Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Romans 1

Romans 1:1

Tamin'ny inona no nampanantenain'Andriamanitra ny filazan-tsara talohan'ny andron'i Paoly?

Taloha Andriamanitra dia nampanantena ny filazantsara tamin'ny alalan'ireo mpaminany ao amin'ny soratra masina.

Teraka avy amin'ny taranak'iza ny Zanak'Andriamanitra araka ny nofo?

Teraka avy amin'ny taranak'i davida ny Zanak'Andriamanitra araka ny nofo.

Romans 1:4

Hetsika inona no nanambarana an'i Jesosy Kristy ho Zanak'Andriamanitra?

Jesosy Kristy dia nambara ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty.

Inona no tanjona nandraisan'i Paoly fahasoavana sy ny maha-apostoly avy amin'i Kristy?

Nandray ny fahasoavana sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoavana ny finoana eo amin'ny firenena rehetra.

Romans 1:8

Inona no isaoran'i Paoly an'Andriamanitra mikasika ireo mpino any Roma?

Misaotra an'Andriamanitra i Paoly satria nambara manerana izao tontolo izao ny finoan'izy ireo.

Romans 1:11

Inona no antony hanirian'i Paoly hahita ireo mpino any Roma?

Maniry ny hahita azy ireo i Paoly mba hahafahany manome fanomezam-panahy sasantsasany hahafahany mametraka azy ireo.

Romans 1:13

Nahoana i Paoly no tsy afaka mamangy ireo mpino any Roma hatramin'izao?

Tsy afaka namangy i Paoly satria voasakana mandrak'ankehitriny.

Romans 1:16

Inona no nolazain'i Paoly fa filazantsara?

Nilaza i Paoly fa ny filazantsara dia herin'Andriamanitra ho famonjena ho an'ny olona rehetra mino.

Inona no soratra masina nambaran'i Paoly mikasika ny fomba fiainan'ilay marina?

Nanambara ny soratra masina i Paoly hoe: "Ny marina dia ho velona amin'ny finoana."

Romans 1:18

Inona no ataon'ny ratsy fanahy sy ny tsy marina na dia fantatra aza ny momban'Andriamanitra dia hitan'izy ireo maso?

Ny ratsy fanahy sy ny tsy marina dia manakana ny fahamarinana na dia fantatra aza fa ny momban'Andriamanitra dia hitan'izy ireo.

Romans 1:20

Ahoana ireo zavatra tsy hita maso momban'Andriamanitra izay hita mazava tsara?

Ireo zavatra tsy hita maso momban'Andriamanitra dia hita mazava tsara amin'ny alalan'ireo zavatra noforonina.

Inona aminn'y toetran' Andriamanitra no mazava tsara?

Ny herin'Andriamanitra tsy misy fetra sy ny zavatra maha-Andriamanitra dia mazava tsara.

Inona no niseho tamin'ny eritreritra sy ny fon'ireo izay tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra na nanome fisaorana azy?

Ireo izay tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra na nanome fisaorana azy dia lasa adala ny tao an-tsainy ary nihamaizina ny fo donton'izy ireo.

Romans 1:24

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ireo nanakalo ny voninahitra ho an'ny saritsarin'olona sy biby mety lo?

Natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan'ny fon'izy ireo ho amin'ny fahalotoana izy ireo, mba ho afa-boninahitra eo amin'izy ireo ihany ny tenan'izy ireo.

Romans 1:26

Inona no filàn-dratsy mamoafady nataon'ireo vehivavy sy lehilahy ka nampirehitra ny filàna ara-nofon'izy ireo?

Nampirehetin'ilay vehivavy ho an'ny izy samy izy ny filàna ara-nofony, ary nampirehetin'ilay lehilahy ho an'ny izy samy izy ny filàna ara nofony.

Romans 1:28

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ireo izay tsy nanaiky ny hanana azy ao amin'ny fieritretan'izy ireo?

Nomen'Andriamanitra saina tsy mendrika izy ireo, mba hanaovana ireo zavatra izay tsy mety.

Romans 1:29

Inonoa ireo toetra sasan'ireo izay manana saina tsy mendrika

Feno ny tsy fahamarinana, faharatsiana, fitsiriritana, ary lolompo rehetra. Izy ireo dia feno fialonana, famonoana, fifandirana, fitaka, ary fikasana ratsy ireo izay manana saina tsy mendrika.

Romans 1:32

Inona no hain'ireo manana saina tsy mendrika momban'ny lalàn'Andriamanitra?

Ireo izay tsy manana saina tsy mendrika dia mahalala fa ireo izay manao zavatra tahaka izany dia mendrika ny fahafatesana.

Romans 2

Romans 2:1

Nahoana ireo no tsy manana fialan-tsiny ao amin'ny fitsaran'izy ireo?

Tsy manana fialan-tsiny ao amin'ny fitsaran'izy ireo ny olona sasany satria hitsaran'izy ireo ny hafa ny fanaovan'izy ireo izany.

Ahoana ny fomba fitsaran'Andriamanitra rehefa mitsara ireo manao ny tsy marina izy?

Andriamanitra dia mitsara araka ny fahamarinana rehefa mitsara ireo izay manao ny tsy mety.

Romans 2:3

Inona no faharetan'Andriamanitra sy hatsaram-panahy mety hatao?

Ny faharetan'Andriamanitra sy ny hatsaram-panahy dia hatao hitarika olona iray amin'ny fibebahana.

Romans 2:5

Inona no hangonin'ireo izay mafy fo, sy tsy mibebaka ny tenan'izy ireo manoloana an'Andriamanitra?

Ireo izay mafy fo sy tsy mibebaka dia manangona fahatezerana ho an'ny tenan'izy ireo amin'ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.

Inona no ataon'ireo izay mandray ny faharetana, sy ny asa tsara?

Handray ny fiainana mandrakizay ireo izay nanana faharetana, sy ny asa tsara.

Romans 2:8

Inona no ataon'ireo izay mankato ny tsy fahamarinana?

Handray fahatezerana, fahasikana, fahoriana sy fahantrana ireo izay mankato ny tsy fahamarinana.

Romans 2:10

Ahoana ny fomba nampisehoan'Andriamanitra tsy fiangarana ao amin'ny fitsarany eo amin'ny Jiosy sy Grika?

Nampiseho tsy fiangarana Andriamanitra satria ireo izay manota, na Jiosy na Grika, dia ho very.

Romans 2:13

Iza no nohamarinina eo anatrehan'Andriamanitra?

Ireo izay mampihatra ny lalàna no nohamarinina teo anatrehan'Andriamanitra.

Romans 2:21

Inona no fanamby nomen'i Paoly an'ireo Jiosy izay nijoro tamin'ny lalàna ary nampianatra ny hafa?

