy nihinana ny horonan-taratasy izy, dia nasaina naminany momba ny inona?

Nolazaina i Jaona mba haminany momba ireo olona, ireo firenena, ireo fiteny, ary ireo mpanjaka.

Revelation 11

Revelation 11:1

Inona no nasaina norefesin'i Jaona?

Nasaina nandrefy ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara i Jaona, ary ireo izay midera ao anatin'izany.

Hafiriana ireo Jentilisa no hanitsaka ny tanàna masina?

Hanitsaka ny tanàna masina mandritra ny roa amby efapolo volana ireo Jentilisa.

Revelation 11:3

Nomena fahefana hanao inona amin'ireo izay nisafidy ny handratra azy ireo ireo vavolombelona roa?

Ireo vavolombelona roa dia nomena fahefana hamono ny fahavalon'izy ireo amin'ny afo.

Revelation 11:8

Aiza no hiampatra ny fatin'ireo vavolombelona roa?

Ny fatin'izy ireo dia hiampatra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe antsoina hoe: Sodoma sy Egypta, izay namantsihana ny Tompon'izy ireo.

Revelation 11:10

Ahoana no ho fihetsiky ny olona ambonin'ny tany rehefa ho vonoina ireo vavolombelona roa ireo?

Ny olona ambonin'ny tany dia hifaly sy hankalaza rehefa maty ireo vavolombelona roa ireo.

Inona no hiseho amin'ireo vavolombelona roa aorian'ny andro telo sy tapany?

Aorian'ny andro telo sy tapany, dia hitsangana amin'ny tongony izy ireo ary hiakatra any an-danitra ireo vavolombelona roa ireo.

Revelation 11:13

Aorian'ireo vavolombelona roa sy ny fahataperan'ny horohoron-tany, dia inona no lasa?

Aorian'ireo vavolombelona roa sy ny fahataperan'ny horohoron-tany, dia lasa ny loza faharoa.

Revelation 11:15

Rehefa voatsoaka ireo trompetra fito, dia inona no notenenina mafy tany an-danitra?

Rehefa voatsoaka ny trompetra fito, dia nisy feo mafy nilaza fa ny fanjakan'izao tontolo izao dia lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny.

Revelation 11:16

Inona no nolazain'ireo loholona fa ho atomboky ny Tompo Andriamanitra ankehitriny?

Ireo loholona nilaza fa ny Tompo Andriamanitra dia hanomboka hanjaka.

Revelation 11:18

Araka ireo loholona, fotoana inona no tonga ankehitriny?

Tonga ankehitriny ny fitsarana ny maty, ny hamaliana soa an'ireo mpanompon'ny Tompo, ary ny hamotehan'Andriamanitra ireo izay nanimba ny tany.

Revelation 11:19

Inona avy eo no nisokatra teny amin'ny lanitra?

Ny tempolin'Andriamanitra no nisokatra teny amin'ny lanitra.

Revelation 12

Revelation 12:1

Inona no famantarana lehibe niseho teny amin'ny lanitra?

Nisy vehivavy bevohoka nihiaka mafy fa ho teraka izay nitafy masoandro teny amin'ny lanitra, ny volana teo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana roa ambinifolo no teo amin'ny lohany.

Revelation 12:3

Famantarana lehibe hafa inona ihany koa no hita teny amin'ny lanitra?

Teny amin'ny lanitra dia nahitana dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka fito, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin'ireo lohany.

Inona no nataon'ilay dragona tamin'ny rambony?

Nifaoka ny ampahatelon'ny kintana teny amin'ny lanitra tamin'ny rambony izy ary nanipy azy ireo teny amin'ny tany.

Inona no tian'ilay dragona ho atao?

Ilay dragona dia naniry handrapaka ny zanak'ilay vehivavy.

Revelation 12:5

Inona ho ataon'ilay zazalahy?

Ilay zazalahy dia hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehina vy.

