Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Deuteronomy 1

Deuteronomy 1:1

Taiza i Mosesy tamin'ny izy niteny tamin'ny Israely?

Mosesy dia tany andafin'ny Jordana tany an'efitra, teo amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny reniranon'i Jordana.

Deuteronomy 1:3

Oviana i Mosesy no niteny tamin'ny vahoakan'ny Israely, nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh azy?

Tamin'ny taona faha-efa-polo, andro voalohany amin'ny volana faha-iraika ambin'ny folo, tamin'ny andro voalohan'ny volana.

Deuteronomy 1:7

Tamin'iza no nianianan'i Yaveh mba homena ny tany?

Tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'ny Jakoba no nianianan'i Yaveh hanomezana ny tany ho azy ireo sy ny taranany ao aoriany.

Deuteronomy 1:9

Nahoana i Mosesy no nahatsapa fa tsy zakany irery ny vahoaka?

Satria Andriamanitra nampitombo azy ireo, nanao azy ireo toy ny kintana eny an-danitra.

Deuteronomy 1:12

Iza no tokony hanampy an'i Mosesy hilanja ireo vesatra, ireo enta-mavesatra, ary ireo fifandiran'ny vahoaka?

Tokony haka lehilahy hendry manam- pahalalana amin'ny fananan-daza, foko isa-poko, ary manao ireo lehilahy ireo ho lohan'izy ireo izy ireo.

Deuteronomy 1:15

Inona no nandidian'i Mosesy mba hataon'ireo mpitsara?

Nandidy azy ireo mba hihaino ny fifamaliana eo amin'ireo mpirahalahy, sy ireo vahiny izay miaraka aminy izy.

Deuteronomy 1:19

Inona no nandalovan'ny Israely raha nandeha avy any Horeba ho any amin'ny tendrombohitrin'ny tanana?

Nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izy ireo.

Deuteronomy 1:22

Nahoana no nangataka tamin'i Mosesy mba handefa lehilahy hialoha lalana azy ireo ny vahoaka?

Nangataka tamin'i Mosesy handefa lehilahy hialoha lalana izy ireo mba hitady ny tany ary hitondra tatitra momba ny fomba tokony hanafihana sy ny momba ireo tanàna.

Iza no nofidian'i Mosesy mba hisafo ny tany ao amin'ny tanàna eny an-tendrombohitra?

Nifidy lehilahy roa ambin'ny folo izy, lehilahy iray isaky ny foko.

Deuteronomy 1:25

Inona no tatitr'ireo lehilahy momba ny tany?

Hoy izy ireo hoe: ''Tany tsara izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika izany.''

Deuteronomy 1:26

Nahoana no nilaza ilay lehilahy fa nentin'i Yaveh nivoaka ny tany Egypta izy ireo?

Hoy izy ireo hoe halan'i Yaveh izy ireo ary nentiny nivoaka ny tany Egypta mba hamotehany azy ireo.

Inona no nambaran'ireo rahalahin'izy ireo momba ny vahoaka eo amin'ny tany?

Nolazain'izy ireo fa ngeza sady lava noho ireo Iraelita ireo vahoaka ao amin'ny tany.

Deuteronomy 1:29

Inona no nambaran'i Mosesy ny amin'ny tsy tokony hatahoran'ny vahoaka?

Nolazainy izy ireo mba tsy hatahotra, satria Yaveh no handeha eo alohan'izy ireo ary hiady ho azy ireo toy ny nataony tany Egypta sy tany an'efitra.

Deuteronomy 1:34

Inona no nambaran'i Yaveh nohon'ny hatezerany?

Nianiana Izy ary nilaza hoe: "Azo antoka fa tsy hisy iray amin'ireto olona avy amin'ny taranaka ratsy ireto hahita ilay tany tsara ankoatran'i Kaleba."

Deuteronomy 1:37

Inona no nambaran'i Yaveh tamin'ny Mosesy hatao amin'ny Josoa zanak'i Nona?

Nasain'i Yaveh hampahery an'i Josoa i Mosesy satria izy no hitarika ny Israely handova ny tany.

Deuteronomy 1:39

Iza no nolazain'i Yaveh handeha any amin'ny tany ary handova izany?

Ny zafikelin'izy ireo no handeha ary handova izany hoy Izy.

Deuteronomy 1:43

Inona no nataon'ny vahoaka rehafa notenenin'i Yaveh izy ireo mba tsy hanafika ny tany havoana?

Nirehareha izy ireo ary nanafika ny tany havoana, ary ireo Amorita avy hanohitra ny olona, dia nanenjika azy ireo toy ny tantely.

Deuteronomy 2

Deuteronomy 2:1

Taiza no nilazan'i Mosesy ny hanombohan'izy ireo ny diany?

Tany an'efitra, hankany amin'ny Ranomasina Mena no nanombohan'izy ireo ny diany.

Deuteronomy 2:4

Inona no nandidian'i Yaveh mba hotandreman'ny vahoaka tsy atao?

Nampitandremina tsy hiady amin'ny taranak'i Esao izy ireo, fa tsy homen'i Yaveh amin'ny taniny izy ireo.

Deuteronomy 2:6

Taiza no nahazoan'izy ireo sakafo sy rano?

Tamin'ny vahoakan'ny Seira no nividianan'izy ireo sakafo sy rano ka nahafahan'izy ireo nihinana sy nisotro.

Deuteronomy 2:9

Inona no nambaranan'i Yaveh azy ireo fa tsy ataon'izy ireo any Moaba?

Tsy hanakorontana an'i Moaba na hiady amin'izy ireo satria tsy homen'i Yaveh azy ireo izany tany izany.

Deuteronomy 2:13

Hafiriana no nandehanan'ny Israely avy any amin'ny Kadesi-Barnea hankany amin'ny lohasahan-driaka Zareda?

Valo amby telo-polo taona no nandehanan'izy ireo nankany amin'ny lohasahan-driaka Zareda.

Deuteronomy 2:16

Inona no nitranga tamin'ny ireo lehilahy rehetra mpiady ?

Ireo lehilahy rehetra izay mpiady dia maty ka niala teo amin'ny vahoaka.

Iza no nomen'i Yaveh ny tanin'ireo vahoakan'ny Amona?

Ny taranak'i Lota no nomen'i Yaveh izany tany izany.

Deuteronomy 2:24

Inona no hataon'ireo vahoakan'ny tany rehefa nandre ny vaovao momba ny Israelita?

Hangovitra sy hangorohoro nohon'ny amin'ny Israelita izy ireo

Deuteronomy 2:26

Inona no tenim-pihavanana nalefan'i Mosesy tany amin'ny mpanjakan'ny Hesbona?

Nangataka i Mosesy mba havela handeha eo amin'ny tany eo amin'ny lalambe, tsy hivily hiankavia na hiankavanana.

Deuteronomy 2:28

Inona no tetika nataon'i Mosesy mba hahazoany sakafo sy rano ho an'ny vahoaka?

Nangataka tamin'ny mpanjakan'ny Hesbona izy mba hivarotra aminy sakafo sy rano amin'ny vola mba hahafahan'izy ireo misakafo sy misotro.

Deuteronomy 2:32

Inona no nitranga raha tonga nanohitra an'i Mosesy i Sihona?

Natolotr'i Yaveh an'i Mosesy izy ary nofitahin'izy ireo, novonoiny ho faty, ireo zanany lahy sy ireo vahoakany rehetra.

Deuteronomy 2:34

Inona no nitranga tamin'ny ireo tanàna rehetra tsy nisy mponina?

Nalain'i Mosesy ny tanànan'ny mpanjaka rehetra ary noravainy izany, tao anatin'izany ny vehivavy sy ny ankizy; tsy nisy sisa tavela.

Deuteronomy 3

Deuteronomy 3:1

Inona no nataon'i Oga, mpanjakan'i Basana tamin'ny Israely raha nanakaiky ny taniny?

Teny an-dalana ho any Basana, ny mpanjakan'ny Basana sy ny vahoakany rehetra dia tonga nanafika ny Israely.

Deuteronomy 3:3

Nataon'ny Israely inona ny mpanjakan'ny Basana sy ny vahoakany?

Novonoin'izy ireo ho faty ny mpanjakan'ny Basana mandrapaha-tsy nisy tavela intsony ny vahoakany, ary nalainy avokoa ny tanànany rehetra.

Deuteronomy 3:5

Inona no nataon'ny Israely tamin'ireo biby fiompy sy ny fananana tao amin'ireo tanàna?

Nalain'izy ireo ho fananany ny biby rehetra sy ny fitafiana tao amin'ireo tanàna.

Deuteronomy 3:12

Iza no nomen'i Mosesy ny tany izay nalainy ho fananan'izy ireo?

Nomeny ireo Rebonita sy ireo Gedita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase.

Deuteronomy 3:18

Inona no nandidian'i Mosesy ny olona voaomana ho an'ny ady tamin'ireo Rebonita, ireo Gadita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase hatao?

Nasainy hitam-piadina hita eo anoloan'ireo rahalahiny, ireo vahoakan'ny Israely.

Deuteronomy 3:19

Oaviana no nilazan'ny tamin'ireo Rebonita sy Gadita ary ny antsasaky ny fokon'ny Manase fa afaka miverina any amin'ny fananany manokana izy ireo?

Yaveh nilaza fa afaka miverina izy ireo aorian'ny fitsaharan'ireo rahalahiny, mandra- panan'izy ireo ny taniny.

Deuteronomy 3:21

Inona no tsy navelan'i Mosesy ataon'i Josoa?

Nandidy an'i Josoa izy mba tsy hatahotra ny ny fahavalo satria i Yaveh no ilay iray izay hiady ho azy.

Deuteronomy 3:23

Aiza no italahoan'i Mosesy mba ho aleha sy hojerena?

Nitalaho tamin'i Yaveh mba hamela azy handeha sy hijery ny tany tsara any an-dafin'ny Jordana sy Libanona koa izy.

Deuteronomy 3:26

Inona no nataon'i Yaveh mba hamelana an'i Mosesy hijery ny tany?

Yaveh nilaza taminy ny hiakarany any an-tampon'ny Pisga ary hanopy ny masony manodidina azy satria tsy hita an'i Jordana izy.

Deuteronomy 3:28

Inona no nasain'i Yaveh hambaran'i Mosesy amin'ny Josoa?

Nasainy nampianatra an'i Josoa , nampahery sy nampatanjaka azy, satria izy no handeha manoloana ny vahoaka ary hahatonga azy ireo handova ny tany izay izay ho hitanany izy.

Deuteronomy 4

Deuteronomy 4:1

Inona no tokony hataon'ny vahoakan'ny Israely mba hahavelomany, sy hahazoany ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo?

Tokony hihaino sy hankatoa ny lalàna izay hampianarin'i Mosesy azy ireo mba hahazoan'izy ireo ny tany.

Inona no tsy tokony ataon'ny vahoaka?

Tsy tokony hanampy ny hanala ny teny izay nandidian'i Mosesy azy ireo izy ireo fa hitandrina ny didin'i Yaveh.

Deuteronomy 4:3

Olona maninona no haringan'i Yaveh?

Noringanin'i Yaveh ny olona izay nanaraka an'i Bala-peora.

Deuteronomy 4:5

Nahoana ny Israely no tokony hitandrina ny lalàna izay nandidian'i Mosesy azy ireo?

Tokony hitandrina sy hanao izany izy ireo mba hananany fahendrena sy fahazavan-tsaina eo imason'ireo vahoaka.

Deuteronomy 4:9

Nahoana no tokony hitandrina sy hiambina ny fanahiny ny vahoaka?

Tokony hitandrina sy hiambina tsara ny fanahiny izy ireo mba tsy hanadinoiny izay zavatra hitany, fa tehirizo ao am-pony ireny zavatra ireny ary asaivo ampafatariny ny zanany sy amin'ireo zanaky ny zanany.

Deuteronomy 4:11

Inona no ren'ny vahoaka tao afovoan'ny afo teo an-tendrombohitra?

Nandre ny feon'i Yaveh teo afovoan'ny afo izy ireo, fa tsy nahita endrika.

Deuteronomy 4:15

Inona no tsy nasaina nataon'ny vahoaka?

Nasaina tsy hanimba ny tenany amin'ny fanamboarana sary sikotra mitovy endrika amin'ny maro hafa izy ireo, ao anatin'izany ny lehilahy, vehivavy ireo vorona, ireo zavatra zay mandady, ary ny trondro.

Deuteronomy 4:19

Nahoana no nasain'i Mosesy nitandrina ny masoandro, ny volana ary kinatna ny vahoaka?

Nambarany azy ireo fa tokony hitandrina izy ireo mba tsy ho voataona hivavaka amin'ny lanitra, ny masoandro amam-bolana, na amin'ny kintana.

Nahoana no nentin'i Yaveh niala tao amin'ny fatana fandrendreham-by, ao Egypta ny vahoaka?

Nitondra azy ireo nivoaka avy tao Egypta Izy mba ho vahoaka izay lovany manokana.

Deuteronomy 4:21

Inona no nataon'i Yaveh an'i Mosesy satria tezitra taminy izy?

Tsy navelany hiditra ao amin'ny tany soa ampitan'i Jordana i Mosesy, fa ho faty ao amin'izany tany izany ihany.

Deuteronomy 4:23

Nahoana no noraran'i Yaveh tsy hanamboatra sary sokitra ny Israely?

Satria i Yaveh Andriamanitr'izy ireo dia afo mandevona, ary Andriamanitra saro-piaro.

Deuteronomy 4:25

Inona no nolazain'i Mosesy fa hitranga raha manimba ny tenany sy manao ratsy eo imason'i Yaveh ny vahoaka?

Ho ringana hiala amin'ny tany ampitan'i Jordana, ary ho rava tanteraka.

Deuteronomy 4:27

Inona ny nambaran'i Mosesy fa hataon'i Yaveh amin'ny vahoaka?

Ho aparitak'i Yaveh ny vahoaka ary ho vitsy an'isa eo amin'ireo firenena izay hanompoan'izy ireo ny andriamanitra izay vita amin'ny hazo sy ny vato.

Deuteronomy 4:29

Rahoviana no hitady an'i Yaveh ny vahoaka?

Hahita azy izy iro rehefa mitady azy amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo.

Deuteronomy 4:30

Inona no nampiverina ny vahoaka tamin'i Yaveh Andriamaniny sy nihanoany ny feony?

Rehefa ory, sy rehefa tonga tamin'izy ireo ny zavatra rehetra dia hiverina amin'i Yaveh izy ireo

Deuteronomy 4:34

Inona no nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'ny Israely rehefa tany Egypta izy ireo?

Naka firenena ho azy avy eo afovoan'ny firenena hafa izy, amin'ny alalan'ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, amin'ny tanana mahery, amin'ny hery lehibe, ary horohoro lehibe.

Deuteronomy 4:35

Inona no navelan'i Yaveh hitranga tamin'ny vahoaka mba hahafantaran'izy ireo fa Izy no Andriamanitra?

Napandrenesiny ny feony avy any an-danitra izy ireo, ary teto an-tany no nampisehoany azy ireo ny afony lehibe.

Deuteronomy 4:37

Inona no nataon'i Yaveh ho an'ny Israely satria tiany ireo razambeny?

Nofidiany ny taranak'izy ireo, nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta niaraka tamin'ny fanatrehany sy ny heriny Izy. Nomeny azy ireo ny tanin'izy ireo taorian'ny nitondrany azy ary ireo nivoaka ny firenena lehibe.

Deuteronomy 4:41

Aiza no afaka handosiran'ny olona iray namono tsy nahy olon-kafa izy?

Afaka mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna telo izay nofidian'i Mosesy any atsinanan'ny reiniranon'i Jordana izy.

Deuteronomy 4:44

Inona no napetrak'i Mosesy teo anoloan'ny vahoakan'ny Israely?

Lalàna no napetrany; fanekem-pihavanana, lalàna, ary didy hafa izay nambarany tamin'izy ireo rehefa nivoaka avy tao Egypta izy ireo.

Deuteronomy 4:47

Hatraiza ny fitaran'ny tanin'ireo mpanjakan'ny Amorita anakiroa?

Nanomboka avy tany Aroera, teo amoron'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Siona (na Tendrombohitra Hermona) izany fari-tany izany, ary tafiditra tao amin'izany ny lemaky ny lohasahan-driakan'i Jordana rehetra, miantsinana makany an-dafin'i Jordana, mankany amin'ny Ranomasin'i Araba, ka hatrany amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Pisga."

Deuteronomy 5

Deuteronomy 5:1

Tamin'iza no nanaovan'i Yaveh fanekena tao Horeba?

Tamin'ny Israely no nanaovan'i Yaveh fanekena tao Horeba, tsy tamin'ny razamben'izy ireo, fa tamin'ireo izay mbola velona.

Deuteronomy 5:4

Nahoana i Mosesy no nitsangana teo anelanelan'i Yaveh sy ny vahoaka rehefa nanambara ny teniny tamin'izy ireo i Yaveh?

Satria natahotra ny afo izay nitenenan'Andriamanitra izy ireo.

Iza no nanambaran'i Yaveh azy tamin'ny Israely?

Hoy izy hoe: "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana."

Deuteronomy 5:7

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny Israely mba tsy hatao, miankohoka, sa manompo?

Tsy tokony hanao sarin-javatra voasokitra na endri-javatra izay eny amin'ny lanitra, ety amin'ny tany, na any anaty rano.

Deuteronomy 5:9

Ahoana no hamaizan'i Yaveh ny faharatsian'ireo razamben'izy ireo niankohoka sa nanompo sampy?