Nanao fanamby azy ireo I Paoly fa raha mampianatra ny lalàna amin'ny hafa izy ireo, dia tokony mampianatra ny tenan'izy ireo ihany koa.

Inona no fahotana nolazain'i Paoly fa tokony hatsahatr'ireo mpampianatra lalàna Jiosy?

Ny mangalatra, ny mijanganjanga sy ny mandroba ireo tempoly no fahotana nolazain'i Paoly.

Romans 2:23

Nahoana ny anaran'Andriamanitra no nalaim-baraka teo amin'ireo Jentily noho ny fampianarana ny lalàn'ny Jiosy?

Nalaim-baraka ny anaran'Andriamanitra satria mandika ny lalàna ireo mpampianatra lalàn'i Jiosy.

Romans 2:25

Ahoana ny fomba nilazan'i Paoly fa ny famorana ny olona Jiosy dia tonga tsy ho voafora?

Nilaza i Paoly fa ny famoran'ny olona Jiosy dia mety tonga tsy voafora raha mpandika ny lalàna izany olona izany.

Ahoana ny fomba nilazan'i Paoly fa ny olona Jentily tsy voafora dia noheverina fa voafora?

Nilaza i Paoly fa ireo olona Jentily tsy voafora dia afaka hatao ho anisan'ny voafora raha mitandrina izay takian'ny lalàna izany olona izany.

Romans 2:28

Iza no nolazain'i Paoly Jiosy ho marina?

Nilaza i Paoly fa ny Jiosy marina dia Jiosy ao anaty, miaraka amin'ny famorana izay an'ny fo.

Avy amin'ny iza no handraisan'ny Jiosy marina ny fiderana?

Ny Jiosy marina dia mandray ny fiderana avy amin'Andriamanitra.

Romans 3

Romans 3:1

Inona no tombon-tsoa voalohany indrindra ho an'ny Jiosy?

Ny tombon-tsoa voalohany indrindra ho an'ny Jiosy dia ny fananankinana tamin'izy ireo ny fanambarana avy amin'Andriamanitra.

Romans 3:3

Na dia mpandainga daholo aza ny olona, inona no hita amin'Andriamanitra?

Na dia mpandainga daholo aza ny olona, dia hita fa marina Andriamanitra.

Romans 3:5

Satria Andriamanitra dia marina, inona no afaka hataony hafa?

Satria Andriamanitra dia marina, dia afaka mitsara an'izao tontolo izao Izy.

Romans 3:7

Inona no niseho tamin'ireo izay niteny hoe: "Avelao izahay hanao ratsy, mba hiavian'ny soa."?

Ny fitsarana no niseho tamin'ireo izay niteny hoe: "Avelao izahay hanao ratsy, mba hiavian'ny soa."

Romans 3:9

Inona no voasoratra tamin'ny Soratra Masina momban'ny fahamarinana ny rehetra, tamin'ireo Jiosy sy Grika?

Fa izao no voasoratra hoe: tsy misy olo-marina, na dia iray aza.

Romans 3:11

Araka izay efa voasoratra, iza no mahafantatra sy mitady an'Andriamanitra?

Araka izay efa voasoratra, dia tsy misy na iray aza mahafantatra, tsy misy na iray aza mitady an'Andriamanitra

Romans 3:19

Iza no hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna?

Tsy hisy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.

Inona no avy amin'ny alalan'ny lalàna?

Ny fahalalana ny fahotana no avy amin'ny alalan'ny lalàna.

Romans 3:21

Avy amin'ny porofo aiza no nampahafantarina ny fahamarinana tsy amin'ny lalàna?

Avy amin'ny porofon'ny lalàna sy ny mpaminany no nampahafantarina ny fahamarinana tsy amin'ny lalàna.

Inona ny fahamarinana tsy amin'ny lalàna izay efa nampahafantarina ankehitriny?

Ny fahamarinana tsy amin'ny lalàna dia ny fahamarinan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'ireo izay rehetra mino.

Romans 3:23

Ahoana ny fomba nanamarinana olona iray eo anatrehan'Andriamanitra?

Hamarinina maimaimpoana eo anatrehan'Andriamanitra ny olona iray amin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Romans 3:25

Inona no tanjona nanomezan'Andriamanitra an'i Jesosy Kristy?

Nanome an'i Kristy Jesosy Andriamanitra ho fanatitra amin'ny alalan'ny finoana ny ràny.

Inona no nasehon'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra nitranga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy?

Nampiseho Andriamanitra fa izy ilay iray izay nanamarina ny rehetra nohon'ny finoana an'i Jesosy.

Romans 3:27

Inona no asan'ny lalàna ao amin'ny fahamarinana?

Ny olona iray dia hamarinina araky ny finoana tsy misy ireo asan'ny lalàna.

Romans 3:29

Ahoana ny fomba nanamarinan'Andriamanitra ireo Jisoy voafora sy ireo Jentily tsy voafora?

Samy nohamarinin'Andriamanitra tamin'ny finoana ireo.

Romans 3:31

Inon no ataontsika amin'ny Lalàna amin'ny alalan'ny finoana?

Foanantsika amin'ny alalan'ny finoana ny Lalàna.

Romans 4

Romans 4:1

Inona no antony nireharehan'i Abrahama?

Nanana antony hireharehana i Abrahama raha nohamarinina tamin'ny asa izy.

Inona no nolazain'ny soratra masina momban'ny fomba nanamarinana an'i Abrahama?

Nilaza ny soratra masina fa i Abrahama dia nino an'Andriamanitra, ary nisaina ho fahamarinany izany.

Romans 4:4

Karazan'olona ahoana no hamarinin'Andriamanitra?

Andriamanitra dia manamarina ny mpanohitra Azy.

Romans 4:6

Arak'i Davida, amin'ny fomba ahoana ny hahasambatra ny olona avy amin'Andriamanitra?

Arak'i Davida, sambatra ireo izay nanota ka voavela ary tsy nisaina ny Tompo ny helony.

Romans 4:9

Moa va ny finoan'i Abrahama nisaina ho fahamarinana taloha sa taorian'ny famorana azy?

Ny finoan'i Abrahama dia nisaina ho fahamarinana talohan'ny namorana azy.

Romans 4:11

Rain'ny vondrona iza i Abrahama?

Abrahama dia rain'izay mino rehetra, na voafora na tsia.

Romans 4:13

Inona no fampanantenana nomena an'i Abrahama sy ny taranany tamin'ny fahamarinana ny finoana?

Nampanantenaina tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao izy ireo.

Inona no marina raha avy tamin'ny lalàna ny fampanantenana an'i Abrahama?

