Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Samuel 1

1 Samuel 1:1

Iza ireo vadin'i Elkana anankiroa?

Hana sy Penina no vadin'i Elkana anankiroa.

Firy ny zanak'i Hana?

Tsy nanan-janaka i Hana.

1 Samuel 1:5

Nahoana i Elkana no nanome anjara roa ho an'i Hana.

Nomen'i Elkana anjara roa i Hana satria tiany izy.

Nahoana no nihantsy azy ny rafin'i Hana?

Nihantsy azy izy mba haharangitra azy, satria nahamomba azy Yaveh.

1 Samuel 1:9

Inona no nataon'i Hana satri ory mafy nohon'ny tsy fananan-janaka izy?

Nankany an-tranon'i Yaveh izy ary nivavaka ka nitomany mafy.

1 Samuel 1:11

Inona no voady nataon'i Hana tamin'i Yaveh?

Nivoady Hana fa raha manome zanaka lahy ho azy Yaveh, dia homeny Azy izany ary tsy hisy hareza hikasika ny lohany.

1 Samuel 1:12

Satria niteny tamin'i Yaveh tamin'ny fony i Hana, dia inona no noheverin'i Ely, ilay mpisorona, momba izay nataony?

Hitan'i Ely nihetsiketsika ny molony saingy tsy reny ny feony, koa dia nihevitra izy fa mamon-divay i Hana.

1 Samuel 1:15

Inona no namafisin'i Hana fa nataony?

Namafisiny tamin'i Ely fa tsy mamo izy fa niresaka tamin'i Yaveh tamin'ny fony.

1 Samuel 1:17

Inona no nolazain'i Ely tamin'i Hana izay nahatonga azy handeha tamin'ny lalany, nihinana ka tsy nahatsapa ho nalahelo intsony?

Niteny taminy mba handeha am-piadanana i Ely ary nangataka tamin'ny Andriamanitr'Israely mba hanome azy ny fangatahana izay nataony taminy.

1 Samuel 1:19

Rehefa bevohoka i Hana ka niteraka zazalahy, iza no nataony anarany?

Nantsoin'i Hana hoe Samoela ny zanany satria nangatahiny tamin'i Yaveh.

1 Samuel 1:21

Nahoana i Hana no tsy nandeha niaraka tamin'ny vadiny nankany an-tempoly tamin'ny sorona isan-taona?

Satria mbola nampinono ny zanany izy.

1 Samuel 1:24

Inona no nentin'i Hana niaraka taminy, niaraka tamin'ny zanany, ho any an-tranon'i Yaveh mba homena an'i ely mpisorona?

Nitondra sorona ombilahy telo taona, sakafo iray efaha, tavoahangin-divay iray i Hana mba homena ny mpisorona.

1 Samuel 1:26

Inona no nomen'i Hana an'i Yaveh?

Nomen'i Hana an'i Yaveh ny zanany raha mbola velona koa izy.

1 Samuel 2

1 Samuel 2:1

Nahoana i Hana no niteny an-kasahiana tamin'ireo fahavalony?

Niteny an-kasahiana i Hana satria niravoravo tamin'ny famonjen'i Yaveh izy.

1 Samuel 2:3

Nahoana hoy i Hana isika no tsy tokony hirehareha na hiteny an'avonavona?

Tsy tokony hirehareha isika na hiteny an'avonavona satria Yaveh dia Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa.

1 Samuel 2:5

Tamin'ny hiran'i Hana, iza ilay feno alahelo?

Feno alahelo ilay vehivavy manan-janaka maro.

1 Samuel 2:6

Inza no manapaka ny fahafatesana sy ny fiainana, raha hidina any amin'ny Fiainan-tsy hita na hampiakarina ny olona iray?

Yaveh ilay manapaka ny ny fahafatesana sy ny fiainana, raha hidina any amin'ny Fiainan-tsy hita na hampiakarina.

Iza no manao ny mahantra sy ny mpanan-karena?

Yaveh no manao ny manao ny mahantra, sy manao ny mpanan-karena.

1 Samuel 2:8

Iza no mampitraka ny mahantra sy manandratra ny ory mba hipetraka eo amin'ny fitoeram-boninahitra?

Yaveh no manangana azy ireo mba hipetraka eo amin'ny fitoeram-boninahitra.

1 Samuel 2:9

Izay hoy Hana no hiambina ny tongotry ny olony mahatoky ary hampangina ny ratsy fanahy any amin'ny aizina?

Yaveh no hiambina ny tongony ary hampangina ny ratsy fanahy.

1 Samuel 2:10

Iza no mitsara ny faran'ny tany ary manome hery ny mpanjakany?

Yaveh no mitsara ny faran'ny tany ary manome hery ny mpanjakany.

1 Samuel 2:11

Iza ilazy zaza nanompo an'i Yaveh teo anatrehan'i Ely mpisorona?

Samoela no nanompo an'i Yaveh teo anatrehan'i Ely mpisorona.

1 Samuel 2:12

Zanak'iza ireo lehilahy ratsy fanahy?

Zanak'i Ely mpisorona ireo lehilahy ratsy fanahy.

Inona no fanaon'ireo mpisorona tamin'ny olona tamin'ny fotoan'ny sorona?

Ny fanaon'ireo mpisorona dia manatona ny mpanompon'ny mpisorona ka mitondra fitrebika telo rantsana mba hahazoana ny hena izay ho alain'ny mpisorona ho azy.

1 Samuel 2:15

Inona no zava-dratsy nampianarin'ireo zanaky ny mpisorona ny mpanompony?

Raha tokony hihinana hena nandrahoina, dia nampianatra ireo mpanompony hilaza amin'ny olona mba hihinana hena manta kosa ireo zanak'i Ely.

Nahoana no lehibe tokoa ny fahotan'ireo zanak'i Ely?

Lehibe ny fahotan'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh satria naniratsira ny fanatitr'i Yaveh izy ireo.

1 Samuel 2:18

Inona no namboarin'ny renin'i Samoela ho azy mba hanaovany isan-taona?

Nanamboarany akanjo efoda rongony fotsy izy.

1 Samuel 2:20

Ahoana no nitsofan'i Ely rano an'i Elkana sy ny vadiny?

Nitso-drano an'i Elkana sy ny vadiny tamin'ny fivavahana ho azy ireo mba hanan-janaka maro amin'ny alalan'i Hana i Ely.

Inona no navalin'i Yaveh ny vavak'i Ely ho an'ny ray aman-drenin'i Samoela mba hananan-janaka maro?

Mbola nanampy an'i Hana indray Yaveh ka niteraka zazalahy telo sy zanaka vavy roa izy.

1 Samuel 2:22

Inona no nolazain'i Ely tamin'ireo zanany rehefa niha-antitra tokoa izy?

Nambaran'i ely fa nanao zavatra ratsy izy ireo ary nahatonga ny vahoakan'i Yaveh tsy ho mpankatoa.

1 Samuel 2:25

Nahoana no tsy nihaino ny feony ireo zanak'i Ely?

Tsy nihaino ny feony ireo zanak'i Ely satria nikasa ny hamono azy ireo Yaveh.

Iza no nihalehibe ka nitombo fitia teo amin'i Yaveh sy ny olona?

Nihalehibe ka nitombo fitia teo amin'i Yaveh sy ny olona i Samoela.

1 Samuel 2:27

Iza no nilaza tamin'i Ely fa nifidy ny taranak'i Ely teo amin'ny fokon'Israely rehetra mba ho mpisorony Yaveh?

Nisy lehilahin'Andriamanitra nilaza tamin'i Ely fa nifidy ny taranak'i Ely i Yaveh.

1 Samuel 2:29

Ahoana no naniratsiran'i Ely ny sorona sy ny fanatitr'i Yaveh?

Naniratsira ny sorona sy ny fanatitr'i Yaveh tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo zanany ambonin'i Yaveh i Ely.

1 Samuel 2:31

Inona no nambaran'i Yaveh fa hitranga amin'ireo lehilahy ao amin'ny fianakaviany?

Nambaran'i Yaveh tamin'i Ely fa ho faty ireo lehilahy rehetra teraka tao amin'ny fianakavian'i Ely.

1 Samuel 2:34

Inona hoy Yaveh no ho famantarana fa ho faty ny lehilahy rehetra ao amin'ny fianakavian'i Ely?

Samy ho faty ao anatin'ny andro irayt ireo zanak'i Ely.

Izaa no handeha eo anatrehan'ilay mpanjaka voahosotr'i Yaveh?

Hisy mpisorona mahatoky izay hatsangan'i Yaveh handeha eo anatrehan'ilay mpanjaka voahosotr'i Yaveh mandrakizay.

Nahoana no ho avy ka hiankohoka eo amin'ilay mpisorona mahatoky ny olon-drehetra ao amin'ny fianakavian'i Ely?

Hangataka toerana ho mpisorona aminy izy ireo mba hahazoan'izy ireo hanin-kohanina.

1 Samuel 3

1 Samuel 3:1

Inona no navalin'i Samoela rehefa nandre an'i Yaveh niantso azy teo am-patoriana teo am-pandriana izy?

Namaly Samoela hoe: "Inty aho."

1 Samuel 3:5

Inona no nasain'i Ely nataon'i Samoela rehefa nihazakazaka teo aminy i Samoela?

Nolazain'i Ely fa tsy niantso an'i Samoela izy, ka nasainy natory indray.

1 Samuel 3:7

Inona no mbola tsy nambara tamin'i Samoela?

Mbola tsy nisy hafatra avy amin'Andriamanitra nambara tamin'i Samoela mihitsy.

Inona no nahatonga saina an'i Ely taorian'ny nankanesan'i Samoela teo aminy fanintelony?

Tonga saina i Ely fa Yaveh no niantso ilay zazalahy.

1 Samuel 3:9

Inona no nasain'i Ely nolazain'i Samoela raha miantso indray Yaveh?

Nasain'i Ely nilaza i Samoela hoe: "Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao."

1 Samuel 3:10

Inona no nambaran'i Yaveh fa hahazo ny sofin'ny olona rehetra rehefa mandre izay ho ataon'i Yaveh izy ireo?

Nambaran'i Yaveh fa hangorintsina ny sofin'ny olona rehetra rehefa mandre izay ho ataony.

1 Samuel 3:12

Nitondra inona tamin'ny tenany ihany ireo zanak'i Ely?

Nitondra ozona tamin'ny tenany ihany ireo zanak'i Ely.

Inona no tsy ho voahonitry ny sorona sy fanatitra mihitsy?

Ny fahotan'ny ankohonan'i Ely no tsy ho voahonitry ny sorona sy fanatitra mihitsy.

1 Samuel 3:15

Inona no natahoran'i Samoela ho atao nony maraina taorian'ny nanokafany ny varavaran'ny tranon'i Yaveh?

Natahotra ny hilaza momba ny fahitana avy amin'i Yaveh tamin'i Ely izy.

1 Samuel 3:17

Inona no nataon'i Samoela taorian'ny nilazan'i Ely taminy fa tsy mahazo manafina ny teny izay nolazain'i Yaveh taminy izy?

Nambaran'i Samoela taminy ny zava-drehetra ary tsy nanafina na inona na inona tamin'i Ely izy.

1 Samuel 3:19

Inona no fantatry ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba momba an'i Samoela?

Fantatr'Israely rehetra fa voatendry ho mpaminanin'i Yaveh i Samoela.

1 Samuel 4

1 Samuel 4:1

Inona no vokatry ny ady teo amin'Israely st ny Filistina?

Resin'ny Filistina ny Israely.

1 Samuel 4:3

Inona no hevitra tapak'ireo loholon'Israely fa hatao mba hiarovana azy ireo amin'ny herin'ny fahavalony?

Nanapa-kevitra ny hitondra ny fiaran'ny vavolombelon'i Yaveh hiaraka amin'izy ireo ny loholona.

Iza no niaraka tamin'ny fiaran'ny vavolombelon'i Yaveh tompon'ny maro?

Ireo zanak'i Ely roa lahy, Hofinia ary Finehasa no niaraka tamin'ny fiara.

1 Samuel 4:5

Inona no noeritreretin'ireo Filistina nony nandre ny tabataba ben'Israely izy ireo?

Nanontany teny ny amin'ny dikan'ny tabataba mafy tao an-toby ireo Filistina.

1 Samuel 4:7

Iza hoy ireo Filistina no tonga tao amin'ny tobin'ireo Hebreo?

Nolazain'ireo Filistina fa tonga tao amin'ny tobin'ny Hebreo Andriamanitra.