Amin'ny famaizana ny zanaky ny zanak'izy reo no hamaizan'i Yaveh ny faharatsian'ireo razambe.

Inona no hataon'i Yaveh an'ireo izay tia zy sy mitandrina ny didiny?

Haneho tsy fivadiam-panekena amin'izy ireo Izy.

Deuteronomy 5:11

Iza no horaisin'i Yaveh ho meloka?

Tsy handray ho meloka ireo rehetra izay mampiasa amin'ny tsy antony ny anarany Izy.

Deuteronomy 5:12

Inona no nambaran'i Yaveh momba ny andro fahafito?

Ny andro fahafito dia Sabata ho an'i Yaveh izay Andriamanitr'izy ireo, izay tokony hohamasin'izy ireo sy tsy hiasany.

Deuteronomy 5:15

Nahoana no asain'i Yaveh mitandrina ny andro Sabata izy ireo?

Tiany ho tsaroan'izy ireo fa mpanompo tany amin'ny tany Egypta izy ireo ary Andriamanitra nitondra azy ireo nivoaka tany tamin'ny alalan'ny tanany mahery sy fampiharihariany ny heriny.

Deuteronomy 5:16

Inona no ambaran'i Yaveh fa hiseho amin'ny vahoaka izay manaja ny rainy sy ny reniny?

Ho ela velona any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamaniny ho azy ireo ka dia hahasambatra azy ireo izany.

Deuteronomy 5:17

Inona no tsy nasaina nataon'izy ireo?

Tsy tokony hamono olona izy ireo, tsy tokony hijangajanga, tsy tokony hangalatra, na hanao vavolombelona diso hanohitra ny namany.

Deuteronomy 5:22

Tamin'ny inona no nanoratan'i Yaveh ny teniny?

Tamin'ny vato fisaka roa no nanoratany izany ary nomeny an'i Mosesy.

Deuteronomy 5:25

Inona no nolazain'ny vahoaka fa hitranga raha tsy mandr ny feon'i Yaveh intsony izy ireo?

Ireo vahoaka dia holevonin'ny afo lehibe ka ho faty.

Inona no nolazain'ny vahoaka fa tokony hataony rehefa mamerina ny tenin'i Yaveh amin'izy ireo i Mosesy?

Hoy izy ireo hoe hihaino sy hankatoa ny tenin'i Yaveh izy ireo.

Deuteronomy 5:28

Inona no nambaran'i Yaveh momba ny valitenin'ny vahoaka?

Izy nilaza fa reny ireo tenin'ny vahoaka ary tsara izany.

Deuteronomy 5:32

Inona no nolazain'i Mosesy fa hiseho amin'ny vahoaka rehefa mitandrina ny didy aman-dalana rehetra izay nandidian'i Mosesy azy ireo?

Rehefa mitandrina ireo didy izy ireo, dia ho velona, ary hahasoa azy ireo izany, ka hahalava ny andro iainany any amin'ny tany.

Deuteronomy 6

Deuteronomy 6:1

Inona no hitranga rehefa mitandrina ny didy aman-dalan'i Yaveh rehetra mandritra ny andro rehetra hiainany ny Israelita sy ny zanany?

Rehefa mitandrina ny didy aman-dalany izy ireo, dia hampitomboina ny andro hiainany.

Deuteronomy 6:3

Ahoana no nanoritsoritan'i Mosesy ny tany izay handehanan'ny vahoaka?

Nolazainy fa tany tondra-dronono sy tantely izany.

Deuteronomy 6:4

Amin'ny inona no hitiavan'ny Israely an'i Yaeveh ?

Hitia an'i Yaveh amin'ny fony manontolo, amin'ny fanahiny manontolo, ary amin'ny heriny manontolo izy ireo.

Deuteronomy 6:6

Rahoviana no hampianatra tsara ny didy izay ao am-pon'izy ireo amin'ny zanany izy ireo?

Hampianatra ireo didy amin'ny zanany rehefa mipetraka ao an-trano izy ireo, rehefa mandeha eny an-dalana, ary rehefa mifoha.

Deuteronomy 6:10

Rahoviana no tsy hanadino an'i Yaveh ny Israely?

Tsy hanadino an'i Yaveh izy ireo rehefa mihinana sy afa-po ao amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambeny.

Deuteronomy 6:13

Inona no hitranga amin'ny Israely rehefa manompo andriamanitra hafa ary nahatonga an'i Yaveh, ho Andriamanitra saropiaro, sy tezitra?

Rehefa hirehitra amin'izy ireo ny fahatezeran'i Yaveh, dia haringany tsy ho eo amin'ny tany izy ireo.

Deuteronomy 6:16

Inona no nataon'izy ireo tany Masaha izay tsy tokony haverin'izy ireo intsony?

Nitsapa an'i Yaveh tao Masaha izy ireo.

Deuteronomy 6:20

Inona no tokony havalin'ny vahoaka rehefa manontany azy ny zanany momba ireo lalàn-'ny fanekena, ireo fitsipika, ary ireo lalàna hafa izay nandidian'i Yaveh?

Tokony hilaza amin'ireo zanany izy ireo fa efa andevon'i Farao rehefa noentin'i Yaveh niala tany amin'ny tany Egypta ary nanome azy ireo ny tany izay nianianany tamin'ireo razambeny.

Deuteronomy 6:24

Nahoana no tokony hatahotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Tokony hatahotra an'i Yaveh ny vahoaka hahasoa azy ireo, mba hamelomany azy ireo.

Deuteronomy 7

Deuteronomy 7:2

Inona no tokony ataon'ny vahoaka amin'ireo olona ao amin'ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo ho fananany?

Tokony hamely sy handringana azy ireo tanteraka izy ireo.

Inona no tsy tokony ataon'ny Israelita amin'ny vahoakan'izany firenena izany?

Tsy manao fifanekena amin'izy ireo, tsy maneho famindram-po amin'izy ireo, na hikarakara fanambadiana amin'izy ireo ho an'ireo zanany lahy na ireo zanany vavy.

Deuteronomy 7:4

Ahoana no tokony hifanarahan'ny Israely amin'ny vahoakan'ireo firenena ireo?

Tokony hamotika ny alitarany izy ireo, hamotika iroe tsangam-batony, hanapaka ireo baon'Aserahany, ary handoro ireo sampy voasokitr'izy ireo.

Deuteronomy 7:7

Ahoana no nanaovan'i Yaveh fianianana tamin'ny olom-boafidiny?

Nitana ny fianianany i Yaveh ary nanafaka azy ireo tao amin'ny trano fanandevozana, teo an-tanan'i Farao.

Deuteronomy 7:9

Inona ho azon'ny olona izay tia an'i Yaveh sy mitandrina ny didiny?

Ho an'ireo izay tia azy, Andriamanitra dia hitana ireo fanekeny ary ho mahatoky ho an'ireo taranaka an'arivony

Deuteronomy 7:12

Amin'ny fomba ahoana no hitahian'i Yaveh ny vahoaka rehefa mitandrina ny didiny izy ireo?

Hitahy azy ireo amin'ny fampitomboana azy ireo, sy ny vokatry ny taniny, ny variny, ny divainy, ny menany,

Deuteronomy 7:17

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo firenena izay hatahoran'ny Israely?

Hataon'Andriamanitra amin'izy ireo fijaliana be sy ny fihesohon'ireo hery hafa izay hitan'izy ireo tany Egypta.

Deuteronomy 7:20

Hafiriana no nandefasan'i Yaveh fanenitra eo amin'izy ireo?

Nandefa ny fanenitra Andriamanitra mandra-paharingan'ireo sisa tavela sy miafina amin'ny naharavan'ny Israely.

Nahoana ny vahoaka no tsy tokony hatahotra eo amin'ny olona?

Satria Andriamanitra, izay lehibe sy mahatahotra, no eo amin'ireo Israelita.

Deuteronomy 7:23

Ahoana no hanomezan'Andriamanitra fandresena ho an'ny vahoaka eo amin'ireo firenena?

Hampivarahotsanan'Andriamanitra amin'ny ady ireo firenena mandra-paharinganan'izy ireo.

Deuteronomy 7:25

Inona no nataon'izy ireo tamin'ireo andriamanitr'ireo firenena?

Handoro ireo sary sikotr'ireo andriamanitra izy ireo.

Deuteronomy 8

Deuteronomy 8:1

Inona no tokony hotsaroan'ireo vahoakan'ny Israely?

Tokony hotsaroan'izy ireo ny nampietren'Andriamanitra sy ny nitsapany azy ireo nandritra ny efapolo taona tany an'efitra.

Deuteronomy 8:3

Nahoana no nampietry, nampanoana, ary namoky ny vahoaka tamin'ny mana i Yaveh?

Nanao izany Izy mba hahafantaran'ny olona fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny zavatra rehetra izay aloakin'ny vavan'i Yaveh.

Deuteronomy 8:4

Ahoana no fomba niveloman'ny olona efapolo taona tany an'efitra?

Tsy nihatonta teny aminy ny fitafian'izy ireo ary tsy nivonto ny tongony.

Ahoana no nanitsian'i Yaveh ireo Israelita?

Toy ny hanitsian'ny olona ny zanany, no nanitsian'i Yaveh azy ireo.

Deuteronomy 8:7

Inona no tao amin'ny tany soa izay hitondran'Andriamanitra azy ireo?

Izany tany izany dia ho feno tanin-dohasahan-driaka, loharano mikoriana, varim-bazaha sy vary hordea, voaloboka, hazon'aviavy, ampongaben-danitra, hazon'oliva, sy tantely.

Deuteronomy 8:9

Nahoana no tokony hisaotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Tokony hisaotra an'i Yaveh izy ireo noho ny tany soa izay nomeny azy ireo.

Deuteronomy 8:11

Inona no nampatsiahivina ny vahoaka fa tsy ho ataony?

Nampatsiahivina izy ireo mba tsy hanadino an'i Yaveh sy tsy hanao tsinotsinona ireo.

Deuteronomy 8:13

Nahoana no mety hanadino an'i Yaveh izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta ny vahoaka?

Rehefa mihamaro ireo omby sy ondry aman'osin'izy ireo, ary mitombo ny volafotsy sy volameny, dia hirehareha izy ireo ka mety hanadino an'i Yaveh.

Deuteronomy 8:15

Ahoana no nanomezan'i Yaveh rano sy sakafo ny vahoakan'ny Israely tany an'efitra mampatahotra?

Avy tao amin'ny vatolampy afovato no namoahan'i Yaveh rano ho azy ireo ary nanomezany mana ho azy ireo.

Deuteronomy 8:18

Inona no nahatonga ny vahoaka ho ringana toy ireo firenena teo alohan'izy ireo?

Ho ringana izy ireo rehefa manadino izay nihavian'ny harenany, manaraka ireo andriamanin-kafa, ary tsy mihaino ny feon'i Yaveh.

Deuteronomy 9

Deuteronomy 9:1

Aiza no niomanan'ireo vahoakan'ny Isarely ho aleha?

Hiampita ny Jordana.

Deuteronomy 9:3

Inoa no hitranga mialohan'ny hiampitan'ny Israely ny Jordana?

Hialoha lalana azy ireo Yaveh ary handringana ireo firenena toy ny afo mandevona.

Deuteronomy 9:4

Inona no nambaran'i Mosesy ny vahoaka mba tsy hihevitra ao am-pony taorian'ny nandroahan'i Yaveh ireo fahavalony hiala amin'ny tany?

Nilaza tamin'ny Isarely izy mba tsy hihevitra fa noho ny fahamarinan'ny Isarely no nanomezan'i Yaveh azy ireo ny tany.

Deuteronomy 9:5

Inona no antony nandroahan'Andriamanitra ireo firenena tsy ho eo anoloan'ny Israely hiampita ny Jordana?

Nandroaka azy ireo Izy nohon'ny haratsiam-panahin'izy ireo, sy hanatanterahany ny teniny izay nianianany tamin'ireo razamben'ny Israely, dia tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba.

Deuteronomy 9:7

Nahoana no tezitra tamin'ny vahoakan'ny Israely i Yaveh?

Tena tezitra Izy ka saika handringana azy ireo nohon'ny nihantsian'izy ireo azy sy ny nikomiany hanohitra azy.

Deuteronomy 9:9

Inona no nohanin'i Mosesy sy nosotroiny tany an-tendrombohitra?

Tsy nihinana na nisotro nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina izy tany an-tendrombohitra.

Deuteronomy 9:11

Nahoana no nasain'i Yaveh nidina faingana avy eny an-tendrombohitra i Mosesy?

Niteny taminy i Yaveh fa ny vahoaka dia efa nanimba ny tenan'izy ireo amin'ny fiviliana tamin'ny lalana izay nandidian'i Yaveh ary nanao sampy ho azy ireo.

Deuteronomy 9:13

Nahoana i Yaveh no nilaza fa hamafa ny anaran'ny Israely ary hanao firenena mahery noho izy ireo?

Yaveh nilaza fa efa hitany hoe vahoaka mafy loha izy ireo.

Deuteronomy 9:15

Inona no nataon'ny Israely tamin'ny fahotan'izy ireo?

Nanota tamin'i Yaveh izy ireo tamin'ny famolavolany zanak'omby ho toy ny sampy.

Deuteronomy 9:17

Inona no nataon'i Mosesy taorian'ny nahitany ny vahoaka nanao ratsy teo imason'i Yaveh?

Nariany ireo vato fisaka ary novakiany teo imason'izy ireo, niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh izy, ary tsy nihinana na nisotro.

Deuteronomy 9:19

Nahoana i Mosesy no nivavaka ho an'ny vahoaka sy ho an'i Arona?

Nivavaka izy satria tezitra sy tsy nankasitraka an'ireo vahoaka sy Arona i Yaveh, ary saika handringana azy ireo.

Deuteronomy 9:21

Nataon'i Mosesy inona ilay zanak'omby izay namboarin'ny vahoaka?

Nodoran'i Mosesy izany, nokapohiny, ary notorotoroiny ho tena bitika ary nariany tany amin'ny renirano izay mikoriana avy any an-tendrombohitra ny vovony.

Deuteronomy 9:22

Ahoana no niantsian'ireo vahoaka an'i Yaveh ho vinitra?

Nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh izy ireo ary tsy nino sy tsy nihaino ny feony.

Deuteronomy 9:25

Inona no vavak'i Mosesy raha niankohoka efapolo andro sy efapolo alina izy?

Nivavaka izy mba tsy haringana ireo vahoakan'i Yaveh sy ireo mpandova.

Deuteronomy 9:27

Inona no nagatahin'i Mosesy tamin'i Yaveh tsy holazain'ny vaoakan'ny tany?

Nangataka izy mba tsy hamelana ny vahoaka hilaza fa i Yaveh no nitondra ny Israely tany an'efitra mba hamonoana azy ireo satria tsy tiany izy ireo.

Deuteronomy 10

Deuteronomy 10:1

Taiza no nitenenan'i Yaveh an'i Mosesy fa hametrahana ireo vato fisaka roa izay hanoratany ireo tenin'i Yaveh?

Yaveh nilaza taminy ny hametraha ireo vato fisaka roa eo amin'ny vatakazo izay ho ataon'i Mosesy.

Deuteronomy 10:3

Inona no nosoratan'i Yaveh tao amin'ireo vato fisaka roa rehefa niara-niakatra tamin'izy ireo teny an-tendrombohitra i Mosesy?

Nanoratra ireo didy folo tao amin'ilay vato fisaka tahaka ilay asa-soratra voalohany i Yaveh.

Deuteronomy 10:5

Taiza no nametrahan'i Mosesy ireo vato fisaka roa rehefa niverina avy eny an-tendrombohitra izy?

Napetrany tao amin'ilay vatakazo izay namboariny araka ny nandidian'i Yaveh azy izy ireo.

Deuteronomy 10:6

Inona no nahazo an'i Arona tao Mosera?

Maty sy nalevina tao Mosera i Arona.

Deuteronomy 10:8

Foko inona no nofidian'i Yaveh hitondra ny fiaran'ny fanekeny sy hijoro eo anoloan'i Yaveh?

Fokon'i Levy no nofidian'i Yaveh hitondra ny fiaran'ny fanekeny sy hijoro eo anoloany hanompo sy hitso-drano ny olona amin'ny anarany.

Deuteronomy 10:10

Hafiriana no nitoeran'i Mosesy tany an-tendrombohitra tamin'izany fotoana?

Nitoetra tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina izy, tahaka ny tamin'ny andro voalohany.

Deuteronomy 10:12

Inona no nambaran'i Mosesy fa angatahin'i Yaveh amin'ny Israely?

Andriamanitra mangataka amin'ny Israely mba hatahotra azy ,ny handeha amin'ny lalany rehetra, ny hanompo azy amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ary hitandrina ireo didiny:

Deuteronomy 10:16

Nahoana no asain'i Mosesy mifora ny vahoaka?

Nasainy namora ny fon'izy ireo izy ireo.

Deuteronomy 10:18

Nahoana no tokony hitia ny vahiny ny Israely?

Tokony hitia ny vahiny ny Israely satria izy ireo oa dia efa vahiny tany amin'ny tany Egypta.

Deuteronomy 10:22

Ahoana no nitahiana'Andriamanitra ireo razam-be izay nidina tany Egypta?

Fitopolo izy ireo no nidina tany Egypta ary nahamaro isa azy ireo Andriamanitra toy ny kintana eny amin'ny lanitra.

Deuteronomy 11

Deuteronomy 11:1

Inona ireo zavatr'i Yaveh efatra izay nasain'i Mosesy ho tandreman'ny vahoaka mandrakariva?

Nasainy hitandrina mandrakariva ny fampianaran'i Yaveh, ny lalàny, ny fitsipiny, ary ireo didiny.