Raha avy tamin'ny lalàna ny fampanantenana, dia ho foana ny finoana ary tsinontsinona ny fampanantenana.

Romans 4:16

Inona no antony nanomezana ny fampanantenana tamin'ny alalan'ny finoana?

Nomena tamin'ny alala'ny finoana ny fampanantenana mba ho amin'ny fahasoavana, ary ho azo antoka.

Inona ireo zavatra roa nolazain'i Paoly fa ataon'Andriamanitra?

Nilaza Paoly fa manome ny fiainana an'ireo maty Andriamanitra ary miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy.

Romans 4:18

Inona no zava-nitranga ivelany nanahirana an'i Abrahama ny hino ny fampanantenan'Andriamanitra fa ho tonga rain'ny firenena maro izy?

Rehefa nanao ny fampanantenana tamin'i Abrahama Andriamanitra, dia efa zato taona teo i Abrahama ary ny kibon'i Saraha dia tsy afaka ny hitondra vohoka intsony.

Ahoana ny fomba namalin'i Abrahama ny fampanantenan'Andriamanitra na tamin'ireny zava-nitranga ivelany ireny aza?

Nahatoky an'Andriamanitra i Abrahama ary tsy nisalasala tamin'ny tsy finoana.

Romans 4:20

Ahoana ny fomba namalin'Abrahama ny fampanantenan'Andriamanitra na tamin'ireny zava-nitranga ivelany ireny aza?

Nahatoky an'Andriamanitra i Abrahama ary tsy nisalasala tamin'ny tsy finoana.

Romans 4:23

Avy amin' iza no nanoratana ny kaontin'i Abrahama?

Nosoratana ho an'ny tombontsoany sy ny tombontsoantsika ny kaontin'i Abrahama.

Romans 5

Romans 5:1

Inona no hananan'ireo mpino satria nohamarinina tamin'ny alalan'ny finoana izy ireo?

Satria nohamarinina tamin'ny finoana izy ireo, dia manana fiadanana miaraka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ilay Tompo Jesosy Kristy.

Romans 5:3

Inona ireo zavatra telo izay novokarin'ny fahoriana?

Ny fahoriana dia mamokatra faharetana, fankatoavana, ary fahatokiana.

Romans 5:8

Ahoana fomba hanaporofon'Andriamanitra ny fitiavany ho antsika?

Andriamanitra maneho ny fitiavany ho antsika, satria raha mbola mpanota isika, dia maty ho antsika Kristy.

Rehefa nohamarinina tamin'ny ràn'i Kristy isika, avy amin'ny inona no namonjena ireo mpino?

Rehefa nohamarinina tamin'ny ràn'i Kristy isika, dia novonjena tamin'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo mpino.

Romans 5:10

Inona no fifandraisan'ireo mpino tamin'Andriamanitra talohan'ny nihavanan'izy ireo tamin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesosy?

Mbola fahavalon'Andriamanitra ireo mpino talohan'ny nihavanan'izy ireo tamin'ny alalan'i Jesosy.

Romans 5:12

Inona no niseho nohon'ny fahotan'ny olona?

Noho ny fahotan'ny olona, dia nidiran'ny ota izao tontolo izao, nidiran'ny fahafatesana tamin'ny ota, ny fahafatesana dia niely tamin'ny olona rehetra.

Romans 5:14

Iza ilay olona iray avy izay tamin'ny alalany no nidiran'ny fahotana teo amin'izao tontolo izao?

Adama ilay olona iray izay nahafahan'ny fahotana niditra teo amin'izao tontolo izao.

Inona no maha samihafa ny fanomezana maimaimpoana an'Andriamanitra sy ny fahotan'i Adama?

Tamin'ny fahotan'i Adama no nahafaty ny maro, fa kosa tamin'ny fanomezana maimaimpoana an'Andriamanitra no nanomezana ny maro.

Romans 5:16

Inona no vokatrin'ny fahotan'i Adama, ary inona no vokatra avy amin'ny fanomezana maimaimpoana an'Andriamanitra?

Ny fitsarana ho fanamelohana dia avy amin'ny fahotan'i Adama, kanefa ny fanamarinana dia avy amin'ny fanomezana maimaimpoana an'Andriamanitra

Inona no nanjaka tamin'ny fahotana avy amin'ny Adama, ary inona no nanjaka avy amin'ny fanomezan'Andriamanitra?

Fahafatesana no nanjaka tamin'ny fahotana avy amin'i Adama, ary ireo izay nandray ny fanomezanan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fiainan'i Jesosy Kristy.

Romans 5:18

Inona no nataon'ny maro tamin'ny alalan'ny tsy fankatoavan'i Adama, ary inona no nataon'ny maro tamin'ny alalan'ny fankatoavana an'i Kristy?

Maro no lasa mpanota tamin'ny alalan'ny tsy fankatoavana an'i Adama, ary maro ihany koa no natao ho olo-marina tamin'ny alalan'ny fankatoavana an'i Kristy.

Romans 5:20

Nahoana no tonga tao amin'izany ny lalàna?

Tonga tao amin'izany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisoana

Inona lehibe kokoa noho ny fahadisoana?

Ny fahasoavan'Andriamanitra no lehibe kokoa noho ny fahadisoana.

Romans 6

Romans 6:1

Tokony hanohy ny fahotana va ireo mpino mba hitomboan'ny fahasoavan'Andriamanitra?

Tsy hisy mihitsy anie izany

Tao amin'ny inona no nanaovana batisa ireo olona izay natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy?

Ireo olona natao batisa tao amin'i Kristy dia natao batisa tao amin'ny fahafatesan'i Kristy.

Romans 6:4

Inona no tokony natoan'ireo mpino rehefa nitsangana tamin'ny fahafatesana i Kristy?

Tokony handeha amin'ny fiainam-baovao ireo mpino.

Inona no fomba roa hikambanan'ireo mpino tamin'i Kristy tamin'ny alalan'ny Batisa?

Nikambana tamin'i Kristy ireo mpino tamin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany.

Romans 6:6

Inona no natao tamintsika mba tsy ho andevozin'ny ota intsony isika?

Ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka tamin'i Kristy mba tsy ho andevozin'ny ota intsony isika.

Romans 6:8

Ahoana no hahafantarantsika fa ny fahafatesana dia tsy hanjaka amin'i Kristy intsony?

Nahafantatra isika fa tsy hanjaka amin'i Kristy intsony ny fahafatesana satria efa nitsangana tamin'ny maty i Kristy.

Romans 6:10

Impiry i Kristy no maty tamin'ny fahotana, ary impiry maty ho an'ireo olona Izy?

Maty indray mandeha ho an'ny rehetra Izy.