Ho aiza ilay zazalahy?

Ilay zazalahy dia nalaina an-keriny ho any amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seza fiandrianany.

Aiza ilay vehivavy no handeha?

Ilay vehivavy dia handositra any an'efitra.

Revelation 12:7

Iza no niady tany an-danitra?

Mikaela sy ireo anjeliny no niady nanohitra ny dragona sy ireo anjeliny.

Inona no niseho tamin'ilay dragona sy ireo anjeliny taorian'ny ady?

Ilay dragona sy ireo anjeliny dia natsipy teny amin'ny tany.

Iza ilay dragona?

Ny dragona dia ilay menarana fahiny, ilay devoly, na Satana.

Revelation 12:11

Ahoana no nandresen'ireo rahalahy ilay dragona?

Ireo rahalahy dia nandresy ilay dragona tamin'ny alalan'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ireo vavolombelona.

Fotoana firy no fantany fa hananan'ilay dragona?

Ilay dragona dia nahafantatra fa fotoana fohy no hananany.

Revelation 12:13

Inona no natao tamin'ilay vehivavy rehefa nenjehan'ilay dragona izy?

Nomena elatra roa Ilay vehivavy mba hanidinany mankany amin'ny toerana efa nomanina hikarakarana azy.

Revelation 12:15

Rehefa tsy nahavita nifaoka ilay vehivavy ilay dragona, dia inona no nataony?

Nandeha niady tamin'ireo izay mankato ny didin'Andriamanitra sy ireo izay mitàna ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy izy.

Revelation 13

Revelation 13:1

Avy aiza no tonga ilay bibidia izay hitan'i Jaona?

Niakatra avy tao amin'ny ranomasina ilay bibidia.

Inona no nomen'ilay dragona an'ilay bibidia?

Ilay dragona nanome ny fahefany, ny seza fiandrianany, ary ny fahefany hanapaka an'ilay bibidia.

Revelation 13:3

Nahoana ny tany iray manontolo no gaga sy nanaraka ilay bibidia?

Ny tany manontolo dia gaga sy nanaraka ilay bibidia satria nisy ratra mahafaty sitrana izy.

Revelation 13:5

Inona no nolazain'ilay bibidia tamin'ny vavany?

Ilay bibidia dia niteny fireharehana sy fitenenan-dratsy tamin'Andriamanitra, ny anarany, ny toerana nipetrahany, ary ireo izay mipetraka any an-danitra.

Revelation 13:7

Navela hiady amin'ny olona masina sy handresy azy ireo ilay bibidia.

Iza no tsy hidera ilay bibidia?

Tsy hidera ilay bibidia ireo izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarany.

Revelation 13:9

Inona no niantsoana ireo izay masina?

Ireo izay masina dia nantsoina ho an'ny fiaretana am-paharetana sy finoana.

Revelation 13:11

Avy aiza no tonga ilay biby hafa izay hitan'i Jaona?

Ilay bibidia hafa dia avy tamin'ny tany.

Karazana tandroka inona sy fiteny inona no nataon'ilay bibidia hafa?

Ilay bibidia hafa dia nanana tandroka tahaka ny zanak'ondry ary niteny tahaka ny dragona.

Inona no nampanaovin'ilay bibidia hafa tamin'ireo izay niaina tety an-tany?

Nidera ilay bibidia voalohany ilay bibidia hafa nahatonga ireo izay niaina tety an-tany.

Revelation 13:15

Inona no niseho tamin'ireo izay nandà hidera an'ilay bibidia?

Novonoina ireo izay nandà ny hidera ilay bibidia.

Inona no noraisin'ny olon-drehetra tany amin'ilay bibidia hafa?

Nandray marika teo amin'ny tanana ankavanana na teo amin'ny handrina ny olon-drehetra.

Revelation 13:18

Firy ny isan'ilay bibidia?

666 no isan'ireo bibidia.

Revelation 14

Revelation 14:1

Iza no hitan'i Jaona nitsangana teo alohany?