Deuteronomy 11:2

Iza no tsy nahafantatra na nahita ny fanasazian'i Yaveh sy ny fanehoany ny heriny tany Egypta?

Ny zanak'ireo Israelita no tsy nahafantatra na nahita ireo fanasazian'i Yaveh na ny heriny tany Egypta.

Deuteronomy 11:4

Inona no nampiasain'i Yaveh mba handifotra ny tafik'i Egypta rehefa nanenjika ny Israely izy ireo?

Nataon'Andriamanitra nandifotra ny tafik'i Egypta ny Ranomasina Mena rehefa nanenjika ny Israely izy ireo.

Deuteronomy 11:6

Inona no hitan'ny mason'ireo Israelita?

Ny asa-tsara rehetra izay nataon'i Yaveh no hitan'ny mason'ireo Israelita.

Deuteronomy 11:8

Inona no hitranga amin'ny vahoaka raha mitandrina ireo didy rehetra izy ireo?

Raha mitandrina ireo didy rehetra izy ireo, dia hatanjaka, hiditra ka haka ny tany, ary ho lava ny andro ianan'izy ireo.

Deuteronomy 11:10

Ahoana ary nahoana ny tany izay nampanantenaina no ho hafa noho ny tany Egypta?

Ny tany dia tanin-kavoana sy lohasaha, ary misotro rano avy amin'ny ranon'oran-danitra.

Deuteronomy 11:13

Inona no homen'i Yaveh azy ireo raha mihaino ireo didiny, tia sy manmpo azy amin'ny fony manontolo ary ny fanahiny manontolo izy ireo?

Homen'i Yaveh azy ireo ny voaloha-orana sy ny fara-orana, mba hahafahan'izy ireo manangona ny variny, sy ny divainy vaovao, ary ny diloilony.

Deuteronomy 11:16

Inona no hataon'i Yaveh raha hivily sy hanompo andriamani-kafa ny vahoaka?

Ho tezitra ary hampikatona ny ny lanitra Izy ka dia tsy hisy ranon'orona.

Deuteronomy 11:18

Rahoviana no tokony hampianatra ireo zanany ireo didin'i Yaveh ny vahoaka?

Tokony hampianatra ireo zanany ireo didin'i Yaveh izy ireo rehefa mipetraka, sy mandeha, sy mandry, ary mifoha.

Deuteronomy 11:20

Inona no tokony hataon'ny vahoaka mba hahamaro isa ny andron'izy ireo sy ireo zanany?

Tokony hanoratra eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranony sy eo amin'ny vavahadin'ny tanànany ireo didy izy ireo.

Deuteronomy 11:22

Raha mitandrina ireo didin'i Yaveh rehetra sy hifikitra aminy ny vahoaka, dia inona no hataony ho azy ireo?

Horoahin'i Yaveh hiala eo anatrehan'izy ireo ireo firenena rehetra ary handroaka firenena lehibe sy mahery noho izy ireo.

Deuteronomy 11:24

Nahoana no tsy hisy olona hahajoro eo alohan'ny Israely?

Satria hametraka ny tahotra sy ny horohoron'ny Israely amin'ny tany rehetra i Yaveh.

Deuteronomy 11:26

Inona no napetrak'i Mosesy teo anoloan'ny Israely tamin'izany andro izany?

Ny fitahiana sy ny ozona no napetrany teo anoloan'izy ireo.

Deuteronomy 11:31

Aiza no tokony hidiran'ny vahoaka mba hahazoany ny tany?

Tokony hiampita an'i Jordana izy ireo mba hahazoany sy honenany ao amin'ny tany.

Deuteronomy 12

Deuteronomy 12:1

Toerana inona no asain'i Mosesy ravain'ny Israely?

Izy iroe dia handrava ny toeran'ny firenena rehetra izay nalain'ny Isarely fa nanompo ireo andriamaniny.

Deuteronomy 12:3

Inona no nasain'i Yaveh ataon'ny vahoaka amin'ny anaran'ireo andriamanitr'ireo firenena?

Nasainy nandringana ny anaran'izy ireo hiala amin'izany toerana izany ny Israely.

Deuteronomy 12:5

Aiza any amin'ny toerana halehan'ny Israely no hitondran'izy ireo ireo fanatitra dorana, ireo sorony, ireo ampahafolo-karenany, ireo fanatiny?

Handeha any amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.

Deuteronomy 12:8

Inona no karazan-javatra izay ataon'ny Israely?

Izay rehetra marina eo imason'izy iroe ihany no ataon'izy ireo.

Deuteronomy 12:10

Karazana fitsaharana manao ahoana no homen'i Yaveh ny Israely rehefa miampita ny Jordana izy?

Hanome fitsaharana amin'ireo fahavalony rehetra manodidina Izy, mba hiainan'izy ireo am-pilaminana.

Deuteronomy 12:15

Biby inona no afaka vonoin'ny Israely sy hohaniny?

Afaka mamono sy mihinana ireo biby rehetra ao anatin'ny vavahadiny ny Israely.

Inona no tsy azon'ny Israely hohanina?

Tsy mahazo mihinanan ny ràny, fa tokony handraraka izany amin'ny tany tahaka ny rano ny Israely.

Deuteronomy 12:17

Taiza no nilazana ny Israely fa tsy mahazo mihinana ireo ampahafolon'ny voany sy ireo fanatiny izy ireo?

Tsy mahazo mihinana ireny ao anatin'ny vavahadiny izy ireo.

Deuteronomy 12:18

Taiza no nihinan'ny vahoakan'ny Israely ireo ampahafolom-boany sy ireo fanatiny?

Nihinana ireny teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy ireo teo amin'ny toerana izay nofidiny.

Inona no nambara fa tsy tokony hoadinoin'ny Israely?

Nanambarana izy ireo fa tsy tokony hanadino ny Levita raha mbola miaina ao amin'ny tanin'ny Israely.

Deuteronomy 12:20

Inona no afaka hohanin'ny Israely rehefa manitatra ny sisin-tanin'izy ireo i Yaveh Andriamaniny araka izay nampanantenainy azy ireo.

Afaka mihinana hena, araka izay irian'ny fanahiny ny Israely.

Deuteronomy 12:21

Inona no afaka hohanin'n Israely raha lavitra loatra ny toerana izay nofidian'i Yaveh hametrahana ny anarany izy ireo?

Raha lavitra loatra ny Israely ny toerana izay nofidian'ny Andriamanitrin'ny Israely hametrahana ny anarany, dia afaka mamono ny sasany amin'ny ondry aman'osiny izay nomen'i Yaveh azy ireo izy ireo.

Deuteronomy 12:23

Inona no nasaina nataon'ny Israely tamin'ny ràny eo amin'ny aina?

Tsy tokony hihinanan ny ràn'aina, fa tokony handraraka izany eo amin'ny tany tahaka ny rano.

Deuteronomy 12:26

Inona no nampianarina ny Israely mba ho halaina sy haleha any amin'ny toeranan izay nofidian'i Yaveh?

Ny Israely dia haka ireo zavatra voatokana izay ananan'izy ireo sy ireo raki-bolany amin'ny toerana izay nofidian'i Yaveh.

Aiza no hanoloran'ny Israely ireo fanatitra doran'izy ireo, ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamaniny?

Handeha any amin'ny toerana izay nofidian'i Yaveh mba hanolorana ny fanatitra doran'izy ireo, ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamaniny ny Israely.

Deuteronomy 12:28

Inona no nampianarina ny Israely hatao mba ho lavorary ny amin'izy ireo sy ny amin'ireo taranaka mandimby azy mandrakizay?

Ny Israely dia hitandrina sy hihaino ny teny rehetra iza andidian'i Yaveh azy ireo ary anao izay tsara sy marina eo imason'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo mba ho lavorary ny amin'izy ireo sy ireo taranaka mandimby azy ireo mandrakizay.

Deuteronomy 12:29

Inona no asain'i Yaveh tandreman'ny Israely rehefa mandringana ireo firenena tsy ho eo anoloan'izy ireo Andriamanitra sy rehefa mandeha mba haka azy ireo sy honina any amin'ny taniny ny Israely?

Ny Israely dia hitandrina mba tsy ho voafandrika hanaraka na hizaha ny andriamanitr'ireo firenena teo alohan'izy ireo.

Deuteronomy 12:31

Inona no nataon'ireo firenena hafa tamin'ireo zanany lahy sy zanany vavy mba hanompo ny andriamanitr'izy ireo?

Ny firenena hafa dia nandoro ny zanak'izy ireo lahy sy ny zanak'izy ireo vavy tamin'ny afo ho an'ireo andriamanin-kafa.

Deuteronomy 13

Deuteronomy 13:1

Nahoana ny vahoakan'ny Israely no tsy nihaino ny tenin'ny mpaminany na ny mpanofy izay nanome famantarana sy fahagagana ka nilaza hoe: "Andeha isika hanaraka ireo andriamanitra hafa, izay tsy mbola tsy fantarareo ary andeha tompointsika izy ireo."

Tsy nihano ny vahoaka satria nitsapa azy ireo i Yaveh mba hahafantarany raha tena tia azy amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy ireo.

Deuteronomy 13:4

Inona no tokony nataon'ireo vahoakan'ny Israely tamin'ireo mpaminany sy mpanonofy izay niteny azy ireo mba ganompo andrimanitra hafa?

Tokony ataon'izy ireo maty izany mpaminany sy mpanonofy izany.

Deuteronomy 13:8

Inona no natoro an'ireo vahoakan'ny Israely hatao amin'ireo izay mitaona azy ireo miafina ka manao hoe: "Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo:"?

Tokony hovonoin'izy ireo tokoa izay rehera mitaona azy ireo hanompo adriamanitra hafa.

Deuteronomy 13:10

Ahoana no tokony hamonoan'ny Israely ireo olona izay miezaka mitaona azy ireo hanalavitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo?

Tokony hitora-bato hahafaty izany olona izany izy ireo.

Deuteronomy 13:12

Inona no tokony hataon'ireo vahoakan'ny Israely raha mandre olona milaza fa nisy mpiara-belona ratsy fanahy niala teo amin'ny tanànan'izy ireo ary nanao hoe: "Andeha isika hanompo andriamanitra hafa?"

Tokony hanao fikarohana sy hanadihady lalina izany izy ireo, ary hijery raha marina izany.

Deuteronomy 13:15

Inona no tokony ataon'ny Israely amin'ny tanàna raha mandre ny fahamarinan'izany izy ireo fa ireo mponina dia milaza ny handehanana hanompo andriamanitra hafa?

Tokony hanafika ireo mponina ao amin'izany tanàna izany izy ireo miaraka amin'ny alalan'ny lelan-tsabatra ary handringana izany tanteraka.

Deuteronomy 13:17

Nahoana no tsy tokony hitranga amin'ireo zavatra natokana horavaina izany?

Tsy tokony hisy hiraikitra eo am-pelatan'ny Israely ireo zavatra ireo, mba hitsahatra amin'ny fahatezerany i Yaveh.

Deuteronomy 14

Deuteronomy 14:1

Inona no atoron'i Mosesy ny vahoakan'i Yaveh tsy hatao?

Ny tsy hitetehan'izy ireo ny tenany, na handratra ny faritry ny tarehin'izy ireo ho an'ny maty.

Deuteronomy 14:6

Inona avy ireo karazana biby izay azon'ireo Israelita hohanina?

Azon'ny Israely hohanina ny biby rehetra izay mivaky kitro sy madinika ihany koa.

Deuteronomy 14:8

Nahoana ny kisoa no tsy azo hohanina?

Maloto amin'ny Israelita ny kisoa satria mivaky kitro izy nefa tsy madinika.

Deuteronomy 14:9

Inona no karazan-javatra avy any anaty rano izay azon'ireo Israelita hohanina?

Azon'izy ireo hohanina avokoa izay rehetra misy vombony sy kirany.

Deuteronomy 14:18

Azon'ireo Israelita hohanina ve ireo zavatra izay manan'elatra sy mandady?

Ny zavatra manan'elatra, sy mandady rehetra dia maloto ho an'ireo israelita ka tsy tokony hohanina.

Deuteronomy 14:21

Mahazo mihinana zavatra maty ho azy ve ireo Israelita?

Tsy mahazo mihinana zavatra maty ho azy izy ireo, fa kosa afaka manome izany ho an'ny vahiny.

Inona no tsy tokony ataon'ireo Israelita amin'ny zanak'osy?

Tsy tokony hampangotraka zanak'osy amin'ny rononon-dreniny izy ireo.

Deuteronomy 14:22

Inona no ataon'ireo Israelita amin'ny vokatra rehetra amin'ny voan'izy ireo?

Tokony handoha ny ampahafolon'ny vokatry ny voany izy ireo.y divain'izy ireo vaovao, sy ny diloilony ary ny voalohan-teraky ny ombiny sy ny ondry aman'osin'izy ireo

Aiza no tokony hihinan'ireo Israelita ny ampahafolon'ny varin'izy ireo, n

Ny Israely dia tokony hihinana ny apahafolon'ny varin'izy ireo, ny divain'izy ireo vaovao, sy ny diloilony ary ny voalohan-terakin'ny ombiny sy ny osiny eo amin'ny toerana izay hofidiany ho fitoerana masina.

Deuteronomy 14:24

Inoa no azon'ireo Israelita atao amin'ny ampahafolon-karena raha lavitra loatra ny toerana izay hofidian'i Yaveh ho fitoerana masina?

Afaka ovain'izy ireo ho vola ny fanatitra, hamatotra ny vola eny an-tanany izy ireo, ary andeha any amin'ny toerana izay nofidian'i Yaveh raha lava loatra amin'izy ireo ny dia ka tsy ho zakan'izy ireo ny ampahafolon-karena.

Deuteronomy 14:26

Iza no tsy manana lova miaraka amin'ireo Israelita ary tsy tokony hafoy?

Ny Levita izay ao anatin'ny vavahadin'izy ireo no tsy hanana lova ary tsy tokony hafoy.

Deuteronomy 14:28

Inoa no asaina ataon'ireo Israelita isaky ny faran'ny isan-telo taona?

Amin'ny faran'ny isan-telo taona dia hanolotra ny ampahafolon'ny vokany rehetra amin'izany taona izany ho an'ny Levita izy ireo, ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena ireo Israelita.

Deuteronomy 15

Deuteronomy 15:1

Inona no tokony ataon'ireo Israelita isaky ny faran'ny isam-pito taona?

Isaky ny faran'ny isam-pito taona dia tokony anao fanafohanana trosa ireo Israelita.

Deuteronomy 15:4

Nahoana no tsy tokony hisy mahatra eo amin'ireo Israelita?

Hitahy azy ireo i Yaveh any amin'ny tany izay omeny ho an'ny Israelytahaka ny lova ho fananana.

Inona no hiseho amin'ireo Israelita mba hanehoana fa notahian'i Yaveh izy ireo?

Hampisambotra amin'ny firenena maro ny Israely, fa tsy hindrana; hanapaka amin'ny firenena maro ny Israely, fa ireo firenena hafa kosa tsy hanapaka ny Israely.

Deuteronomy 15:7

Inona no nasaina nataon'ireo Israelita raha nisy olona mahantra teo aminy?

Nasaina tsy nanamafy ny fony ireo Israelita na nanidy ny tanany amin'ireo rahalahiny mahantra.

Deuteronomy 15:9

Inona no tokony hotandreman'ireo Israelita tsy hatao rehefa akaiky ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana?

Tsy tokony handà ny hanome ireo rahalahy mahantra izy ireo amin'ny fotoana rehefa akaiky ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana.

Inona no havalin'i Yaveh ireo Israelita nohon'ny fanomezan'izy ireo ny vahoaka tamin'ny fotoana rehefa akaiky ny taona fahafito?

Hitahy ireo Israelita amin'ny asany rehetra sy ny zavatra izay apetrak'izy ireo eo an-tanany i Yaveh.

Deuteronomy 15:11

Nahoana no nodidina hanokatra ny tanany amin'ireo rahalahiny, amin'izay mila fanampiana ary ny mahantra amin'ny tanin'izy ireo ny Israely?

Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eo amin'ny tany.

Deuteronomy 15:12

Inona no asaina omen'ireo Israelita ny lehilahy Hebreo na ny vehivavy Hebreo izay navoaka an-kahalalahana tamin'ny taona fahafito?

Tokony hanome an-kahalalahana azy ireo ny ondry aman'osy, ny famoloan'ny vary ary ny famiazam-boaloboka araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamaniny ny Israelita izy ireo.

Deuteronomy 15:15

Inona no lazaina fa tokony ho tsaroan'ny Israelita raha manome ny iray ny fahalalana izy ireo?

Ireo Israelita dia tokony hahahhtsiaro fa andevo tany amin'ny tany Egypta izy ireo.

Inona hataon'ny Israelita amin'ny mpanompo lahy na mpanompo vavy izay miteny hoe: "Tsy hiala eo aminareo aho."?

Haka haolo ny Israelita ary hanevika ny sofin'ireo mpanompo eo am-baravarana, dia ho mpanompon'ny Israely mandrakizay izy ireo.

Deuteronomy 15:18

Nahoana no tsy tokony hosarotra ny amin'ny Israely ny fandefasana malalaka ny andevo?

Tsy tokony hosarotra izany satria efa nanompo azy ireo nandritra ny enina taona sy nanome avo roa heny ny vidin'ny olona karamaina izy.

Deuteronomy 15:19

Inona no tokony hataon'ny vahoakan'ny Israely amin'ny lahy voalohan-teraka eo amin'ny ombin'izy ireo sy ny ondriny?

