Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Thessalonians 1

1 Thessalonians 1:2

Inona no tsaroan'i Paoly mandrakariva eo anatrehan'Andriamanitra momba ireo Tesaloniana?

Paoly dia mahatsiaro ny asan'ny finoan'izy ireo, ny asa'ny fitiavan'izy ireo, ary ny faharetan'ny fanantenan'izy ireo.

1 Thessalonians 1:4

Ahoana ireo fomba efatra nahatongavan'ny filazantsara teo amin'ireo Tesaloniana?

Ny filazantsara dia tonga teo amin'ireo Tesaloniana tamin'ny teny, tamin-kery, tamin'ny Fanahy Masina, ary tamin'ny fahatokiana be.

1 Thessalonians 1:6

Inona no niseho tamin'ireo Tesaloniana raha vao nandray ny tenin'ny filazantsara izy ireo?

Ireo Tesaloniana dia nandray tamin'ny ady sarotra lehibe ny filazantsara.

Inona no fihetsik'ireo Tesaloniana raha vao nandray ny tenin'ny filazantsara izy ireo?

Ireo Tesaloniana dia nandray ny teny tamim-pifaliana tao amin'ny Fanahy Masina.

1 Thessalonians 1:8

Inona no niseho tamin'ny tenin'ny Tompo rehefa avy noraisin'ireo Tesaloniana izany?

Niely tamin'ny toerana rehetra izay nielezan'ny finoan'izy ireo ny tenin'ny Tompo .

Inona no noderain'ireo Tesaloniana talohan'ny naha-mpino azy ireo tao amin'Andriamanitra marina?

Ireo Tesaloniana dia nanompo sampy talohan'ny naha-mpino azy ireo tao amin'Andriamanitra marina.

Inona no nandrasan'i Paoly sy ireo Tesaloniana?

Paoly sy ireo Tesaloniana dia niandry an'i Jesosy ho tonga avy any an-danitra.

Inona no hanafahan'i Jesosy antsika?

Jesosy dia hanafaka antsika amin'ny fahatezerana izay ho avy.

1 Thessalonians 2

1 Thessalonians 2:1

Nanao ahoana i Paoly sy ireo miaraka aminy talohan'ny nahatongavan'izy ireo teo amin'ireo Tesaloniana?

Paoly sy ireo miaraka aminy dia nijaly ary nalaim-baraka.

1 Thessalonians 2:3

Iza no nirin'i Paoly hampifaliana tamin'ny fitoriany ny filazantsara?

Paoly dia naniry hampifaly an'Andriamanitra tamin'ny fitoriany ny filazantsara.

1 Thessalonians 2:5

Inona no tsy nataon'i Paoly tamin'ny fitoriany ny filazantsara?

Paoly dia tsy nampiasa fandokafana, na koa nitady voninahitra tamin'ny olona.

1 Thessalonians 2:7

Inona no nataon'i Paoly sy ireo miaraka aminy mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ireo Tesaloniana izy ireo?

Paoly sy ireo miaraka aminy dia niasa andro aman'alina mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ireo Tesaloniana.

1 Thessalonians 2:10

Ahoana no nitondran'i Paoly ireo Tesaloniana rehefa teo amin'izy ireo izy?

Paoly dia tsara fanahy tamin'ireo Tesaloniana tahaka ny reny sy ny ray amin'ireo zanany.

Nasain'i Paoly handeha amin'ny fomba ahoana ireo Tesaloniana?

Paoly niteny an'ireo Tesaloniana mba handeha amin'ny fomba mendrika an'Andriamanitra izay niantso azy ireo amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana.

1 Thessalonians 2:13

Karazana teny tahaka ny inona no nandraisan'ireo Tesaloniana ny hafatra notorian'i Paoly tamin'izy ireo?

Ireo Tesaloniana dia nandray ny hafatra tahaka ny tenin'Andriamanitra, fa tsy tahaka ny tenin'ny olona.

1 Thessalonians 2:14

Inona no nataon'ireo Jiosy tsy mpino izay tsy nankasitrahan'Andriamanitra?

Ireo Jiosy tsy mpino dia nanenjika ireo fiangonana tao Jodia, namono an'i Jesosy sy ireo mpaminany, nandroaka an'i Paoly, ary nandrara an'i Paoly hiresaka amin'ireo Jentilisa.