Jaona nahita Zanak'ondry nitsangana teo alohany teo amin'ny tendrombohitra Ziona.

Revelation 14:3

Iza no afaka nianatra ny hira vaovao izay nohiraina teo alohan'ny seza fiandrianana?

Ireo 144.000 izay novidiana teto an-tany ihany no afaka nianatra ny hira vaovao.

Iza no voavonjy ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry?

Ireo 144.000 izay tsy misy tsiny no voavonjy ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Revelation 14:6

Iza no nomen'ilay anjely ny hafatra mandrakizain'ny vaovao mahafaly?

Ny anjely dia nanome ny hafatra mandrakizain'ny vaovao mahafaly ho an'ny firenena, ny foko, ny teny, ary ny olona rehetra amin'ny tany.

Inona no nolazain'ilay anjely ho ataon'ireo izay miaina ety an-tany?

Nolazain'ilay anjely izy ireo mba hatahotra an'Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy.

Fotoana inona no nolazain'ilay anjely fa ho avy?

Ilay anjely nilaza fa ny fotoan'ny fitsaran'Andriamanitra no ho avy.

Revelation 14:8

Inona no nambaran'ilay anjely faharoa?

Ilay anjely faharoa nanambara fa nianjera Babylona lehibe.

Revelation 14:9

Inona no nolazain'ilay anjely fahatelo fa hiseho amin'ireo izay nandray ny marik'ilay bibidia?

Ireo izay nandray ny marik'ilay bibidia dia ho ampijaliana amin'ny afo sy solifara.

Revelation 14:11

Inona no niantsoana an'ireo olomasina?

Ireo olomasina dia nantsoina ho an'ny fiaretana maharitra.

Revelation 14:14

Iza no hitan'i Jaona nipetraka teo ambony rahona?

Jaona nahita ilay iray izay tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambony rahona.

Inona no nataon'ilay iray izay nipetraka teo ambony rahona?

Ilay iray izay nipetraka teo ambony rahona dia nampandroso ny fijinjany teto an-tany mba hijinjana ny tany.

Revelation 14:19

Inona no nataon'ilay anjely tamin'ny fijinjany?

Nanangona ny vokatry ny voaloboky ny tany sy nanipy izany tao anaty famiazam-boaloboka lehiben'ny fahatezeran'Andriamanitra izy.

Inona no niseho tamin'ny famiazam-boalobok'Andriamanitra?

Nitsahina ny famiazam-boaloboka ary niraraka avy ao amin'izany ny rà.

Revelation 15

Revelation 15:1

Inona no teny amin'ireo anjely fito izay hitan'i Jaona?

Ireo loza fito izay loza farany indrindra no teny amin'ireo anjely fito.

Revelation 15:2

Iza no nitsangana teo amin'ny ranomasina?

Ireo izay nandresy an'ilay bibidia sy ny sariny no nitsangana teo amin'ny ranomasina.

Revelation 15:3

Hiran'iza no nohirain'ireo izay nitsangana teo amin'ny ranomasina?

Ireo izay nitsangana tamin'ny ranomasina dia nihira ny hiran'i Mosesy sy ny hiran'ilay Zanak'ondry.

Tahaka ny ahoana no namaritana ireo lalan'Andriamanitra amin'ilay hira?

Nofaritana ho mahitsy sy marina ireo lalan'Andriamanitra.

Ao amin'ilay hira, iza no ho avy hidera an'Andriamanitra?

Ny firenena rehetra no ho avy sy hidera an'Andriamanitra.

Revelation 15:5

Inona no hivoaka avy ao amin'ilay toerana masina indrindra?

Ireo anjely fito miaraka amin'ireo loza fito no hivoaka avy amin'ilay toerana masina indrindra.

Revelation 15:7

Inona no nomena ireo anjely fito?

Ireo anjely fito dia nomena lovia fito feno ny hatezeran'Andriamanitra.