Inona no tokony hiheveran'ny mpino ny tenany mikasika ny fahotana?

Tokony hihevitra ny tenany ho efa maty mba hanota ny mpino.

Ho an'iza no hiainan'ny mpino iray amin'ny fiainany?

Miaina ny fiainany ho an'Andriamanitra ny mpino iray.

Romans 6:12

Ho an'iza no anoloran'ny mpino ny rantsam-batany, ary inona no tanjona?

Tokony hanolotra ny rantsam-batany ho an'Andriamanitra ny mpino ho fitaovana amin'ny fahamarinana.

Miaina ambany inona ny mpino, inona no mamela azy hanjaka amin'ny ota?

Miaina ambanin'ny fahasoavana ny mpino, izay mamela azy hanjaka amin'ny ota.

Romans 6:15

Inona no vokatra farany ho an'ny olona manao ny tenany ho mpanompon'ny fahotana?

Ny vokatra faran'izany dia mitarika ny fahafatesan'ny mpanompon'ny fahotan'ny olona.

Inona no vokatra farany ho an'ny olona manao ny tenany ho mpanompon'Andriamanitra?

Ny vokatra farany ho an'ny olona izay manao ny tenany ho mpanompon'Andriamanitra dia ny fahamarinana.

Romans 6:19

Inona no vokatra farany ho an'ny olona manao ny tenany ho mpanompon'ny fahotana?

Ny vokatra faran'izany dia mitarika ny fahafatesan'ny mpanompon'ny fahotan'ny olona.

Romans 6:22

Inona no tanjona hananan'ireo mpanompon'Andriamanitra ny vokatr'izy ireo?

Ny mpanompon'Andriamanitra dia manana ny vokatry ny fiainana mandrakizay.

Inona avy ny tambin'ny ota?

Ny tambin'ny ota dia fahafatesana.

Inona ny fanomezana maimaim-poana an'Andriamanitra?

Ny fiainana mandrakizay no fanomezana maimaim-poana an'Andriamanitra.

Romans 7

Romans 7:1

Hafiriana ny lalàna no mibaiko ny olona?

Mibaiko ny olona ny lalàna raha mbola velon'aina izy.

Romans 7:2

Hafiriana ny vehivavy manambady no voafatotra amin'ny lalàn'ny fanambadiana?

Ny vehivavy manambady dia voafatotra amin'ny lalàn'ny fanambadiana mandra-pahafatin'ny vadiny.

Inona no mety ataon'ny vehivavy rehefa afaka amin'ny lalàn'ny fanambadiana izy?

Rehefa afaka amin'ny lalàn'ny fanambadiana izy, dia mety afaka manambady lehilahy hafa.

Romans 7:4

Ahoana ny fomba nanaovan'ireo mpino ny lalàna maty?

Nataon'ireo mpino maty ny lalàna tamin'ny alalan'ny vatan'i Kristy.

Rehefa novonoina ny lalàna, inona no afaka nataon'ireo mpino?

Rehefa novonoina ny lalàna, dia afaka nikambana tamin'i Kristy ireo mpino.

Romans 7:7

Inona no asa notanterahan'ny lalàna?

Nampahafantarin'ny lalàna ny fahotana.

Fahotana va ny lalàna?

Tsia, tsy fahotana ny lalàna.

Inona no nataon'ny fahotana tamin'ny didin'ny lalàna?

Fahotana, tamin'ny alalan'ny didin'ny lalàna, no nitondra ny fitsiriritan'ny olona iray.

Romans 7:11

Masina va ny lalàna?

Masina ny lalàna, ary ny didy dia masina, marina, ary tsara.

Romans 7:13

Inona no nolazain'i Paoly nataon'ny fahotana azy?

Nilaza i Paoly fa ny fahotana, amin'ny alalan'ny lalàna, dia mitondra fahafatesana ao aminy.

Romans 7:15

Inona no nahatonga an'i Paoly nanaiky fa ny lalàna dia tsara?

Rehefa nanao izany i Paoly na dia tsy tiany hatao aza izany, dia nanaiky izy fa tsara ny lalàna.

Romans 7:17

Iza no nanao ireo zavatra izay nataon'i Paoly, nefa tsy naniry ny hanao izany?

Ny fahotana izay miaina ao amin'i Paoly no manao ireo zavatra izay tsy niriany hatao.

Inona no miaina ao amin'ny nofon'i Paoly?

Tsy misy zavatra tsara miaina ao amin'ny nofon'i Paoly.

Romans 7:19

Inona no fitsipika hitan'i Paoly miasa ao aminy?

Nahita ny fitsipika tao aminy i Paoly izay tiany hanaovany ny tsara, saingy ny ratsy no ato amiko izao.

Romans 7:22

Inona ny toetra nataon'ny fanahy maha olon'i Paoly manoloana ny lalàn'Andriamanitra?

Niravoravo ny fanahy maha olon'i Paoly amin'ny lalàn'Andriamanitra.

Inona no fitsipika hitan'i Paoly ao amin'ny ratsam-batany?

Nahita i Paoly fa ao amin'ny ratsam-batany hihazonan'ny fitsipika fahotana izay mihazona azy ho babo.

Romans 7:24

Iza no hanafaka an'i Paoly amin'ny tenan'ny fahafatesana?

Misaotra an'Andriamanitra i Paoly amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy amin'ny fahafahany.

Romans 8

Romans 8:1

Inona no nanafaka an'i Paoly amin'ny fitsipikin'ny fahotana sy ny fahafatesana?

Ny fitsipikin'ny Fanahin'ny fiainana ao amin'i kristy no nanafaka an'i Paoly tamin'ny fitsipikin'ny fahotana sy ny fahafatesana.

Romans 8:3

Nahoana no tsy afaka nanafaka ny olona tamin'ny fitsipiky ny fahotana sy ny fihetsika?

Tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny fahalemen'izany tamin'ny nofo.

Ireo izay mandeha araka ny Fanahy dia mifantoka amin'inona izany?

Ireo izay mandeha araka ny Fanahy dia mifantoka amin'ireo zavatry ny Fanahy.

Romans 8:6

Inona no fifandraisana ara-nofon'Andriamanitra sy ny lalàna?

Ny nofo dia fandrafiana eo anatrehan' Andriamanitra, ary tsy afaka mifanaraka amin'ny lalàna.

Romans 8:9

Inona no tsy ampy amin'ny olona amin'izay tsy ho an'Andriamanitra?

Ireo olona tsy ho an'Andriamanitra dia tsy ampy ny Fanahin'i Kristy miaina ao amin'izy ireo.

Romans 8:11

Ahoana ny fomba nanomezan'Andriamanitra ny fiainana an'ireo mpino izay mety maty?

