Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Peter 1

1 Peter 1:1

Apostolin'iza Petera?

Petera dia apostolin'i Jesosy Kristy.

Iza no nanoratan'i Petera?

Petera dia nanoratra ho an'ireo vahiny am-pielezana, ireo voafidy nanerana an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ary Bitynia.

Ahoana no nahatonga ireo vahiny ho voafidy?

Lasa voafidy ireo vahiny araka ny fahalalan'Andriamanitra Ray mialoha, ary tamin'ny alalan'ny fanamasinan'ny Fanahy Masina.

1 Peter 1:3

Inona no tian'i Petera mba hananan'ireo mpino?

Tian'i Petera izy ireo mba hanana fahasoavana ary fiadanana mitombo.

Iza no tian'i Petera hisaorana?

Tian'i Petera hisaorana ny Andriamanitra Rain'i Jesosy Tompon'izy ireo.

Ahoana no nanomezan'Andriamanitra fahateraham-baovao azy ireo?

Tamin'ny famindram-po lehibe no nanomezan'Andriamanitra fahateraham-baovao ho azy ireo.

Nohoana no tsy ho lo, na hisy pentina, na ho levona ny lova?

Satria voatokana ho azy ireo any an-danitra ny lova.

Amin'ny fomba ahoana no hiarovana azy ireo ao amin'ny herin'Andriamanitra?

Voaaro amin'ny finoana ny famonjena izay efa vonona ny ho aseho amin'ny andro farany izy ireo.

1 Peter 1:6

Nahoana no nilaina ho azy ireo ny mahatsapa alahelo amin'ny fitsapana maro samihafa?

Nilaina ho azy ireo izany mba ho voazaha toetra ny finoan'izy ireo, ary hiafara amin'ny fiderana, voninahitra, ary haja ny finoan'izy ireo amin'ny andro fanambarana an'i Kristy.

Inona no sarobidy lavitra noho ny volamena izay mety simba?

Ny finoana no sarobiy mihoatra noho ny volamena.

1 Peter 1:8

Na dia tsy nahita an'i Jesosy aza ireo mpino, inona no nataon'izy ireo?

Nitia Azy sy nino Azy izy ireo, ary ravo tamin'ny hafaliana tsy hay tononina izay feno voninahitra tokoa.

Inona no noraisin'ireo izay nino azy ho vokatry ny finoan'izy ireo?

Izy ireo dia nandray ny famonjena ny fanahin'izy ireo.

Nikaroka sy nanontany tsara momban'ny inona ireo mpaminany?

Nikaroka momban'ny famonjena noraisin'ireo mpino, sy ny fahasoavana izay ho an'izy ireo ny mpaminany.

1 Peter 1:11

Momban'ny inona no nambaran'ny Fanahin'i Kristy mialoha tamin'ireo mpaminany?

Nilaza tamin'izy ireo momban'ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra izay hanaraka Azy Izy.

Iza no notompoin'ireo mpaminany tamin'ny fikarohana sy ny fanontanian'izy ireo?

Nanompo ireo mpino izy ireo.

Iza no naniry ny vokatry ny fikarohana sy ny fanontanian'ireo mpaminany hiseho?

Na ireo anjely aza dia naniry ny hisehoan'ireo vokatra.

1 Peter 1:13

Inona no nandidian'i Petera ireo mpino mba hatao amin'ny maha zanaka manoa azy ireo?

Nandidy azy ireo izy mba hanomana ny sain'izy ireo hankatoa an'Andriamanitra, hahonona amin'ny fieritreretan'izy ieo, sy hanana fatokiana feno amin'ny fahasoavana izay hatolotra azy ireo, ary tsy hampifanaraka ny tenan'izy ireo amin'ny finirian'izy ireo teo aloha.

1 Peter 1:15

Nahoana hoy Petera no tokony ho masina ny mpino?

Satria masina Ilay Iray izay niantso azy ireo.

Nahoana no tokony handany ny fotoana fivahinianany amin'ny fanehoana fanajana ny mpino?

Satria izy ireo dia miantso hoe "Ray" ilay iray izay mitsara amin'ny tsy fiangarana, araka ny asan'ny olona avy.

1 Peter 1:18

Inona no nanavotana ireo mpino?

Tsy tamin'ny volafotsy na volamena no nanavotana azy ireo, fa tamin'ny rà sarobidin'i Kristy, amin'ny maha-zanak'ondry tsy misy kilema sy pentina Azy.

Avy tamin'iza no nianaran'ireo vahiny, ireo voafidy ny fitondra-tena adala?

Avy tamin'ny razan'izy ireo no nianaran'izy ireo ny fitondran-tena adala.

1 Peter 1:20

Oviana Kristy no voafidy, ary oviana izy no naseho?

Efa voafidy talohan'ny fanorenana izao tontolo izao Izy; naseho tamin'ireo vahiny, ireo voafidy, ary tamin'ny ireo andro farany.

Ahoana no ninoan'ireo mpino an'Andriamanitra sy nananany finoana sy fitokiana tamin'Andriamanitra?

Tamin'ny alalan'i Kristy, izay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty sy nomeny voninahitra.

1 Peter 1:22

Ahoana no nanadiovan'ireo mpino ny fanahin'izy ireo?

Tamin'ny fankatoavana ny marina ho an'ny fitiavan'ny mpirahalahy no nanadiovan'izy ireo ny fanahiny.

Ahoana no nahaterahan'ireo mpino indray?

Teraka avy tamin'ny voa tsy mety lo indray izy ireo, tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra velona sy mitoetra, fa tsy tamin'ny voa mety lo.

1 Peter 1:24

Toy ny inona ny nofo, ary toy ny inona ny voninahitra?

Ny nofo dia tahaka ny ahitra; ny voninahiny dia tahaka ny voninkazon'ny ahitra.

Inona no mahazo ny tenin'ny Tompo?

Mitoetra mandrakizay ny tenin'ny Tompo.

1 Peter 2

1 Peter 2:1

Inona no nasaina narian'ireo mpino?

Nasaina nanary ny fitaka ratsy, ny fiatsarambelatsihy, ny fialonana, ary ny fanendrikendrehana rehetra ny mpino.

Nahoana ireo mpino no tokony haniry fatratra ny rononom-panahy madio?

Tokony haniry fatratra ny rononm-panahy madio izy ireo mba afahan'izy ireo mitombo ao amin'ny famonjena.

1 Peter 2:4

Iza ilay vato velona izay nolavin'ny olona ary voafidin'Andriamanitra?

Jesosy no vato velona.

Nahoana ireo mpino no mitovy amin'ny vato velona ihany koa?

Tahaka ny vato velona izy ireo satria naorina mba ho trano ara-panahy.

1 Peter 2:7

Nahoana no tafintohina ireo mpanorina, ary tsy nankatoa ny teny?

Tafintohina ireo mpanorina satria efa voatendry hanao izany izy ireo.

1 Peter 2:9

Nahoana ireo mpino no atao hoe taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, ary vahoaka ho an'ny fananan'Andriamanitra?

Voafidy izy ireo mba hanambaran'izy ireo ny asa mahagagan'Andriamanitra.

1 Peter 2:11

Nahoana Petera no niantso ireo malala mba hifady ny filàn'ny nofo?

Niantso azy ireo hifady izy mba hahitan'ireo izay mety hilaza azy ireo ho nanao ratsy ny toetra tsaran'izy ireo ka hiderany an'Andriamanitra.

1 Peter 2:13

Nahoana ireo mpino no tokony hankatoa ny fahefan'olombelona rehetra?

Tokony hankatoa ny fahefan'olombelona rehetra izy ireo satria tian'Andriamanitra hampiasaina hampanginana ny teniteny foana sy adaladalan'ny olona ny fankatoavan'izy ireo.

Raha tsy hampiasa ny fahafahan'izy ireo hanaronana ny faharatsiana, dia inona kosa no tokony hataon'ireo vahiny sy ireo voafidy?

Tokony hampiasa ny fahafahan'izy ireo hanompoana an'Andriamanitra izy ireo.

1 Peter 2:18

Nahoana ireo mpanompo no tokony hanaiky ny tompon'izy ireo, na dia ireo ratsy toetra aza?

Tokony hanaiky na dia ireo tompo ratsy toetra aza ny mpanompo satria mendri-piderana eo amin'Andriamanitra ny manao ny tsara sy ny mijaly, ary faizina nohon'ny amin'izany.

1 Peter 2:21

Nahoana ireo mpanompo no nantsoina hijaly amin'ny fanaovan-tsoa?

Satria nijaly ho azy ireo Kristy, nanome ohatra ho azy ireo, ary nanolotra ny tenany teo amin'ilay iray izay mitsara am-pahamarinana.

1 Peter 2:24

Nahoana Kristy no nitondra ny fahotan'i Petera sy ireo mpanompo teo amin'ny hazofijaliana?

Nitondra ny fahotan'izy ireo Izy mba tsy hananan'izy ireo anjara amin'ny fahotana intsony ka ho velona ho an'ny fahamarinana, ary satria ny feriny ihany koa no nahasitrana azy ireo.

Rehefa avy nirenireny tahaka ny ondry very, tamin'iza no niverenan'izy ireo?

Izy ireo dia niverina tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambina ny fanahin'izy ireo.

1 Peter 3

1 Peter 3:1

Nahoana no tokony hanaiky ny vadiny ireo vehivavy?

Tokony hanaiky ny vadiny ireo vehivavy mba ho azo tsy amin-teny ireo lehilahy tsy mpankatoa.

1 Peter 3:3

Ahoana no tokony hahazoan'ireo vehivavy ny vadiny?

Tokony ho azon'ny vehivavy amin'ny toetra anatiny izay ao am-pony izy ireo, fa tsy amin'ny haingo ivelany.

1 Peter 3:5

Iza ilay vehivavy noraisin'i Petera ho ohatra maneho ny vehivavy izay nitoky tamin'Andriamanitra ary nanaiky ny vadiny?

Saraha no nataon'i Petera ohatra.

1 Peter 3:7

Nahoana ny lehilahy no tokony hiaina miaraka amin'ny vadiny araka ny fahazavan-tsaina?

Tokony hiana miaraka amin'ny vadin'izy ireo araka ny fahazavan-tsaina ny lehilahy mba tsy hahatakona ny vavak'izy ireo.

1 Peter 3:8

Nahoana Petera no nampianatra ireo vahiny sy ireo voafidy hanana fisainana iray ary hisaotra hatrany?

Satria nantsoina hanao izany izy ireo, mba handovan'izy ireo ny fitahiana.

1 Peter 3:10

Nahoana izay maniry fiainana no tokony hampitsahatra ny lelany amin'ny ratsy, ary hiala amin'izay ratsy ka hanao izay tsara?

Satria mahita ny marina ny mason'ny Tompo.

1 Peter 3:13

Iza ireo izay sambatra?

Ireo izay nijaly nohon'ny fahamarinana no sambatra.

1 Peter 3:15

Inona no tokony hataon'ireo mpino mba hihazonana ny tokin'izy ireo amin'Andriamanitra?

Nasaina nanokana an'i Kristy Tompo ho sarobidy ao am-pony izy ireo.

Ahoana no tokony hamalian'ireo mpino hatrany ireo olona rehetra izay manontany ny amin'ny tokin'izy ireo amin'Andriamanitra?

Tokony hamaly amin'ny halemem-panahy sy fanajana hatrany izy ireo.

1 Peter 3:18

Nahoana Kristy no nijaly nohon'ny fahotana?

Nijaly Kristy mba hitondrany an'i Petera sy ireo mpino eo amin'Andriamanitra.

Nahoana no any am-pigadrana ireo fanahy izay notorian'i Kristy tamin'ny Fanahy ankehitriny?

Ireo fanahy izay any am-pigadrana ankehitriny dia tsy nankatoa tamin'ny niandrasan'ny faharetan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa.

1 Peter 3:21

Maneho inona ny famonjen'Andriamanitra avy tamin'ny rano an'ireo olona vitsivitsy?

Maneho ny batisa izay mamonjy ny mpino ankehitriny izany.

Raha eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra any an-danitra Jesosy, dia inona no tokony hataon'ireo anjely, ireo fahefana, ary ireo hery?

Tokony hanaiky Azy izy ireo.

1 Peter 4

1 Peter 4:1

Inona no nandidian'i Petera ireo mpino mba hataony fiadian'ny tenany?