Mandra-pahoviana no tsy misy na iza na iza afaka miditra ao amin'ny toerana masina indrindra?

Mandra-pahatanteraky ny loza fiton'ireo anjely fito dia tsy misy na iza na iza afaka miditra ao amin'ny toerana masina indrindra.

Revelation 16

Revelation 16:1

Inona no nolazaina ho ataon'ireo anjely fito?

Ireo anjely fito dia nolazaina handeha sy handraraka amin'ny tany ireo lovia fiton'ny fahatezeran'Andriamanitra.

Revelation 16:2

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra voalohany?

Ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia.

Revelation 16:3

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra faharoa?

Lasa tahaka ny ràn'ny olona maty ny ranomasina.

Revelation 16:4

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra fahatelo?

Lasa rà ireo loharano.

Nahoana no marina sy mahitsy fa Andriamanitra dia nanome rà ho sotroina an'ireo olona?

Marina sy mahitsy izany satria ireo olona ireo dia nandraraka ny ràn'ireo mpino sy ireo mpaminany.

Revelation 16:8

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra faha-efatra?

Main'ny masoandro tamin'ny afo ny olona.

Inona no nasetrin'ny olona ireo loza ireo?

Tsy nibebaka na tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra ny olona.

Revelation 16:10

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra fahadimy?

Rakotra haizina ny fanjakan'ilay bibidia.

Revelation 16:12

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra faha-enina?

Ritra ny onin'i Eofrata mba hanomanana ny lalan'ny mpanjaka avy any antsinanana.

Nivoaka mba hanao inona ireo fanahy maloto telo?

Ireo fanahy maloto telo dia nivoaka mba hanangona ireo mpanjakan'izao tontolo izao ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra.

Revelation 16:15

Inona no anaran'ilay toerana izay hitondrana miaraka an'ireo mpanjakan'izao tontolo izao?

Hara-magedona no anaran'izany.

Revelation 16:17

Inona no niseho rehefa voararaka ny lovian'ny fahatezeran'Andriamanitra fahafito?

Nisy feo mafy niteny hoe: "Vita izany!" ary nisy hazavana, kotroka, ary horohoron-tany.

Amin'io fotoana io, dia inona no nantsoin'Andriamanitra mba ho tsaroana?

Amin'io fotoana io, dia niantso Andriamanitra mba hahatsiaro an'i Babylona lehibe, ary nomeny an'i Babylona ny kapoaka feno ny fahatezerany.

Revelation 16:20

Inona no nasetrin'ny olona ireo loza ireo?

Nanozona an'Andriamanitra ny olona.

Revelation 17

Revelation 17:1

Inona no nolazain'ilay anjely ho aseho an'i Jaona?

Ilay anjely nilaza fa hampiseho an'i Jaona ny fanamelohan'ilay mpijangajanga lehibe izy.

Revelation 17:3

Tamin'ny inona ilay vehivavy no nipetraka?

Ilay vehivavy dia nipetraka tambony bibidia izay nanana loha fito sy tandroka folo.

Inona no tao amin'ilay kapoaka izay notazomin'ilay vehivavy tamin'ny tanany?

Ilay kapoaka dia feno zavatra maharikoriko sy fahalotoan'ny fijangajangany.

Iza no anaran'ilay vehivavy?

"Babylona Lehibe, ilay renin'ireo Mpijangajanga sy ireo Zavatra maharikorikon'ny Tany."

Revelation 17:6

Inona no nosotron'ilay vehivavy?

Ilay vehivavy dia nisotro tamin'ny ràn'ireo olomasina sy ireo martiry ho an'i Jesosy.

Revelation 17:8

Avy aiza no nahatongavan'ilay bibidia teo amin'izay nipetrahan'ilay vehivavy?

Ilay bibidia dia tonga avy ao amin'ilay lavaka lalina tsy hita noanoa.

Ho aiza ilay bibidia?

Ho any amin'ny faharavana ilay bibidia.

Revelation 17:9

Inona ireo loha fiton'ilay bibidia?

Ireo loha fiton'ilay bibidia dia ireo tendrombohitra fito izay nipetrahan'ilay vehivavy, sy nisy ireo mpanjaka fito ihany koa.

Revelation 17:11

Ho aiza ilay bibidia?

Ilay bibidia dia ho any amin'ny fahaverezana.

Revelation 17:12

Inona ireo tandroka folon'ilay bibidia?

Ireo tandroka folo dia ireo mpanjaka folo.

Inona no ho ataon'ireo mpanjaka sy ilay bibidia rehefa miray saina izy ireo?

Rehefa miray saina izy ireo dia hiady amin'ilay Zanak'ondry.

Revelation 17:15

Inona ireo rano izay nipetrahan'ilay mpijangajanga?

Ireo olona, ireo vondron'olona, ireo firenena, ary ireo fiteny izany.

Revelation 17:16

Inona no ho ataon'ireo mpanjaka sy ilay bibidia amin'ilay vehivavy?

Ho ataon'izy ireo lao sy tsy miakanjo izy, horovitin'izy ireo ny nofony, ary ho doran'izy ireo amin'ny afo izy.

Revelation 17:18

Iza ilay vehivavy izay hitan'i Jaona?

Ilay vehivavy izay hitan'i Jaona dia ilay tanàna lehibe izay manapaka eo amin'ireo mpanjakan'ny tany.

Revelation 18

Revelation 18:1

Inona no fanambarana nataon'ilay anjely tamin'ny fahefana lehibe?

Ilay anjely nanambara fa Babylona lehibe dia nianjera.

Revelation 18:4

Inona no nasain'ilay feo avy any an-danitra ho ataon'ireo olon'Andriamanitra?

Niteny ireo olon'Andriamanitra Ilay feo mba hiala ao Babylona mba tsy hizarany ireo fahotany.

Toy ny ahoana ny haben'ny tamby nataon'Andriamanitra tamin'i Babylona tamin'izay vitany?

Andriamanitra namaly avo roa heny izay nataony.

Revelation 18:7

Inona no loza nahazo an'i Babylona nandritra ny andro iray?

Fahafatesana, fitomaniana, ary mosary no nihatra tamin'i Babylona nandritra ny andro iray ary nodoran'ny afo izy.

Revelation 18:9

Inona no nasetrin'ireo mpanjakan'ny tany rehefa nahita ny fitsarana an'i Babylona izy ireo?

Rehefa nahita ny fitsarana an'i Babylona izy ireo dia nitomany ary niankohoka teo aminy.

Revelation 18:14

Inona no nirin'i Babylona fatratra, izay nanjavona tao anatin'ny ora iray monja?

Babylona naniry ny lafo vidy sy namirapiratra, izay nanjavona tao anatin'ny ora iray monja.

Revelation 18:15

Nahoana ireo mpanjaka, mpivarotra entana ary ireo kapitenin-tsambo no nitsangana lavitra an'i Babylona tamin'ny fotoan'ny fitsarany?

Nitsangana lavitra izy ireo satria natahotra ny fijaliany.

Revelation 18:18

Inona no fanontaniana napetraky ny kapitenin-tsambo momba an'i Babylona?

Ny kapitenin-tsambo nanontany hoe: "Inona no tanàna tahaka ilay tanàna lehibe?

Inona no nolazaina ho ataon'ireo olomasina, ireo apostoly, ary ireo mpaminany rehefa notsarain'Andriamanitra i Babylona?

Ireo olomasina, ireo apostoly, ary ireo mpaminany dia nasaina nifaly rehefa notsarain'Andriamanitra i Babylona.

Revelation 18:21

Aorian'ny fitsarana azy, rahoviana indray Babylona no ho hita?

Aorian'ny fitsarana azy, dia tsy ho hita intsony i Babylona .

Revelation 18:23

Inona no hita tao amin'i Babylona ilay tanàna lehibe izay nitsarana azy?

Ny ràn'ireo mpaminany, ireo olomasina, ary izay rehetra novonoina tety an-tany no hita tao.

Revelation 19

Revelation 19:1

Inona no nolazain'ilay feo mahery tany an-danitra momba ny fitsaran'Andriamanitra?

Ilay feo mahery tany an-danitra nilaza fa ny fitsaran'Andriamanitra dia marina sy mahitsy.

Nahoana Andriamanitra no nitsara ilay mpivaro-tena lehibe?

Andriamanitra nitsara ilay mpivaro-tena lehibe satria nanaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy ary namaly faty ny ràn'ireo mpanompon'Andriamanitra izy.

Revelation 19:3

Inona no hiseho amin'ilay mpivaro-tena lehibe mandrakizay doria?

Ny setroka dia hiakatra avy amin'ilay mpivaro-tena lehibe mandrakizay doria.

Revelation 19:5

Inona no nasaina nataon'ireo mpanompon'Andriamanitra izay matahotra Azy?

Ireo mpanompon'Andriamanitra dia nasaina nidera Azy.

Revelation 19:7

Nahoana ilay feo no nilaza fa ireo mpanompon'Andriamanitra dia tokony hifaly sy hiravo?

Ireo mpanompon'Andriamanitra dia nasaina nifaly sy niravo satria efa ho tonga ny fankalazana ny Zanak'ondry.

Inona no niakanjoan'ilay ampakarin'ny Zanak'ondry?

Ilay ampakarina dia niakanjo lamba rongony, izay asa marin'ireo olomasin'Andriamanitra.

Revelation 19:9

Inona no nolazain'ilay anjely fa fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy?

Ilay anjely nilaza fa ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana.

Revelation 19:11

Inona no hitan'i Jaona teo ambonin'ilay soavaly fotsy?

Jaona dia nahita ny Tenin'Andriamanitra teo ambonin'ilay soavaly fotsy.

Revelation 19:14

Ahoana no namelezan'ny Tenin'Andriamanitra ireo firenena?

Avy ao amin'ny vavan'ny Tenin'Andriamanitra ny sabatra maranitra no nivoaka namely ireo firenena.

Inona no voasoratra teo amin'ny akanjo lava sy ny fen'ny Tenin'Andriamanitra?

Teo amin'ny akanjo lava sy ny feny dia voasoratra hoe: "Mpanjakan'ireo Mpanjaka sy Tompon'ireo Tompo."

Revelation 19:17

Nantsoina hanao inona amin'ny fihinanam-be ireo vorona nanidina teny ambony?

Ireo vorona dia nantsoina mba hihinana ny nofon'ireo mpanjaka, ireo mpandidy, ireo lehilahy mahery, ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy ireo, ary ny olona rehetra.

Revelation 19:19

Inona no handeha ho ataon'ireo bibidia sy ireo mpanjakan'ny tany?

Handeha hanangana ady amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny tafikany izy ireo.

Inona no niseho tamin'ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka?

Ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka dia samy natsipy velona tao anatin'ny farihin'afo mirehitra solifara.

Revelation 19:21

Inona no niseho tamin'ny ambin'ireo izay niady nanohitra ny Tenin'Andriamanitra?

Ny ambiny dia novonoina tamin'ny alalan'ny sabatra izay nivoaka avy tao amin'ny vavan'ny Tenin'Andriamanitra.

Revelation 20

Revelation 20:1

Nanana inona ilay anjely nidina avy any an-danitra?

Ilay anjely dia nanana ny fanalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa ary nanana rojo vy lehibe teny amin'ny tanany.

Hafiriana i Satana no ho voafatotra?

Satana dia ho voafatotra mandritra ny arivo taona.

Inona no nataon'ilay anjely tamin'i Satana?

