Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Galatians 1

Galatians 1:1

Ahoana no nahatonga an'i Paoly ho apostoly?

Tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra ilay Ray no nahatonga an'i Paoly ho apostoly.

Galatians 1:3

Tamin'inona no nanafahana an'ireo mpino an'i Jesosy Kristy?

Ireo mpino an'i Jesosy Kristy dia nafahana tamin'izao andron'ny faharatsiana izao.

Galatians 1:6

Inona no nahagaga an'i Paoly tamin'ny fiangonana any Galatia?

Gaga Paoly fa nitodika aingana ho amin'ny filazantsara hafa izy ireo.

Firy ny isan'ny filazantsara marina misy?

Iray ihany ny filazantsara marina, dia ny filazantsaran'i Kristy.

Galatians 1:8

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony hitranga amin'izay rehetra mitory filazantsara hafa noho ilay filazantsaran'i Kristy?

Nilaza Paoly fa na iza na iza mitory filazantsara hafa dia tokony hozonina.

Fankatoavan'iza no tsy maintsy tadiavin'ireo mpanompon'i Kristy voalohany?

Ny fankatoavan'Andriamanitra aloha no tsy maintsy tadiavin'ireo mpanompon'i Kristy voalohany.

Galatians 1:11

Ahoana no nandraisan'i Paoly ny fahalalana ny filazantsaran'i Kristy?

Paoly dia nandray ny filazantsaran'i Kristy tamin'ny alalan'ny fanambarana avy amin'i Jesosy Kristy mivantana taminy.

Galatians 1:13

Inona no nataon'i Paoly teo amin'ny fiainany talohan'ny nandraisany ny fanambaran'ny filazantsaran'i Kristy?

Nanaraka tamin'ny zotom-po ny fivavahan'ny Jiosy izy, nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra.

Galatians 1:15

Oviana no nisafidianan'Andriamanitra an'i Paoly ho apostoliny?

Andriamanitra dia nisafidy an'i Paoly hatrany an-kibon-dreniny mba ho apostoliny.

Ho amin'ny tanjona inona no nisafidianan' Andriamanitra an'i Paoly ho apostoliny?

Andriamanitra dia nisafisy an'i Paoly ho apostoliny mba hanambaran'i Paoly an'i Kristy eo amin'ireo Jentilisa.

Galatians 1:18

Taiza ihany ny farany no nihaonan'i Paoly tamin'ny sasany tamin'ireo apostoly hafa?

Ny farany, nankany Jerosalema i Paoly ary nihaona tamin'ireo apostoly Kefasy sy Jakoba.

Galatians 1:21

Inona no ren'ireo fiangonana tany Jodia momba an'i Paoly?

Ireo fiangonana tany Jodia dia nandre fa i Paoly, izay nanenjika ny fiangonana fahiny, dia manambara ny finoana ankehitriny.

Galatians 2

Galatians 2:1

Inona no nataon'i Paoly rehefa niakatra nankany Jerosalema izy taorian'ny efatra ambin'ny folo taona?

Niresaka mitokana tamin'ireo mpitarika ny fiangonana Paoly, nanazava tamin'izy ireo ny filazantsara izay nambara.

Galatians 2:3

Inona no tsy azo ataon'i Titosy, izay Jentilisa?

Titosy dia tsy azo foraina.

Inona no irian'ireo rahalahy sandoka ho atao?

Ireo rahalahy sandoka dia naniry ny hanandevo an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy amin'ny lalàna.

Galatians 2:6

Nanova ny hafatr'i Paoly ve ireo mpitarika ny fiangonana tao Jerosalema?

Tsia, tsy nandray anjara tamin'ny hafatr'i Paoly izy ireo.

Ho amin'iza no nanirahina an'i Paoly voalohany hitoriana ny filazantsara?

Paoly dia nirahina voalohany ho any amin'ireo tsy voafora mba hitory ny filazantsara.

Ho amin'iza no nanirahina an'i Petera voalohany hitoriana ny filazantsara?