Nanome ny fiainana an'ireo mpino izay mety maty Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fanahy, izay miaina ao amin'ireo mpino.

Romans 8:14

Ahoana ny nitaritana ny zanak'Andriamanitra hiaina?

Voatarika tamin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra ny zanak'Andriamanitra.

Ahoana ny fomba nandraisan'ireo mpino ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra?

Tamin'ny alalan'ny fananganan-janaka no nandraisana ireo mpino ho zanak'Andriamanitra.

Romans 8:16

Toy ny zanak'Andriamanitra, inona no tombon-tsoa hafa noraisin'ireo mpino tao amin'ny fianakavian'Andriamanitra?

Toy ny zanak'Andriamanitra, dia mpandova an'Andriamanitra sy mpiray lova ao amin'i Kristy ireo mpino.

Romans 8:18

Nahoana ny fijaliana amin'izao fotoana izao dia hiaretan'ireo mpino?

Ny fijaliana amin'izao fotoana izao dia hiaretana mba hanomezana ireo mpino miaraka amin'ny Kristy rehefa miseho ny zanak'Andriamanitra.

Romans 8:20

Amin'izao fotoana izao, ao ambanin'ny fanandevozana inona ny fahariana?

Amin'izao fotoana izao, ny fahariana dia ambanin'ny fanandevozan'ny fahalòvana.

Avy amin'ny inona no nanolorana ny fahariana?

Ny fahariana dia natolotra tany amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra

Romans 8:23

Ahoana ny fomba tokony hiandrasan'ireo mpino ho fanavotana ny vatana?

Tokony hiandry am-pahatokiana sy am-paharetana ny fanavotana ny vatana ireo mpino.

Romans 8:26

Inona no nataon'ny Fanahy hanampiana ao amin'ny fahalemen'ny olo-masina?

Ny fanahy tenany no mivavaka ho an'ireo olo-masina araka ny sitrapon'Andriamanitra.

Romans 8:28

Ahoana ny fomba fiasan'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ho an'ireo izay tia an'Andriamanitra sy izay nantsoina araka ny tanjona?

Miasa amin'ny zavatra rehetra miaraka Andriamanitra ho an'ny tsara ho an'ireo izay tian'Andriamanitra ary izay nantsoina araka ny tanjona.

Inona no anjara izay voalahatr'Andriamanitra ho an'ireo izay efa fantany mialoha?

Efa voalahatra Andriamanitra mialoha ireo izay efa fantany mialoha mba hitovy endrika amin'ny Zanany,

Inona ihany koa no nataon'Andriamanitra tamin'ireo izya efa volahatra mialoha?

Ireo izay efa notendreny, dia nantsoina, nohamarinina, ary nomen'Andriamanitra voninahitra.

Romans 8:31

Ahoana ny fomba nahafantaran'ireo mpino fa homen'Andriamanitra maimaim-poana ny zavatra rehetra izy ireo?

Nahafantatra ireo mpino fa homen'Andriamanitra maimaim-poana ny zavatra rehetra izy ireo satria namela ny zanany lahy ho an'ireo mpino.

Romans 8:33

Inona no nataon'i Krisy Jesosy tamin'ny tanan-kavanan'Andriamanitra?

Nifona ho an'ireo olo-masina i Kristy Jesosy tamin'ny tamin'ny tanan-kavanan'Andriamanitra

Romans 8:37

Ahoana ny maha-lehibe kokoa an'ireo mpino amin'ny mpandresy eo amin'ny fahoriana, fanenjehana, na ny fahafatesana?

Lehibe mihoatra ny mpandresy ny fitiavan'ireo mpino azy ireo.

Inona no nandresy lahatra an'i Paoly fa tsy misy zavatra nohariana afaka ataon'ny mpino?

Resy lahatra i Paoly fa tsy misy zavatra nohariana ka afaka manasaraka ny mpino amin'ny fitiavan'Andriamanitra.

Romans 9

Romans 9:3

Inona no hirian'i Paoly hatao ho an'ireo rahalahy araka ny nofo, sy ireo Israelita?

Haniry ho voaozona hiataka amin'Andriamanitra i Paoly ho an'ireo rahalahiny.

Inona no hanan'ireo Israelita ao amin'ny tantaran'izy ireo?

Nanana fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fanomezan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampanantenana ireo Israelita.

Romans 9:6

Inona no nolazain'i Paoly fa tsy marina momban'ny olona rehetra any Israely sy ireo taranak'i Abrahama?

Nilaza i Paoly fa tsy ny olona rehetra any Israely dia tena an'i Israely, ary tsy ny taranak'i Abrahama rehetra no tena zanany.

Romans 9:8

Iza no tsy raisina ho zanak'Andriamanitra?

Ireo zanaky ny nofo no tsy raisina ho zanak'Andriamanitra.

Iza no raisina ho zanak'Andriamanitra?

Ilay zanakin'ny fampanantenana no raisina ho zanak'Andriamanitra.

Romans 9:10

Inona no mahatonga ny fanambarana nomena an'i Rebeka hoe: "Ny zokiny dia hanompo ny zandriny," talohan'ny nahaterahan'ny zanany?

Ny tanjon'Andriamanitra araka ny safidy ka nahatonga ny fanambarana nomena an'i Rebeka.

Romans 9:14

Inona no vokatra taorian'ny fanomezana ny famindram-po sy fangorahan'Andriamanitra?

Ny safidin'Andriamanitra no vokatra taorian'ny fanomezana ny famindram-po sy fangorahan'Andriamanitra.

Inona no tsy vokatra taorian'ny fanomezan'Andriamanitra na ny famindram-po sy fangorahan'Andriamanitra?

Ny vokatra taorian'ny fanomezan'Andriamanitra na ny famindram-po sy fangorahan'Andriamanitra dia tsy noho ny fikasana, na ireo asan'ny olona mandray ny fanomezana.

Romans 9:19

Inona no valin-tenin'i Paoly an'ireo izay manontany raha marina tokoa Andriamanitra satria mahita tsiny amin'ny olona foana izy?

Namaly i paoly fa: "iza moa ianao no mamaly manohitra an'Andriamanitra?"

Romans 9:22

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ireo nomanina ho amin'ny fahasimbana?

Niaritra tam-paharetana Andriamanitra tamin'ireo nomanina tamin'ny fahasimbana.

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ireo niomana amin'ny voninahitra?

Nampahafantarin'Andriamanitra azy ireo ny ny haren'ny voninahiny.

Avy amin'ny inona no niantson'Andriamanitra ireo izay hananany famindram-po?

Andriamanitra dia niantso avy amin'ireo Jiosy sy Jentilisa izay hananany famindram-po.