Ilay anjely nanipy an'i Satana tany anatin'ny lavaka tsy hita noanoa.

Inona no tsy afaka ataon'i Satana rehefa mifatotra izy?

Satana dia tsy afaka mamitaka ireo firenena rehefa mbola voafatotra.

Revelation 20:4

Inona no niseho tamin'ireo izay nandà handray ny mariky ny bibidia?

Ireo izay nandà handray ny mariky ny bibidia dia tonga velona indray ary manjaka arivo taona miaraka amin'i Kristy.

Revelation 20:5

Rahoviana ny ambin'ireo maty no ho velona indray?

Ny ambin'ireo maty dia ho velona indray rehefa tapitra ny arivo taona.

Inona no ho ataon'ireo izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany?

Ireo izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany dia ho lasa mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka hiaraka Aminy mandritra ny arivo taona.

Revelation 20:7

Inona no ho ataon'i Satana any amin'ny faran'ny arivo taona?

Ho avoaka mba hamitaka ireo firenena ny Satana, any amin'ny faran'ny arivo taona,

Revelation 20:9

Inona no niseho rehefa voadidina ny tobin'ireo olomasina?

Rehefa voadidina ny tobin'ireo olomasina, ny afo dia hidina avy any an-danitra ary handripaka an'i Goga sy Magoga.

Inona no natao tamin'ilay devoly tamin'io fotoana io?

Ny devoly dia natsipy tany anaty farihin'afo mba ho ampijalian'ny afo mandrakizay.

Revelation 20:11

Amin'ny inona no hitsarana ireo maty eo anatrehan'ny seza fiandrianana lehibe?

Ireo maty dia notsaraina tamin'izay voarakitra tao amin'ny boky, ny vokatr'izay nataon'izy ireo.

Revelation 20:13

Inona ilay fahafatesana faharoa?

Ny farihin'afo no fahafatesana faharoa.

Inona no niseho tamin'ireo rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana?

Ireo rehetra izay tsy hita voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana dia natsipy tany anaty farihin'afo.

Revelation 21

Revelation 21:1

Inona no hitan'i Jaona niseho tamin'ny lanitra sy ny tany voalohany?

Jaona dia nahita fa ny lanitra sy ny tany voalohany dia foana.

Inona no nanolo ny lanitra sy ny tany voalohany?

Lanitra vaovao sy tany vaovao no nanolo ny lanitra sy ny tany voalohany.

Inona no nidina avy any an-danitra?

Tanàna masina, Jerosalema vaovao, no nidina avy any an-danitra.

Revelation 21:3

Aiza no toerana nolazain'ilay feo avy eo amin'ny seza fiandrianana fa hitoeran'Andriamanitra ankehitriny?

Nilaza Ilay feo fa Andriamanitra dia hitoetra hiaraka amin'ny olombelona ankehitriny.

Inona no foana ankehitriny?

Ny fahafatesana, ny alahelo, ny fitomaniana, ary ny fanaintainana dia ho foana.

Revelation 21:5

Iza no anarana hiantsoan'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana ny tenany?

Ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia niantso ny tenany hoe Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana.

Revelation 21:7

Inona no niseho tamin'ireo tsy manam-pinoana, ireo mpijangajanga, ary ireo mpanompo sampy?

Any amin'ny farihy mirehitra afo solifara ireo tsy manam-pinoana, ireo mpijangajanga, ary ireo mpanompo sampy.

Revelation 21:9

Iza ilay ampakarina, ilay vadin'ny Zanak'ondry?

Ilay ampakarina, ilay vadin'ny Zanak'ondry, dia ilay tanàna masina, Jerosalema, izay nidina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra.

Revelation 21:11

Inona no voasoratra eo amin'ny vavahadin'i Jerosalema vaovao?

Ny anaran'ireo foko roa ambinifolon'ireo zanak'Israely no voasoratra eo amin'ny vavahadin'i Jerosalema vaovao.