Tokony hohanin'izy ireo eo anoloan'i Yaveh isan-taona isan-taona miaraka amin'ny ankohonan'izy ireo eo amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh ny voalohan-teraka.

Ataon'ireo Israelita inona ireo biby voalohan-teraka raha mandringa na jamba na inona na inona kilemany hafa?

Tsy hataon'izy ireo sorona ho an'i Yaveh izany, fa tokony hohanin'izy ireo ao anatin'ny vavahadiny.

Deuteronomy 15:22

Ataon'ireo Israelita inona ny ràn'ny voalohan-teraka izay kilemaina?

Tokony ararak'izy ireo eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràn'ny voalohan-teraka izay kilemaina.

Deuteronomy 16

Deuteronomy 16:1

Nahoana ireo Israelita no hitandrina ny volan'i Abiba sy hitandro ny Paska ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo?

Satria i Yaveh Izy no namoaka ny Israely tao Egypta nandritra ny alina tamin'ny volan'i Abiba.

Inona no hataon'ireo Israelita hitandremana ny Paska?

Hanao sorona ny sasany amin'ireo ondry aman'osy ary omby ao amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho fitoerana masina ireo Israelita.

Deuteronomy 16:3

Nahoana ireo Israelita no hihinana mofo tsy misy masirasira na hahitana lalivay eo amin'ny faritra rehetra misy azy ireo mandritra ny fito andro?

Tsy hihinana mofo tsy misy masirasira na hahitana lalivay izy ireo satria tampoka no nivoahan'izy ireo tao amin'ny tany Egypta .

Inona no hataon'ireo Israelita amin'ny hena rehetra izay nataon'izy ireo sorona tamin'ny hariva tamin'ny andro voalohany?

Ireo Israelita dia hanafoana ny hena rehetra nataon'izy ireo sorona tamin'ny ariva tamin'ny andro voalohany mba tsy ho tratra mandra-maraina izany.

Deuteronomy 16:5

Aiza ireo Israelita no hanao sorona ho an'ny Paska?

Hanao sorona eo amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh fa fitoerany masina izy ireo.

Rahoviana no hanaovana ny sorona ho an'ny Paska?

Ny sorona ho an'ny Paska dia hatao amin'ny hariva mileti-masoandro, amin'ilay andro iray anatin'ny taona izay novoahan'izy ireo tao Egypta.

Deuteronomy 16:7

Inona no hataon'ireo Israelita amin'ny voalohan'ny andro fahenina raha mankalaza ny Paska izy ireo?

Ireo Israelita dia hihinana mofo tsy misy masirasira mandritra ny enina andro.

Inona no hataon'ireo Israelita amin'ny andro fahafito raha mankalaza ny Paska iz ireo?

Amin'ny andro fahafito, dia hisy fivoriana manetriketrika izy ireo ary tsy hiasa.

Deuteronomy 16:9

Ahoana no hamaritan'ireo Israely ny fanombohan'ny Herinandro Firavoravoana ho an'i Yaveh?

Hanisa herinandro fito amin'ny fanombohana amin'ny fotoana hijinjany voalohany ny vary amin'ny antsy ijinjana izy ireo.

Fandraisana anjara inona no homen'ireo Israely amin'ny Herinandro Firavoravoana?

Tokony hanome an'i Yaveh fanati-tsitrapo araka izay nitahian'i Yaveh azy ireo izy ireo.

Deuteronomy 16:11

Inona no tokony hotsaroan'ny Israely rehetra, miaraka amin'ireo vahiny, mandritra ny Herinandro Firavoravoana?

Tokony hotsaroan'izy ireo fa andevo tany Egypta izy ireo.

Deuteronomy 16:13

Firavoravoana inona no tokony hotandreman'ireo Israelita mandritra ny fito andro aorian'ny fanangonan'izy ireo vokatra avy amin'ny famoloana sy ny famiazan'ireo Israelita?

Hitandrina ny Fetin'ny Fialofana mandritra ny fito andro aorian'ny fanangonan'izy ireo ny vokany izy ireo.

Deuteronomy 16:16

Iza amin'ireo Firavoravoana telo no hisehoan'ireo lahilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny toerana izay nofidian'i Yaveh?

Hiseho eo anatrehan'i Yaveh izy ireo amin'ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira, amin'ny Herinandron'ny Firavoravoana, ary amin'ny Fetin'ny Tabernakely.

Inona no homenen'ireo lehilahy Israelita an'i Yaveh fa kosa tsy ho avy an-tanam-polo?

Ny lehilahy Israelita rehetra dia hanome araka izay tratrany ho an'i Yaveh.

Deuteronomy 16:18

Aiza no ahitan'ireo Israelita ny mpitsara azy ireo sy ny manampahefany?

Ireo mpitsara sy ireo manampahefana dia ho alaina amin'ny isam-pokon'izy ireo mba hitsara ny vahoaka amin'ny fitsara marina.

Nahoana ireo mpitsara sy manampahefana no tsy haka an-keriny na haneho fitanilana na handray kolikoly?

Satria ny kolikoly dia mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny fahamarinana.

Inona no tombony azon'ireo mpitsara sy manampahefana izay manaraka ny fahamarinana?

Tokony hanaraka ny fitsaràna dia ny fitsarana irery izy ireo, mba hahafahan'izy ireo miaina sy mandova ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo.

Deuteronomy 16:21

Inona no tsy hatsangan'ireo Isreaelita ho azy ireo?

Tsy hanangana Aseraha, na karazana bao, na andrim-bato izy ireo.

Deuteronomy 17

Deuteronomy 17:1

Nahoana no tsy tokony hanao sorona omby na ondry izay misy kilema na zavatra ratsy ho an'i Yaveh ireo Israelita?

Fahavetavetana ho an'i Yaveh izany raha manao sorona biby misy kilema na zavatra ratsy izy ireo.

Deuteronomy 17:2

Inona no nasaina nataon'ireo Israelita raha mandre izy ireo fa misy lehilahy na vehivavy ao amin'ny tanànan'izy ireo nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh?

Nasaina nanao fanadihadiana tsara izy ireo mba hahafantarany raha marina ary azo antoka izany.

Deuteronomy 17:5

Inona no asaina ataon'ireo Israelita amin'ny lehilahy na vehivavy izay nanao zavatra ratsy toy ny fanompoana andriamanin-kafa na fiankohofana eo amin'izy ireo?

Hitora-bato hahafaty azy iroe ireo Israelita.

Vavolombelona firy no ilaina handresy lahatra ny olona ho faty?

Vavolombelona roa na telo no ilaina handresy lahatra ny olona ho faty.

Iza no hitora-bato voalohany rehefa mametraka ny olona ho faty?

Ny tanan'ny vavolombelona no voalohany hitora-bato, arahin'ireo ambiny amin'ny vahoakan'ny Israely.

Nahoana ireo Israelita no hitoraka ny olona izay nanao izay zava-dratsy tamin'ny fanompoana ireo andriamanin-kafa ho faty?

Hanala ny ratsy izay eo amin'izy ireo izany.

Deuteronomy 17:8

Iza no hitsara raha manan'olana izay sarotra amin'izy ireo no hitsara azy ireo Israelita?

Aoka handeha any amin'ireo mpisorona sy ireo Levita ary any amin'ny mpitsara izay tompon'anjara amin'izany fotoana izany izy ireo mba hitady ny hevitr'ireo mpisorona.

Deuteronomy 17:12

Olona manao ahoana no ho faty hanalana ny ratsy amin'ny Israely?

Na iza na iza miavonavona sy tsy mihaino ny mpisorona, na tsy mihaino ny mpitsara, dia ho faty hanala ny ratsy amin'ny Israely.

Deuteronomy 17:14

Iza no hampitoerin'ireo Israelita ho mpanjaka eo amin'izy ireo amin'ny fotoana rehefa any amin'ny tany izy ireo?

Ireo Israelita dia haka olona eo amin'ireo rahalahiny izay hosafidian'i Yaveh.

Deuteronomy 17:16

Nahoana no tsy mahazo manamaro soavalyho an'ny tenany ny mpanjakan'ny Israely, na hahatonga ny vahoaka hiverina any Egypta mba hahafahan'ny mpanjaka manamaro ireo soavaly?

Tsy mahazo manamaro soavaly hoa an'ny tenany na hahatonga ny vahoaka hiverina any Egypta izy satria niteny tamin'ireo Israelita i Yaveh mba tsy hiverina amin'izany lalàna izany intsony.

Nahoana ny mpanjaka no milaza fa tsy mahazo manamaro vady ho an'ny tenany izy?

Tsy mahazo manamaro vady ho an'ny tenany izy mba tsy hiodinan'ny fony hanalavitra an'i Yaveh.

Deuteronomy 17:18

Inona no nasain'ny mpanjaka tandremana ho azy ary vakiana mandrintra ny androm-piainany rehetra, mba hianaran'izy ireo manaja an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary hitànany sy hitandremany ireo teny rehetran'ireo didy aman-lalàna?

Hanoratra ho an'ny tenany dika mitovy amin'ny lalàny izy izay hijanona miaraka aminy sy hovakian'ny tenany amin'ny andro rehetra hiainany.

Deuteronomy 17:20

Nahoana ny mpanjaka no nasaina hitandrina ny horonan-taratasin-dalàna miaraka aminy?

Hitandrina ny horonan-taratasasy miaraka aminy izy mba tsy hireharehan'ny fony amin'ireo rahalahiny, ary mba tsy hiviliany amin'ireo didy.

Deuteronomy 18

Deuteronomy 18:1

Nahoana ireo Levita mpisorona no tokony hihinana ireo fanatitr'i Yaveh toy ny lovan'izy ireo?

Tokony hihinana ireo fanatitr'i Yaveh ireo Levita mpisorona satria tsy tokony mahazo lova eo amin'ireo rahalahiny izy ireo.

Deuteronomy 18:3

Inona no homena ny ireo mpisorona avy amin'ny soron'ny vahoaka?

Ireo mpitsara dia homena ny soroka, ny takolaka roa, sy ireo atin'ny omby sy ny ondry ary ireo voaloham-bokatry ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ary ny volon'ondry avy amin'ireo soron'ny vahoaka.

Nahoana ireo mpisorona no heverina fa handray ny ampahany avy amin'ny soron'ny vahoaka?

Handray ny ampahany amin'izany izy ireo satria i Yaveh no nifidy azy ireo mba hijoro sy hanompo amin'ny anaran'i Yaveh.

Deuteronomy 18:6

Rahoviana ny Levita no afaka manompo eo amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh ho fitoerany masina?

Afaka manompo eo amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh ho fitoerany masina ny Levita rehefa nivoaka avy tany amin'ny vavahadin'ny tanànan'ny Israely miaraka amin'ny fanirian'ny fanahiny hanompo an'i Yaveh.

Deuteronomy 18:9

Inona avy ireo fahavetavetana narahin'ireo firenena?

Ny sasany amin'ireo fahavetavetana dia nahatonga ny zanak'izy ireo handalo afo, nampiasa sikidy, misikidy, mampiasa ody ary miresaka amin'ny maty na miresaka amin'ireo fanahy.

Deuteronomy 18:12

Nahoana i Yaveh no handroaka ireo firenena amin'ny tany?

Handroaka ireo firenena amin'ny tany i Yaveh sattria izy ireo dia mihaino ireo izay manao ody sy sikidy.

Deuteronomy 18:15

Iza no nampanantenain'i Yaveh fa hoatsangany avy amin'ny vahoaka?

Nampanantena i Yaveh fa hanangana mpaminany tahakan'i Mosesy amin'ny ho avy eo amin'ny Israely.

Deuteronomy 18:20

Inona no hahafaty ny mpaminany?

Ho faty ny mpaminany raha milaza teny ampireharehana amin'ny anaran'i Yaveh, teny izay tsy nandidian'i Yaveh mba holazainy, na miteny amin'ny anaran'ireo andriamanitra hafa.

Deuteronomy 18:22

Inona no dikany raha tsy tanteraka ny faminaniana nolazaina tamin'ny anaran'i Yaveh?

Raha tsy tanteraka ny faminaniana, ny faminaniana dia zavatra izay tsy nolazain'i Yaveh.

Deuteronomy 19

Deuteronomy 19:1

Nahoana i Yaveh no nanoro ny vahoaka mba hifidy tanàna telo teo afovoan'ny tany?

Nanoro ny olona mba hidify tanàna telo Izy mba ahafahan'ny tsirairay izay mamono olon-kafa mandositra.

Deuteronomy 19:4

Inona no vatsy izay ataon'i Yaveh ho an'y olona izay mamono tsinahy ny mpara-belona aminy,ary tsy nankahala azy teo aloha?

Hanome tanàna telo ho fialofana i Yaveh ho an'izay lehilahy handositra sy hipetraka any.

Deuteronomy 19:6

Nahoana ilay iray izay mamono ny hafa no tokony handositra any amin'ny tanànan'ny fialofana?

Tokony handositra mba tsy hanenjika amp-pahatezerana, hanatratra ka hamono azy ireo havana nodimandry.

Deuteronomy 19:8

Inona avy ireo fepetra mba hanamaroana ireo tanàna fialofana?

Raha manitatra ny fari-tanin'izy ireo i Yaveh, dia tokony hanamaro ireo tanàna fialofana izy ireo.

Deuteronomy 19:11

Inoa no hiseho raha mankahala ny mpiara-belona aminy ny olona, manomana tetika hamonoana azy, mandratra azy mba ho faty, ary avy eo mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna fialofana?

Ireo loholon'ny lehilahin'ny tanàna dia hàka sy hitondra azy hiverina any amin'ny mpamaly faty mba ho faty izy toy ny famaizana ny tsy manan-tsiny eo amin'ny Israely.

Deuteronomy 19:15

Vavolombelona firy no ilaina mba hanamarinana ny zavatra?

Tena ilaina raha vavolombelona roa na telo no miteny hanamarinana zavatra.

Deuteronomy 19:17

Inoa no tokony atao rehefa misy tsy fiombonan-kevitra eo amin'ny lehilahy roa?

Ary ireo lehilahy roa, izay misy tsy fiombonan'kevitra, dia tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara izay mpanompo tamin'iany andro izany. Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina; hijery, raha sandoka ny vavolombelona ary raha mijoro vavolombelona tsy marina amin'ny rahalahiny.

Inona no tsy maintsy atao raha diso ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona?

Raha diso ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona, dia tsy maintsy atao aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny.

Deuteronomy 20

Deuteronomy 20:1

Nahoana ireo vahoakan'ny Israely no tsy tokony hatahotra rehefa hivoaka hiady hanohitra ireo fahavalon'izy ireo?

Tsy tokony hatahotra izy ireo satria i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra azy ireo niakatra ny tany Egypta, no hiarak amin'izy ireo.

Deuteronomy 20:2

Inona no tsy maintsy hitranga rehefa eo ampototry ny ady ireo vahoakan'ny Israely?

Ny mpisorona dia tsy maintsy hiteny amin'ny vahoaka ary hilaza azy ireo mba tsy hatahotra, fa i Yaveh dia miaraka amin'izy ireo hiady ho azy ireo.

Deuteronomy 20:5

Inona no tokony ataon'ny lehilahy raha nanao trano vaovao izy ary tsy mbola niotkana izany?

Tokony hiverina any an-tranony izy mba tsy ho faty an'ady ka lehilahy hafa indray no hitokana izany.

Deuteronomy 20:6

Inona no tokony ataon'ny lehilahy ra nifamofo tamim-behivavy izy ka tsy mbola nanam-bady azy?

Tokony hiverina izy ary hanambady azy mba tsy ho faty an'ady ka lehilahy hafa indray no hanambady azy.

Deuteronomy 20:10

Inona no hitranga raha manaiky ny tolo-pihavanana ny vahoaka any amin'ny tanàna lavitra rehefa manafika izany ny Israely?

Ny vahoaka rehetra eo an-tanàna dia ho tonga andevo sy hanompo ny Israely.

Deuteronomy 20:12

Inona no hitranga raha tsy manaiky ny tolo-pihavanana ny tanàna, nefa hamaky ady amin'ny Israely?

Hanafika izany ny Israely ary rehefa manome fandresena ny Israely i Yaveh dia hamono ny lehilahy rehetra ao amin'ilay an-tanàna izy ireo.

Deuteronomy 20:16

Nahoana no tsy maintsy handrava ny zavatra rehetra izay manam-pofon'aina eo amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ho lova ny vahoaka?

Tsy maintsy handrava ny zavatra rehetra izy ireo mba tsy hampianaran'ny vahoakan'ny tany azy ireo ny fandehanana amin'ny fahavetavetana sy hanota hanohitra an'i Yaveh.

Deuteronomy 20:19

Inona no tokony ataon'ireo Israely amin'ireo hazo ao amin'ny tanàna izay notafihan'izy ireo?

Tsy tokony hanapaka ireo hazo izay ampiasaina amin'ny sakafo ny Israely, fa afaka manapaka ireo hazo izay tsy ampiasaina amin'ny sakafo mba hananganana fiarovana manohitra ny tanàna.

Deuteronomy 21

Deuteronomy 21:1

Inona no tokony hitranga raha misy olona hita faty mandry eo amin'ny saha ary sy fantatra izay nanafika azy?

Ireo loholona sy mpitsara dia tokony handrefy mba hamantarana ireo tanàna izay manodidina an'ilay olona novonoina.

Deuteronomy 21:5

Ahoana no tian'i Yaveh hamalian'ireo vahoakan'ny Israely ny tenin'ny mpisoron'izy ireo?

Tian'i Yaveh mba hanaiky ny tolo-kevitr'ireo mpisorony toy ny didim-pitsaràna amin'ny fifamaliana rehetra sy amin'ny fanandratana izy ireo.