Romans 9:27

Amin'ireo zanak'Israely, firy ireo hovonjena?

Amin'ireo zanak'Israely, dia ho voavonjy izay sisa ambiny.

Romans 9:30

Ahoana ny nahazoan'ireo Jentilisa ny fahamarinana na dia tsy nitady izany aza izy ireo?

Nahazo ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny finoana ireo Jentilisa.

Romans 9:32

Nahoana ireo Israely, na nitady ny fahamarianan'ny lalàna aza, dia tsy nahazo izany izy ireo?

Tsy nahazo izany ireo Israely satria nitady izany tamin'ny alala'ny asa izy ireo, fa tsy tamin'ny finoana.

Tafintohina tamin'ny inona ireo Israelita?

Tafintohin'ny vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna izy ireo.

Inona no niseho tamin'ireo tsy tafintohina, fa nino?

Tsy ho menatra, ireo izay tsy tafintohina, fa nino.

Romans 10

Romans 10:1

Inona no fanirian'i Paoly tamin'ireo rahalahiny, ireo Israelita?

Ny famonjena ireo Israelita no fanirian'i Paoly.

Inona no notadiavin'ireo Israelita ho hapetraka?

Mitady hametraka ny fahamarinan'izy ireo manokana ireo Israelita.

Momba ny inona no tsy fantatr'ireo Israelita?

Ny fahamarinan'Andriamanitra no tsy fantatr'ireo Israelita.

Romans 10:4

Inona no nataon'i kristy tam-panajana ny lalàna?

Kristy no fahatanterahan'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.

Romans 10:8

Aiza ny tenin'ny finoana izay nambaran'i Paoly?

Akaiky ny tenin'ny finoana, ao amin'ny vava ary ao amin'ny fo.

Inona no nolazain'i Paoly amin'izay ataon'ny olona mba ho vonjena?

Nilaza i Paoly fa tokony hanaiky amin'ny vavan'i Jesosy ho Tompo ny olona iray, ary hino amin'ny fo fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty izy.

Romans 10:11

Inona no hataon'ny olona mba hovonjena?

Izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no ho vonjena.

Romans 10:14

Inona no dingana maromaro nolazain'i Paoly izay mitondra ny vavao mahafaly, mba hahafahany miantso ny anaran'ny Tompo?

Nilaza i Paoly efa nalefa ny mpitory voalohany, ary ny vaovao mahafaly dia re sy ninoana, mba hahafahan'ny olona miantso ny anaran'ny Tompo.

Romans 10:16

Inona no zavatra re ka mitondra finoana?

Ny tenin'ny Kristy no re, izay mitondra finoana.

Romans 10:18

Moa va nandre ny filazantsara Israely?

Eny, nandre ny filazantsara ny Israely.

Romans 10:19

Ahoana ny fomba nilazan'Andriamanitra fa ataony saropiaro ireo Israely?

Nilaza i Jesosy fa hanao ny Israely ho saropiaro amin'ny fisehoana amin'ireo izay tsy misy fahalalana.

Romans 10:20

Inona no hitan'Andriamanitra rehefa tonga tao Israely izy?

Rehefa tonga tao Israely izy, dia nahita ny tsy fankatoavana sy olona mpikomy.

Romans 11

Romans 11:1

Nolavin'Andriamanitra va ireo Israelita?

Sanatria anie izany.

Romans 11:4

Moa va i Paoly nilaza fa misy Israelita mahatoky mitoetra, raha nisy tokoa, dia ahoana ny fomba niarovana azy ireo?

Nilaza i Paoly fa misy ambiny mitoetra izay efa narovana noho ny fisafidianana amin'ny fahasoavana.

Romans 11:6

Iza tamin'ireo Israelita no nahazo ny famonjena, ary inona no nitranga tamin'ny ambiny?

Ireo voafidy tamin'ireo dia nahazo ny famonjena, ary nohamafisina ny ambiny.

Inona no nataon'ny fanahin'ny fitavozavozana nomen'Andriamanitra an'ireo izay nandray izany?

Nataon'ny fanahin'ny fitavozavozana tsy hahita ny mason'izy ireo ary tsy handre sofiny.

Romans 11:11

Inona no zavatra tsara niseho noho ny fandavan'ireo Israely ny fandraisana ny filazantsara?

Tonga tamin'ireo Jentilisa ny famonjena.

Inona no vokatrin'ny famonjena ny Jentilisa tamin'ireo Israelita?

Hahatonga fialonana an'ireo Israely ny famonjena ireo Jentilisa.

Romans 11:17

Ao amin'ny fampitahan'i Paoly ny fototry ny oliva sy ny sampana dia, iza no fakany ary iza no sampana dia?

Israely ny fakany, ary ireo Jentily no sampana dia.

Inona no toetra nolazain'i Paoly fa tokony hialana ny sampana dia?

Nilaza i Paoly fa tokony hiala amin'ny fireharehana eo amin'ireo sampana tsotra izay efa notapahina ny sampana dia.

Romans 11:19

Inona no fampitandremana nomen'i Paoly an'ireo sampana dia?

Nampitandrina ireo sampana dia i Paoly fa raha tsy navelan'Andriamanitra ireo sampana tsotra, dia tsy ho hamela ny sampana ihany koa izy raha milatsaka amin'ny tsy finoana izy ireo.

Romans 11:23

Inona no afaka ataon'Andriamanitra amin'ny sampana tsotra raha tsy manohy ny tsy finoany izy ireo?

Afaka mamerina manambatra amin'ny samapana hazo Oliva voajanahary Andriamanitra ka tsy hanohizan'izy ireo ny tsy finoany.

Romans 11:25

Naharitra hafiriana ny fahamafisan-dohan'i Israely?

Haharitra mandra-piavin'ny fahafenoan'ireo Jentilisa ny fahamafisan-dohan'i Israely.

Romans 11:28

Na dia tsy nankatoa aza izy ireo, Nahoana ireo Israelita no tian'Andriamanitra hatrany?

Tian'Andriamanitra hatrany ireo Israelita noho ny razana, sy ny noho ny antson'Andriamanitra dia izay tsy miova.

Romans 11:30

Inona no naseho tamin'ny Jiosy sy ny Jentilisa fa avy amin'Andriamanitra?

Naseho ny tsy fankatoavan'ny Jiosy sy ny Jentily.

Inona no nasehon'Andriamanitra tamin'ireo tsy nankato?

Nampiseho famindram-po tamin'ny tsy mpankato, ireo Jiosy sy Jentilisa.

Romans 11:33

Iza no afaka hitady ny fitsaran'Andriamanitra sy hanome toro-hevitra Azy?

Tsy misy olona afaka hitady ny fitsaran'Andriamanitra sy hanome toro-hevitra Azy.