Tamin'ny inona hoy ireo Filistina no namelezan'Andriamanitra ireo Egyptiana tany an'efitra?

Nambaran'izy ireo fa namely ny Egyptiana tamin'ny loza maro samihafa Andriamanitra.

1 Samuel 4:10

Inona no nanjo ireo zanak'i Ely roa lahy rehefa niady ka nandresy an'Israely ireo Filistina?

Maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy.

1 Samuel 4:12

Inona no nataon'ny tanàna manontolo rehefa niditra ny tanàna ilay lehilahy avy tany amin'ny filaharan'ady ka nilaza ilay vaovao?

Rehefa nilaza ilay vaovao ilay lehilahy, dia nihiakiaka mafy ny tanàna manontolo.

1 Samuel 4:14

Inona no fanontaniana napetrak'i Ely rehefa nandre ny kotaba sy ny fihiakiakan'ny tanàna izy?

Nanontany ny dikan'ilay korontana i Ely.

1 Samuel 4:16

Inona no nambaran'ilay lehilahy fa nanjo ireo zanany sy ny fiaran'Andriamanitra rehefa resin'ny Filistina ny Israely?

Nambaran'ilay lehilahy tamin'i Ely fa maty ireo zanany roa lahy ary lasa ny fiaran'Andriamanitra.

1 Samuel 4:18

Inona ilay fahavoazana nampiala ny ain'i Ely rehefa nianjera nitsimbadika avy teo an-tsezany teo akaikin'ny vavahady izy?

Tapaka ny vozon'i Ely ka maty izy.

1 Samuel 4:19

Inona no nitranga rehefa nandre ny vadin'i Finehasa izay bevohoka fa lasa ny fiara ary maty ny rafozan-dahiny sy ny vadiny?

Nandohalika i Finehasa ary niteraka, saingy nandresy azy ny fanaintainan'ny fiterahany.

1 Samuel 4:21

Inona no anarana nomen'ny vadin'i Finehasa an'ilay zaza ary nahoana izy no nanome azy izany anarana izany?

Nantsoiny hoe Ikaboda ilay zaza satria niala tamin'Israely ny voninahitra.

1 Samuel 5

1 Samuel 5:1

Ahoana no nahitan'ny olona an'ilay sampy Dagona ny andro manaraka taorian'ny nitondran'ireo Filistina ny fiaran'Andriamanitra tao an-tranon'i Dagona?

Hitan'izy ireo nianjera niankohoka teo amin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh i Dagona.

1 Samuel 5:4

Inona sisa ilay sampy Dagona ny maraina taorian'ny nametrahan'izy ireo azy teo amin'ny toerany teo alohan'ny fiaran'i Yaveh indray?

Ny vatan'i Dagona ihany sisa no teo ary ny lohany sy ny tanany dia tapaka ary nipetraka teo an-tokonam-baravarana.

1 Samuel 5:6

Nahoana hoy ireo lehilahin'i Asdoda no tsy tokony hitoetra miaraka amin'izy ireo ilay fiara?

Henjana tamin'izy ireo sy tamin'i Dagona andriamanitr'izy ireo ny tanan'ny Andriamanitr'Israely.

1 Samuel 5:8

Taiza no namindran'ireo Filistina ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely?

Nafindran'ireo Filistina tany Gata ilay fiara.

Tamin'ny inona no nampahorian'i Yaveh ny olon'ny tanànan'i Gata?

Nampahory azy ireo tamin'ny fivontosana Yaveh.

1 Samuel 5:10

Inona hoy ireo vahoakan'i Ekrona no hataon'ny Andriamanitr'Israely amin'izy ireo satria nalefa tany amin'ny tanànan'izy ireo ilay fiara?

Nolazain'izy ireo fa ho vonoin'ny Andriamanitr'Israely izy ireo sy ny olony.

1 Samuel 5:11

Taiza no nasain'ireo vahoakan'i Ekrona nandefasan'ireo mpanapaka an'ilay fiara?

Nasain'izy ireo nalefa tany amin'ny toerany ihany ilay fiara?

Tonga taiza ny fitarainan'ny tanàna?

Niakatra nanenika ny lanitra ny fitarainan'ny tanàna.

1 Samuel 6

1 Samuel 6:1

Nandritra ny hafiriana no nitoeran'ny fiaran'i Yaveh tao amin'ny tanin'ny Filistina?

Tao amin'ny tanin'ny Filistina nandritra ny fito volana ny fiara.

Iza no nantsoin'ireo Filistina mba hangatahina toro-hevitra ny amin'ny fomba handefasana ny fiaran'i Yaveh any amin'ny taniny manokana indray?

Niantso ireo mpisorona sy ireo mpimasy izy ireo mba hilaza amin'izy ireo ny fomba handefasana ny fiara miverina any amin'ny taniny manokana.

1 Samuel 6:3

Inona no nasain'ireo mpisorona nalefan'ireo vahoaka Filistina ho fanomezana ho an'ny Andriamanitr'Israely mba ho fanatitra nohon'ny heloka?

Nasain'izy ireo nandefa nandefa fivontosana volamena dimy sy totozy volamena dimy ireo Filistina.

1 Samuel 6:5

Nahoana hoy ireo mpisorona sy ireo mpimasy Andriamanitra no henjana tamin'ireo Egyptiana sy Farao?

Henjana tamin'ireo Egyptiana sy Farao Andriamanitra satria nanamafy fo izy ireo.

1 Samuel 6:7

Inona ny biby nasain'ireo mpisorona nafatotr'ireo Filistina teo amin'ny sarety izay tokony nametrahan'izy ireo ny fiaran'i Yaveh?

Nasain'izy ireo namatotra omby vavy mampinono roa teo amin'ny sarety ireo Filistina.

Ahoana no hahafataran'ireo Filistina fa Yaveh no nahatanteraka ny loza lehibe tamin'izy ireo?

Ho fantatr'ireo Filistina izany raha mandeha ho azy any Beti-semesy ireo ombivavy mitarika ny sarety.

1 Samuel 6:10

Nankaiza ireo omby vavy mampinono izay niaraka tamin'ilay sarety nitondra ny fiara sy ilay vata nisy totozy volamena sy sarina fivontosana?

Nandeha mahitsy nizotra nankany Beti-semesy ireo ombivavy.

1 Samuel 6:13

Inona no nataon'ireo vahoakan'i Beti-semesy rehefa nampiandrandra ny masony ka nahita ilay fiara?

Mbola nijinja vary teny an-dohasaha izy ireo.

1 Samuel 6:14

Inona no nataon'ireo vahoakan'i Beti-semesy tamin'ireo ombivavy izay nitarika ilay sarety?

Natolotr'izy ireo ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh ireo ombivavy.

Iza no nampidina ila fiaran'i Yaveh sy ilay vata niaraka tamin'izany?

Ireo Levita no nampidina ny fiaran'i Yaveh sy ny vata niaraka tamin'izany.

1 Samuel 6:16

Inona no nataon'ireo mpanapaka dimin'ny Filistina rehefa nahita ny nataon'ireo olon'i Beti-semesy?

Niverina tany Ekrona tamin'io andro io izy ireo.

1 Samuel 6:17

Inona no hevitry ny isan'ireo fivontosana volamena dimy sy ireo totozy volamena dimy?

Ny isan'ireo fivontosana volamena dimy sy ireo totozy volamena dimy dia tahaka ny isan'ireo tanànan'ny Filistina rehetra izay an'ireo mpanapaka dimy.

1 Samuel 6:19

Nahoana Yaveh no namono ny fitopolo tamin'ireo olon'i Beti-semesy?

Novonoin'i Yaveh ireo satria nijery tao anatin'ny fiarany.

1 Samuel 6:21

Inona no nangatahin'ireo iraka tamin'ny mponin'i Kiriata-jearima mba hatao mahakasika ilay fiara izay naverin'ireo Filistina?

Nangataka tamin'ireo mponin'i Kiriata-jearima ireo iraka mba hidina ary hitondra ny fiara miverina miaraka amin'izy ireo.

1 Samuel 7

1 Samuel 7:1

Inona no naton'ireo olon'i Kiriata-jearima tamin'ny zanak'i Abinadaba mba hitandremany ny fiaran'i Yaveh?

Natokan'izy ireo mba hitandrina ny fiaran'i Yaveh izy.

Inona no nataon'ny ankohonan'Israely rehetra nandritra ny roapolo taona nitoeran'ny fiara tao Kiriata-jearima?

Nalahelo izy ireo nandritra izany fotoana izany ary naniry ny hiverina tamin'i Yaveh.

1 Samuel 7:3

Inona no nilain'ireo vahoakan'Israely nesorina teo amin'izy ireo mba hamonjen'i Yaveh azy ireo amin'ny tanan'ny Filistina?

Nila nanala ireo andriamanitry ny vahiny sy Astarta tsy ho eo amin'izy ireo ka nanompo an'i Yaveh irery ihany izy ireo.

1 Samuel 7:5

Inona nampiaiky ny vahoakan'Israely fa nataony rehefa niara-niangona tao Mizpa izy ireo ka nandraraka rano teo anatrehan'i Yaveh?

Niaiky izy ireo fa nanota tamin'i Yaveh.

1 Samuel 7:7

Inona no ren'ireo vahoakan'Israely momba ireo Filistina izay nampitahotra azy ireo ka nahatonga azy ireo nangataka an'i Samoela mba hiantso an'i Yaveh ho azy ireo?

Ren'izy ireo fa nanafika an'Israely ireo mpanapaky ny Filistina.

1 Samuel 7:9

Inona no nataon'i Yaveh rehefa nitondra zanak'ondry mbola minono, nanolotra izay ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh ary niantso mafy an'i Yaveh i Samoela?

Namaly an'i Samoela Izy.

1 Samuel 7:10

Inona no nataon'i Yaveh ka nahatonga ny Filisitina hisavorovoro nony nanakaiky mba hanafika an'Israely?

Nampikotrok'orana tamin'ny feo mafy tamin'ireo Filistina i Yaveh.

1 Samuel 7:12

Inona no napetrak'i Samoela toe anelanelan'i Mizpa sy Sena ho fahatsiarovana fa nanampy azy ireo Yaveh?

Naka vato i Samoela ary nametraka izany.

1 Samuel 7:13

Inona no nahazo ireo vohitra izay nalain'ireo Filistina tamin'Israely?

Naverina tamin'Israely ireo.

1 Samuel 7:15

Inona no nataon'i Samoela rehefa nivezivezy tany Betela, Gilgala, Mizpa ary niverina tany Rama izy?

Nandamina ireo ady ho an'Israely tany amin'ireo toerana rehetra ireo i Samoela.

1 Samuel 8

1 Samuel 8:1

Tamin'ny fomba ahoana no tsy nandehanan'ireo zanak'i Samoela roa lahy, izay mpitsara, tamin'ny lalan'ny rain'izy ireo?

Nihary harena tsy marina izy ireo, nandray tsolotra ary namadika ny rariny.

1 Samuel 8:4

Inona no fangatahana nataon'ireo loholon'Israely tamin'ny Samoela?

Nangataka tamin'i Samoela izy ireo mba hanendry mpanjaka ho azy ireo mba hitsara azy ireo tahaka ny firenena rehetra, satria antitra rahateo izy ary tsy nandeha tamin'ny lalany ireo zanany.

1 Samuel 8:6

Inona no nataon'i Samoela rehefa tsy faly tamin'ny fangatahana avy amin'ireo loholon'Israely mba hanome mpanjaka azy ireo izy?

Nivavaka tamin'i Yaveh izy.

Nahoana Yaveh no nilaza tamin'i Samoela mba hankatoa ny feon'ny vahoaka amin'ny zavatra rehetra izay lazain'izy ireo aminy?

Nasain'i Yaveh nankatoa ny feon'izy ireo i Samoela satria tsy nandà an'i Samoela izy ireo, fa nandà an'i Yaveh tsy ho mpanjaka teo amin'izy ireo.

1 Samuel 8:8

Inona no fampitandremana nasain'i Yaveh nomen'i Samoela an'ireo vahoakan'Israely?

Nasain'i Yaveh nampitandrina ny vahoakan'Israely mafy ny amin'ny fomba izay hitondrany eo amin'izy ireo i Samoela.

1 Samuel 8:10

Inona ilay fampitandremana nomen'i Samoela an'ireo vahoakan'Israely ny amin'ny fomba izay hakany ny zanak'izy ireo lahy aminy?

Nampitandrina ny olona i samoela fa haka ny zanak'izy ireo ho mpitaingin-tsoavaly sy miaramila ny mpanjaka, hampiasa tany sy hampijinja azy ireo ny vokatra, ary hampiasa ireo hafa mba hanamboatra fitaovam-piadiana sy fitaovana amin'ny ady.

1 Samuel 8:13

Inona ilay fampitandremana nomen'i Samoela an'ireo vahoakan'Israely ny amin'izay hataon'ny mpanjaka amin'ny zanak'izy ireo vavy?

Nampitandrina azy ireo i Samoela fa halain'ny mpanjaka ho mpangaroharo zava-manitra, mpahandro, ary mpanao mofo ny zanak'izy ireo vavy.

1 Samuel 8:16

Inona ilay fampitandremana nomen'i Samoela an'ireo vahoakan'Israely ny amin'izay hataon'ny mpanjaka amin'ny mpanompo, ny tovolahy, ary ny bibin'izy ireo?

Nampitandrina azy ireo i Samoela fa halain'ny mpanjaka ny manompon'izy ireo, ny tsara indrindra amin'ny tovolahiny ary ny ampondrany, ny ampahafolon'ny biby fiompiny, ary hataony andevo.

Inona ilay fampitandremana nomen'i Samoela an'ireo vahoakan'Israely fa hitranga rehefa hitaraina nohon'ny mpanjaka izay nofidian'izy ireo ho azy ihany izy ireo?

Nambaran'i Samoela fa rehefa hitaraina amin'i Yaveh izy ireo, dia tsy hamaly Yaveh.

1 Samuel 8:19

Ahoana no nasetrin'ny olona ny fampitandremana avy amin'i Samoela?

Nanizingizina ny olona fa mbola mila mpanjaka eo amin'izy ireo mba ho tahaka ireo firenena hafa ka hanana mpanjaka hitsara azy ireo sy hiady ny adin'izy ireo.

1 Samuel 8:21

Inona no navalin'i Yaveh rehefa namerina ny tenin'ny vahoaka teo an-tsofiny i Samoela?

Mbola nasain'i Yaveh nankatoa ny feon'izy ireo ihany i Samoela ary nanome mpanjaka ho azy ireo.

1 Samuel 9

1 Samuel 9:1

Toy ny ahoana ny endrika ivelan'i Saoly, zanaka lahin'i Kisy?

Tovolahy tsara tarehy izay lava noho ireo olona hafa manomboka eo an-tsorony no ho miakatra i Saoly.

1 Samuel 9:3

Inona no vokany rehefa nangataka an'i Saoly zanany i Kisy mba handeha hitady ny ampondran'izy ireo izay very?

Nitondra ny iray tamin'ireo mpanompo i Saoly ary nandalo toerana maro saingy tsy nahita ilay ampondra very.

1 Samuel 9:5

Inona hoy Saoly no tokony hataon'izy ireo rehefa tonga tany amin'ny tanin'i Zofa izy ireo?

Nambaran'i Saoly fa tokony hiverina izy ireo raha tsy izany dia hiahiahy ny amin'izy ireo mihoatra noho ny amin'ireo ampondra ny rainy.

Inona ny hevitra hafa natolotr'ilay mpanompo an'i Saoly?

Nolazain'ilay mpanompo tamin'i Paoly fa tokony hitady lehilahin'Andriamanitra iray ao amin'ny tanàna izay mety afaka hilaza amin'izy ireo izay tokony halehany amin'ny diany izy ireo.

1 Samuel 9:7

Inona no nananan'ilay mpanompo mba homena an'ilay lehilahin'Andriamanitra mba hilazany amin'izy ireo ny lalana tokony haleha?

Nanana ampahefatry ny sekely volafotsy ilay mpanompo mba homena an'ilay lehilahin'Andriamanitra.

1 Samuel 9:9

Inona no nanontanian'i Saoly sy ny mpanompony tamin'ilay vehivavy izay nivoaka hanovo rano?

Nanontanian'i Saoly sy ny mpanompony raha tao an-tanàna ilay mpahita mba hahafahan'izy ireo mitady ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra.

1 Samuel 9:12

Nahoana ilay mpahita no tonga tao an-tanàna tamin'io andro io?

Tonga tao an-tanàna ilay mpahita tamin'io andro io satria nanao sorona teo amin'ny fitoerana avo ny vahoaka ary hitso-drano ilay sorona ny mpahita.

1 Samuel 9:15

Inona no nasehon'i Yaveh tamin'i Samoela momba ny anjara asan'i Saoly ao Israely?

Nambaran'i Samoela fa ho voahosotra ho mpanjaka eo amin'Israely izy ary hanavotra ny vahoakan'i Yaveh amin'ny tanan'ny Filistina.

1 Samuel 9:17

Inona no fanasana nomen'i Samoela an'i Saoly taorian'ny nanambarany fa izy ilay mpahita notadiavin'i Saoly?

Nanasa an'i Saoly hiakatra ary hiara-hihinana aminy any amin'ny toerana avo i Samoela.

1 Samuel 9:20

Ahoana no nanairan'i Samoela an'i Saoly tamin'izay nolazainy?

Na dia avy amin'ny fianakaviambe izay kely indrindra tamin'ny fokon'i Benjamina aza i Saoly, dia teo aminy sy ny ankohonan-drainy avokoa ny fanirian'Israely rehetra.

1 Samuel 9:23

Inona no nolazain'i Samoela tamin'i Saoly momba ilay fe izay nankarina ho sorona?

Nambarany tamin'i Saoly fa efa notehirizina hatramin'ny fotoana voatondro ho azy izany.

1 Samuel 9:25

Inona no nolazain'i Samoela tamin'i Saoly taorian'ny nidinan'izy ireo avy tany amin'ny toerana avo ho any an-tanàna?

Nasain'i Samoela niainga i Saoly mba handefasany azy amin'ny lalany.

1 Samuel 9:27

Nahoana i Samoela no nilaza tamin'i Saoly fa tsy maintsy mijanona eo amin'ny manodidina ny tanàna kely?

Nasain'i Samoela nijanona i Saoly mba hahafahany manambara ny hafatr'Andriamanitra aminy.

1 Samuel 10

1 Samuel 10:1

Nahoana i Samoela no nandraraka diloilo avy tao anaty tavoara tamin'i Saoly ary nanoroka azy?

Nandraraka diloilo teo amin'ny lohan'i Saoly izy satria Yaveh efa nanosotra azy ho mpanapaka eo amin'ny lovany.

Inona no tranga ho avy izay nozarain'i Samoela tamin'i Saoly?

Nambaran'i Samoela tamin'i Saoly fa hahita lehilahy roa eo akaikin'ny fasan-dRahely izy izay hilaza aminy fa hita ireo ampondra.

1 Samuel 10:3

Inona no nolazain'i Samoela tamin'i Saoly fa hitranga rehefa ho avy eo amin'ny hazo terebintan'i Tabara izy?

Hisy lehilahy telo hifanena aminy sady mitondra zanak'osy telo, mofo telo, ary sinin-divay hoditra iray ary homen'izy ireo mofo roa, izay halainy izy.

1 Samuel 10:5

Inona no nambaran'i Samoela tamin'i Saoly fa hitranga rehefa tonga any amin'ny toby miaramilan'ny Filistina izy?

Hilatsaka aminy ny Fanahin'i Yaveh ka hiova ho olona hafa mihitsy izy ary haminany miaraka amin'ny andiana mpaminany avy ao an-tanàna.

1 Samuel 10:7

Inona ireo toro-lalana nomen'i Samoela an'i Saoly?

Nasain'i Samoela nidina nankany Gilgala i Saoly ary i Samoela kosa ho avy hanao sorona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.

1 Samuel 10:9

Inona no nitranga rehefa nitodi-doha handao an'i Samoela i Saoly?

Rehefa nitodika hiala i Saoly, dia nanome fo vaovao ho azy Andriamanitra.

1 Samuel 10:11

Nahoana ny olona no nanontany tena raha isan'ireo mpaminany i Saoly?

Nanontany tena ny olona raha isan'ny mpaminany izy satria hitan'izy ireo naminany niaraka tamin'ny iray tamin'ireo mpaminany.

1 Samuel 10:14

Inona no nolazain'i saoly tamin'ny dadatoany rehefa nanontaniana ny amin'izay nalehany izy?

Nambaran'i Saoly fa rehefa tsy nahita ireo ampondra izy sy ny mpanompony, dia nandeha nitady an'i Samoela.

Inona no tsy nambaran'i Saoly tamin'ny dadatoany momba izay nolazain'i Samoela taminy?

Tsy nolazain'i Samoela tamin'ny dadatoany ilay resaka fanjakana.

1 Samuel 10:17

Nahoana Yaveh no nilaza fa nandà Azy Israely?

Nandà Azy Israely satria nangataka ny hametrahany mpanjaka eo amin'izy ireo.

1 Samuel 10:20

Inona no nitranga rehefa voafidy ho mpanjaka manaraka i Saoly?

Nitady an'i Saoly izy ireo, saingy tsy nahita azy.

1 Samuel 10:22

Nahoana izy ireo no tsy afa-nahita an'i Saoly rehefa voafidy ho mpanjaka manaraka izy?

Niafina tao amin'ireo entana i Saoly.

1 Samuel 10:24

Ahoana no fahatsapan'i Samoela mahakasika ilay lehilahy nofidian'i Yaveh?

Nambaran'i Samoela fa tsy nisy tahaka an'i Saoly teo amin'ny olona rehetra.

1 Samuel 10:25

Ahoana no nametrahana sy nitanana ireo fomba sy fitsipiky ny fanjakana?

Nambaran'i Samoela tamin'ny vahoaka ny fomba sy ny fitsipiky ny fanjakana, nosoratany tao anaty boky, ary napetrany teo anatrehan'i Yaveh.

1 Samuel 10:26

Ahoana no nanehon'ny olona tsy misy dikany sasany ny tsy fitiavan'izy ireo an'i Saoly?

Nisy olona tsy misy dikany nanamavo an'i Saoly tamin'ny tsy fitondrana fanomezana ho azy sy tamin'ny fanontaniana ny fomba hahafahany mamonjy azy ireo.

1 Samuel 11

1 Samuel 11:1

Inona no navalin'i Nahasy Amonita ny fangatahana fifanarahana avy amin'ny olon'i Jabesy?

Nambarany fa hanao fifanarahana amin'izy ireo izy raha afaka mitondra fahafaham-baraka amin'Israely rehetra amin'ny fandoarana ny maso ankavanan'izy rehetra.

1 Samuel 11:3

Ahoana no nasetrin'ny olon'i Jabesy ny tolo-kevitr'i Nahasy?

Nangataka ny havela irery mandritra ny fito andro izy ireo mba hahitana raha misy olona ao amin'ny fari-tanin'Israely hanavotra azy ireo.

1 Samuel 11:4

Nahoana i Saoly no nanontany tena ny amin'izay nahazo ny vahoaka tao amin'ny Gibea tanànany?

Nandre azy ireo nitomany i Saoly taorian'ny nandrenesan'izy ireo momba izay mety hanjo ny tanànan'i Jabesy.

1 Samuel 11:6

Ahoana no nasetrin'i Saoly ny fandrahonana an'i Jabesy?

Tezitra mafy izy ary nanangona ny olon'Israely rehetra mba hanaraka azy ka hiady amin'ny fahavalon'i Jabesy.

1 Samuel 11:9

Inona no nolazain'ireo iraka tamin'ny olon'i Jabesy?

Nolazain'izy ireo tamin'ny olon'i Jabesy fa ho avotra izy ireo ny ampisto amin'zay mampahamay ny masoandro.

Inona no nolazain'ireo olon'i Jabesy mba hamitahana an'i Nahasy?

Nolazain'izy ireo tamin'i Nahasy fa hitolo-batana aminy izy ireo ny ampitso ary afaka manao amin'izy ireo izay tiany atao izy.

1 Samuel 11:11

Inona no vokatry ny ady teo amin'ny vahoakan'Israely sy Nahasy Amonita?

Namely ka nandresy an'ireo Amonita ny vahoakan'Israely ary niparitaka ireo tafavoaka velona.

1 Samuel 11:12

Nahoana i Saoly no nilaza fa tsy hisy ho vonoina ny iray amin'ireo mpanohitra azy?

Nambaran'i Saoly fa tsy misy olona ho vonoina satria nanavotra an'Israely i Yaveh.

1 Samuel 11:14

Nahoana i Samoela, Saoly ary ny vahoakan'Israely rehetra no nandeha tany Gilgala?

Nandeha tany Gilgala izy ireo mba hanao sorona fanati-pihavanana ary hanavao ny fanjakana amin'ny fanaovana an'i Saoly ho mpanjaka eo anatrehan'i Yaveh.

1 Samuel 12

1 Samuel 12:4

Efa mba nanao ratsy tamin'ny vahoakan'Israely ve i Samoela?

Nambaran'ny vahoakan'Israely fa tsy namitaka na nampahory azy ireo na nangalatra na inona na inona tamin'izy ireo i Samoela.

1 Samuel 12:6

Nahoana no nasain'i Samoela nanolotra ny tenany teo anatrehan'i Yaveh ny vahoakan'Israely?

Nasainy nanolotra ny tenany ireo vahoakan'Israely mba hahafahany mampatsiahy azy ireo ny amin'ny asa tsara rehetra nataon'i Yaveh tamin'ny lasa.

1 Samuel 12:8

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny razamben'ny vahoakan'Israely taorian'ny nanadinoin'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo rehefa avy nitondra azy ireo niakatra avy tany Egypta i Mosesy sy Arona?

Namidin'i Yaveh ho eo an-tanan'i Sisera, teo an-tanan'ny Filistina ary teo an-tanan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo.

1 Samuel 12:10

Inona no nataon'i Yaveh taorian'ny nitarainan'ny razan'Israely tamin'i Yaveh ka nangatahan'izy ireo Azy mba hanavotra azy ireo amin'ny tanan'ny fahavalony?

Naniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela mba hamonjy azy ireo tamin'ny fahavalony i Yaveh.

1 Samuel 12:12

Inona ny marina tian'i Samoela ho tsarovan'ireo vahoakan'Israely?

Nampatsiahivin'i Samoela tamin'ny vahoakan'Israely fa efa naniry mpanjaka hanjaka eo amin'izy ireo ny vahoaka.

1 Samuel 12:14

Inona no safidy nentin'i Samoela teo anatrehan'ny vahoakan'Israely?

Afaka mankatoa ny didin'i Yaveh izy ireo ary manara-dia an'i Yaveh, na afaka mikomy amin'ny didin'i Yaveh ary mizaka ny tanany manohitra azy ireo.

1 Samuel 12:16

Inona no fanamby napetrak'i Samoela teo anatrehan'ny vahoakan'Israely?

Nanome fanamby tamin'ny vahoakan'Israely mba hanolotra ny tenan'izy ireo eo anatrehan'i Yaveh i Samoela ary hijery ny zava-mahagaga izay hataony eo anoloan'ny mason'izy ireo.

Inona no nangatahin'i Samoela mba halefan'i Yaveh mba hahafantaran'ny vahoakan'Israely ny halehiben'ny faharatsian'izy ireo?

Nagataka an'i Yaveh mba handefa kotroka sy orana izy.

1 Samuel 12:19

Ahoana no nasetrin'i Samoela rehefa tonga saina tamin'ny fihenjan'ny toetry ny fahotan'izy ireo ny vahoakan'Israely?

Nilaza tamin'ny vahoaka mba tsy hatahotra i Samoela, fa hanompo an'i Yaveh amin'ny fony manontolo.

1 Samuel 12:22

Inona no teny fampiononana nomen'i Samoela ny vahoakan'Israely?

Nampionona ny vahoakan'Israely i Samoela tamin'ny filazana tamin'izy ireo fa tsy handà azy ireo Yaveh.

Inona no hevitra tapak'i Samoela hatao amin'Israely?

Nanapa-kevitra ny hampianatra ny vahoaka ny lalana izay tsara sy marina izy, ary tsy hitsahatra ny hivavaka ho azy ireo.

1 Samuel 12:24

Inona no fanamby nomen'i Samoela ny vahoakan'Israely?

Nasain'i Samoela nihevitra ny zavatra lehibe izay nataon'i Yaveh ho azy ireo mba hatahoran'izy ireo sy hanompoan'izy ireo Azy amin'ny fahamarinana amin'ny fony manontolo izy ireo.

1 Samuel 13

1 Samuel 13:1

Inona no nataon'i Saoly tamin'ireo miaramila izay tsy nofidiany hiaraka aminy?

Nalefan'i Saoly nody any an-dainy avy ireo miaramila sisa.

1 Samuel 13:3

Nahoana Israely no lasa fofona lo tamin'ireo Filistina?

Lasa fofona lo izy ireo satria resin'i Saoly ny miaramilan'ny Filistina.

1 Samuel 13:5

Inona no nasetrin'ireo Filistina ny faharesena teo anatrehan'Israely?

Nanangona kalesy maro sy lehilahy hiady amin'Israely izy ireo.

1 Samuel 13:6

Ahoana no nasetrin'ny vahoakan'Israely ny herin-tafiky ny Filistina?

Ory izy ireo ka niafina tany an-johy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao anaty lavaka ary ny sasany nandositra tany ampitan'i Jordana.

1 Samuel 13:8

Inona no nataon'i Saoly rehefa tsy tonga tany Gilgala tao anatin'ny fito andro i Samoela?

Natolotr'i Saoly samirery ny fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.

1 Samuel 13:11

Inona no fialana nataon'i Saoly tamin'i Samoela nohon'ny tsy niandrasany azy hanolotra ireo sorona?

Nolazainy fa nahita ny olona niala izy, koa dia voatery nanolotra ny fanatitra dorana tamin'i Yaveh samirery.

1 Samuel 13:13

Inona no nolazain'i Samoela mba hibedesana an'i Saoly?

Nambaran'i Samoela fa niadaladala i Saoly tamin'ny tsy fitandremana ny didy izay nomen'i Yaveh azy.

Inona hoy Samoela no ho voka-dratsin'ny nataon'i Saoly?

Satria tsy nankatoa ny didin'i Yaveh i Saoly, dia tsy hitohy mandrakizay ny fanapahany eo amin'Israely, fa nanondro lehilahy araka ny fony kosa Yaveh mba ho mpanjaka eo amin'ny olona.

1 Samuel 13:17

Inona no paik'ady nampiasain'ny Filistina hanoherana ny vahoakan'Israely?

Nandefa mpanafika avy any an-tobin'izy ireo ho any amin'ny faritra samihafa ao Israely ny Filistina.

1 Samuel 13:19

Inona no sakana natrehan'ny miaramilan'Israely tamin'ny adin'izy ireo nanohitra ny Filistina?

Tsy navelan'ny Filistina hanana mpanefy izay afaka hanamboatra sabatra na lefona ireo Israelita.

1 Samuel 13:22

Inona no nisakana ny miaramilan'Israely tamin'ny adin'izy ireo nanohitra ny Filistina?

Tsy nanana sabatra na lefona teny an-tanany ny miaramilan'Israely.

1 Samuel 14

1 Samuel 14:1

Inona no tsaiambaratelo nafenin'i Jonatana, zanak'i Saoly tamin-drainy?

Hiampita eny amin'ireo toby miaramilan'ny Filistina eny ampita i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany.

1 Samuel 14:2

Inona no zavatra tsy fantar'ireo eninjato lahy izay niaraka tamin'i Saoly?

Tsy hain'izy ireo fa nandeha niampita teny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina i Jonatana.

1 Samuel 14:6

Inona no tolo-kevitra naroson'i Jonatana tamin'ny zatovo mpitondra ny fiadiany?

Nolazain'i Jonatana taminy fa hiasa ho azy ireo Yaveh mba hamonjy ny olona raha hiampita eny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina izy ireo.

Inona no navalin'ilay mpitondra fiadiana an'ilay tolo-kevitra?

Vonona ny hankatoa ny baikony ny mpitondra fiadian'i Jonatana, koa dia nankahery azy hanao izay rehetra tao am-pony izy.

1 Samuel 14:8

Inona no ho famantarana ho an'i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany fa efa nanolotra ny Filistina teo an-tanan'izy ireo Yaveh?

Raha miteny ny Filistina fa tokony hiampita eny aminy izy ireo, dia izany no ho famanatarana fa efa nanolotra azy ireo ho eo an-tanany Yaveh.

1 Samuel 14:11

Inona nolazain'i Jonatana tamin'ny mpitondra fiadiany taorian'ny nitenenan'ireo miaramilan'ny Filistina hoe: "Miakàra aty aminay, dia hampisehoanay zavatra ianareo"?

Nasainy nanaraka azy ny mpitondra fiadiany satria efa nanolotra azy ireo teo an-tanan'Israely i Yaveh.

1 Samuel 14:13

Inona no vokatry ny fanafihana izay nataon'i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany tao amin'ny toby miaramilan'ny Filistina?

Nahafaty olona roapolo teo ho eo i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany.

1 Samuel 14:16

Inona no nataon'i Saoly rehefa hitan'ny mpiambina azy tao Gibean'i Benjamina ireo miaramilan'ny Filistina maro be niparitaka naketsy sy nankeroa?

Nasain'i Saoly nanisa izay tsy teo amin'izy ireo ny vahoaka, ary hitan'izy ireo fa i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany no tsy tao.

1 Samuel 14:18

Nahoana i Ahia mpisorona no nasain'i Saoly nitondra ilay efodan'Andriamanitra teo aminy?

Nandidy an'i Ahia mpisorona i Saoly mba hitondra ny efodan'Andriamanitra mba hahafahan'izy ireo mamaritra ny sitrapon'Andriamanitra.

1 Samuel 14:20

Iza no nanatevin-daharana an'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana?

Ireo Hebreo izay niaraka tamin'ny Filistina teo aloha, ary niaraka tamin'izy ireo tao an-tobin'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana.

1 Samuel 14:22

Iza no nanavotra an'Israely tamin'io andro io?

Yaveh no nanavotra an'Israely tamin'io andro io.

1 Samuel 14:24

Inona no nahatonga ireo vahoakan'Israely izay noana ho ory?

Nametraka ny vahoaka tao ambany fianianana i Saoly fa ny olona rehetra izay mihinana sakafo mandra-pahariva dia voaozona.

1 Samuel 14:27

Inona no nataon'i Jonatana ka nandika ilay fianianana tamin'ny tsy fahalalana?

Nihinana tamin'ilay tantely tao an'ala i Jonatana.

1 Samuel 14:29

Ahoana no fitsikeran'i Jonatana ny fianianana nataon-drainy?

Nambaran'i Jonatana fa raha afaka nihinana malalaka tamin'ny tantely sy tamin'izay voaroba tamin'ny fahavalony ny olona, dia ho nisy famonoana lehibe kokoa teo amin'ireo Filistina.

1 Samuel 14:33

Ahoana no nanotan'ny vahoakan'Israely tamin'i Yaveh taorian'ny ady tamin'ny Filistina?

Nihinana ny ràn'ny biby izay novonoin'izy ireo tamin'ireo voaroba ny vahoakan'Israely.

1 Samuel 14:36

Inona no nahatonga an'i Saoly tsy hanenjika an'ireo Filistina na dia naniry fatratra ny hanao izany aza izy?

Tsy nahazo valin-teny avy amin'Andriamanitra izy tamin'io andro io.

1 Samuel 14:38

Ahoana hoy i Saoly no hataony amin'izany fahotana izany ao Israely?

Nambarany fa ilay lehilahy izay nanao izany ota izany dia ho faty tokoa, na dia i Jonatana zanany aza.

1 Samuel 14:40

Ahoana no namaritana fa i Jonatana ilay olona izay nanota?

tamin'ny filokana no namaritana azy.

1 Samuel 14:45

Ahona no nahavotra an'i Jonatana tamin'ny fahafatezana?

Tsy namela an'i Jonatana ho faty ny vahoakan'Israely satria nahatanteraka fandresena lehibe izy.

1 Samuel 14:47

Ahoana no nitarihan'i Saoly ny vahoakan'Israely amin'ny maha-mpanjakan'izy ireo azy?

Nampiasa herim-po lehibe i Saoly ary nanavotra an'Israely tamin'ny tanan'ireo izay nandroba azy ireo.

1 Samuel 15

1 Samuel 15:1

Nahoana i Saoly no tian'i Yaveh hanafika ka handringana tanteraka an'i Amaleka?

Nanohitra an'Israely teny an-dalana i Amaleka rehefa niakatra avy any Egypta izy ireo.

1 Samuel 15:6

Nahoana i Saoly no niteny tamin'ireo Kenita mba hiala tamin'ireo Amalekita?

Naneho hatsaram-panahy tamin'ny vahoakan'Israely ireo Kenita rehefa niakatra avy tany Egypta izy ireo.