Deuteronomy 21:6

Fombafomba inona no tsy maintsy ataon'ireo loholona izay akaikin'ilay olona novonoina mba ho voavela ny helokin'ny ràny?

Ireo loholona ao an-tanàna dia tokony hanasa ny tanan'izy ireo eo amin'ilay ombivavikely izay voaolana ny tendany ary niteny hoe: "Ny tananay dia tsy mandatska ny ràny, ary tsy nahita izany ny masonay."

Deuteronomy 21:10

Inona no nambaran'i Mosesy tamin'ny vahoakan'ny Israely mba hatao rehefa andeha hiady hanohitra ireo fahavalony ary hanome fandresena azy ireo i Yaveh?

Notenenina izy ireo mba hihazona iireo fahavalony ho babo.

Ahoana no hamalian'ny lahilahy Israelita ireo vehivavy izay azo ho babo?

Raha mahita vehivavy tsara tarehy izay iriany ho alaina vady ny lehilahy, dia ho entiny any an-trano izy mba hahafahany manaratra ny lohany ary manapaka ny hohony.

Deuteronomy 21:13

Hafiriana ny vehivahy babo no hisaona ny reniny sy ny rainy?

Hijanona hisaona ho an'ny rainy sy ny reniny mandritra ny iray volana izy mialohan'ny hahalasa azy ho vadin'ny lahilahy.

Ahoana no hitondran'ny lehilahy Israelita ny babo izay nalainy vady ary raha tsy hahazoany fahafinaretana?

Tsy maintsy alefany mandeha izy fa tsy hamidiny hahazoany vola.

Deuteronomy 21:15

Raha manana vady roa ny lehilahy, ary halany ny iray izay niteraka ho azy ny zanaka lahimatoa, ahoana no tokony hizarany izay ananany amin'ireo mpandova azy?

Izany lehilahy izany dia tsy maintsy manaiky izay zanaka lahimatoan'ilay vady nankahalainy amin'ny fanomezana azy anjaran-droa amin'izay fananany rehetra.

Deuteronomy 21:18

Ahoana no tsy maintsy anaovan'ny lehilahy ny zanany mafy loha sy mpikomy raha tsy mankatoa ny feon'ny rainy na ny reniny izy?

Ny lehilahy sy ny vadiny dia hitondra ny zanany any amin'ny loholona any amin'ny vavahadin'ny tanàna.

Deuteronomy 21:20

Inona no holazain'ny ray sy renin'ilay zaza mpikomy amin'nireo loholona eo amin'ny tanànany.

Ny ray sy ny renin'ilay zaza mpikomy dia hilaza amin'ireo loholona hoe: "Ity zanakay ity dia zaza mafy loha sy mpikomy, tenda-kanina sy mpimamo ary tsy mankatoa ny feonay."

Nahoana no tsy maintsy hamalian'ireo loholon'ny tanàna amin'ny fitoraham-bato ny zanaka ho faty?

Tsy maintsy mitora-bato ny zanaka ho faty izy ireo mba hanalana ny ratsy eo amin'izy ireo, ary hampatahotra ny Israely amin'ny fihainoana izany.

Deuteronomy 22

Deuteronomy 22:1

Inona no asain'i Mosesy ataon'ny vahoakan'ny Israely rehefa mahita biby fiambin'ny Israelita mandeha amin'nyb lalan-diso izy ireo?

Tsy tokony hoentin'izy ireo any amin'ny trano fonenany ny biby, fa hoaveriny any amin'ireo Israelita mpiambina.

Deuteronomy 22:3

Inona no asain'i Mosesy ataon'ny vahoakan'ny Israely rehefa mahita biby fiambin'ny Israely mianjera amin'ny lalana izy ireo?

Tokony hanampy ny Israelita mpiambina mba hanarina izany indray izy ireo.

Deuteronomy 22:5

Fitondrantena inona no ataon'i Yaveh fa fahavetavetana?

Rikoriko i Yaveh rehefa manao fitafin-dehilahy ny vehivavy na manao fitafim-behivavy ny lehilahy.

Deuteronomy 22:6

Inona no tokony ataon'ny vahoakan'ny Israely raha mahita ny renim-borona ao anaty akaninim-borona miaraka amin'ny zanany na mipetraka eo amin'ireo atody?

Tsy maintsy avelan'izy ireo mandeha ny reniny, fa ireo zanany dia afaka alain'izy ireo ho azy.

Deuteronomy 22:8

Inona no notakiana rehefa anao trano ny Israelita?

Notakiana fa tokony asina aro-fanina ny tafony mba tsy hitondrany ny rà ao an-tranony raha misy olona mianjera amin'izany.

Deuteronomy 22:9

Nahoana ireo Israelita no natoro tsy hamboly ny tanim-boalobok'izy ireo miaraka amin'ny karazana voa roa?

Tsy hamboly miaraka amin'ny karazana voa roa izy ireo mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra.

Deuteronomy 22:18

Inona no tsy maintsy hitranga raha nanao fanamelohana tsy marina hanohitra ny vadiny ny lehilahy?

Ireo loholona ao an-tanàna dia hanafay azy amin'ny fanonerana azy sekely volafotsy zato izay tokony homeny ny rain'ny vadiny ary tsy afaka misaraka amin'ny vadiny ny lehilahy.

Deuteronomy 22:20

Inona no tokony hiseho raha tsy hita ilay porofo maha-virijiny ny vadiny?

Raha tsy hita ilay porofo maha-virijiny, dia tsy maintsy hoentina izy ary tsy maintsy hotoraham-bato satria nanao fihetsika maharikoriko izy.

Deuteronomy 22:22

Inona no tsy maintsy hitranga raha misy lehilahy hita mandry miaraka amin'ny vehivavy manambady amin'ny lehilahy hafa?

Tsy maintsy toraham-bato ho faty hanalana ny ratsy izy roa dia ilayl lehilahy sy ilay vehivavy.

Deuteronomy 22:23

Nahoana ny vahoak'ny Israely no nampianarina mba hitora-bato ny vehivavy virijiny iray izay mivady amin'ny lehilahy iray sy lehilahy iray hafa raha tratra miara-mandry izy ireo?

Nampianarina mba hitora-bato ary ireo izy ireo satria ilay vehivavy dia tsy nitomany rehefa tao an-tanàna izy ary ilay lehilahy dia nanalabaraka ny vadin'ny mpiara-belona Israelita.

Deuteronomy 22:25

Inona no tsy maintsy hitranga raha hanery ilay vehivavy mba hiara-mandry aminy ilay lehilahy rehefa eny an-tsaha izy ireo?

Raha mitranga any an-tsaha izany, dia tsy maintsy ho faty ilay lehilahy, fa tsy hanaovana na inona na inona ilay vehivavy satria hitany teny an-tsaha izy ka tsy nisy olona afaka namonjy azy teny.

Deuteronomy 22:28

Inona no tsy maintsy hitranga raha misy lehillahy mandry miaraka amin'ny vehivavy virijiny iray, nefa tsy mbola fofombadin'olona ka tratra izy ireo?

Ilay lehilahy dia tsy maintsy hanome sekely volafotsy dimam-polo amin'ny rain'ilay vehivavy ary haka avy ilay vehivavy fa tsy hisaraka aminy.

Deuteronomy 22:30

Nahoana no tsy tokony maka ny vadin-drainy ho azy manokana ny lehilahy iray?

Tsy tokony maka ny vadin-drainy ho azy manokana ny lehilahy iray satria tsy tokony maka ny zon'ny fanambadin'ny rainy izy.

Deuteronomy 23

Deuteronomy 23:1

Iza no tsy mahazo miditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh?

Tsy mahazo miditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh ireo lehilahy izay naratra tamin'ny fanesorana na fanapahana ny filahiany, na zazasary.

Deuteronomy 23:3

Nahoana no tsy misy na Amonita na Moabita mahazo miditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh?

Tsy mahazo miditra ao amin'ny fiangonana izy ireo satria izy ireo dia tsy nitsena ireo Israelita tamin'ny mofo sy rano teny amin'ny lalana rehefa nivoaka avy tany Egypta izy ireo ary nankarama an'i Balama izy ireo mba hanozona azy ireo.

Deuteronomy 23:5

Inona no porofo naneho fa tsy hihaino an'i Balama i Yaveh?

Navadik'i Yaveh ho fitahiana ilay ozon'i Balama.

Deuteronomy 23:7

Taiza no nahazoan'ireo Edomita sy Egyptiana niditra tao amin'ny fiangonan'i Yaveh?

Nahazo niditra tao amin'ny fiangonan'i Yaveh ny Edomita satria mpiara-belona tamin'ny Israely izy ary nahazo niditra tao amin'ny fiangonan'i Yaveh ny Egyptiana satria ny Israely dia vahiny tany amin'ny taniny.

Deuteronomy 23:9

Ahoana no hahatonga ny lehilahy iray tao amin'ny Israelita izay tonga naloto noho ny zavatra nitranga taminy tamin'ny alina hadio indray ka nahafahany niverina tao amin'ny toby?

Afaka manasa ny tenany amin'ny rano izy amin'ny hariva ary dia afaka miverina ao amin'ny toby.

Deuteronomy 23:12

Nahoana i Yaveh no nanome fampianarana ny vahoakan'ny Israely amin'ny aiza sy ahoana no hanaovan'izy ireo maloto?

Nandeha teny afovoan'ny tobin'izy ireo i Yaveh, noho izany dia tokony ho masina ny toby mba tsy hahitan'i Yaveh zavatra maloto ka hivadihany amin'izy ireo.

Deuteronomy 23:15

Ahoana ireo fampianarana izay nomen'i Yaveh momba ireo andevo hafa?

Ny andevo izay nitsoaka avy any amin'ny Tompony dia tsy tokony haverina any, fa avelao izy hiaina miaraka amin'izy ireo na aiza na aiza tanàna fidiany.

Deuteronomy 23:17

Nahoana no tsy navelan'i Yaveh hisy mpijangangajanga na Sodomita eo amin'ireo Israelita na namela ny karamani'izy ireo hampiasaina atao voady ao an-tranony?

Rikoriko tamin'ny zavatra rehetra izay nifandray tamin'ny fitondran-tena ratsin'ireo mpijangajanga sy ireo Sodomita i Yaveh.

Deuteronomy 23:19

Nanao ahoana ny politikan'ny fampindramam-bola samihafa rehefa nanahirana ireo vahiny ny teo amin'ireo Israelita namana?

Tsy tokony haka tombony amin'ireo Israelita namany izy ireo, fa kosa hampindrana hakàna tombony amin'ireo vahiny.

Deuteronomy 23:21

Manao ahoana ny halebiazan'ny fahatanterahan'ny voady natao amin'ny i Yaveh teo amin'ny Israelita?

Tsy tokony hiraikiraiky ny Israelita amin'ny fanatanterahana vaody amin'i Yaveh, fa handinika izay nampanatenainy tami'ny vavany mba tsy hanota hanohitra an'i Yaveh izy.

Deuteronomy 23:24

Manao ahoana ny halehiben'ny fampianarana avy amin'i Yaveh momba ny zavatra azon'ireo Israelita hohanina avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny sahan'ireo mpiara-monina amin'izy ireo?

Afaka mihinana ny voaloboka avy amin'ny tanimboalobokin'ny mpiara-belona aminy izy ireo raha mbola tsy nametraka tao amin'ny fitoeran-javatra ary afaka hioty salohim-bary avy amin'ny mpiara-belona azy ireo raha mbola tsy nampiasana antsy fijinjina.

Deuteronomy 24

Deuteronomy 24:1

Ahoana no amelan'i Yaveh ny lehilahy hisarabady?

Raha misy lehilahy mahita zavatra tsy mety eo amin'ny vadiny, dia afaka manoratra taratasy fisaraham-panambadiana, mametraka izany eo an-tanany, ary mandroaka azy ao an-tranony izay hahaahany mandeha sy ho vadin'ny lehilahy hafa.

Deuteronomy 24:3

Inona no tsy ankasitrahan'i Yaveh raha manoratra taratasy fisaraham-panambadiana ho azy indray ilay vadiny faharoa ary mandroaka azy o an-trano na raha maty izy?

Tsy ankasitrahan'i Yaveh ny hangalan'ilay vadiny voaloha izay nadroaka indray ho vadiny.

Deuteronomy 24:5

Inona avy ireo tombotsoa ho an'ny lehilahy izay nampaka-bady vaovao?

Tsy tokony handeha an'ady na baikona handeha anao asa an-terivozona izy, fa afaka mipetraka ao an-trano mandritra ny herin-taona izy mba hampifaly ny vadiny vaovao.

Deuteronomy 24:6

Nahoana no tsy nisy lehilahy afaka maka fikosoham-bary na ny vatony ambony ho antoka?

Tsy misy lehilahy afaka maka ireo, fa izany dia maka ny ain'olona ho antoka.

Deuteronomy 24:7

Inona no toe-javatra rehefa ambara ny lehilahy iray fa mpangalatra ary tokony ho faty

Ambara fa mpangalatra ary tokony ho faty ny lehilahy iray rehefa maka an-kerina ny iray amin'ireo Israelita rahalahiny ary manao azy ho toy ny andevo ary mivarotr azy.

Deuteronomy 24:8

Teny fampitandremana avy amin'i Yaveh momba ny habokana inona no nampitain'i Mosesy tamin'ny vaokan'ny Israely?

Mosesy niteny tamin'ny vahoakan'ny Israely mba hanara-maso tsara ny toromarika rehetra izay nomen'i Yaveh ireo mpisorona sy ireo Levita amin'ny fitandremana amin'ny areti-mandringana habokana.

Deuteronomy 24:10

Famerana inona no nomena raha misy fampisamboran-javatra eo amin'ny mpiara-belona?

Rehefa misy fampisamboran-javatra amin'ny mpiara-belon, dia tsy hiditra any an-tranony mba haka antoka izy ireo, fa hijoro eo ivelany ary hiandry ilay lehilahy izay nampindramina ary hitondra ilay antoka hivoaka.

Deuteronomy 24:12

Inona no hiseho raha mahantra ilay lehilahy izay nanome ny antoka?

Raha mahantra ilay lehilahy, dia tsy hatory hiaraka amin'ilay antoka amin'ny lovany ilay lehilahy nanome fampisamboran-javatra, fa hanafaka ny antoka amin'ny fotoana hiletehan'ny masoandro ka mba hatorizany amin'ny lambany.

Deuteronomy 24:14

Inona no tsy maintsy ataon'ny vahoakan'ny Israely mba tsy ampahoriany ny mpanompo nokaramaina izay mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana?

Tsy maintsy manome isan'andro ny karamany izy ireo satria mahantra izy ary miandrandra izany.

Deuteronomy 24:16

Ahoana no nanazavan'i Yaveh fa ny tsiairay dia tompon'andraikitra amin'ny fahotany manokana?

Yaveh nilaza tamin'ny vahoakan'ny Israely fa ireo ray aman-dreniny dia tsy tokony hovonoina noho ny fahotan'ny zanak'izy ireo ary ny znaka dia tsy tokony hovonoina noho ny fahotan'ireo ray aman-dreniny.

Deuteronomy 24:17

Nahoana ireo vahoakan'ny Israely no nahatsiaro ny momban'ny fotoana nanandevoana tany Egypta sy ny fomba namonjen'i Yaveh azy ireo tany?

Nahatsiaro izy ireo fa tsy tokony hampiasa hery mba hanalana ny rariny amin'ny vahiny na ny kamboty, na haka ny lambann'ny mpitondratena ho antoka.

Deuteronomy 24:19

Inona no nandidiana ny vahoakan'ny Israely mba hataony rehefa mijinja ny vokatra ao amin'ny sahany izy ireo ary manozongozona ny hazon'olivan'izy ireo?

Rehefa mijinja ny vokatra ao amin'ny sahany ireo vahoakan'ny Israely ka tsy niverina na nanadino ny amboara iray tany an-tsaha na nanintsana ny hazo olivan'izy ireo fanindroany, fa namela izany ho an'ireo vahiny, ny kamboty, ary ny mpitondratena.

Deuteronomy 25

Deuteronomy 25:1

Ahoana no hamahan'ny mpitsara ny fifamaliana eo amin'ny lehilahy roa ao amin'ny fitsarana?

Hanafaka ilay marina izy ary hanameloka ny ratsy fanahy ho kapohina eo anatrehany.

Deuteronomy 25:3

Nahoana ny mpitsara no hametra ny isan'ny kapoka ho azon'ny ratsy fanahy?

Hametra ny isan'ny kapoka mba tsy hihoatra ny efa-polo izy ireo mba tsy ho afa-baraka ilay ratsy fanahy.

Deuteronomy 25:5

Fiarovana inona no hangonin'i Yaveh mba tsy ho levona eo amin'ny Israely ny anaran'ny lehilahy iray?

Raha misy mpirahalahy ka maty ny iray ary tsy nanan-janaka lahy; dia tsy maintsy alain'ny rahalahiny ho vadiny ilay mpitondratena mba hahombiazan'ilay teraka voalohany izay nentiny tao an-kibo amin'ny anaran'ilay rahalahin'io lehilahy izay maty io.

Deuteronomy 25:9

Inona no famaizana omen'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely raha tsy maniry ny haka ny vadin'ny rahalahiny ny rahalahin'ilay lehilahy maty?

Ny vadin'ny rahalahiny dia ho eo anatrehan'ireo loholona hanala ny kapany, sy handrora amin'ny tarehiny, ary hiteny azy izay atao rehefa tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny ny lehilahy iray.

Deuteronomy 25:15

Inona no karazana fihetsika tsy am-pahamarinana izay fahavetavetana eo anatrehan'i Yaveh?

Fahavetavetana amin'i Yaveh ny fananan'ny lehilahy iray lanja lehibe sy kely handrefesana noho ny vatomizana tonga lafatra sy marina.

Deuteronomy 25:17

Nahoana no tsy maintsy mamono ny fahatsiarovana ny Amalekita eo ambanin'ny lanitra ny vahoakan'ny Israely?

Satria ny Amalekita dia tsy nanome voninahita an'Andriamanitra rehefa nihaona tamin'ny Israely teny an-dalana sy nanafika ireo izay reraka sy sasatra tany aoriany raha nivoaka an'i Egypta izy ireo.

Deuteronomy 26

Deuteronomy 26:1

Inona no tsy maintsy ataon'ny vahoakan'ny Israely rehefa mahazo ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ho lova izy ireo?

Ny vahoakan'ny Israely dia tsy maintsy haka ny sasany amin'ny voaloham-bokatra rehetra ao amin'ny tany ao anaty harona ary andeha any amin'ny toerana izay nosafidian'i Yaveh ho fitoerany masina.

Deuteronomy 26:3

Inona no tsy maintsy tenenin'ny vahoakan'ny Israely amin'ny mpisorona rehefa manome azy ny harona izy ireo?

Ireo vahoakan'ny Israely dia tsy maintsy hiteny aminy hoe: "Miaiky an'i Yaveh aho ankehitriny fa izaho dia avy any amin'ny tany izay nianianany homena ireo razambenay."

Deuteronomy 26:5

Inona no tsy maintsy hilazan'ny vahoakan'ny Israely ny razamben'izy ireo?

Ny vahoakan'ny Israely dia tsy maintsy hilaza fa ny razamben'izy ireo dia Syriana mienjienjy.

Deuteronomy 26:6

Ahoana no fomba nitondran'ireo Egyptiana ireo Israelita fony izy ireo tany Egypta?

Nanao ratsy fitondra ireo Israelita sy nampahory azy izy ireo, nampanao azy ireo ny asan'ireo andevo.

Deuteronomy 26:8

Ahoana no nitondran'i Yaveh ny Israely nivoaka avy tay Egypta?

Tanana mahery no nitondrany azy ireo nivoaka, miaraka amin'ny faninjirana sandry; sy tamin'ny fampahoriana lehibe, tamin'ny famantarana, ary tamin'ny fahagagana.

Deuteronomy 26:10

Inona no tanjona tamin'ny fametrahana ny harona teo anatrehan'i Yaveh?

Ny tanjona dia ny hanompoana an'i Yaveh sy hiderana azy amin'ny zava-tsoa rehetra izay nataony tamin'ny Israely, tamin'ny ankohonany, tamin'ny Levita, ary tamin'ny mpivahiny teo amin'izy ireo.

Deuteronomy 26:12

Inona no tsy maintsy ataon'ny vahoakan'ny Israely aorian'ny fanomezan'izy ireo ny ampahafolon-karenany rehetra avy amin'ny vokany?

Ny vahoakan'ny Israely dia tsy maintsy hanome izany ho an'ny Levita, ho an'ny mpivahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena mba hahafahan'izy ireo mihinana ka ho voky.

Deuteronomy 26:14

Inona no tian'ny vahoakan'ny Israely ho ataon'i Yaveh amin'izy ireo?

Tian'ny vahoakan'ny Israely hojeren'i Yaveh avy eny amin'ny lanitra sy hotahiany izy ireo ao amin'ny tany izay nomeny azy ireo.

Deuteronomy 26:16

Inona no nandidian'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely ho atao?

Nandidy ny vahoakan'ny Israely mba hankatoa ireo lalàna sy didiny amin'ny fon'izy ireo manontolo sy ny fanahin'izy ireo manontolo Izy.

Inona no nampiaiky ireo vahoakan'ny Israely teo anatrehan'ni Yaveh?

Niaiky izy ireo fa i Yaveh dia Andriamanitr'izy ireo ary handeha amin'ny lalany izy ireo, hitandrina ireo didiny, ary hihaino ny feony.

Deuteronomy 26:18

Inona no nampaneken'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely?

Nampaneken'i Yaveh fa Israely dia lovany manokana ary ho hataony ho ambony noho ireo firenena hafa amin'ny fahazoana dera, laza, ary voninahitra mba ho vahoaka izay masina ho azy.

Deuteronomy 27

Deuteronomy 27:1

Inona no nandidian'i Mosesy sy ireo loholon'ny vahoakan'ny Israely mba hotandremana?

Mosesy sy ireo loholon'ny vahoakan'ny Israely dia nandidy ny vahoakan'ny Israely mba hitandrina ny didy rehetra izay andidian'i Mosesy azy ireo amin'izany andro izany.

Deuteronomy 27:4

Inona no tsy maintsy ataon'ireo vahoakan'ny Israely aorian'ny fahatafitan'izy ireo ny Jordana ho any amin'ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo?

Tsy maintsy hanangana ireo vato miaraka amin'ny sokay izy ireo ary hanoratra eo amin'izany ny lalàn'ireo tenin'i Yaveh rehetra.

Inona no tsy maintsy haorin'ireo vahoakan'ny Israely eo amin'ny tendrombohitra Ebala?

Ireo vahoakan'ny Israely dia hanorina alitara vita amin'ny vato ho an'i Yaveh tsy amin'ny fampiasana fitaovana vy mba hanolorana fanatitra dorana ho azy.

Deuteronomy 27:6

Inona no hosoratan'ny vahoakan'ny Israely eo amin'ireo vato izay nolalorin'izy ireo?

Hanoratra feno eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ny lalàna izy ireo.

Deuteronomy 27:9

Nahoana no tena zava-dehibe ho an'ny vahoakan'ny Israely ny mandre ny feon'i Yaveh ary mankatoa ireo didiny tamin'izany andro izany?

Zava-dehibe izany satria tamin'izany andro no lasa vahoakan'i Yaveh izy ireo.

Deuteronomy 27:11

Nahoana ireo foko enina teo amin'ny Israely no nodidiana hitsangana eo an-tendrombohitra Gerizima?

Mosesy niteny tamin'ny vahoaka fa enina amin'ny fokon'ny Israely no tsy maintsy hatsangana eo an-tendrombohitra Gerizima mba hitso-drano ny vahoaka.

Deuteronomy 27:13

Nahoana ireo foko enina teo amin'ny Israely no nodidiana hitsangana eo an-tendrombohitra Ebala?

Enina eo amin'ireo fokon'ny Israely no nodidiana hitsangana eo an-tendrombohitra Ebala mba hanonona ozona.

Deuteronomy 27:15

Inona no zavatra iray izay fahavetavetana amin'i Yaveh?

Zavatra iray izay fahavetavetana amin'i Yaveh ny sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an'idina vitan'ny mpanao asa-tanana izay nanangana izany mangingina.

Deuteronomy 27:20

Nahoana ny lehilahy iray no ho voaozona raha miara-mandry amin'ny vadin'ny rainy?

Voaozona ny lehilahy iray raha miara-mandry amin'ny vadin'ny rainy, satria nangalatra ny zon'ny rainy izy.

Deuteronomy 27:24

Inona no nolazain'ireo Levita fa hitranga amin'ny lehilahy izay namono mangingina ny mpiray vodirindrina aminy na mandray kolikoly mba hamonoana olona tsy meloka?

Izany olona izany dia ho voaozona.

Deuteronomy 27:26

Nahoana ireo Levita no nilaza fa tokony hanamafy ireo tenin'ity lalàna ity amin'ny fankatoavana azy ireo?

Ny lehilahy dia tokony hankatoa ireo tenin'izany lalàna izany mba tsy ho voaozona.

Deuteronomy 28

Deuteronomy 28:1

Inona no ataon'ireo vahoakan'ny Israely mba hitahian'ny Yaveh azy ireo ary mba hametrahana azy ireo eo ambonin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany?

Ny vahoakan'ny Israely dia mila mihaino tsara ny feon'i Yaveh ary hitandrina ireo didiny.

Deuteronomy 28:7

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ny vahoakan'ny Israely raha mitandrina ireo didiny izy ireo?

Hahatonga ny fahavalon'izy ireo ho resy eo anoloan'izy ireo i Yaveh.

Deuteronomy 28:9

Hataon'i Yaveh ho lasa inona ireo vahoakan'ny Israely raha mitandrina ireo didiny?

Hanorina azy ireo tahaka ny vahoaka masina ho azy Izy.

Deuteronomy 28:11

Inona no ho sokafan'i Yaveh ho an'ny vahoakan'ny Israely raha mitandrina ireo didiny izy ireo?

Hosokafan'i Yaveh ho azy ireo ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny tanin'izy ireo amin'ny fotoany, sy hitahy ny asan'ny tanan'izy ireo rehetra.

Deuteronomy 28:15

Inona no hitranga amin'ny vahoakan'ny Israely raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh ary tsy mitandrina ireo didiny rehetra izy ireo?

Ho tonga amin'izy ireo ozona rehetra ary hahatrtra azy ireo.

Deuteronomy 28:23

Ho tonga inona eo amin'ireo Israelita ny lanitra sy ny tany raha tsy mankatoa ireo didy izy ireo?

Ho tonga varahina ny lanitra ary ho tonga vy ny tany.

Deuteronomy 28:25

Inona no hitranga amin'ny Israely rehefa miady amin'ireo fahavalony izy ireo sy raha tsy mankatoa ireo didy?

Ho resy eo anoloan'ireo fahavalony izy ireo, ary handositra eo anoloan'izy ireo amin'ny lalana fito.

Deuteronomy 28:27

Amin'ny inona no hamelezan'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely raha tsy mankatoa izy ireo?

Hamely azy ireo amin'ireo vain'i Egypta, sy amin'ireo fery, sy fahabokana, ary hidihidy, ary koa amin'ny fahaverezan-tsaina, amin'ny fahajambana ary amin'ny fikorotanan-tsaina.

Deuteronomy 28:30

Inona no hitranga raha misy Israelita mifamofo amin'ny vehivavy, na manamboatra trano na manao tanim-boaloboka?

Tsy hiara-hatory amin'ny vehivavy izy, na hipetraka ao an-trano, na hisitraka ny vokatry ny tanim-boaloboka.

Deuteronomy 28:32

Inona no hitranga amin'ny zanaka lahy sy zanaka vavin'ireo Israelita?

Ireo zanaka zanaka lahy zy zanaka vavin'izy ireo dia homena ireo olon-kafa, ary hitay azy ireo izy ireo fa tsy hahita azy ireo.

Deuteronomy 28:36

Ho lasa inona eo amin'ny ireo vahoaka rehetra ny vahoakan'ny Israely?

Ho lasa loharanon'ny horohoro, ohabolana, ary oha-pitenenana, eo amin'ireo vahoaka rehetra izy ireo.

Deuteronomy 28:38

Ahoana no fiantraikan'ny tsy fankatoavan'ny vahoakan'ny Israely amin'ny vokatra izay ambolen'izy ireo?

Hamboly voa betsaka izy ireo, sy tanim-boaloboka, fa tsy hisitraka ny vokatra aavy amin'ireo asany satria ireo kankana sy ireo valala no handany izany.

Deuteronomy 28:42

Ahoana no hapanan-danja kokoa ny vahiny noho ny vahoakan'ny Israely?

Ny vahiny dia hampisambotra azy ireo ary ho lohany rehefa tsy afaka mampisambotra sy ho lasa rambony ny vahoakan'ny Israely.

Deuteronomy 28:45

Inona no hitranga satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh sy tsy nitandrina ireo didiny ny vahoakan'ny Israely?

Ho tonga amin'izy ireo sy hanenjika azy ireo ny ozona rehetra mandra-paharingana azy ireo.

Deuteronomy 28:47

Nahoana no manompo ireo fahavalon'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely?

Hanompo ireo fahavalon'i Yaveh izy ireo satria tsy nanompo an'i Yaveh tamin-kafaliana sy fifaliam-po izy ireo rehefa tao anatin'ny fanambinana.

Deuteronomy 28:49

Inona no faminanian'i Mosesy momba ny vahoakan'ny Israely?

Hitondra firenena avy any alavitra hanohitra azy ireo i Yaveh miaraka amin'ny tsy fanajana ny zokiolona sy ny tanora, ary koa haka ny sakafo rehatra eo amin'izy ireo sy ny biby fiompin'izy ireo.

Deuteronomy 28:54

Nandritra ny fahiranon'ny tanàna dia inona no tsy nomen'ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka teo amin'izy ireo ho an'ny rahalahiny na ny vady malalany na ireo zanaka rehetra nilaozany?

Tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy.

Deuteronomy 28:56

Nandritra ny fahiranon'ny tanàna dia inona no nataon'ny vehivavy tamin'ny zanany vao teraka sy ny zanaka izay haterany?

Mandritra ny fahiranon'ny tanàna dia hihinana ny zanany vao teraka sy ny zanaka izay hoateran y ny vahivavy.

Deuteronomy 28:58

Inona no hitranga raha tsy mankatoa ny anaran'i Yaveh amin'ny fitandremana ireo teny ao anatin'ny bokin'ny lalàna ny vahoakan'ny Israely?

Hiaina amin'ny areti-mandringana mahatsiravina sy areti-mandoza izy ireo.

Deuteronomy 28:60

Firy amin'ireo vahoaka kelin'i Yaveh no tavela taorian'ny famaizan'i Yaveh azy ireo?

Ho kely an'isa sy hoaparitaka any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny tany izy ireo.

Deuteronomy 28:65

Hahita fitsaharana ve ireo vahoakan'ny Isarely rehefa naparitaka tany amin'ny ireo firenena?

Tsy hahita fitoniana, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotr'izy ireo izy ireo.

Deuteronomy 29

Deuteronomy 29:1

Tamin'iza no nanaovan'i Yaveh fanekena?

Nanao fanekena tamin'ny Israely tany amin'ny tanin'i Moaba i Yaveh.

Inona no fanekena nataon'i Yaveh tamin'ny Israely?

Nanao fanekena tamin'ny Israely tao Horeba i Yaveh.

Deuteronomy 29:2

Amin'ny inona no ampatsiahivin'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely rehetra?

Mampatsiahy ny vahoakan'ny Israely rehetra ny zavatra izay nataon'i Yvaeh teo anoloan'ny mason'izy ireo tany amin'ny tany Egypta tamin'ny Farao i Mosesy, tamin'ny ireo mpanompony rehetra, sy tamin'ny taniny rehetra.

Nahoana i Mosesy no milaza fa ny vahoakan'ny Israely dia mila ampatsiahivina ny fahoriana lehibe izay hitan'ny mason'izy ireo, ireo famantarana ary ireo fahagagana lehibe?

Mosesy nilaza fa hatramin'ny anio dia tsy hanome azy ireo fo hahafantarana, maso hahitana, sofina handrenesana ny momba ireo zavatra ireo i Yaveh.

Deuteronomy 29:5

Nahoana no nentin'i Yaveh nandritra ny efapolo taona tany an'efitra ny Israely ka ny akanjon'izy ireo sy ireo kapany dia tsy niala teny aminy ary tsy nihinana mofo na nisotro divay na zava-pisotro mahamamo izy ireo?

Nanao ireny zavatra ireny izy mba hahafantaran'izy ireo fa izy no i Yaveh Andriamanitr'izy ireo.

Deuteronomy 29:7

Inona no zavatra tokony ataon'ny Israely mba ho ambinina amin'ny zavatra rehetra?

Tokony hitandrina ireo tenin'ny fanekeny izy ireo ary anao ireny mba ho ambinina amin'izay rehetra ataony izy ireo.

Deuteronomy 29:10

Teo anoloan'iza no nijoro ireo Israelita rehetra?

Teo anoloan'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo no nijoro ireo Israelita rehetra.

Deuteronomy 29:12

Nahoana ireo Israelita no nijoro teo anoloan'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo?

Nijoro teo anoloan'i Yaveh izy ireo mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh sy amin'ny fianianana izay nataon'i Yaveh tamin'izy ireo tamin'izany andro izany.

Inona no tian'i Yaveh atao amin'ny vahoakan'ny Israely amin'ny alalan'izany fanekena izany?

Ny hahatonga ny vahoakan'ny Israely ho vahoakany.

Deuteronomy 29:14

Iza no vahoaka voakasika tao amin'ny fanekena sy fianianana izay nataon'i Yaveh tamin'ny Israely tamin'izany andro izany tao Moaba?

Izay rehetra nitsangana tamin'izany andro izany tao Moaba ary koa ireo izay tsy teo niaraka tamin'izy ireo dia tsy voakasika tamin'ny fanekena sy ny fianianana izay nataon'i Yaveh tamin'ny Israely.

Momba ny inona no nampatsiahivina indray ny vahoakan'ny Israely?

Nampatsiahivina azy ireo ny fomba niainan'izy ireo tany amin'ny tany Egypta sy ny fomba namakivakian'izy ireo ireo firenena izay nolalovan'izy ireo.

Deuteronomy 29:17

Nahoana ny vahoaka no nampatsiahivina ireo zava-maharikoriko izay hitan'izy ireo tamin'izy ireo nandao an'i Egypta?

Nampatsiahivina azy ireo ny zava-maharikoriko izay hitan'izy ireo ka mba tsy amin'izy ireo tsy hivily hiala ain'i Yaveh ny fon'izy ireo, hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ary mba tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo amin'izy ireo.

Inona no tsy tokony holazain'ny olona izay mandre ireo tenim-panozonana ao am-pony?

Ny olona izay mandre ireo tenim-panozonana dia tsy tokony hiteny fa hanana fiadanana amin'ny izay alehany izy na dia mandeha araka ny diran'ny fony aza.

Deuteronomy 29:20

Inona no hitranga amin'ny lehilahy izay milaza fa hanana fiadanana na dia mandeha araka ny ditran'ny fony aza?

Tsy hamela azy i Yaveh, hirehitra aminy ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ireo ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ny boky dia ho tonga aminy ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany.

Deuteronomy 29:22

Inona no anotananian'ny taranaka ho avy rehefa mahita ireo areti-mandringana eo amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany?

Anontany izy ireo hoe nahoana i Yaveh no manao ireny amin'ity tany ity ary inona no hevitr'izao firehetan'ny fahatezerana lehibe izao?

Deuteronomy 29:25

Ahoana no avalin'ny vahoaka rehefa manontany ny vahoaka ho avy hoe nahoana i Yaveh no manao ireony amin'ny tany?

Hiteny ireo vahoaka fa satria tsy nanaraka ny faneken'i Yaveh ary satria izy ireo nandeha nanompo ireo andriamanitra hafa sy niankohoka tamin'izy ireo, andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo ary tsy nomena azy ireo akory.

Deuteronomy 29:27

Inona no nolazain'ireo vahoaka fa nirehitra tamin'ity tany ity?

Ireo vahoaka dia nilaza fa ny fahatezeran'i Yaveh no nirehitra tamin'ity tany ity.

Inona no holazain'ny vahoaka fa hataon'i Yaveh amin'ireo izay nofongorany tamin'ny tanin'izy ireo tamin'ny fahatezerany?

Hilaza ireo vahoaka fa, tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fahavinirana sy tamin'ny fahasosorana lehibe no nanarian'i Yaveh azy ireo tany amin'ny tany hafa.

Deuteronomy 29:29

An'iza ireo zava-miafina?

Ireo zava-miafina dia an'i Yaveh Andriamanitra irery ihany.

An'iza ireo zavatra ambara?

Ireo zavatra ambara dia natao ho an'ireo vahoakan'ny Israely sy ho an'ireo taranany mandrakizay mba hahafahan'izy ireo manatanteraka ny tenin'ity lalàna rehetra ity.

Deuteronomy 30

Deuteronomy 30:1

Inona no tsy maintsy ataon'ireo vahoakan'ny Israely mba hanovan'i Yaveh ny fahababon'izy ireo sy hanana famindram-po amin'izy ireo sy hiverina ary hanangona azy ireo amin'ireo vahoaka rehetra izay nanaparitahan'i Yaveh azy ireo?

Tsy maintsy miverina amin'i Yaveh sy mankatoa ny feony, manaraka izay rehetra nandidiany azy ireo amin'ny fon'izy ireo rehetra ary ny fanahin'izy ireo rehetra.

Deuteronomy 30:4

Avy aiza no hanangonan'i Yaveh ireo vahoakan'ny Israely natao sesitany?

Avy any amin'ny toerana lavitra indrindra ambanin'ny lanitra no hanangonan'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely natao sesiany.

Aiza no toerana hitondran'i Yaveh ny Isrealita ho sesitany?

Any amin'ny tany izay nanana'ny razamben'izy ireo no hitondran'i Yvaeh azy ireo.

Deuteronomy 30:6

Nahoana no foran'i Yaveh ny fon'ireo Israelita sy ny an'ireo taranany?

Hoforan'i Yaveh ny fon'izy ireo mba hitiavan'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo amin'ny fon'izy ireo rehetra sy ny fanahin'izy ireo rehetra ary mba ho velona izy ireo.

Eo amin'iza no ametrahan'i Yaveh ireo ozona izay eoamin'ny vahoakan'ny Israely?

Hametraka ireo ozona eo amin'ireo fahafalon'izy ireo sy eo amin'izay mankahala ny vahoakan'ny Israely ary izay manenjika azy ireo.

Inona no hitranga rehefa miverina amin'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely?

Hankatoa ny feon'i Yaveh sy anao ireo didiny rehetra izay nandidan'i Mosesy azy ireo izy ireo.

Deuteronomy 30:9

Inona no hataon'i Yaveh rehefa hampahomby ny vahoakan'ny Israely amin'ny asa rehetra izay ataon'ny tanan'izy ireo, amin'ny vokatry ny tenan'izy ireo, amin'ny vokatry ny biby fiompin'izy ireo ary amin'ny vokatry ny tanin'izy ireo ho fandrosoana?

Hifaly amin'ny vahoakan'ny Israely i Yaveh toy ny nifaliany tamin'ireo rain'izy ireo.

Inona no tokony ataon'ny vahoakan'ny Israely mba hifalian'i Yaveh amin'izy ireo?

Ny vahoakan'ny Israely dia tokony mankatoa ny feon'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, hitandrina ireo didiny sy ireo fitsipiny izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna ary miverina amin'i Yaveh amin'ny fon'izy ireo rehetra sy amin'ny fanahin'izy ireo rehetra.

Deuteronomy 30:11

Inona no nolazain'i Mosesy fa tsy dia mafy loatra ho an'ny vahoaka na lavitra loatraho azy ireo ny manakatra azy?

Hoy Mosesy hoe ny didy izay handidiany ny vahoakan'ny Israely dia tsy mafy loatra ho azy ireo na lavitra ho azy ireo no hanakatra azy.

Deuteronomy 30:13

Aiza no itoeran'ny teny?

Ny teny dia tena akaiky anao, ao am-bavana sy ao am-ponao, ka mba hahafahanao manao izany.

Deuteronomy 30:15

Inona no napetrak'i Mosesy teo anoloan'ny vahoakan'ny Israely?

Fiainana sy fahatsarana, fahafatesana sy faharatsiana no napetrak'i Mosesy teo anoloan'ny vahoakan'ny Israely.

Inona no hitranga raha tsy mankatoa ny didin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izay nandidian'i Mosesy azy ireo ny vahoakan'ny Israely?

Ho velona sy ho maro isa izy ireo azy hitahy azy ireo any amin'ny tany izay halehany izy ireo.

Deuteronomy 30:17

Inona no hitranga amin'ny vahoaka raha mivily lalana ny fon'izy ireo ary tsy mihaino, fa kosa ny fon'izy ireo dia voasarika lavitra, sy miankohoka amin'ireo andriamanitra hafa ary manompo azy ireo?

Ho faty tokoa izy ireo ary tsy ho halavaina ny andron'izy ireo any amin'ny tany.

Deuteronomy 30:19

Inona no nasain'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely hofidiana ka hiantsoany ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona?

Nasain'i Mosesy nifidy ny fiainana ny vahoaka mba ho velona izy ireo sy ireo taranany.

Nahoana ny vahoaka no tokony hifidy ny fiainana?

Tokony hifidy ny fiainana izy ireo mba hitiavana an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, mba hankatoavana ny feony ary hifikirana aminy satia izy no fiainan'izy ireo sy hahalava ny andron'izy ireo.

Deuteronomy 31

Deuteronomy 31:1

Inona no nambaran'i Mosesy ny Israely momba ny taona mihamandroso?

Niteny azy ireo izy fa roapolo amby zato taona izy ankehitriny ary tsy dia afaka mandeha mivoaka sy miditra intsony izy.

Inona no nambaran'i Yaveh an'i Mosesy momba ny fitàna ny Jordana?

Nanambara tamin'i Mosesy Izy fa tsy hita ny Jordana izy fa Andriamanitra no hita ny Jordana mialoha an'i Mosesy ary hamotika ireo firenena eo anoloan'ny Israely.

Iza no nolazain'i Yaveh fa hita ny Jordana hisolo an'i Mosesy?

Yaveh nilaza tamin'i Mosesy fa i Josoa no hita ny Jordana eo alohan'ny Israely.

Deuteronomy 31:4

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Sihona sy Oga, mpanjkaan'ireo Amorita?

Naringan'i Yaveh izy ireo sy ny taniny.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny Israely rehefa miady amin'ireo firenena izy ireo?

Yaveh nilaza fa hanome fandresena ny Israely amin'izy ireo rehefa miadybamin'izy ireo ny Israely.

Inona no toromarika nomen'i Mosesy ireo Israelita?

Niteny azy ireo i Mosesy mba hatanjaka, sy hahery tsara, tsy hatahotra sy ho raiki-tahotra ireo firenena satria i Yaveh no miara-mandeha amin'izy ireo ka tsy hanary na hahafoy azy ireo.

Deuteronomy 31:7

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'i Josoa teo imason'ny Israely rehetra?

Mosesy nilaza tamin'i Josoa mba hatanjaka sy hahery tsara fa Josoa no handeha miaraka amin'ny vahoakan'ny Israely any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambeny mba homena azy ireo ary i Yaveh no hampandova azy ireo ny tany.

Inona no nolazain'i Mosesy an'i Josoa fa ho atao'i Yaveh ho azy?

Mosesy nilaza tamin'i Josoa fa i Yaveh no handeha eo alohan'i Josoa, hiaraka aminy ary i Yaveh tsy handao na hahafoy an'i Josoa ko tsy tokony hatahotra sy ho kivy i Josoa.

Deuteronomy 31:9

Iza no nomen'i Mosesy ny lalàna taorian'ny nanoratany izany?

Nomen'i Mosesy ireo mpisorona izany lalàna izany, ireo zanak'i Levy, izay nitondra ny fiaran'ny fanekena ary koa nanome ireo dika mitovy amin'izany an'ireo loholon'ny Israely rehetra.

Impiry i Mosesy no mibaiko ireo mpisorona mba hamaky ny lalàna izay nomen'i Mosesy azy ireo?

Mibaiko ireo mpisorona mba hamaky ny lalàna isaky ny faran'ny fito taona, mandritra ny Firavoravoan'ny Fialofana, eo an-tsofin'ny Israely rehetra.

Deuteronomy 31:12

Nahoana i Mosesy no niteny ireo mpisorona mba hamory ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, ary ary ireo vahiny?

Mosesy nilaza tamin'ireo mpisorona mba hamory ny vahoaka rehetra mba hahafahan'izy ireo mandre sy miantra, ary manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy hitandrina ireo teny rehetra amin'ny lalàna mba hahafahan'ny zanak'izy ireo mandre sy mianatra manome vonninahitra an'i Yaveh.

Mandritra ny hafiriana notokony hamakin'ireo mpisorona ny lalàna amin'ny vahoakan'ny Israely?

Ireo mpitsara dia tokony hamaky ny lalàna amin'ny vahoaka raha mbola mipetrak amin'ny tany izay hitàn'izy ireo an'i Jordana ho fananan'izy ireo.

Deuteronomy 31:14

Nahoana i Yaveh no nilaza tamin'i Mosesy mba hiantso an'i Josoa ary hanolotra ny tenan'izy ireo ao ami'ny lay fihaonana?

Nasain'i Yaveh i Mosesy mba hiantso an'i Josoa ho ao amin'ny lay fihaonana satria ho avy ny andro izay hahafatesan'i Mosesy.

Inona no hitranga rehefa manolotra ny tenan'izy ireo ao amin'nny lay fihaoanana i Mosesy sy i Josoa?

Rehefa nanolotra ny tenany tao amin'ny lay fihaoanana i Mosesy sy i Josoa, dia niseho tao amin'ny lay tamin'ny andry rahona i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny varavaran'ny lay.

Deuteronomy 31:16

Ahoana no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho fihetsikin'ny vahoaka aorian'ny fatorian'i Mosesy miaraka amin'ireo razambeny?

Yaveh nilaza tamin'i Mosesy fa ny olona dia hitsangana, ka hanao tahaka ny mpijangajanga manaraka ireo andriamanitrin'ny tany hafa izay hanadinoin'izy ireo an'i Yaveh ary handravan'i Yaveh ny fanekeny izay nataony tamin'izy ireo.

Deuteronomy 31:17

Inona no nambaran'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataony rehefa manadino ny faneken'i Yaveh ny vahoaka?

Yaveh nilaza tamin'i Mosesy fa amin'ny andro izay hanadinoin'ny vahoaka ny fanekeny, dia hirehitra amin'izy ireo ny fahatezerany, handao azy ireo izy, ary hanafina ny tavany amin'izy ireo.

Inona no nambaran'i Yaveh tamin'i Mosesy fa hitranga amin'ny vahoaka raha manafina ny tavany amin'izy ireo i Yaveh?

Yaveh niteny tamin'i Mosesy fa aretina maro sy korontana no ho hitan'ny vahoaka ary hnafina ny tavany amin'izy ireo izy satria nitodika tamin'ireo andriamani-kafa izy ireo.

Deuteronomy 31:19

Nahoana no nasain'i Yaveh nanoratra hira sy nampianatra ny vahoakan'ny Israely i Mosesy ary nametraka izany teo ambavan'izy ireo?

Nasain'i Yaveh nanoratra hira sy nampianatra ny vahoakan'ny Israely i Mosesy ka izany hira izany dia ho vavolombelona ho an'i Yaveh amin'ireo vahoakan'ny Israely.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny Mosesy fa ho ataon'ny vahoaka raha any amin'ny tany izay nianan'i Yaveh fa homena ireo razamben'izy ireo?

Yaveh nilaza tamin'i Mosesy fa ny vahoakan'ny Israely dia hitodika any amin'ireo andriamani-kafa, hanompo azy ireo, hanao tsinotsinona an'i Yaveh ary handravany fanekeny.

Deuteronomy 31:21

Inona no nambaran'i Yaveh an'i Mosesy momba ny hira izay tokony atao rehefa hita eo amin'ny vahoakan'ny Israely ny ratsy sy ny korontana maro?

Yaveh nilaza tamin'i Mosesy fa ny hy hira dia ho vavolombelona eo anoloan'ny Israely ary sy ho adino eo ambavan'ny taranak'izy ireo izany.

Inona no nolazain'i Yaveh fa fantany mikasika ny vahoaka na dia nitondra azy ireo tany amin'ny tany izay nampananenainy aza izy?

Yaveh niteny hoe fantatro ny tetikasa izay noforonin'izy ireo ankehitriny.

Deuteronomy 31:22

Hafiriana no niadrasan'i Mosesy talohan'ny nanoratany ny hira iza nolazain'i Yaveh azy mba hosoratana?

Nosoratan'i Mosesy tamin'io andro io ihany ilay hira izay nasain'i Yaveh nosoratany ary avy eo dia nolazainy tamin'ny vahoakan'ny Israely izany tamin'io andro io ihany.

Inona no didy nomen'i Yaveh an'i Josoa, zanaka lahin'i Nona?

Nandidy an'i Josoa mba hatanjaka sy hahery tsara i Yaveh.

Nahoana no nandidy an'i Josoa mba hatanjaka sy hahery tsara i Yaveh?

Niteny an'i Josoa mba hatanjaka sy hahery tsara i Yaveh satria i Josoa no hitondra ny vahoakan'ny Israely any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh azy ireo ary i Yaveh niteny an'i Josoa fa hiaraka amin'ny Josoa.

Deuteronomy 31:24

Iza no nomen'i Mosesy ireo tenin'ny lalàna tao anaty boky rehefa nahavita nanoratra izany izy?

Nomen'i Mosesy an'ireo Levita izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ireo tenin'nny lalàna.

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ireo Levita fa tokony ataon'izy ireo amin'ny bokin'ny lalàna rehefa nahavita naroratar izany izy?

Nasain'i Mosesy naka ny bokin'ny lalàna ireo Levita ary hamaetraka izany eo ankilan'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo mba ho eo tahaka ny vavolombelona manohitra azy ireo zany.

Deuteronomy 31:27

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ireo Levita fa fantany momba azy ireo, raha mbola velona miaraka amin'izy ireo izy androany?

Mosesy nilaza tamin'ireo Levita fa mahafantatra ny momba ny fikomian'izy ireo sy ny fomba nataon'izy ireo nikomiana hanoherana an'i Yaveh.

Nahoana i Mosesy no niteny tamin'ireo Levita mba hamory eo anatrehany ireo loholona rehetra eo amin'ny fokon'izy ireo ary ireo manam-boninahitra?

Mosesy niteny tamin'ireo Levita mba hamory ireo loholon sy manam-boninahitra mba hahafahany miteny ireo teniny eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo.

Inona no nolazain'i Mosesy fa fantany fa hitranga aorian'ny fahafatesany?

Mosesy nilaza fa aorian'ny fahafatesany dia hamitaka ny tenan'izy ireo tokoa ny vahoaka ary hiala amin'ny lalana izay nandidiany azy ireo.

Inona no nolazain'i Mosesy fa hitranga rehefa hiala amin'ny lalana izay nandidiany azy ireo ny vahoaka?

Mosesy nilaza fa aretina no ho avy amin'ny vahoaka amin'ny andro manaraka aorian'ny fialan'izy ireo amin'ny lalana izay nandidian'i Mosesy azy ireo.

Nahoana no nilazan'i Mosesy fa aretina no ho avy amin'ny vahoaka?

Mosesy nilaza fa aretina no ho avy satria hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh izy ireo, izay hahatonga azy ho tezitra amin'ny asan'ny tanan'izy ireo.

Deuteronomy 31:30

Inona no nohirain'i Mosesy teo an-tsofin'ny vahoakan'ny Israely rehetra?

Nirain'i Mosesy ireo teny rehetra tao amin'ny hira izay nosoratany.

Deuteronomy 32

Deuteronomy 32:1

Inona no nasain'i Mosesy nataon'ny lanitra sy ny tany?

Nasainy'i Mosesy hihaino sy hamela azy hiteny ny lanitra ary nasainy hihaino ny tenin'ny vavany ny tany.

Inona no ampitahan'i Mosesy ny fampianarany sy ny teny halahany?

Ampitahan'i Mosesy amin'ny orana ny fampianarany ary amin'ny ando ny teny halahany.

Deuteronomy 32:3

Amin'ny anaran'iza no hitorian'i Mosesy sy hampanekeny ny fahalebiazana?

Amin'ny anaran'i Yaveh no hitorian'i Mosesy ary hanekeny ny fahalebiazan'Andriamanitra.

Asan'iza no tanteraka ary marina ny lalany?

Ny asan'ny Vatolampy no tanteraka ary ny lalany no marina.

Iza no tsy misy heloka ary marina sy mahitsy?

Mahatoky Andriamanitra, izay tsy misy heloka ary marina sy mahitsy.

Deuteronomy 32:5

Inona no iantsoan'i Mosesy ireo vahoaka izay nanao fihetsika ratsy nanohitra an'i Yaveh?

Taranaka ratsy fanahy sy meloka ary adala sy tsy misy saina no niantsoan'i Mosesy azy ireo.

Iza no nolazain'i'i Mosesy fa nanao sy nanorina ny vahaoakn'ny Israely?

Yaveh no nasain'i Mosesy nanao sy nanorina ny vahoakan'y Israely.

Deuteronomy 32:7

Inona no nolazain'i Mosesy fa vitan'ireo loholona sy ireo ray ny mampatsiahy azy amin'ny Israelita?

Mosesy nilaza fa ireo ray sy ireo loholona no mahavita mampatsiahy ireo Israelita momba ny andron'ny fotoana fahiny ary ny taona maro efa lasa.

Inona no nolazain'i Mosesy fa afaka tenenin'ireo ray sy ireo loholona amin'ny vahoaka momba ny nanomezan'ilay Avo indrindra an'ireo firenena ny lovan'izy ireo?

Mosesy nilaza fa ilay Avo Indrindra dia nizara ny olombelona rehetra, ary nametraka ny faritanin'ny vahoaka araka ny isan'ny zanaka lahin'ireo Israelita.

Deuteronomy 32:9

Inona no anjaran'i Yaveh ary iza no zara-lovany?

Ny anjaran'i Yaveh dia ireo vahoakany ary Jakoba no zara-lovany.

Taiza no nahitan'i Yaveh an'i Jakoba? (ireo vahoakan)?

Tany amin'ny tany efitra no nahitan'i Yaveh an'i Jakoba (ireo vahoakany).

Inona no nataon'i Yvahe ho an'ireo vahoakany?

Niaro azy ireo i Yaveh, nikarakara sy niambina azy ireo toy ny anakandriamasony.

Deuteronomy 32:11

Inona no ampitahan'i Mosesy ny lalana izay nikarakaran'i Yaveh ireo vahoakany?

Ampitahain'i Mosesy amin'ny voromahery izay miambina ny akaniny sy maniditsidina eo ambonin'ireo zanany ny lalana izay nikarakaran'i Yaveh ireo olony.

Iza irery no nitarika ny vahoakan'ny Israely?

Yaveh irery ihany no nitarika ny vahoakan'ny Israely.

Deuteronomy 32:15

Inona no nitranga rehefa nihanatavy Jesorona (Israely)?

Rehefa nihanatavy sy afa-po Jesorona (Israely) dia nahafoy an'Andriamanitra ary naha-saropiaro azy tamin'ireo andriamanin-kafa sy nampatezitra azy tamin'ireo sampin'izy ireo.

Deuteronomy 32:17

Iza no adinon'ny vahoakan'Andriamanitra rehefa nanohy ny fikomiany izy ireo?

Nanadino an'Andriamanitra izay niteraka azy ireo izy ireo.

Deuteronomy 32:19

Inona no nataon'i Yaveh satria nihantsy azy ny vahoakany?

Nafoin'i Yaveh ny vahoakany satria nihantsy azy izy ireo.

Deuteronomy 32:21

Iza no ampiasain'i Yaveh mba hampialonana sy hampahatezitra ny Israely?

Hampialona azy ireo i Yaveh amin'ireo izay tsy vahoaka , ary hampahatezitra azy ireo amin'ny firenena adala.

Deuteronomy 32:23

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ampivangongoany eo amin'ny Israely?

Hampivangongo loza eo amin'izy ireo aho hoy i Yaveh.

Deuteronomy 32:27

Inona no hotandreman'i Yaveh amin'ny fanaovana ny fandrahonana rehetra amin'ny vahoakany?

Hitandrina amin'ny fanaovana ny fandrahonana rehetra amin'ny vahoakany i Yaveh satria ireo fahavalony dia hitsara diso ka hiteny hoe : "Misandratra ny tananay."

Deuteronomy 32:28

Inona no tsy ampy amin'ny Israely amin'ny maha firenena azy?

Tsy ampy fahendrena ny Israely ary tsy misy fahazavan-tsaina ao amin'izy ireo.

Inona no tian'i Mosesy ho takatry ny Israely?

Tian'i Mosesy ny Israely mba andinika izay hiafarany.

Deuteronomy 32:30

Ahoana izany hoe ny Israely dia afaka mampadositra ny fahavalon'izy ireo mba hanana fandresena eo amin'ny fahavalon'izy ireo?

Afaka manana fandresena ny Israrely satria i Yaveh dia efa nanome azy ireo fandresena ary ny vatolampin'ireo fahavalon'izy ireo dia tsy tahaka ny Vatolampin'ireo Israelita.

Deuteronomy 32:33

Avy aiza no niavian'ny ny divain'ny fahavalo ary ahoana no hamaritana ireo voaloboa?

Avy any Sodoma sy Gomoro no nihavian'ny divain'izy ireo ary ireo voalobony dia misy poizina sy mangidy.

Ahoana no hamaritana ny divay avy amin'ireo voalobok'i Sodoma sy Gomoro?

Ny divay dia voafaritra toy ny poizin'ny menarana ary poizi-mandozaben'ny menarana.

Ahoana no nitehirizana ny fikasan'i Yaveh?

Ny fikasan'i Yaveh dia voatahiriny ary voaisy tombo-kase tao an-trano fitoeran-drakiny.

Deuteronomy 32:35

Iza no tompon'ny ny famaliana sy ny fampanodiavana?

An'i Yaveh ny famaliana sy ny fampanodiavana.

Rahoviana no ho avy ny andron'ny loza sy ireo zavatra izay hitranga?

Antomotra ny andron'ny loza ary hitranga faingana ny zavatra voatendry.

Deuteronomy 32:36

Iza no handray fanapahan-kevitra sy hamindra fo amin'ireo amin'ireo mpanompony?

Yaveh no hanapa-kevitra amin'ny vahoakany ary izy no hamindra fo amin'ireo mpanompony.

Deuteronomy 32:37

Avy taiza no tsy nahatongavan'ny fanampiana sy ny fiarovana ho an'ny vahoakan'ny Israely?

Tsy avy tamin'ireo andriamanitra ny fiarovana sy ny fanampiana, ny vatolampy izay nialofan'izy ireo sy izay nihinana ireo sorona sy nisotro ny fanatitra sotroin'izy ireo.

Deuteronomy 32:39

Iza no nolazain'i Andriamanitra fa andriamanitra ankoatra azy ary inona no lazainy fa Izy irery ihany no afaka manao azy?

Andriamanitra niteny fa tsy misy andriamanitra afa-tsy Izy ary Izy irery ihany no mahafaty sy mahavelona, mandratra sy manasitrana.

Inona no ataon'Andriamanitra, izay Andriamanitra tokana nampanantena fa hanandratra ny tanany ho amin'ny lanitra?

Raha nanandratra ny tanany ho amin'ny lanitra izy dia nampanantena fa ho velona mandrakizay, ary hiasa.

Deuteronomy 32:41

Amin'ny inona no hitondran'Andriamanitra ny rariny sy ny famaliany?

Hitondra ny rariny sy ny famaliany amin'ireo fahavalony sy ireo izay manakahala azy izy.

Deuteronomy 32:42

Taiza no nilazan'Andriamanitra fa ny zana-tsipikany dia ho mamon-drà ary ny sabany dia hihinana nofo?

Ho mamon-drà miaraka amin'ny ràn'ireo voavona sy babo ny zana-tsipikan'Andriamanitra ary ny sabany dia hihinana nofo avy amin'ny lohan'ireo mpitarika ny fahavalo.

Deuteronomy 32:43

Iza no hiravoravo miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehefa mamaly ny ràn'ireo mpanompony izay nitondra famaliana faty ireo fahavalony izy?

Ireo firenena no hiravoravo miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

Ho an'iza no anaovan'Andriamanitra fanavotana ho an'ny taniny?

Hanao fanavotana ho an'ny taniny Andriamanitra ho an'ny olony.

Deuteronomy 32:44

Iza no nihira ireo tenin'ny hirany teo an-tsofin'ny vahoaka?

Mosesy sy Josoa no nihira ny hira teo an-tsofin'ny vahoaka.

Deuteronomy 32:46

Ahoana no hifantohan'ny sain'ny vahoakan'ny Israely amin'ireo teny izay nijoroan'i Mosesy vavolombelona tamin'izy ireo?

Hampifantoka ao an-tsainy ireo tenin'i Mosesy izy ireo mba hahafahany mandidy ny zanany mba hitandrina ireo teny rehetra amin'ny lalàny.

Deuteronomy 32:48

Nahoana no nasain'i Yaveh niakatra teny amin'ny tendrombohitra tandrifin'i Jeriko i Mosesy?

Nasain'i Yvaeh niakatra teny amin'ny tendrombohitra i Mosesy mba hitazanany ny tany Kanana izay nomen'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely ho fananan'izy ireo.

Deuteronomy 32:50

Inona no nolazain'i Yaveh fa hahazo an'i Mosesy eny an-tendrombohitra?

Yaveh nilaza fa ho faty eny an-tendrombohitra i Mosesy tahaka ny nahafatesan'i Arona tao an-tendrombohitra Hora sy nanagonana ireo vahoakany.

Nahoana i Yaveh no nilaza fa ho faty eny an-tendrombohittra i Mosesy?

Ho faty eny an-tendrombohitra i Mosesy satria tsy nahatoky an'i Yaveh tao amin'ny ranon'i Meriba tany Kadesy ary satria Mosesy tsy nitondra an'Andriamanitra tamim-boninahitra sy tamim-panajana teo anatrehan'ny vahoakan'ny Israely.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho hitan'i Mosesy alohan'ny hafatesany?

Yaveh nilaza fa i Mosesy dia hahita ny tany izay homen'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely fa tsy handeha ho any kosa.

Deuteronomy 33

Deuteronomy 33:1

Oviana no nanomezan'i Mosesy izany tso-drano izany tamin'ny vahoakan'ny Israely?

Talohan'ny nahafatesany no nanomezan'i Mosesy izany tso-drano izany tamin'ny vahoakan'ny Israely.

Ahoana no nanoritsoritan'i Mosesy an'i Yaveh?

Mosesy nanoritsoritra an'i i Yaveh toy ny iray izay niposaka avy tao an-tendrombohitra Parana, tonga niaraka tamin'ireo anjely masina iray alina, ary tselatra no teo an-tanany havanana.

Deuteronomy 33:3

Ahoana no fahatsapan'i Yaveh momba ny vahoakan'ny Israely?

Yaveh tia an'ireo vahoakn'ny Israely.

Ahoana no namalian'ireo vahoaka masin'ny Israely ny fitiavan' i Yaveh,

Ireo vahoaka masin'ny Israely dia niankohoka teo an-tongotr'i Yaveh ary nandray ireo teniny.

Inona no nolazain'i Mosesy momba ny lalàna izay nandidiany ny vahoakan'ny Israely?

Niantso ny lalàna ho lova ho an'ny fiangonan'i Jakoba i Mosesy.

Deuteronomy 33:5

Tonga inona i Yaveh rehefa lasa lohan'ny vahoaka sy nivory ireo fokon'ny Israely rehetra?

Tonga mpanjaka tao Jesorona i Yvaeh (Israely).

Inona no nolazai'i Mosesy fa hahazo an'i Robena?

Mosesy nilaza fa ho velona i Robena ary tsy ho faty fa ho vitsy kosa ny ireo olony.

Deuteronomy 33:7

Inona no tso-drano izay nomen'i Mosesy an'i Joda?

Mosesy nangataka tamin'i Yaveh mba hitahy an'i Joda amin'ny fihainoana ny feon'i Joda, hitondra azy eo amin'ny vahoakany ary hiady ho azy.

Deuteronomy 33:8

Inona no nasain'i Mosesy nataon'ireo Levita amin'ny fitsofany rano azy ireo?

Mosesy niteny an'ireo Levita mba hampianatra ny didin'i Yaveh, hametraka ditin-kazo manitra sy ireo fanatitra dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh, hitahy an'i Yaveh ary anaiky ny asan'ny tanany mba hanorotoro ny valahan'ireo izay mitsangana hanohitra an'i Yaveh.

Deuteronomy 33:12

Inona no nolazain'i Mosesy momba ny tso-dranon'i Benjamina?

Yaveh nilaza fa i Benjamina dia ilay malalan'i Yaveh, miaro azy mandrakariva i Yaveh ary monina eo anelanelan'ny sandrin'i Yaveh izy.

Deuteronomy 33:16

Iza ilay andriana teo amin'ireo rahalahiny?

Josefa ilay andriana teo amin'ireo rahalahiny.

Deuteronomy 33:17

Inona no ataon'ireo an'alinalin'i Efraima sy an'arivorion'i Manase?

Hanonto ireo olona izy ireo, izy rehetra, hatrany am-paran'ny tay.

Deuteronomy 33:18

Manomboka aiza no nolazain'i Mosesy fa hatongavan'ireo fitahian'i Zebolona sy Isakara?

Ireo fitahian'i Zebolona sy Isakara dia ho tonga avy any an-tendrombohitra, avy amin'ny haren'ny ranomasina ary avy amin'ny fasika miafina nay amoron-dranomasina.

Deuteronomy 33:20

Ahoana no nolazain'i Mosesy ny honenan'i Gada amin'ny faritaniny malalaka?

Honina any tahaka ny liona vavy izy ary hamiravira sandry na loha.

Deuteronomy 33:21

Inona no notanterahan'i Gada ho an'i Yvaeh?

Notanterahan'i Gada ny fahamarinan'i Yaveh ary ny didiny tamin'ny Israely.

Deuteronomy 33:22

Ahoana no nanoritsoritan'i Mosesy an'i Dana?

Mosesy nanoritsoritra an'i Dana to ny zana-diona izay miantsampy avy any Basana.

Deuteronomy 33:23

Tany inona no nolazain'i Mosesy fa halain'i Naftaly?

Handova ny tany hatrany andrefana sy atsimo i Naftaly.

Deuteronomy 33:24

Inona no nolazain'i Mosesy momba ny tso-dranon'i Asera?

Mosesy nilaza fa i Asera dia ho tahiana mihoatra noho ny zaanaka lahy afa rehetra, afaka hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva izay hiarovana azy amin'ny androny rehetra izy.

Deuteronomy 33:27

Inona no nolaain'i Mosesy fa hataon'Andriamanitra amin'ireo fahavalon'i Jesorona (Israely)?

Mosesy nilaza fa handroaka ireo fahavalon'i Jesorona (Israely)eo anoloan'izy ireo Andriamanitra ary hiteny hoe: "Aringano."

Deuteronomy 33:28

Ahoana no hiveloman'ny taranak'i Jakoba?

Honina fahizay ny taranak'i Jakoba ary any amin'ny tany misy vary sy divay vaovao.

Deuteronomy 33:29

Ahoana no nanoritsoritan'i Mosesy an'i Israely?

Nosoritsoritan'i Mosesy toy ny voatahy sy vahoaka voavonjini Yaveh ny Israely, ireo fahavalon'izy ireo dia ho tonga hangovitra eo amin'izy ireo.

Deuteronomy 34

Deuteronomy 34:1

Avy aiza no nanehoan'i Mosesy ireo tany rehetra izay ho lovan'ny fokon'ny Israely?

Nasehon'i Mosesy ny tany rehetra izay ho lovan'ny fokon'ny Israely vy eo an-tampon'ny Pisga.

Deuteronomy 34:4

Inona no navelan'i Yaveh ho hitan'i Mosesy talohan'ny nahafatesany?

Navelan'i Yaveh hahita ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba i Mosesy.

Taiza ao maty i Mosesy ary taiza no nandevenan'i Yaveh azy?

Maty tany amin'ny tanin'i Moaba i Mosesy ary nalevin'i Yaveh tao amin'ny lahasaha ao amin'ny tanin'i Moaba tandrifin'i Beti-peora izy.

Deuteronomy 34:7

Nanao ahoana ny vatan'i Mosesy raha maty tamin'ny faha roapolo amby zato taonany izy?

Rehefa maty Mosesy dia mbola natajaka izy ary mbola nahita tsara.

Hafiriana no nisaonan'ny vahoakan'ny Israely an'i Mosesy?

Nisaona an'i Mosesy nandritry ny telopolo andro ny vahoaka.

Deuteronomy 34:9

Nahoana no nihaino an'i Josoa ary nanao izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely?

Nihaino an'i Josoa ny vahoakan'ny Israelita satria Josoa dia feno ny fanahin'ny fahendrena, ary Mosesy efa nametra-tanana taminy.

Deuteronomy 34:10

Ahoana no nahafantaran'i Yaveh an'i Mosesy?

Fantatry i Yaveh nifanatrika taminy i Mosesy.

Efa nisy mpaminany tahaka an'i Mosesy ve tao Israely?

Tsy mbola nisy mpaminany tahaka an'i Mosesy mihintsy tao Israely.