Petera dia nirahina voalohany ho any amin'ireo voafora mba hitory ny filazantsara.

Galatians 2:9

Ahoana no nampisehoan'ireo mpitarika tao Jerosalema ny fankatoavan'izy ireo ny asa fanompoan'i Paoly?

Ireo mpitarika tao Jerosalema dia nanome an'i Paoly sy Barnabasy ny tanana an-kavanan'ny fiombonana mba hampisehoana ny fankatoavan'izy ireo.

Galatians 2:11

Inona no fahadisoana nataon'i Petera tamin'izy tonga tao Antioka?

Nitsahatra tsy nihinana niaraka tamin'ireo Jentilisa i Petera satria natahotra an'ireo lehilahy izay voafora.

Galatians 2:13

Inona no nangatahan'i Paoly tamin'i Kefasy teo anoloan'ny olona rehetra?

Paoly dia nangataka an'i Kefasy ny fomba hanereny an'ireo Jentilisa hiaina tahaka an'ireo Jiosy rehefa niaina tahaka ny Jentilisa i Kefasy.

Galatians 2:15

Nilaza Paoly fa tsy misy na iza na iza hamarinin'ny inona?

Paoly dia nilaza fa tsy misy na iza na iza hamarinin'ny asan'ny lalàna.

Ahoana no hamarinana ny olona eo anatrehan' Andriamanitra?

Ny olona iray dia hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy Jesosy.

Galatians 2:17

Raha misy olona miverina miezaka manaraka ny lalàna taorian'ny fananana finoana an'i Kristy, dia lasa inona izy ankehitriny araka ny nolazain'i Paoly?

Milaza Paoly fa izy dia mampiseho ny tenany ankehitriny ho mpadika lalàna.

Galatians 2:20

Iza no lazain'i Paoly fa velona ao aminy ankehitriny?

Nilaza Paoly fa Kristy no velona ao aminy ankehitriny.

Inona no nolazain'i Paoly fa nataon'ilay Zanak' Andriamanitra taminy?

Milaza Paoly fa tia azy sy nanolotra ny tenany ho an'i Paoly ilay Zanak'Andriamanitra.

Galatians 3

Galatians 3:6

Ahoana no nandraisana an'i Abrahama ho marina eo anatrehan'Andriamanitra?

Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nisaina ho fahamarinany izany.

Iza no zanak'i Abrahama?

Ireo izay mino an'Andriamanitra dia zanak'i Abrahama.

Ny Soratra Masina dia nahita mialoha fa ireo Jentilisa dia ho hamarinina amin'ny inona?

Ny Soratra Masina dia nahita mialoha fa ho hamarinina amin'ny finoana ireo Jentilisa.

Galatians 3:10

Eo ambanin'ny inona ireo izay miankina amin'ny asan'ny lalàna mba ho hamarinina?

Ireo izay miankina amin'ny asan'ny lalàna mba ho hamarinina dia eo ambanin'ny ozona.

Olona firy no nohamarinin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo asan'ny lalàna?

Tsy nisy na iza na iza nohamarinina tamin'ny alalan'ny asan'ny lalàna.

Galatians 3:13

Nahoana Kristy no nanavotra antsika tamin'ny fahatongavana ho ozona ho antsika?

Kristy dia nanavotra antsika tamin'ny fahatongavana ho ozona ho antsika mba ho tonga amin'ireo Jentilisa ny fitahian'i Abrahama.

Galatians 3:15

Iza ilay "taranaka" izay noresahana tamin'ny fampanantenana tamin'i Abrahama?

Kristy ilay "taranaka" noresahana tamin'ny fampanantenana tamin'i Abrahama.

Galatians 3:17

Moa ny fahatongavan'ny lalàna Jiosy 430 taona taorian'i Abrahama nahafoana ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

Tsia, tsy nahafoana an'ilay fampanantenana natao tamin'i Abrahama ilay lalàna.

Galatians 3:19

Nahoana ary izany no nisy lalàna?

Ny lalàna dia tonga nohon'ny fandikan-dalàna mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama.