1 Samuel 15:8

Ahoana no tsy nankatoavan'i Saoly ny toro-lalan'i Yaveh izay nomeny azy?

Niaro ny ain'i Agaga mpanjaka sy ireo bibin'ireo Amalekita tsara indrindra i Saoly.

1 Samuel 15:10

Nahoana i Yaveh no nanenina nony nanao an'i Saoly ho mpanjaka?

Niala tamin'ny fanarahana ny didin'i Yaveh i Saoly.

1 Samuel 15:12

Inona no lainga nolazain'i Saoly tamin'i Samoela?

Nolazainy fa nahatanteraka ny didin'i Yaveh izy.

1 Samuel 15:14

Ahoana no navalin'i Samoela ny lainga izay nolazain'i Saoly azy?

Nanontany momba ny fitrenan'ny ondry sy omby izay reny izy.

Inona no fialana nomen'i Saoly an'i Samoela mba hanazavana ny tsy fankatoavany?

Nolazainy fa ny olona no niaro ny ondry sy omby tsara indrindra mba hanaovan'izy ireo sorona azy ho an'i Yaveh.

1 Samuel 15:17

Inona no nolazain'i Samoela mba hibedesana an'i Saoly?

Nambarany tamin'i Saoly fa nanosotra azy ho mpanjaka eo amin'Israely i Yaveh mba hamotika tanteraka an'ireo Amalekita, saingy nogiazany indray ireo babo ary nanao ratsy teo imason'i Yaveh izy.

1 Samuel 15:20

Inona no fialana mitovy nomen'i Saoly an'i Samoela?

Nanizingizina i Saoly fa ny vahoaka no naka ireo babo tsara indrindra mba hatao sorona ho an'i Yaveh.

1 Samuel 15:22

Inona navalin'i Samolea an'i Saoly?

Ny fankatoavana an'i Yaveh no tsara noho ny sorona ary ny fikomiana sy ny fahamafisan-doha dia fahotana amin'i Yaveh.

1 Samuel 15:24

Inona no natony nolazain'i Saoly tamin'i Samoela fa nanotany?

Nambaran'i Saoly fa nandika ny didin'i Yaveh izy satria natahotra ny vahoaka.

1 Samuel 15:26

Inona no fanambarana izay nomen'i Samoela an'i Saoly avy tamin'i Yaveh?

Nandà an'i Saoly tsy ho mpanjakan'Israely i Yaveh.

1 Samuel 15:28

Iza no andeha homen'i Yaveh ny fanjakan'Israely?

Nambaran'i Samoela tamin'i Saoly fa homen'i Yaveh ho an'ny iray amin'ny naman'i Saoly ny fanjakan'Israely, izay tsara noho i Saoly.

1 Samuel 15:32

Inona no nataon'i Samoela mba hamitana ny asa izay tsy vitan'i Saoly?

Nampiasa ny sabany i Samoela mba hamonoana an'i Agaga teo anatrehan'i Yaveh.

1 Samuel 16

1 Samuel 16:1

Tamin'ny inona no nilazan'i Yaveh tamin'i Samoela fa nandavany an'i Saoly?

Nolavin'i Yaveh tsy mpanjakan'Israely i Saoly.

1 Samuel 16:2

Inona no natahoran'i Samoela raha nandre momba ny fandehanany tany Betlehema i Saoly?

Natahotra ny ho vonoin'i Saoly izy.

Ahoana hoy Yaveh no hahafantaran'i Samoela izay hosorana?

Nambarany tamin'i Samoela fa izay nolazain'i Yaveh no hosorany.

1 Samuel 16:4

Ahoana no fihetsik'ireo loholona tao Betlehema rehefa tonga tao an-tanàna i Samoela?

Nihorohoro izay ireo rehefa tonga hihaona taminy.

1 Samuel 16:6

Inona no nolazain'i Samoela tamin'ny teneny ihany rehefa nijery an'i Eliaba izy?

Nilaza tamin'ny tenany ihany izy fa nijoro teo anoloany tokoa ilay voahosotr'i Yaveh.

Ahoana no nanazavan'i Yaveh tamin'i Samoela fa tsy mijery araka ny fijerin'ny olona Izy?

Nambaran'i Yaveh fa mijery ny endrika ivelany ny olona, fa Yaveh kosa mijery ny fo.

1 Samuel 16:8

Inona no nolazain'i Samoela tamin'i Jese taorian'ny nampandalovany ireo zanaka fito lahy teo anoloany?

Nambaran'i Samoela fa tsy nifidy na iza na iza tamin'ireo Yaveh.

1 Samuel 16:11

Taiza ilay faralahy talohan'ny nampanantsoan'i Samoela azy?

Niandry ondry ilay faralahy.

1 Samuel 16:13

Oviana no nirotsaka teo amin'i Davida ny Fanahin'i Yaveh?

Nirotsaka teo amin'i Davida nanomboka tamin'io andro io ny Fanahin'i Yaveh.

1 Samuel 16:14

Inona ny fanahy nampahory an'i Saoly?

Nisy fanahy ratsy nampahory an'i Saoly.

Inona hoy ilay mpanompon'i Saoly no afaka nataon'ilay mpitendry mahay rehefa nampahory an'i Saoly ilay fanahy ratsy?

Hitendry ilay mpitendry lokanga ary tsara i Saoly.

1 Samuel 16:17

Ahoana no nilazan'i Saoly hoe iza tamin'ireo zanak'i Jese no tiany halefa eo aminy?

Nandefa iraka tany amin'i Jese i Saoly, nilaza ny mba handefasana an'i Davida zanany, izay niaraka tamin'ireo ondry.

1 Samuel 16:20

Inona no nanendren'i Saoly an'i Davida satria tiany be izy?

Nataon'i Saoly mpitondra ny fiadiany i Davida.

1 Samuel 16:22

Inona niala tamin'i Saoly ka velombelona sy netinety izy, rehefa nitendry lokanga i Davida?

Niala tamin'i Saoly ilay fanahy ratsy.

1 Samuel 17

1 Samuel 17:2

Nahoana i Saoly sy ireo lehilahin'Israely no nitoby teo amin'ny lohasahan'i Elaha?

Nitoby teo amin'ny lohasahan'i elaha izy ireo mba handamina ny filaharan'ady hifanehitra amin'ireo Filistina.

1 Samuel 17:4

Inona no teo amin'ny lohan'i Goliata?

Nisy satroka fiarovan-doha varahina teo amin'ny lohany.

1 Samuel 17:6

Inona no teo anelanelan'ny sorok'i Goliata?

Nisy lefona varahina teo anelanelan'ny sorony.

1 Samuel 17:8

Iza hoy i Goliata no notompoin'i filaharan'adin'Israely?

Nambaran'i Goliata fa mpanompon'i Saoly izy ireo.

Inona hoy Goliata no hitranga amin'ny filaharan'adin'Israely raha mamono azy ny olon'izy ireo?

Nambarany fa ho mpanompon'izy ireo ny Filistina.

1 Samuel 17:10

Rehefa ren'i Saoly sy ny Israely rehetra izay nolazain'ilay Filistina, dia ahoana no fahatsapan'izy ireo?

Kivy izy ireo ary natahotra be.

1 Samuel 17:12

Iza tamin'ireo zanak'i Jese no nanaraka an'i Saoly tany amin'ny ady?

Ireo zanak'i Jese telo lahy zokiny indrindra no nanaraka an'i Saoly tany an'ady.

1 Samuel 17:14

Hafiriana sy impiry ilay lehilahy Filistina matanjaka no nanakaiky mba hanolotra ny tenany ho amin'ny ady?

Nandritra ny efapolo andro izy no nanakaiky marain-tsy hariva mba hanolotra ny teneny ho amin'ny ady.

1 Samuel 17:19

Inona no nataon'ny tafika rehefa tonga tao an-toby i Davida?

Nandeha nivoaka nankany amin'ny sahan'ady izy ireo nanao ny hiakan'ady.

1 Samuel 17:22

Rehefa niresaka tamin'ireo rahalahiny i Davida, izy no nivoaka avy tamin'ny filaharan'adin'ny Filistina?

Goliata, ilay lehilahy matanjaka, no nivoaka avy tao amin'ny filaharan'adin'ny Filistina.

1 Samuel 17:25

Inona no hataon'ny mpanjaka amin'ny ankohonan-drain'ilay lehilahy izay namono an'i Goliata?

Homen'ny mpanjaka harena be ilay lehilahy ary hafahany amin'ny fandoavan-ketra ao Israely ny ankohonan-drainy.

1 Samuel 17:26

Inona hoy Davida no halain'ilay lehilahy namono an'ilay Filistina amin'Israely?

Hanala ny fahafaham-baraka amin'Israely ilay lehilahy namono an'ilay Filistina.

1 Samuel 17:28

Inona hoy Eliaba ny sompatra tao am-pon'i Davida?

Nolazainy fa fantany ny avonavon'i Davida, ary ny nidinany mba hahitany ny ady.

1 Samuel 17:31

Inona no nolazain'i Davida tamin'i Saoly fa hataony mba tsy hisy fon'olona ho ketraka nohon'ny amin'ilay Filistina?

Nolazain'i Davida tamin'i Saoly fa handeha hiady amin'ilay Filistina izy.

1 Samuel 17:34

Inona no nataon'i Davida tamin'ny liona na bera izay nitsangana hamely azy?

Nosamboriny tamin'ny volom-bavany izy, noveleziny, ary novonoiny.

1 Samuel 17:36

Nahoana hoy Davida io Filistina tsy mifora io no ho tahaka ilay liona na bera izay novonoiny teo aloha?

Satria nihantsy ny tafiky ny Andriamanitra velona ilay Filistina.

1 Samuel 17:39

Nahoana i Davida no tsy afaka namindra tamin'ilay akanjo fiarovana nomen'ny mpanjaka?

Tsy nofanina tamin'izany izy.

1 Samuel 17:41

Nahoana ilay Filistina no nanamavo an'i Davida rehefa nahita azy?

Zaza ihany i Davida, ary mena volo, sady tsara tarehy.

1 Samuel 17:44

Rehefa tonga tamin'ny sabatra sy lefona ilay Filistina, tamin'ny inona kosa hoy Davida no nahatongavany?

Nambaran'i Davida fa tonga tamin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny tafik'Israely, izay nihantsian'ilay Filistina izy.

1 Samuel 17:46

Inona hoy Davida no ho fantatry ny tany satria homena ny vorona sy ny bibidia ny fatin'ireo Filistina?

Ho fantatry ny tany rehetra fa misy Andriamanitra ao Israely.

1 Samuel 17:48

Inona no nataon'i Davida rehefa nanakaiky hifanehitra taminy i Goliata?

Nihazakazaka malaky nanatona ilay fahavalo i Davida mba hifanehitra taminy.

1 Samuel 17:50

Inona no nataon'ireo Filistina rehefa nahita ny lehilahy maherin'izy ireo maty?

Nandositra ireo Filistina.

1 Samuel 17:52

Inona no nataon'ireo vahoakan'Israely teny am-piverenana avy nanenjika ireo Filistina?

Norobain'ny vahoakan'Israely ny tobin'ny Filistina.

1 Samuel 17:57

Inona no teo an-tanan'i Davida rehefa nitondra azy teo amin'i Saoly i Abnera?

Teny an-tanan'i Davida ny lohan'ilay Filistina.

1 Samuel 18

1 Samuel 18:1

Tahaka ny ahoana ny hamafin'ny fifatoran'ny fanahin'i Jonatana tamin'ny fanahin'i Davida?

Tian'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany i Davida.

1 Samuel 18:3

Inona no nalan'i Jonatana ka nomeny an'i Davida niaraka tamin'ny fiarovany?

Nalan'i Jonatana ny akanjo lavany izay nanaovany ary nomeny an'i Davida.

1 Samuel 18:5

Teo amin'iza no nametrahan'i Saoly an'i Davida?

Nametraka azy teo amin'ireo lehilahin'ady i Saoly.

1 Samuel 18:8

Inona no nomen'ilay hiran'ireo mpihira an'i Davida, izay tsy nahafaly an'i Saoly?

Efa nanome an'alina ho an'i Davida izy ireo, nefa an'arivony ihany no nomen'izy ireo ho an'i Saoly.

1 Samuel 18:10

Inona no noetritreretin'i Saoly teo am-panipazana ilay lefona tamin'i Davida?

Nihevitra ny hanindrona an'i Davida eo amin'ny rindrina i Saoly.