Romans 11:35

Inona avy ireo fomba telo izay mifandraika amin'Andriamanitra?

Ny zavatra rehetra avy amin'Andriamanitra, sy amin'ny alalany, ary ho azy.

Romans 12

Romans 12:1

Inona no fanompoana ara-panahin'Andriamanitra ho an'ireo mpino?

Ny fanompoana ara-panahin'ireo dia manolotra ny tenany ho fanatitra velona ho an'Andriamanitra.

Inona no afaka ataon'ny fiovan'ny saina ao amin'ireo mpino,

Ny fiovan'ny saina ao amin'ireo mpino dia mamela azy ireo ahafantatra izay tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra.

Romans 12:3

Amin'ny fomba ahoana ny tsy tokony hiheverin'ny mpino ny tenany?

Tsy tokony hihevitra ny tenany ho ambony mihoatra izay tokony ho eritreretiny ny mpino iray.

Romans 12:4

Amin'ny fomba ahoana no hifandraisan'ireo mpino maro amin'ny tsirairay ao amin'i Kristy?

Vatana iray ihany ao amin'i Kristy ireo mpino maro, ary rantsana manokana amin'ny tsirairay.

Romans 12:6

Inona no tokony hataon'ny mpino tsirairay amin'ny fanomezana nomen'Andriamanitra azy?

Tokony hampiatra ny fanomezany ny mpino tsirairay araka ny haben'ny finoany.

Romans 12:9

Amin'ny fomba ahoana no tokony hitondran'ireo mpino ny tsirairay?

Tokony mifankatia amin'ny tsirairay ireo mpino, ary manaja ny tsirairay..

Romans 12:11

Ahoana ny tokony hamalian'ireo mpino izay ilain'ireo olo-masina?

Tokony hizara amin'izay ilain'ny olo-masina ireo mpino.

Romans 12:14

Ahoana no tokony hamalian'ireo mpino an'ireo izay manenjika azy?

Tokony misaotra ireo mpino, ary tsy manozona an'ireo izay manenjika azy ireo.

Ahoana ny fomba hitondran'ireo mpino ireo olona ambany?

Tokony hanaiky ireo olona ambany ireo mpino.

Romans 12:17

Arak'izay azo atao, inona no tokony tadiavin'ireo mpino amin'ny olona rehetra?

Arak'izay azo atao, dia tokony mitady fiadanana amin'ny olona rehetra ireo mpino.

Romans 12:19

Nahoana no tsy tokony mamaly ratsy ny tenany ireo mpino?

Tsy tokony mamaly ratsy ny tenany ireo mpino satria an'ny Tompo ny vali-faty.

Ahoana no tokony handresen'ny mpino ny ratsy?

Tokony resen'ireo mpino amin'ny tsara ny ratsy.

Romans 13

Romans 13:1

Avy aiza no ahazahoan'ireo manam-pahefana eto an-tany ny fahefany?

Notendren'Andriamanitra ireo manam-pahefana eto an-tany, ary mahazo ny fahefany avy amin'Andriamanitra.

Inona no azon'ireo izay manohitra ireo manam-pahefana eto an-tany?

Hahazo fitsaràna amin'ny tenan'izy ireo ireo izay manohitra ireo manam-pahefana eto an-tany.

Romans 13:3

Inona no nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino fa tokony hatao mba tsy hatahotra ny hanapaka ny fahefana izy ireo?

Nilaza i Paoly fa tokony manao izay tsara ny mpino mba tsy hatahotra ny hanapaka ny fahefana.

Inona no fahefana nomen'Andriamanitra ireo mpanapaka hanafoanana ny ratsy?

Nanome fahefana ny hitondran'ireo mpanapaka sabatra Andriamanitra ary hanasazy ireo izay manao ratsy.

Romans 13:6

Inona no fahefana nomen'Andriamanitra an'ireo mpanapaka momba ny vola?

Nanome fahefana hitaky ny hetra an'ireo mpino Andriamanitra.

Romans 13:8

Inona ilay zavatra iray nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino fa tokony itrosana amin'ny hafa?

Nilaza i Paoly fa tokony hitrosa fitiavana amin'ny hafa ireo mpino.

Ahoana ny fomba hanatanterahan'ireo mpino ny lalàna?

Avy amin'ny alalan'ny fitiava-namana no hanatanterahan'ireo mpino ny lalàna.

Inona no didy nataon'i Paoly ho anisan'ny lalàna?

Nataon'i Paoly ho anisan'ny didy ny tsy mangala-badin'olona, mamono olona, mangalatra, ary mitsiriritra.

Romans 13:11

Inona no nolazain'i Paoly an'ireo mpino fa tokony hariana sy hotafiana?

Nilaza i Paoly fa tokony hariana ny asan'ny maizina, ary hotafiana ny fiadian'ny fahazavana.

Romans 13:13

Inona no asa tsy tokony handehanan'ireo mpino?

Tsy tokony handeha amin'ny firavoravoana, fahamamoana, fahavetavetana, filàna tsy voafehy, fifanoherana, na fialonana, ireo mpino.

Inona no tokony toetran'ireo mpino manoloana ny fahavetavetana ara-nofo?

Tokony tsy manome hirika ho an'ny nofo ireo mpino

Romans 14

Romans 14:1

Inona no sakafon'ny hanin'ny olona izay manana fionoana mafy, ary inona no sakafo hanin'ireo izay malemy amin'ny finoana?

Mihinana ny zavatra rehetra ny olona mafy amin'ny finoana, fa ny olona malemy amin'ny finoana kosa dia tsy mihinana afa-tsy legioma.

Romans 14:3

Inona no tokony toetra hananan'ireo mpino izay samihafa ny hohaniny manoloana ny tsirairay?

Ireo mpino mihinana hanina samihafa dia tsy tokony hanamavo na hitsara ny tsirairary.

Inona no azon'ilay iray izay mihinana ny zava-drehetra sy ilay iray izay tsy mihinana afa-tsy legioma ihany?

Andriamanitra dia nandray ilay iray izay mihinana ny zava-drehetra sy ilay iray izay tsy mihinana afa-tsy legioma ihany.

Romans 14:5

Inona ny olana hafa nolazain'i Paoly fa olana amin'ny fandresen-dahatra amin'ny tena manokana?

Nilaza i Paoly fa toy ny olana amin'ny fandresen-dahatra amin'ny tena manokana na ny andro iray dia sarobidy eo amin'ny andro iray hafa na ny andro rehetra dia manan-danja mitovy.

Romans 14:7

Ho amin'ny inona no iainana sy ahafatesan'ireo mpino?

Miaina sy maty ho an'ny Tompo ireo mpino.