Galatians 3:21

Inona no hanagadran'ny lalàn'ny Soratra Masina ny rehetra?

Ny lalàna ao amin'ny Soratra Masina dia managadra ny rehetra ambany fahotana.

Galatians 3:23

Ahoana no ivoahantsika amin'ny fanagadran'ny lalàna?

Amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy Jesosy no ivoahantsika amin'ny fanagadran'ny lalàna.

Galatians 3:27

Iza no nandray an'i Kristy?

Ireo rehetra izay natao batisa tao amin'i Kristy no nandray an'i Kristy.

Karazan'olona samihafa toy inona no natao iray ao amin'i Kristy Jesosy?

Ireo Jiosy, Grika, andevo, afaka, lehilahy, ary vehivavy no natao iray ao amin'i Kristy Jesosy.

Galatians 4

Galatians 4:1

Ahoana no fiainan'ny mpandova fananana raha mbola zaza izy?

Ny mpandova dia miaina eo ambany fifehezan'ireo mpiambina sy ireo mpitahiry zava-tsarobidy mandra-pahatongan'ny daty izay napetraky ny rainy.

Galatians 4:3

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny fotoana voatendry tao amin'ny tantara?

Andriamanitra, tamin'ny fotoana voatendry, dia naniraka ny Zanany nivoaka mba hanavotra an'ireo izay ao ambany lalàna.

Ahoana no nitondran'Andriamanitra an'ireo zaza izay ambany lalàna ho ao amin'ny fianakaviany?

Natsangan'Andriamanitra ho zanaka ireo zaza izay tao ambany lalàna.

Galatians 4:6

Inona no nirahin'Andriamanitra ho ao am-pon'ireo zanany?

Andriamanitra dia naniraka ny Fanahin'ny Zanany ho ao am-pon'ireo zanany.

Galatians 4:8

Talohan'ny nahafantarantsika an'Andriamanitra, dia andevon'iza isika?

Talohan'ny nahafantarantsika an'Andriamanitra, dia andevon'ireo fanahy izay manapaka an'izao tontolo izao isika, izay tsy andriamanitra velively.

Very hevitra Paoly fa niverina tamin'ny inona ireo Galatiana?

Paoly dia very hevitra fa niverina indray tamin'ny fanahy mpanapaka an'izao tontolo izao ireo Galatiana.

Raha nahita an'ireo Galatiana niverina izy, dia inona no atahoran'i Paoly amin'izy ireo?

Natahotra Paoly hoe ho lasa andevo indray ireo Galatiana, ary efa nisasatra ho azy ireo foana izy.

Galatians 4:12

Tamin'i Paoly tonga voalohany tany amin'ireo Galatiana, dia inona no olana nananany?

Tamin'i Paoly tonga voalohany tany amin'ireo Galatiana, dia nanana aretina ara-batana izy.

Na dia teo aza ny olan'i Paoly, ahoana no nandraisan'ireo Galatiana azy?

Na dia teo aza ny olan'i Paoly, dia noraisin'ireo Galatiana toy ny anjelin'Andriamanitra, toa an'i Kristy Jesosy i Paoly.

Galatians 4:17

Iza no tadiavin'ireo mpampianatra sandoka tao Galatia ho sarahana?

Ireo mpampianatra sandoka tao Galatia dia niezaka nanasaraka an'ireo Galatiana tamin'i Paoly.

Galatians 4:21

Eo ambanin'ny inona no tadiavin'ireo mpampianatra sandoka hametrahana an'ireo Galatiana?

Ireo mpampianatra sandoka dia mitady hametraka an'ireo Galatiana ho ambanin'ny lalàna indray.

Avy amin'ny karazam-behivavy roa inona no nananan'i Abrahama zanaka roa lahy?

Abrahama dia nanan-janaka roa lahy, ny iray avy amin'ny andevo vavy ary ny iray avy amin'ny vehivavy afaka.

Galatians 4:26

Iza no reny famantaran'i Paoly sy ireo Galatiana mpino?

I Jerosalema izay any ambony, ilay vehivavy afaka, no reny famantaran'i Paoly sy ireo Galatiana mpino.

Galatians 4:28

Zanaky ny nofo ve sa zanaky ny fampanantenana ireo mpino an'i Kristy?

Ireo mpino an'i Kristy dia zanaky ny fampanantenana.

Iza no nanenjika an'ireo zanaky ny fampanantenana?

Ireo zanaky ny nofo no nanenjika an'ireo zanaky ny fampanantenana.

Galatians 4:30

Inona no lovain'ireo zanaky ny vehivavy andevo?

Ny zanaky ny andevo vavy dia tsy mizara lova miaraka amin'ny zanaka lahin'ny vehivavy afaka.

Zanaky ny nofo ve sa zanaky ny fampanantenana ireo mpino an'i Krsity?

Ireo mpino an'i Kristy dia zanaky ny fampanantenana.

Galatians 5

Galatians 5:1

Ho amin'ny tanjona inona no nanafahan'i Kristy antsika?

Ho amin'ny fanafahana no nanafahan'i Kristy antsika.

Inona no nampitandremin'i Paoly an'ireo Galatiana fa hitranga raha voafora izy ireo?

Nilaza Paoly fa raha voafora ireo Galatiana, dia tsy hahasoa azy ireo amin'ny fomba rehetra Kristy.

Galatians 5:3

Inona no nampitandreman'i Paoly fa hitranga amin'ireo Galatiana rehetra izay mitady ho hamarinina amin'ny fanarahan-dalàna?

Paoly dia nampitandrina fa ireo Galatiana rehetra izay mitady ny ho hamarinina amin'ny fanarahan-dalàna dia ho tafasaraka amin'i Kristy ary tsy hiaina amin'ny fahasoavana.

Galatians 5:5

Raha manohitra ny famoràna sy tsy voafora, dia inona no zavatra tokana izay tsy midika na inona na inona amin'i Kristy Jesosy?

Amin'i Kristy Jesosy, dia ny finoana miasa amin'ny alalan'ny fitiavana ihany no midika zavatra be.

Galatians 5:9

Amin'ny inona no ananan'i Paoly fahatokisana momba ilay iray izay nampikorontana an'ireo Galatiana momba ny filazantsara?

Paoly dia mahatoky fa ilay iray izay nampikorontana an'ireo Galatiana momba ny filazantsara dia hizaka ny fitsaràn'Andriamanitra.

Galatians 5:11

Inona no lazain'i Paoly fa ataon'ny fitoriana ny amin'ny famoràna?

Milaza Paoly fa ny fitoriana ny amin'ny famoràna ny fanafintohinan'ny hazofijaliana dia ho rava.

Galatians 5:13

Ahoana no tsy tokony ampiasan'ireo mpino ny fahafahana amin'i Kristy?

Ireo mpino dia tsy tokony hampiasa ny fahafahan'izy ireo ao amin'i Kristy ho irika amin'ny filàn'ny nofo.

Ahoana no tokony ampiasan'ireo mpino ny fahafahana ao amin'i Kristy?

Ireo mpino dia tokony hampiasa ny fahafahan'izy ireo ao amin'i Kristy mba hifanompoana am-pitiavana.

Ny lalàna rehetra dia tanteraka amin'ny didy iray inona?

Ny lalàna rehetra dia tanteraka amin'ny didy hoe: "Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenano ianao."

Galatians 5:16

Ahoana no tsy ahatanterahan'ireo mpino ny filàn'ny nofo?

Ireo mpino dia afaka miaina amin'ny alalan'ny Fanahy ary tsy mahatanteraka ny filàn'ny nofo.

Inona ireo zavatra roa mifanohitra ao amin'ny mpino?

Ny Fanahy sy ny nofo dia mifanohitra ao amin'ny mpino.

Galatians 5:19

Inona ireo ohatra telo amin'ny asan'ny nofo?

Ireo ohatra telo amin'ny asan'ny nofo dia izay rehetra mety ho telo amin'ireto manaraka ireto: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana, fialonana, fipoahan'ny hatezerana, fifandrafiana, fisaraham-bazana, fizarazarana, fialonana, fahamamoana, fanakorontanana.

Inona no tsy raisin'ireo izay manao ny asan'ny nofo?

Ireo izay manao ny asan'ny nofo dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Galatians 5:22

Inona no vokatry ny Fanahy?

Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, ary fahafehezan-tena.

Inona no nataon'ireo izay an'i Kristy Jesosy tamin'ny nofo sy ny fahafinaretany?

Ireo izay an'i Kristy Jesosy dia nanombo ny nofo sy ny fahafinaretany.

Galatians 6

Galatians 6:1

Inona no tokony ataon'ireo izay ara-panahy raha misy olona tratra tamin'ny fandikan-dalàna sasany?

Ireo izay ara-panahy dia tokony hamerina izany olona izany amin'ny fahamoram-panahy.

Amin'ny loza inona no tsy maintsy heverin'ireo izay ara-panahy?

Ireo izay ara-panahy dia tsy maintsy mihevitra ny tenan'izy ireo mba tsy ho halaim-panahy koa.

Ahoana no hanatanterahan'ireo mpino ny lalàn'i Kristy?

Ireo mpino dia manatanteraka ny lalàn'i Kristy amin'ny fifampitondrana ny vesatrin'ny tsirairay avy.

Galatians 6:3

Ahoana no hananan'ny olona iray zavatra ao aminy mba hireharehana momba ny asany?

Ny olona iray dia manana zavatra ao aminy hireharehana amin'ny alalan'ny fandinihana ny asany manokana, tsy mampitaha ny tenany amin'ny hafa.

Galatians 6:6

Inona no tsy maintsy ataon'izay nampianarina ny teny miaraka amin'ny mpampianany?

Ny olona nampianarina ny teny dia tsy maintsy mizara ny zavatra tsara rehetra miaraka amin'ny mpampianany.

Inona no mitranga amin'izay rehetra ambolen'ny olona ara-panahy?

Na inona na inona hambolen'ny olona ara-panahy dia ho jinjainy.

Inona no jinjain'ny olona izay mamboly amin'ny nofony manokana?

Ny olona izay mamboly amin'ny nofony manokana dia mijinja fahasimbana amin'ny nofony.

Inona no jinjain'ny olona izay mamboly amin'ny Fanahy?

Ny olona izay mamboly amin'ny Fanahy dia minjinja ny fiainana mandrakizay amin'ny Fanahy.

Galatians 6:9

Raha tsy milavo lefona ny mpino iray fa manohy manao ny tsara, dia inona no ho raisiny?

Ny mpino izay manohy manao ny tsara dia hijinja ny vokatra.

Ho an'iza no tokony hanaovan'ireo mpino ny tsara manokana?

Ireo mpino dia tokony hanao ny tsara amin'ireo izay fianakavian'ny finoana manokana.

Galatians 6:11

Inona no antony manosika an'ireo izay manery an'ireo mpino mba ho foraina?

Ireo izay manery an'ireo mpino mba ho foraina dia tsy te-ho enjehina nohon'ny hazofijalian'i Kristy.

Galatians 6:14

Amin'ny inona no lazain'i Paoly fa nireharehany?

Paoly dia nilaza fa nirehareha tamin'ny hazofijalian'ny Tompontsika Jesosy Kristy izy.

Inona no manan-danja noho ny famoràna na ny tsy famoràna?

Ny fiainam-baovao no manan-danja.

Ho amin'iza no irian'i Paoly hipetrahan'ny fiadanana sy famindram-po?

Paoly dia maniry ny fiadanana sy ny famindram-po ho amin'ireo izay miaina araka ny lalàn'ny fiainam-baovao, sy amin'ireo Israelin' Andriamanitra.

Galatians 6:17

Inona no entin'i Paoly eo amin'ny vatany?

Paoly dia mitondra ireo marik'i Jesosy eo amin'ny vatany.