Revelation 21:14

Inona no voasoratra eo amin'ny fototr'i Jerosalema vaovao?

Ny anaran'ireo apostoly roa ambinifolon'ny Zanak'ondry no voasoratra eo amin'ny fototr'i Jerosalema vaovao.

Revelation 21:16

Niendrika inona ilay Jerosalema vaovao?

Ilay Jerosalema vaovao dia niendrika efa-joro.

Revelation 21:18

Naorina tamin'ny inona ilay tanàna?

Ilay tanàna dia naorina tamin'ny volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra madio.

Revelation 21:21

Inona no tempoly ao Jerosalema vaovao?

Ny tempoly ao Jerosalema vaovao dia ny Tompo Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Revelation 21:23

Inona no loharanom-pahazavana ao Jerosalema vaovao?

Ny loharanom-pahazavana dia ny voninahitr'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Revelation 21:26

Inona no tsy hiditra mandrakizay ao Jerosalema vaovao?

Ny zavatra maloto dia tsy hiditra mandrakizay ao Jerosalema vaovao.

Revelation 22

Revelation 22:1

Inona no hitan'i Jaona nikoriana avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra?

Nahita ny onin'ny ranon'ny fiainana nikoriana avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Jaona.

Ho an'ny inona ny ravin'ilay hazon'ny fiainana?

Ireo ravin'ny hazon'ny fiainana dia ho an'ny fanasitranana ireo firenena.

Revelation 22:3

Inona no tsy hisy intsony ao amin'ny tanàna?

Tsy hisy intsony ny voaozona, ary tsy hisy alina intsony.

Aiza no hisy ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry?

Ao amin'ilay tanàna no hisy ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.

Revelation 22:6

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona iray mba ho sambatra amin'ny alalan'io boky io?

Ny olona iray dia tsy maintsy mankato ireo tenin'ny faminanian'ity boky ity mba ho sambatra.

Revelation 22:8

Inona no nasain'ilay anjely nataon'i Jaona rehefa nampiankohoka ny tenany teo amin'ilay anjely izy?

Nasainy nidera an'Andriamanitra izy.

Revelation 22:10

Nahoana i Jaona no nolazaina tsy hanisy tombon-kase ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity?

Jaona dia nolazaina mba tsy hanisy tombon-kase amin'ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity satria efa akaiky ny fotoana.

Revelation 22:12

Inona no nolazain'ny Tompo fa entiny miaraka Aminy rehefa ho avy Izy?

Nilaza ny Tompo fa hitondra ny valisoany miaraka Aminy Izy rehefa tonga.

Revelation 22:14

Inona no tsy maintsy ataon'ireo izay te-hanan-jo hihinana amin'ny hazon'ny fiainana?

Ireo izay te-hanan-jo hihinana amin'ny hazon'ny fiainana dia tsy maintsy manasa ny akanjo lavan'izy ireo.

Revelation 22:16

Ahoana no fifandraisan'i Jesosy amin'i Davida Mpanjaka hoy Izy?

Jesosy nilaza fa Izy no fototra sy taranak'i Davida Mpanjaka.

Revelation 22:18

Inona no hiseho amin'izay rehetra manampy ny faminaniana ao amin'io boky io?

Na iza na iza manampy ny faminaniana ao ami'io boky io dia handray ireo loza izay voasoratra ao anatin'io boky io izy.

Inona no hiseho amin'izay rehetra manaisotra amin'ny faminaniana ao amin'io boky io?

Na iza na iza manaisotra amin'ny faminaniana amin'io boky io dia hiala ao ny anjarany amin'ny hazon'ny fiainana.

Revelation 22:20

Inona no teny faran'i Jesosy ao amin'ity boky ity?

Ny teny faran'i Jesosy dia hoe: "Eny! Efa akaiky ny fiaviako."

Inona no teny farany amin'ity boky ity?

Ny teny farany amin'ity boky ity dia hoe: "Amena."