1 Thessalonians 2:17

Nahoana i Paoly no tsy afaka nankany amin'ireo Tesaloniana na dia naniry ny ho any aza izy?

Paoly dia tsy afaka nankany satria Satana dia nanakana azy.

Ho inona ireo Tesaloniana amin'i Paoly amin'ny fahatongavan'ny Tompo?

Ho lasa fanantenan'i Paoly ireo Tesaloniana, hafaliana, ary satro-boninahiny amin'ny fahatongavan'ny Tompo.

1 Thessalonians 3

1 Thessalonians 3:1

Inona no nataon'i Paoly, na dia hitoetra irery ao Atena aza izy?

Paoly nandefa an'i Timoty mba hampatanjaka sy hankahery ireo mpino any Tesalonika.

Inona no nolazain'i Paoly fa naha-voatendry azy?

Paoly dia nilaza fa voatendry amin'ny fahoriana izy.

1 Thessalonians 3:4

Voakasika momba ny inona i Paoly manoloana ireo Tesaloniana?

Paoly dia voakasika satria ny mpaka fanahy angamba dia efa naka fanahy azy ireo ary ny asany dia ho zava-poana.

1 Thessalonians 3:6

Inona no nankahery an'i Paoly rehefa niverina avy any Tesalonika i Timoty?

Paoly dia nankaherezin'ny fahenoana ny vaovao mahafalin'ny finoana sy fitiavan'ireo Tesaloniana, ary ny hoe te-hahita azy izy ireo.

1 Thessalonians 3:8

Paoly dia nilaza fa izy dia velona raha manao inona ireo Tesaloniana?

Paoly nilaza fa velona izy raha mifikitra mafy amin'ny Tompo ireo Tesaloniana.

Inona no nivavahan'i Paoly andro aman'alina?

Paoly dia nivavaka andro aman'alina mba mety hahita ireo Tesaloniana sy hanome izay tsy ampy amin'ny finoan'izy ireo.

1 Thessalonians 3:11

Nirian'i Paoly hitombo sy handroso amin'ny inona ireo Tesaloniana?

Paoly dia naniry ireo Tesaloniana mba hitombo sy handroso amin'ny fitiavana manoloana ny hafa sy manoloana ny olon-drehetra.

Tranga inona no tian'i Paoly hiomanan'ireo Tesaloniana amin'ny alalan'ny fananan'izy ireo fo tsy manan-tsiny amin'ny fahamasinana?

Tian'i Paoly ho voaomana amin'ny fahatongavan'ny Tompo Jesosy miaraka amin'ireo masiny rehetra ireo Tesaloniana.

1 Thessalonians 4

1 Thessalonians 4:1

Inona no tian'i Paoly ho ataon'ireo Tesaloniana amin'ireo fampianarana izay nomeny azy ireo momba ny tsy maintsy handehanan'izy ireo sy hampifalian'izy ireo an'Andriamanitra?

Tian'i Paoly hanohy handeha sy hampifaly an'Andriamanitra ireo Tesaloniana, ary hanao mihoatra aza.

1 Thessalonians 4:3

Inona no nolazain'i Paoly hoe sitrapon'Andriamanitra ho an'ireo Tesaloniana?

Ny fahamasinan'ireo Tesaloniana no nolazain'i Paoly fa sitrapon'Andriamanitra.

Tokony ahoana no hitondran'ny lehilahy ny vadiny?

Tokony hitondra azy ireo am-pahamasinana sy voninahitra ireo lehilahy.

Inona no hiseho amin'ny rahalahy izay nanota tamin'ny filan-dratsiny?

Ny Tompo dia hamaly an'ireny rahalahy manota amin'ireny filan-dratsiny ireny.

1 Thessalonians 4:7

Iza no lavin'ny olona izay mandà ireo antson'ny fahamasinana?

Andriamanitra no lavin'ny olona izay mandà ny antson'ny fahamasinana.

1 Thessalonians 4:9

Inona no nataon'ireo Tesaloniana izay tian'i Paoly hataon'izy ireo mihoatra kokoa aza?

Tian'i Paoly hitia ny hafa mihoatra ireo Tesaloniana, mihoatra kokoa aza.

Inona no nataon'ireo Tesaloniana mba ho mendrika handeha eo anatrehan'ireo mpino izy ireo sy tsy hanan-java-maha-ory?