Nandidy azy ireo izy mba hanafy ny tenan'izy ireo amin'ny tanjona mitovy amin'ny nananan'i Kristy tamin'ny nijaliany tamin'ny nofo.

1 Peter 4:3

Nahoana no niteny ratsy momba ireo mpino ireo Jentilisa?

Niteny ratsy momba ireo vahiny sy voafidy izy ireo satria tsy nanan-jara tamin'ny fahafinaretan'ny nofo, fijejojejoana, fimamoana, fitondran-tena mahamenatra, filalaovan-drasty, ary fanompoan-tsampy tahaka ny Jentilisa izy ireo.

Vonona ny hitsara an'iza Andriamanitra?

Vonona ny hitsara ny velona sy ny maty Andriamanitra.

1 Peter 4:7

Nahoana ireo mpino no tokony ho vory saina ary hanana fitiavana mirehitra ho an'ny tsirairay?

Tokony hanao ireo zavatra ireo ny mpino satria efa ho avy ny faran'ny zavatra rehetra, ary ho an'ny vavaka ihany koa.

1 Peter 4:10

Nahoana ny mpino tsirairay no tokony hampiasa ny fanomezam-pahasoavana noraisin'izy ireo mba hifanompoana?

Tokony hampiasa ny fanomezam-pahasoavany izy ireo mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

1 Peter 4:12

Nahoana ireo mpino no asaina mifaly raha miaina ny fijalian'i Kristy na haratsiana nohon'ny anaran'i Kristy?

Satria voatahy izy ireo rehefa haratsiana.

1 Peter 4:15

Inona no asa tsy tokony hahitana ireo Kristiana ho meloka sy hijaliany?

Tsy tokony hijaly toy ny mpamono olona, mpangalatra, mpano rasty, na mpiraharaha ny an'ny hafa ireo Kristiana.

1 Peter 4:17

Nahoana ireo olona tsy araka an'Andriamanitra sy ireo mpanota no tokony hankatoa ny filazantsaran'Andriamanitra?

Satria na dia ny olo-marina aza dia voavonjy amin'ny ady sarotra.

Ahoana no tokony hataon'ireo izay nijaly araka ny sitrapon'Andriamanitra?

Tokony hanankina ny fanahin'izy ireo amin'ilay Mpahary mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa izy ireo.

1 Peter 5

1 Peter 5:1

Iza Petera?

Petera dia loholona, vavolombelon'ny fijalian'i Kristy, ary manan-jara amin'ny voninahitra izay haseho.

Inona no nananaran'i Paoly mba hataon'ireo loholona?

Nananatra azy ireo mba hiandry ny ondrin'Andriamanitra ary hiahy azy ireo izy.

1 Peter 5:5

Tokony hanaiky an'iza ireo tanora fanahy?

Tokony hanaiky an'ireo anti-panahy izy ireo.

Nahoana no mila manana fanetre-tena sy mifanompo izy rehetra?

Satria manome fahasoavana ho an'izay manetri-tena Andriamanitra, ary mba hanandratan'Andriamanitra azy ireo amin'ny fotoana voatendry ihany koa.

1 Peter 5:8

Inona no nampianarina ho ataon'ireo olona?

Nampianarina hahonon-tena, hiambina tsara, hijoro tsara hanohitra ny devoly, ary hatanjaka amin'ny finoana izy ireo.

1 Peter 5:10

Inona no hahazo ny olona aorian'ny hijalian'izy ireo vetivety?

Hahatonga lafatra, hanangana, ary hampahery azy ireo Andriamanitra.

1 Peter 5:12

Toy ny inona no nandraisan'i Petera an'i Silasy?

Noraisin'i Petera ho toy ny rahalahy mahatoky Silasy.

Inona no nambaran'i Petera mahakasika izay nosoratany?

Nambarany fa izay nosoratany dia fahasoavana marin'Andriamanitra.

Iza no nanao veloma an'ireo mpino ary toy ny ahoana no tokony hifanaovan'izy ireo veloma?

Ilay vehivavy izay any Babylona, i Marka, ary ny zanaka lahin'i Petera no nanao veloma azy ireo; tokony hifanao veloma amin'ny fanoroham-pitiavana izy ireo.