1 Samuel 18:13

Nahoana i Davida no nambinina tamin'ny lalany rehetra?

Nahomby tamin'ny lalany rehetra i Davida satria nomba azy Yaveh.

1 Samuel 18:17

Nahoana i Saoly no nihevitra fa tsy nila nanohitra an'i Davida ny tanany?

Nihevitra i Saoly fa nanohitra an'i Davida ny tanan'ireo Filistina.

1 Samuel 18:20

Noheverin'i Saoly ho inona ho an'i Davida i Mikala zanany vavy raha nomen'i Saoly ho azy?

Nihevitra i Saoly fa ho fandrika ho an'i Davida izy.

1 Samuel 18:22

Taiza no nandidian'i Saoly ireo mpanompony mba hiresaka amin'i Davida momba ny hahatongavana ho vinanto lahin'ny mpanjaka?

Nandidy ireo mpanompony mba hiresaka amin'i Davida any amin'ny mangingina izy.

1 Samuel 18:23

Nahoana i Davida no nihevitra fa tsy mendrika ny ho vinanto lahin'ny mpanjaka?

Olo-mahantra izy, ary atao tsinontsinona.

1 Samuel 18:25

Inona no hany vodiondry nirian'i Saoly avy tamin'i Davida?

Lohan-tsitsin'ny Filistina zato ihany no vodiondry nirian'ny mpanjaka.

1 Samuel 18:27

Inona no nataon'i Davida sy ny olony ka nihoatra ny vodiondry nangatahin'ny mpanjaka?

Namono Filistina roanjato i Davida ary nitondra ny lohan-tsitsin'izy ireo.

1 Samuel 18:30

Toy ny ahoana ny halehiben'ny fahombiazan'i Davida, hany ka namboniana ny anarany?

Nahomby mihoatra ireo mpanompon'i Saoly rehetra i Davida.

1 Samuel 19

1 Samuel 19:1

Nahoana i Jonatana no nilaza tamin'i Davida mba hiambina ary hiafina?

Nitady hamono an'i Davida i Saoly.

1 Samuel 19:4

Inona no nolazain'i Jonatana tamin'i Saoly fa nentin'ny asan'i Davida taminy?

Nambaran'i Jonatana fa nitondra soa ho an'i Saoly ny asan'i Davida.

1 Samuel 19:6

Inona no nianianan'i Saoly taorian'ny nihainoany an'i Jonatana?

Nianiana i Saoly fa tsy hamono an'i Davida.

1 Samuel 19:8

Inona no nitranga rehefa nivoaka ary niady tamin'ny Filistina indray Davida?

Resin'i Davida tamin'ny famonoana lehibe ireo Filistina.

1 Samuel 19:10

Nahoana i Saoly no nandefa iraka tany amin'ny ankohonan-drain'i Davida mba hijery azy?

Te hamono azy io maraina io i Saoly.

1 Samuel 19:12

Ahoana no nanampian'i Mikala an'i Davida mba handositra sy ho tafatsoaka?

Nampidinin'i Mikala avy teo am-baravarankely i Davida.

1 Samuel 19:14

Inona no nokasain'i Saoly hatao rehefa nanome baiko ny hitondrana an'i Davida eo am-pandriana eo aminy izy?

Nikasa ny hamono azy i Saoly.

1 Samuel 19:16

Inona no nampiasain'i Mikala teo amin'ny lohan'ilay sampy tao an-tranony izay teo am-pandriana mba hanana endrika tahaka an'i Davida?

Nasiany ondana volon'osy teo amin'ny lohan'ilay sampy.

1 Samuel 19:18

Rehefa nandositra sy tafatsoaka i Davida, tany amin'iza no nalehany ho jerena tany Rama?

Nankany amin'i Samoela izy.

Inona no nahazo an'ireo irak'i Saoly izay nahatonga azy ireo haminany?

Nidina teo amin'izy ireo ny Fanahin'Andriamanitra.

1 Samuel 19:21

Rehefa avy nandefa iraka fanintelony dia inona no nataon'i Saoly?

Nandeha nankany Rama ihany koa i Saoly.

1 Samuel 19:23

Hafiriana no nandrian'i Saoly niboridana teo anatrehan'i Samoela?

Nandry niboridana maraina sy alina tontolo izy.

1 Samuel 20

1 Samuel 20:1

Inona hoy Jonatana no nataon'ny rainy izay tsy nolazainy taminy?

Nambarany fa tsy nanao zavatra na kely na lehibe ka tsy nolazainy taminy ny rainy.

1 Samuel 20:3

Toy ny ahoana hoy Davida no fanakaikezany ny fahafatesana?

Nambarany fa elanelana kely fotsiny no teo aminy sy ny fahafatesana.

1 Samuel 20:4

Inona no nangatahin'i Davida mba hatao hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo?

Nangataka ny hiafina tao amin'ny saha hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo i Davida.

1 Samuel 20:6

Inona no antony nambaran'i Davida tamin'i Jonatana mba homena an'i Saoly raha manina azy i Saoly?

Nasainy nolazaina i Saoly fa nandeha nankany Betlehema any an-tanànany izy, satria ankatoky ny sorona isan-taona ho an'ny fianakaviana manontolo tany.

1 Samuel 20:8

Nahoana i Davida no nangataka tamin'i Jonatana mba haneho hatsaram-panahy taminy tahaka mpanompony?

Efa nitondra an'i Davida, mpanompony ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminy i Jonatana.

1 Samuel 20:10

Taiza hoy Jonatana no tokony haleha hanohizana ny resak'izy ireo?

Nasainy nandeha niaraka nivoaka taminy tany an-tsaha i Davida.

1 Samuel 20:12

Nahoana i Jonatana no te hampahafantatra ny valin-tenin-drainy tamin'i Davida ary handefa azy lavitra?

Nampanantena ny hampahafantatra izany tamin'i Davida i Jonatana mba hahafahan'i Davida mandeha am-piadanana.

1 Samuel 20:17

Nahoana i Jonatana no nampivoady an'i Davida taminy indray?

Nampanaoviny voady indray i Davida nohon'ny fitiavany azy.

1 Samuel 20:20

Iza hoy Jonatana no halefany hitady ireo zana-tsipìka izay natifiny?

Nambarany fa handefa tovolahy hitady ireo zana-tsipìka izy.

1 Samuel 20:24

Rehefa tonga ny volana vaovao, dia nipetraka hanao inona ny mpanjaka?

Nipetraka hihinan-kanina ny mpanjaka.

1 Samuel 20:26

Inona no noheverin'i Saoly fa mety nahazo an'i davida ka nahatonga azy tsy ho teo amin'ny fisakafoana?

Nihevitra i Saoly fa tsy madio i Davida.

1 Samuel 20:28

Nahoana i Jonatana no nilaza fa tsy maintsy nanatrika ny soron'ny fianakaviany i Davida?

Nolazainy fa nandidy azy ho any ny rahalahin'i Davida.

1 Samuel 20:30

Ahoana no amaritan'i Saoly an'i Jonatana tamin'ny firehetan'ny fahatezerany?

Nantsoiny hoe zanaka vehivavy ratsy fanahy sy mpikomy izy.

1 Samuel 20:32

Nahoana i Jonatana no nalahelo mafy an'i Davida?

Nalahelo mafy an'i Davida izy satria nanala baraka azy ny rainy.

1 Samuel 20:35

Taiza no nitifiran'i Jonatana ilay zana-tsipìka rehefa nihazakazaka ilay tovolahy?

Notifirin'i Jonatana tao aorian'ilay tovolahy ilay zana-tsipìka.

1 Samuel 20:41

Inona no nataon'i Jonatana rehefa nitsangana i davida ka niala?

Niverina tany an-tanàna i Jonatana.

1 Samuel 21

1 Samuel 21:1

Momba ny inona hoy davida no tsy navelan'ny mpanjaka ampahafantarina an'iza na iza?

Nambarany fa niteny taminy ny mpanjaka mba tsy hampahafantatra an'iza na iza momba ny raharaha izay nanirahany azy, sy izay nandidiany azy.

1 Samuel 21:3

Inona no navalin'ny mpisorona an'i Davida momba ny mofo teny an-tanana?

Nambaran'ilay mpisorona fa tsy nisy mofo tsotra teny an-tanany fa mofo masina ihany.

1 Samuel 21:5

Nesorina avy taiza ilay mofon'ny fanatrehana?

Nesorina avy teo anatrehan'i Yaveh ilay mofon'ny fanatrehana.

1 Samuel 21:7

Inona ny asa nataon'i Doega Edomita ho an'i Saoly?

Doega Edomita no lehiben'ireo mpiandry ombin'i Saoly.

1 Samuel 21:8

Nahoana i Davida no nilaza fa nisy fiadiana tany aminy?

Nilaza izy fa nitondra fiadiana niaraka taminy satria maika ny raharahan'ny mpanjaka.

1 Samuel 21:10

Nandositra an'iza i Davida rehefa nankany Akisa?

Nandositra an'i Saoly izy tamin'izany andro izany.

1 Samuel 21:12

Mody nanao ho inona i Davida rehefa nanova fihetsika teo anatrehan'i Akisa?

Mody very saina teo an-tanan'izy ireo izy.

1 Samuel 21:14

Inona no nanontanian'i Akisa tamin'ny mpanompony rehefa hitany fa adala i Davida?

Nanontany ny antony nitondran'izy ireo io adala io izy.

1 Samuel 22

1 Samuel 22:1

Iza ankoatra ny ankohonan-drain'i Davida no niangona teo aminy tao an-johin'i Adolama?

Ny olona rehetra izay tao anaty fahoriana, ny olona rehetra izay tao anaty trosa, ary ny olona rehetra izay tsy faly no niangona teo aminy.

1 Samuel 22:3

Hafiriana no nitoeran'ny ray sy renin'i Davida niaraka tamin'ny mpanjakan'ny Moaba?

Nitoetra niaraka tamin'ny mpanjaka nandritra ny fotoana nijanonan'i Davida tao amin'ny fiarovana mafy izy ireo.

1 Samuel 22:6

Iza no tratra niaraka tamin'i Davida?

Tratra ihany koa ireo lehilahy niaraka tamin'i Davida.

1 Samuel 22:7

Nampangain'i Saoly ho tsy nampiseho inona taminy ireo mpanompony?

Nambaran'i Saoly fa tsy nisy tamin'ireo mpanompony no nampiseho azy fa namporisika an'i Davida mpanompony hanohitra azy ny zanany.

1 Samuel 22:9

Inona ny zavatra anankiroa nolazain'i Doega Edomita tamin'i Saoly izay nomen'i Ahimeleka an'i Davida?

Nomen'i Ahimeleka vatsy sy sabatr'i Goliata Filistina i Davida.

1 Samuel 22:11

Inona hoy Saoly no nataon'i Ahimeleka ho an'ny zanak'i Jese ankoatra ny nanomezany mofy sy sabatra azy?

Nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy i Ahimeleka hoy i Saoly.

1 Samuel 22:16

Tsy vonona ny haninjitra ny tanany hanao inona ireo mpanompon'i Saoly mpanjaka?

Tsy te hamono ny mpisoron'i Yaveh izy ireo.

1 Samuel 22:18

Iza no novonoin'i Doega tamin'ny lelan-tsabatra tao Noba, ilay tanànan'ireo mpisorona?

Samy novonoiny ny lahy sy ny vavy, ny ankizy sy ny zaza, ny omby sy ny boriky sy ny ondry.

1 Samuel 22:20

Taiza no nalehan'i Abiatara rehefa nitsoaka ny famonoana izy?

Nitsoaka nanaraka an'i Davida izy.

1 Samuel 22:22

Inona hoy Davida no naha tompon'antoka azy?

Tompon'antoka amin'ny fahafatesana tao amin'ny fianakavian-drainy rehetra izy hoy Davida.

1 Samuel 23

1 Samuel 23:1

Nitady vonjy tamin'iza i Davida rehefa niady tamin'i Keila ireo Filistina ary nandroba ny famoloana?

Nivavaha nitady vonjy tamin'i Yaveh i Davida.

1 Samuel 23:3

Nahoana i davida no nivavaka tamin'i Yaveh momba ireo Filistina indray?

Nilaza taminy ny olon'i Davida fa natahotra izy ireo tao Joda ary natahotra ny fanafihan'ny Filistina ihany koa.

1 Samuel 23:5

Inona no vakany rehefa niady tamin'ny Filistina i Davida sy ireo lehilahiny araka izay nasain'i Yaveh nataony?

Nanome fandresena azy nanoloana ireo Filistina Izy, hany ka nanavotra ny mponin'i Keita i Davida.

1 Samuel 23:7

Nahoana i Saoly no nihevitra fa afaka namely an'i Davida sy ny olony?

Nihidy tao amina tanàna izay nisy vavahady sy barany i Davida sy ny olony.

Taorian'ny nahafantaran'i Davida fa nitetika hanisy ratsy azy i Saoly, dia inona no nolazain'i Davida tamin'i Abiatara mpisorona?

Hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ento aty ny efoda."

1 Samuel 23:10

Inona no nangatahan'i Davida tamin'i Yaveh mahakasika an'i Saoly sy ireo lehilahin'i Keila?

Tian'i Davida ho fantatra raha hidina ho any Keila i Saoly ary raha hanolotra azy ho eo an-tanan'i Saoly ireo olon'i Keila.

1 Samuel 23:12

Inona no valintenin'i Yaveh tamin'i Davida mahakasika ireo olon'i Keila?

Nambaran'i Yaveh tamin'i Davida fa ireo lehilahin'i Keila dia hanolotra an'i Davida ho eo an-tanan'i Saoly.

1 Samuel 23:13

Nahoana i Saoly no nampitsahatra ny fanenjehany an'i Davida tany Keila ary nitady azy tany an-kafa?

Nambara tamin'i Saoly fa nitsoaka avy tany Keila i Davida.

1 Samuel 23:15

Ahoana no nanampian'i Jonatana, zanak'i Saoly an'i Davida tany an'efitra?

Nankany amin'i Davida izy ary nampatanjaka ny sandriny tao amin'Andriamanitra.

1 Samuel 23:17

Mialohan'ny nodian'i Jonatana, inona no nataony sy Davida tao Horesa?

Nanao fanekena teo anatrehan'i Davida izy ireo.

1 Samuel 23:24

Nahoana i Davida no tsy nilamina tany Horesa ary inona no nataony?

Andeha hivadihan'ny olona izy ary hatolotra eo amin'i Saoly, koa dia nankany an'efitra izy sy ny olony.

1 Samuel 23:26

Inona no nitranga rehefa nanodidina an'i davida sy ny olony i Saoly sy ny olony?

Nisy iraka nankany amin'i Saoly ary nilaza taminy fa nanafika ny tany ny Filistina.

1 Samuel 23:28

Inona no nasetrin'i Saoly an'io vaovao io?

Niverina niady tamin'ny Filistina i Saoly.

1 Samuel 24

1 Samuel 24:1

Inona no nataon'i Saoly rehefa reny fa tany am'ny efitr'i En-jedy i Davida?

Naka lehilahy telo arivo voafantina izy ary nandeha nitady an'i Davida sy ireo lehilahy.

1 Samuel 24:3

Inona no nataon'i Davida tamin'i Saoly tao an-johy raha tokony hamono azy?

Nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly tsy nisy nahatsikaritra i Davida.

1 Samuel 24:5

Nahoana i Davida no tsy namela ireo olony hamely an'i Saoly, fa namela azy handao ny zohy am-pilaminana?

Nampahory azy ny fon'i Davida ary nahatsapa izy fa tsy ho tian'i Yaveh ny hanisiany ratsy ilay voahosotr'i Yaveh.

1 Samuel 24:8

Rehefa nandao ny zohy taorian'i Saoly i Davida, dia ahoana no nanehoany fanajana an'i Saoly?

Natsoin'ny Davida hoe tompony i Saoly, ary avy eo dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy.

1 Samuel 24:10

Ahoana no nampisehoan'i Davida an'i Saoly fa tsy te hanisy ratsy azy izy?

Nasehon'i Davida taminy ny moron-tongotr'akanjo lavany izay mampiseho ny fahakaikezany nanapaka izany.

1 Samuel 24:16

Inona no navalin'i Saoly tamin'i Davida?

Nantsoiny hoe zanany Davida, dia nanandratra ny feony i Saoly ka nitomany.

1 Samuel 24:17

Nahoana i Saoly no nilaza tamin'i Davida fa marina mihoatra noho ny tenany izy?

Namaly soa azy i Davida na dia nanao ratsy taminy azy i Saoly.

1 Samuel 24:19

Inona no hain'i Saoly momba an'i Davida tamin'io fotoana io?

Fantatr'i Saoly fa ho mpanjaka i Davida ary hapetraka amin'i Davida ny fanjakan'Israely.

1 Samuel 24:21

Mialohan'ny nodian'i Saoly, inona ny fianianana nataon'i Davida taminy araka ny fangatahan'i Saoly?

Nampanantena i Davida fa tsy hamongotra ny taranak'i Saoly, ary tsy hamotika ny anaran'i Saoly hiala amin'ny ankohonan-drainy.

1 Samuel 25

1 Samuel 25:2

Karazan-dehilahy toy ny inona i Nabala tamin'ny fitondrany?

Masiaka sady ratsy fanahy izy.

Toy ny ahoana i Abigaila vadin'i Nabala?

Maranin-tsaina sady tsara endrika izy.

1 Samuel 25:4

Iza no nalefan'i Davida hiarahaba an'i Nabala raha mbola nanety ny ondriny izy?

Nandefa tovolahy folo hiarahaba an'i Nabala i Davida.

1 Samuel 25:7

Nahoana i Davida no nihevitra fa hanampy azy sy ireo tovolahiny folo i Nabala?

Niaro ny mpiandry ondrin'i Nabala ny antokon'i Davida fony niaraka tamin'ny antokon'i Davida izy ireo.

Inona no nangatahin'ireo tovolahin'i Davida tamin'i Nabala mba homena azy ireo?

Nangataka tamin'i Nabala mba hanome azy ireo sy Davida izay rehetra nananany teny an-tanana ho amin'ny andro fety izy ireo.

1 Samuel 25:9

Inona no navalin'i Nabala an'ireo tovolahin'i Davida?

Nolazain'i Nabala fa tsy nahalala an'i Davida izy ary nilainy ho an'ny mpanetiny izay rehetra nananany.

1 Samuel 25:12

Inona no nasain'i Davida nataon'ireo olony nony reny ny momba izay navalin'i Nabala?

Nibaiko ny olony mba hametaka ny sabany i Davida.

1 Samuel 25:14

Rehefa niresaka tamin'i Abigaila indray ilay tovolahy, toy ny ahoana hoy izy no nitondran'i Davida sy ny olony ay ireo tany an-tsaha?

Tsara fanahy tamin'ireo mpiandry ondrin'i Nabala izy ireo hoy izy tamin'ny niaraka tamin'izy ireo tany an-tsaha.

1 Samuel 25:16

Nahoana ilay tovolahy no nandeha nankany amin'i Abigaila fa tsy tany amin'i Nabala?

Nabala dia ranamana tsy ratsy tokoa hany ka tsy misy afaka miteny azy.

1 Samuel 25:18

Inona no nataon'i Abigaila taorian'ny nandrenesany momba ny navalin'ny vadiny?

Nanagona vatsy faingana i Abigaila ary nilaza tamin'ireo tovolahy mba handeha hialoha azy, saingy tsy nilaza tamin'i Nabala izy.

1 Samuel 25:20

Iza no nanatona an'i Abigaila rehefa nitaingina ny borikiny nitondra vatsy izy?

Davida sy ny olony no tamy nanatona an'i Abigaila ary nihaona tamin'izy ireo izy.

1 Samuel 25:21

Inona no nolazain'i Davida fa nokasaikny natao taorian'ny niambenana ny fananan'i Nabala very maina fotsiny?

Nikasa ny hamono izay olon'i Nabala rehetra i Davida.

1 Samuel 25:23

Inona no nataon'i Abigaila rehefa nihaona tamin'i Davida?

Nidina faingana avy teo amin'ny ampondrany izy, niankohoka teo anatrehan'i davida ary nangataka ny hiresaka tamin'i Davida amin'ny maha-mpanompony azy.

1 Samuel 25:25

Inona no nantenain'i Abigaila ho sorohana tamin'ny firesahana tamin'i Davida?

Nanatena ny hanakana ny fandatsahana ny ràn'ireo izay niaraka tamin'i Nabala izy.

1 Samuel 25:27

Inona no nantenain'i Abigaila ho tanterahina tamin'ny fanomezana an'i Davida sy ny olony ireo vatsy?

Nanantena izy fa hamela ny fahotan'i Nabala i Davida.

Iza hoy Abigaila no hanao fonenana azo antoka sady tsy misy ratsy ho an'i Davida?

Yaveh hoy Abigaila no hanao ny fonenan'i Davida ho azo antoka.

1 Samuel 25:29

Iza no hanipy ny ain'ireo fahavalon'i Davida, toy ny amin'ny foitran'antsamotady?

Yaveh no hiaro an'i Davida na dia hitsangana hanaisotra ny ainy aza ny olona.

1 Samuel 25:32

Iza hoy Davida no naniraka an'i Abigaila hihaona aminy?

Yaveh hoy Davida no naniraka an'i Abigaila.

Nahoana hoy Davida no voatahy i Abigaila sy ny fahendreny?

Nohon'ny fihetsika faingana nataon'i Abigaila, dia voaaro tamin'ny fandatsahan-drà sy ny famaliana faty ny tenany i Davida.

1 Samuel 25:34

Iza no niaro an'i Davida tsy hamono ny lehilahy rehetra tao amin'ny ankohonan'i Nabala tamin'ny fanirahana faingana an'i Abigaila?

Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no niaro an'i Davida tsy hamono ny lehilahy rehetra tao amin'ny ankohonan'i Nabala.

1 Samuel 25:36

Nahoana i Abigaila ni tsy niresaka tamin'i Nabala rehefa niverina avy nahita an'i Davida?

Nanao fety i Nabala ary mamo be.

1 Samuel 25:37

Inona no nanjo an'i Nabala ny maraina rehefa niresaka taminy i Abigaila?

Nilofika tao anatiny ny fony, ary nanjary toy ny vato izy, ary folo andro taty aoriana dia namely an'i Nabala i Yaveh ka maty izy.

1 Samuel 25:39

Inona no nataon'i Davida rehefa reny fa maty Nabala?

Naniraka ny mpanompony mba hangataka an'i Abigaila ho vadiny i Davida.

1 Samuel 25:41

Inona no nataon'i Abigaila rehefa reny fa te hanambady azy i Davida?

Niainga malaky i Abigaila ary nandeha ampondra nanaraka ny irak'i Davida mba ho vadiny.

1 Samuel 25:43

Inona no nahazo an'i Mikala vadin'i Davida?

Nomen'i Saoly ho vadin'olon-kafa izy.

1 Samuel 26

1 Samuel 26:1

Iza no nentin'i Saoly niaraka taminy mba hitady an'i Davida tany amin'ny efitr'i Zifa?

Nitondra lehilahin'Israely voafantina telo arivo i Saoly.

1 Samuel 26:3

Ahoana no nahafantaran'i Davida fa tamy hitady azy tany an'efitra i Saoly?

Nandefa mpitsikilo i Davida ary nahalala tamin'izy ireo fa tamy i Saoly.

1 Samuel 26:5

Nankaiza i Davida taorian'ny nahalalany fa tonga i Saoly?

Niainga i Davida ary nandeha tany amin'ny toerana izay nitobian'i Saoly.

1 Samuel 26:6

Inona no tian'ny rahalahin'i Joaba natao rehefa nahita an'i Saoly natory tao an-toby izy sy Davida?

Nitady hamono an'i Saoly tamin'ny lefony izy.

1 Samuel 26:9

Nahoana no tsy tian'i Davida ho vonoin'ny rahalahin'i Joaba i Saoly?

Nambaran'i Davida fa tsy misy afaka maninjitra ny tanany amin'ilay voahosotr'i Yaveh ka tsy ho meloka.

Ahoana hoy Davida no tsy maintsy ahafatesan'i Saoly?

Yaveh no hamono an'i Saoly, raha tsy izany dia ho faty irery izy, na ho faty an'ady.

1 Samuel 26:11

Inona no nalain'i Davida tamin'i Saoly?

Nalain'i Davida ny lefona sy ny sinin-drano teo an-dohan'i Saoly.

1 Samuel 26:13

Taiza no nalehan'i Davida taorian'ny nandaozany ny tobin'i Saoly?

Nandeha nankeny ampita izy ary nijoro teo an-tampon'ny tendrombohitra lavitra teny.

1 Samuel 26:15

Nahoana hoy Davida i Abnera, ilay lehilahy izay tokony hiambina an'i Saoly, no mendrika ny ho faty?

Tsy niambina an'i Saoly tompony izy rehefa nisy tonga hamono azy.

1 Samuel 26:17

Inona no fanontaniana napetrak'i Davida tamin'i Saoly?

Nanontanian'i Davida ny antony nanenjehan'i Saoly an'i Davida sy ny rasty vitan'i Davida.

1 Samuel 26:19

Inona no tian'i Davida hanjo ny olombelona izay nampientana an'i Saoly hanohitra an'i Davida?

Tian'i Davida ho voaozona eo imason'i Yaveh izy ireo.

1 Samuel 26:21

Inona no nolazain'i Saoly tamin'i Davida?

Nambaran'i Saoly fa nanota izy ary tsy haninona an'i Davida intsony.

1 Samuel 26:22

Inona no nasain'i Davida nataon'i Saoly mahakasika ny lefony?

Nasainy nandefa ny iray tamin'ireo tovolahiny hiampita mba haka izany i Saoly.

1 Samuel 26:24

Inona no lanja nasehon'i Davida fa nanany ho an'ny ain'i Saoly?

Sarobidy teo imason'i Davida ny ain'i Saoly.

1 Samuel 27

1 Samuel 27:1

Nahoana i Davida no nieritreritra fa nila nandositra tany amin'ny tanin'ny filistina izy?

Tsapan'i Davida fa izany no hany hahafahany mandositra an'i Saoly.

1 Samuel 27:2

Inona no nahatonga an'i Saoly tsy nitady an'i Davida intsony?

Ren'i Saoly fa nandositra tany Gata i Davida sy ireo izay niaraka taminy.

1 Samuel 27:5

Inona no nangatahin'i Davida ka azony tamin'i Akisy Filistina?

Nangataka toerana ao amin'ny iray amin'ny tanàna ao amin'ilay tany i Davida, ary nomen'i Akisy azy i Ziklaga.

1 Samuel 27:8

Inona no nataon'i Davida sy ireo olony tamin'ireo lehilahy sy vehivavy, ireo biby sy fitafiana avy tamin'ny fanafihana?

Novonoin'izy ireo ny olona ary nalainy ny biby sy fitafiana ary avy eo dia niverina tany amin'i Akisy izy ireo.

1 Samuel 27:10

Ahoana no fitantaran'i Davida rehefa niverina avy amin'ny fanafihana izy?

Nambaran'i Davida fa nanafika ny atsimon'i Joda izy, koa dia nihevitra i Akisy fa nanafika an'Israely izy.

1 Samuel 27:11

Nahoana i Davida no tsy namela an'iza na iza ho velona ary nitondra azy ireo tany Gata?

Novonoin'i Davida ny olona rehetra mba tsy hahafahan'izy ireo milaza izay nataon'i Davida.

Nahoana i Akisy no nihevitra fa nahatonga ny olony Israely hankahala tanteraka an'i Davida izy?

Nino ny laingan'i Davida i Akisy fa nanafika ny vahoakan'Israely izy.

1 Samuel 28

1 Samuel 28:1

Inona no tian'i Akisy ataon'i Davida rehefa niangona hiady tamin'Israely ireo Filistina?

Tian'i Akisy ho mpiambina azy manokana raikitra i Davida.

1 Samuel 28:3

Iza no noroahin'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany taorian'ny nahafatesan'i Samoela?

Noroahin'i Saoly avokoa ireo izay niresaka tamin'ny maty na ny fanahy.

Iza ireo firenena roa niara-niangona mba hiady?

Niangona ny Filistina sy Israely.

1 Samuel 28:5

Nahoana i Saoly no nitady ilay vehivavy izay milaza ho miresaka amin'ny maty?

Natahotra ny tafiky ny Filistina i Saoly ary tsy nandre na inona na inona tamin'i Yaveh.

1 Samuel 28:8

Inona no natahoran'ilay vehivavy rehefa tonga niresaka tamin'i Saoly nanova endrika sy ny olony?

Natahotra izy satria novonoin'i Saoly izay rehetra niresaka tamin'ny maty taorian'ny fahafatesan'i Samoela.

Inona no nampanantenain'i Saoly tamin'ilay vehivavy?

Nampanantena i Saoly fa tsy ho faizina izy raha manampy an'i Saoly.

1 Samuel 28:11

Ahoana no nahafantaran'ilay vehivavy fa i Saoly ilay lehilahy nangataka azy hampiakatra an'i Samoela?

Fantany fa voafitaka izy rehefa nahita an'i Samoela.

1 Samuel 28:13

Ahoana hoy ilay vehivavy ny endrik'i Samoela?

Nahita andriamanitra nivoaka avy tao amin'ny tany ilay vehivavy, ary lehilahy nitafy ankanjo lava.

1 Samuel 28:15

Nahoana i Saoly no nampiakatra an'i Samoela?

Ory i Saoly satria andeha hiady aminy ireo Filistina ary nahafoy an'i Saoly Andriamanitra.

1 Samuel 28:16

Inona hoy Samoela no nataon'i Yaveh tamin'ny fanjakan'i Saoly?

Efa nanatsoaka ny fanjakana tsy ho eo an-tanan'i Saoly i Yaveh ary nanome izany ho an'i Davida.

1 Samuel 28:18

Oviana i Saoly sy ireo zanany no ho faty miaraka amin'i Samoela?

Ho faty ny ampitson'io izy ireo.

1 Samuel 28:22

Inona no namporisihan'ilay vehivavy sy ny mpanompon'i Saoly hataony?

Namporisihan'izy ireo hihinana sy hahazo hery izy.

1 Samuel 28:24

Inona no nentin'ilay vehivavy teo amin'i Saoly sy ny mpanompony mba hohanin'izy ireo?

Namono zanak'omby mifahy izy ary nanendy mofo tsy misy lalivay mba hohanin'izy ireo.

1 Samuel 29

1 Samuel 29:3

Inona hoy Akisy no tsy hitany teo amin'i Davida?

Nambaran'i Akisy fa tsy nahita tsiny teo amin'i Davida izy hatramin'ny nankanesany teo aminy.

1 Samuel 29:4

Inona no natahoran'ireo andriana fa hataon'i Davida mandritra ny ady?

Natahotra izy ireo sao ho lasa fahavalon'izy ireo an'ady i Davida.

1 Samuel 29:6

Inona no nasain'i Akisy nataon'i Davida satria tsy tian'ireo andriana ho eo i Davida?

Nasainy niverina nody am-piadanana i Davida.

1 Samuel 29:8

Inona no fanapahan-kevitra farany momba an'i Davida izay nambaran'i Akisy taminy?

Nolazain'izy ireo fa tsy mahazo miakatra miaraka amin'izy ireo hiady i Davida.

1 Samuel 29:10

Inona no nasain'i Akisy nataon'i Davida nony maraina?

Nasainy nifoha maraina, naka ireo lehilahy niaraka taminy, ary nandeha i Davida.

1 Samuel 30

1 Samuel 30:1

Inona no hitan'i Davida sy ireo olony fa nanjo an'i Ziklaga raha efa lavitra izy ireo?

Nanafika ireo Amalekita, namely, nandoro an'izany, ary nambabo ny vehivavy rehetra sy ny hafa ka nitondra azy ireo.

1 Samuel 30:3

Ahoana no fihetsik'i Davida sy ny olony nanoloana izay hitan'izy ireo tao Ziklaga?

Nanandra-peo izy ireo ary nitomany mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitomaniana intsony

1 Samuel 30:5

Nahoana i Davida no ory?

Nalaina ho babo ny vadiny roa, ary niresaka momba ny hitoraham-bato azy ny vahoaka nalahelo.

1 Samuel 30:7

Inona no tian'i Davida ho fantatra rehefa nivavaka tamin'i Yaveh izy?

Tian'i Davida ho fantatra raha handresy ny Amalekita izy raha manenjika azy ireo.

Inona no navalin'i Yaveh an'i Davida?

Notenenin'i Yaveh mba hanenjika ny antoko, hahomby, ary hamerina ny zavatra rehetra nalaina izy.

1 Samuel 30:9

Inona no nanjo an'ireo olon'i Davida roanjato teo amin'ny reniranon'i Besora?

Reraka loatra izy ireo hany ka tsy maintsy nijanona tao aoriana.

1 Samuel 30:11

Inona no nahazo an'ilay lehilahy Egyptiana izay hitan'i Davida sy ny olony teny am-panenjehana an'ireo Amalekita?

Tsy mba nihinana mofo na nisotro rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy.

1 Samuel 30:13

Nahoana no nandao azy ny tompon'ilay Egyptiana?

Nolazainy fa narary izy telo andro lasa izay.

1 Samuel 30:15

Inona no notakian'ilay Egyptiana nialohan'ny nampisehoany tamin'i Davida izay nisy ny antoko mpanafika?

Nasainy nianiana i Davida fa tsy hamono azy na hamadika azy amin'ny tompony.

1 Samuel 30:16

Inona no nataon'ireo mpanafika rehefa nanafika azy ireo Davida?

Nifaly nohon'ny amin'ireo babo rehetra izay nalainy tao amin'ny tanin'ny Filistina sy Joda izy ireo.

1 Samuel 30:18

Inona no naverin'i Davida taorian'ny fanafihany ireo mpanafika?

Naveriny avokoa ny zavatra rehetra izay nalain'ny Amalekita sy ny mpanafika.

1 Samuel 30:21

Nahoana ireo lehilahy ratsy fanahy no nihevitra fa tsy tokony ho zaraina amin'ireo lehilahy izay tavela tany aoriana ireo babo voaverina?

Nambaran'izy ireo fa ireo tavela tany aoriana dia tsy nandeha niady niaraka tamin'izy ireo.

1 Samuel 30:23

Nahoana hoy Davida tamin'ireo lehilahy ratsy fanahy no tokony hifampizaran'izy ireo mitovy?

Nolazainy fa Yaveh no niaro azy ireo ary nanome azy ireo ny fandresena teo amin'ireo mpanafika izay tonga nanohitra azy ireo.

1 Samuel 30:26

Inona no nataon'i Davida tamin'ireo babo avy tany amin'ny fahavalon'i Yaveh rehefa niverina tany Ziklaga izy?

Nozarain'i Davida tamin'ny loholon'i Joda sy toerana hafa izay falehany sy ny olony matetika ireo babo.

1 Samuel 31

1 Samuel 31:1

Inona no nanjo an'ireo olon'Israely rehefa niady tamin'ny Filistina?

Nandositra an'ireo Filistina ny olon'Israely ary lavo maty.

Inona no nanjo ny zanak'i Saoly?

Novonoin'ny Filistina ireo zanany.

Inona no nanjo ny an'i Saoly tany an'ady?

Voan'ny mpandefa zana-tsipìka izy ary nanaintaina mafy.

1 Samuel 31:4

Inona no nasain'i Saoly nataon'ny mpitondra fiadiany satria nanaintaina mafy i Saoly ary natahotra ny hiavian'ny fahavalony hanararaotra azy?

Nasain'i Saoly namoaka ny sabany izy ary namono azy.

Inona no nataon'i Saoly rehefa natahotra ny mpitondra fiadiany ka tsy nety namono azy?

Nalain'i Saoly ny sabany ary nianjera tamin'izany izy.

Inona no nataon'ilay mpitomndra fiadiana taorian'ny nahitany fa maty i Saoly?

Nianjera tamin'ny sabany izy ary maty.

1 Samuel 31:7

Nahoana ireo olon'Israely tany ampitan'ny lohasaha sy andafin'i Jordana no nandao ny tanànan'izy ireo ka nandositra?

Nandositra izy ireo satria nahita fa nandositra ireo olon'Israely hafa ary maty i Saoly sy ny zanany.

1 Samuel 31:9

Inona no nataon'ireo Filistina tamin'ny fatin'i Saoly izay hitany rehefa tonga hanala ireo faty izy ireo?

Notapahan'ireo Filistina ny lohan'i Saoly ary nofeheziny teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana ny vatany.

1 Samuel 31:11

Inona no nataon'ireo lehilahy mpiadin'i Jabesy Gileada taorian'ny nandrenesan'ny mponiny izay nanjo an'i Saoly?

Nankany Beti-sana izy ireo ary naka ny fatin'i Saoly sy ireo zanany ho any Jabesy ka nandoro izany.

Inona no nataon'ny mponin'i Jabesy tamin'ny taolan'i Saoly sy ny zanany?

Nalevin'izy ireo tao ambanin'ny hazo terebinta tany Jabesy ny taolany ary nifady hanina fito andro izy ireo.