Romans 14:10

Aiza no hijoroan'ireo mpino rehetra farany?

Hijoro farany eo anatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra ireo mpino.

Romans 14:12

Inona no toetra tokony hanan'ny rahalahy manoloana ny rahalahy hafa amin'ny fandresen-dahatra amin'ny tena?

Tsy tokony hametraka vato mahatafintohina na fandrika ho an'ny rahalahy hafa amin'ny fandresen-dahatra amin'ny tena.

Romans 14:14

Inona no sakafo maloto maharesy an'i Paoly ao amin'ny Tompo Jesosy?

Resy lahatra i Paoly fa tsy misy sakafo maloto.

Romans 14:16

Momban'ny inona no fanjakan'Andriamanitra?

Ny fanjakan'Andriamanitra dia momban'ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.

Romans 14:20

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony ataon'ny rahalahy eo anatrehan'ny rahalahy iray hafa izay tsy mihinana hena na misotro divay?

Nilaza i Paoly fa tsara raha tsy mihinan-kena na misotro divay eo anatrehan'ny rahalahy iray hafa.

Romans 14:22

Inona no vokatra raha tsy miasa amin'ny finoana ny olona iray?

Na inona na inona ny asa ka tsy avy amin'ny finoana dia fahotana.

Romans 15

Romans 15:1

Inona no toetra tokony hananan'ireo mpino manana finoana mafy manoloana ireo malemy finoana?

Tokony handefitra ireo malemy fanahy ireo mpino manana finoana mafy, mba hahafahana manandratra azy ireo.

Romans 15:3

Iza no nalain'i Paoly ohatra amin'ilay iray izay tsy niaina hampifaly ny tenany, fa manompo ny hafa?

Tsy niaina mba ampifaly ny tenany i Kristy, fa hanompo ireo hafa.

Inona no tanjona iray hafa voasoratra ao amin'ny soratra masina teo aloha?

Voasoratra ho an'ny fampianarana antsika ny soratra masina teo aloha.

Romans 15:5

Inona no fanirian'i Paoly an'ireo mpino tamin'ny alalan'ny fampiharan'izy ireo ny faharetana sy fampaherezana ny tsirairay?

I Poaly dia naniry mba hitovy fisainana amin'ny tsirairay ireo mpino.

Romans 15:10

Inona no nolazain'ny soratra masina fa hataon'ireo Jentilisa noho ny famindram-pon'Andriamanitra manoloana azy ireo?

Nilaza ny soratra masina fa hiravoravo sy hitory ny Tompo ireo Jentilisa.

Romans 15:13

Inona no nolazain'i Paoly fa afaka ataon'ireo mpino amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina?

Ho feno fifaliana sy fiadanana ary ho feno fahatokisana ireo mpino.

Romans 15:15

Inona no fanomezana nomen'Andriamanitra an'i Paoly, izay iraka nataon'i Paoly?

Ny iraka nataon'i Paoly dia ho mpanompon'i Kristy Jesosy nalefa tamin'ireo Jentilisa.

Romans 15:17

Amin'ny fomba ahoana no niasan'i Kristy tamin'ny alalan'i Paoly mba hitondra ny fankatovana amin'ireo Jentilisa?

Niasa tamin'ny alalan'i Paoly tamin'ny alalan'ny teny sy ny asa, tamin'ny alalan'ny herin'ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina.

Romans 15:20

Aiza no nirian'i Paoly hanambarana ny filazantsara?

Naniry ny hanambara ny filazantsara tany amin'izay tsy ahafantarana an'i Kristy amin'ny anarana i Paoly.

Romans 15:26

Nahoana no nilazan'i Paoly fa manompo ireo zavatra ara-materialin'ireo mpino Jiosy ireo mpino Jentilisa?

Manompo ireo zavatra ara-materialin'ireo mpino Jiosy ireo mpino Jentilisa satria ireo Jentilisa mpino dia efa nizara tamin'ny zava-masin'ny ireo mpino Jentilisa.

Romans 15:30

Avy amin'ny iza no nirian'i Paoly hatolotra?

Naniry ho atolotra avy amin'ireo tsy mankato any Jodia i Paoly.

Romans 16

Romans 16:1

Inona no nahatongan'ny anabavy Foiby ho Paoly?

Lasa tonga mpanampy an'i Paoly i anabavy Foiby , sy ireo hafa maro.

Romans 16:3

Inona no nataon'i Prisila sy Akila tamin'ny Paoly taloha?

Nahafoy ny ainy ho an'i Paoly i Prisila sy Akila taloha.

Aiza no toerana iray nihaonan'ireo mpino tany Roma?

Tao amin'ny tranon'i Prisila sy Akila no nihaonan'ireo mpino tany Roma.

Romans 16:6

Inona no traikefa nozarain'i Androniko sy Jonia niaraka tamin'i Paoly taloha?

Androniko sy Jonia dia niara-nigadra tamin'i Paoly taloha.

Romans 16:15

Ahoana ny fomba fanaovam-beloman'ireo mpino tsirairay?

Manao veloma amin'ny oroka masina ireo mpino tsirairay.

Romans 16:17

Inona ireo fanao sasany, izay nahatonga fizarana sy fanafintohinana?

Ny sasany dia nihoatra lavitry ny fampianarana izay nataon'izy ireo, ny namitaka ny fon'ireo tsy manan-tsiny.

Inona no nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino tokony hatao amin'ny fizarana sy fanafintohinana?

Nilaza tamin'ireo mpino i Paoly mba hiala lavitra amin'ireo izay nahatonga ny fizarana sy fanafintohinana.

Romans 16:19

Inona no toetra notadiavin'i Paoly hananan'ireo mpino manoloana ny tsara sy ny ratsy?

Tian'i Paoly ho hendry ireo mpino amin'izay tsara, ary tsy manan-tsiny amin'izay ratsy.

Inona no hataon'ny sitrapon'Andriamanitrin'ny fiadanana afaka fotoana fohy?

Andriamanitry ny fiadanana dia hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotoana fohy.

Romans 16:21

Iza no nanoratra izany Epistily izany?

Tertio no nanoratra izany Epistily izany.

Romans 16:23

Inona no asan'ilay mpino Erasto?

Mpitam-bola ao amin'ny tanàna Erasto.

Romans 16:25

Inona ny fanambarana izay notorian'i Paoly amin'izao fotoana izao izay notazonina ho tsiambaratelo ela be tany aloha tany?

Mitory ny fanambaran'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy i Paoly amin'izao fotoana izao.

Inona no tanjona hitorian'i Paoly?

Mitory ho amin'ny fankatoavana ny finoana eo amin'ny Jentilisa rehetra i Paoly.