Nangina ireo Tesaloniana, nisaina ny raharahan'izy ireo manokana, ary niasa tamin'ny tanan'izy ireo.

1 Thessalonians 4:13

Momba ny foto-kevitra inona no mety tsy ho takatr'ireo Tesaloniana?

Ireo Tesaloniana dia mety tsy mahatakatra momba izay niseho tamin'ireo izay nodimandry.

Inona no ho ataon'Andriamanitra ho an'ireo izay nodimandry tao amin'i Jesosy?

Andriamanitra dia hitondra miaraka amin'i Jesosy ireo izay nodimandry tao amin'i Kristy.

1 Thessalonians 4:16

Ahoana no fomba hidinan'ny Tompo avy any an-danitra?

Ny Tompo dia hidina avy any an-danitra miaraka amin'ny feo avo sy ny trompetran'Andriamanitra.

Iza no hitsangana voalohany, ary iza no hitsangana miaraka amin'izy ireo avy eo?

Ireo maty ao amin'i Kristy no hitsangana voalohany, avy eo ireo izay mbola velona hihaona amin'izy ireo.

Iza no hihaonan'ireo izay nitsangana, ary hafiriana?

Ireo nitsangana dia hihaona amin'ny Tompo eny amin'ny habakabaka, ary hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva.

Inona no nolazain'i Paoly ho ataon'ireo Tesaloniana amin'ireo fampianarana momba ireo izay nodimandry?

Nasain'i Paoly nankahery ny hafa tamin'ireo teniny ireo Tesaloniana.

1 Thessalonians 5

1 Thessalonians 5:1

Ahoana no hahatongavan'ny andron'ny Tompo hoy i Paoly?

Paoly nilaza fa ho avy tahaka ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.

Inona no ho lazain'ny olona sasany rehefa tonga tampoka amin'izy ireo ny fahapotehana?

Ny olona sasany dia hilaza hoe: "Fiadanana sy filaminana."

1 Thessalonians 5:4

Nahoana i Paoly no milaza fa ny andron'ny Tompo dia tsy tokony hahatratra azy ireo tampoka tahaka ny mpangalatra?

Satria ireo mpino dia tsy anaty haizina, fa zanaky ny hazavana, ny andron'ny Tompo dia tsy tokony hahatratra tampoka azy ireo tahaka ny mpangalatra.

Inona no nasain'i Paoly ataon'ireo mpino manoloana ny fahatongavan'ny andro?

Nilaza tamin'ireo mpino i Paoly mba hiambina sy hahonon-tena.

1 Thessalonians 5:8

Voatendrin'Andriamanitra ho an'ny inona ireo mpino?

Ireo mpino dia voatendrin'Andriamanitra ho an'ny famonjena amin'ny alalan'ny Tompo Jesosy Kristy.

1 Thessalonians 5:12

Inona no toetra tokony hananan'ireo mpino manoloana ireo izay ambonin'izy ireo ao amin'ny Tompo hoy i Paoly?

Paoly nilaza fa izy ireo dia tokony hiaiky ary hanaja azy ireo am-pitiavana.

1 Thessalonians 5:15

Inona no nolazain'i Paoly tsy tokony ataon'iza na iza raha nanaovana ratsy izy ireo?

Paoly nilaza fa tsy tokony hisy hamaly ratsy ny ratsy izay natao taminy.

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony ataon'ireo mpino amin'ny zavatra rehetra, nahoana?

Paoly nilaza fa ireo mpino dia tokony hisaotra amin'ny zavatra rehetra, satria izany no sitrapon'Andriamanitra ho azy ireo.

1 Thessalonians 5:19

Inona no fampianarana momba ireo faminaniana nomen'i Paoly an'ireo mpino?

Paoly nampianatra ireo mpino mba tsy hanao tsinontsinona ireo faminaniana, hanandrana ny zava-drehetra, hifikitra amin'izay tsara.

1 Thessalonians 5:23

Inona no nivavahan'i Paoly mba ho ataon'Andriamanitra amin'ireo mpino?

Paoly dia nivavaka mba hampamasina tanteraka ireo mpino amin'ny fanahy sy amin'ny vatana Andriamanitra.

1 Thessalonians 5:25

Inona no nivavahan'i Paoly mba hiaraka amin'ireo mpino mandrakariva?

Paoly dia nivavaka mba hiaraka amin'izy ireo mandrakariva ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy.